"Ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesoa, Izay atao hoe Kristy. Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo". — Matio 1 : 16 - 17