"Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra". 2 Korintiana 7:1
Tohiny
"Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsy fanarahana." Efesiana 5:6
Tohiny
"Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesoa: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony". Jaona 8:11
Tohiny
"Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany." 1 Korintiana 3:17
Tohiny
