"Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala tamin'ny asany izay nataony avy, ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao". — Eksodosy 36 : 4 - 5
Tohiny
"Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na amin'inona*, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.[* Na: aza manantena valiny]"— Lioka 6 : 35
Tohiny
"Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro". — Hebreo 10 : 25
Tohiny
"Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo". — Matio 12 : 33
Tohiny



