Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan*'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesoa Kristy". [*Na: hampisehoana] II Korintiana 4 : 6
Tohiny

"Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian'ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino". Lioka 14 : 34 - 35
Tohiny

"Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao), dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny…
Tohiny

"Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany; Tsy hahalala izany va ianareo? Eny, any an'efitra no hanaovako làlana ary any amin'ny tany lao no hasiako ony". Isaia 43 : 19
Tohiny