"Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko". Levitikosy 26:12
Tohiny
"Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho". Matio 18:20
Tohiny
"Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo". 2 Petera 3:17
Tohiny
"Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao. Ary any amin'ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah".…
Tohiny



