Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Ary nony nahare izany Jesoa, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza". Lioka 7 : 9
Tohiny

"Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra*, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy". [*Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo].II Korintiana 3 : 18
Tohiny

"Ary nararin'ny tazo sady nivalan-drà ny rain'i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy. Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana. Ary voninahitra be no nomen'ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara". Asan'ny Apostoly 28…
Tohiny

"Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tanan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony". Eksodosy 14 : 31
Tohiny