"Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra". Amosa 9 : 12-15 (and. 14)
Tohiny
"Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako ? Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy…
Tohiny
"Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana*, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany". [*Grika: seza fiandrianana] Kolosiana 1 : 15-20 (and.16)
Tohiny
"Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao" Hebreo 12 : 1-3 (and.1)
Tohiny