Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana*, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin'Andriamaniny. [*Na: Na dia mandeha amin'ny maizina aza izy ka tsy misy famirapiratana]". Isaia 50 : 10
Tohiny

"Dia tanteraka ny Soratra Masina izay manao hoe: Ary natao ho isan'ny mpanota Izy (Isaia 53:12)". Marka 15 : 28
Tohiny

"Ary raha mbola nihinana izy, Jesoa nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako. Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany". Marka 14 : 22 - 23
Tohiny

"Manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?" Hebreo 10 : 29
Tohiny