Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana* ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana; [* Na: hanana fanahy misaotra] fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deoteronomia 4:24)". — Hebreo 12 : 28 - 29
Tohiny

"Raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra". — Titosy 1 : 6
Tohiny

"Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesoa Kristy; tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsy fahalalanareo" — I Petera 1 : 13 - 14
Tohiny

"Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo" — Efesiana 6 : 5 - 6
Tohiny