"Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak'i Jehovah. Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo". Isaia 52 : 11 - 12
Tohiny
"Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy". Marka 7 : 15
Tohiny
"Fa Ianao, Jehovah o, mahalala ahy; Mahita ahy Ianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny* ho amin'ny andro hamonoana". [*Hebreo: hamasino] — Jeremia 12 : 3
Tohiny
"Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa* ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika". [*Grika: efa nanasa tena]. I Korintiana 6 : 11
Tohiny