Messages récents par FJKM Isotry Fitiavana

ALAHADY 01 MAR 2020

"Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe: Ary ianao, ry
Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsy hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao". Matio 11:20; 23-24

Ho moramora kokoa ry Kapernaomy  ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao. Manao teny faran’izay hentitra Jesoa ry havana ô, amin’i Kapernaomy. Satria naninona ? Satria tsy niraharaha an’i Jesoa Kapernaomy, satria tsy niraharaha ny teny fampianarana Kapernaomy, satria tsy niraharaha ny fahagagana nataon’i Jesoa Kapernaomy. Dia lazaiko aminao ry Kapernaomy fa ho moramora kokoa no hitsarana an’i Sodoma amin'ny andro fitsarana noho izay hitsarana anao.

Raha fintinina ry havana ity toriteny ity, dia azo fintinina amin’ny fomba tsotra tahak’izao, hoe : AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA E ! AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA. AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA.

Rehefa manomboka ilay perikopa eo amin’ny and.20 dia hoe : "Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna » Jesoa. Tsy mahazatra antsika Fiangonana ry havana izany Jesoa miteny mafy izany. An an an, ny antsika ilay Jean 3 :16 ihany : « Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao » ; fa tsy zakantsika izany hoe Jesoa miteny mafy izany. Amin’ny teny frantsay izy, hoe : « reprocher », amin’ny teny frantsay, hoe : « dénoncer », amin’ny teny frantsay izy, hoe : mi-« invectiver ». Tsy azontsika an-tsaina mihitsy, tsy eken’ny saintsika izany hoe Jesoa mi-invectivé olona, na iza na iza. Tsy eken’ny saintsika izany. Nefa ny perikopa voalohany amin’ny andro voalohany andinihantsika ny lohahevitra hoe : « Miverena amin’ny Tompo », dia teny mafy ry havana ô. Ary tsy vitan’ny hoe teny mafy ; raha mba izay ihany moa ; fa teny mafy manambara hoe : Loza, lozanao ry Korazina, lozanao ry Betsaida. Satria naninona ry havana ? Satria mba efa nisahirana Jesoa tao Kapernaomy nampianatra, nanao fahagagana, nefa tsy nahoan’i Kapernaomy inona izany. Tsy nahoan’i Betsaida inona izany. Tsy nahoan’i Korazina inona izany. Lozanareo. Miantso ny loza aminareo ianareo, miantso ny loza aminareo ianareo. Ary izao teny hentitra izao ry havana, izay nataon’i Jesoa tamin’i Kapernaomy, ataony amintsika noho ny fitiavana antsika : tsy tiany isika hoe hisy loza hahatratra e. Izany. Ary ota manokana no dénoncé-n’i Jesoa amintsika mianakavy, ota manokana no hi-invectivé-n’i Jesoa antsika mianakavy anio, dia ilay hoe : tsy firaharahana. Aoka izay e, ity tsy firaharahana ity. Izay fotsiny ilay hafatra ry havana : AOKA IZAY E, ITY TSY FIRAHARAHANA ITY E !

Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : KAPERNAOMY DIA TANANA  VONTO-PILAZANTSARA NEFA TSY NORAHARAHIANY NY FILAZANTSARA

Izay ny fahamarinana 1 : Kapernaomy vonto-pilazantsara nefa tsy noraharahian’i Kapernaomy izany. Enga anie ry havana ka rehefa mijery antsika Isotry Fitiavana, satria tena marina mihitsy, tao anatin’izay 15 taona niarahantsika izay, izay Pasitera rehetra nandalo teto, dia namonto filazantsara, namonto fampianarana an’ity fitandremana ity. Sanatria ve dia hiteny ny Tompo hoe : eny e, ô ry Isotry Fitiavana ô, tsy noraharahianao izany nefa.

Kapernaomy ity ry havana, tanàn-dehibe, seranana izy ity, port. Matetika ny port tanàn-dehibe foana. Moa, géographiquement, misy lalana lehibe tonga ao sy miainga ao. Dia izay no nirosoany ho tanàna lehibe malaky izany. Ary ity Kapernaomy ity, tena hoe tanàna nataon’i Jesoa ho foiben’ny asany. Jesoa teraka tany Betlehema ; Jesoa tanora sy lehibe tao Nazareta. Fa nanomboka niasa Jesoa, ilay 3 taona niasany, ny herintaona tamin’ireo 3 taona niasany, dia nolaniany, nipetrahany tao Kapernaomy. Ary tsy nisy karazana fampianarana na karazana fahagagana nataon’i Jesoa tao amin’ny fiainany ry havana, ka tsy nataony tato Kapernaomy. Ho singanina manokana izay tena hoe malaza sy miteny amintsika :

  • Tato Kapernaomy Izy izao, satria amoron-dranomasina moa ilay Kapernaomy, tao Izy no nampitsahatra ilay tafio-drivotra, raha nahilangilan’ny alon-drano ilay sambokely. Izay izany ilay karazana fahagagana nataon’i Jesoa.
  • Raha nanatona an’i Petera ilay mpandray sekely na hoe mpitaky sekely andoavana hetran-dehilahy dia hoy Jesoa tamin’i Petera hoe : ndana ianao hoy izy manjono, dia jereo tsara izay trondro voalohany azonao ao an, dia sokafy ny vavany, dia nahita sekely tao Petera. Izay ilay fahagagana nataon’i Jesoa ry havana tao Kapernaomy ihany izany.
  • Dia tao Kapernaomy ihany koa ry havana, tao Izy no nanangana ny zanaka vavin’i Jairo. Fantatsika daholo izany. Ary tena mampitolagaga izany.
  • Tao Kapernaomy Izy no nanasitrana ny ankizilahy, ilay hoe mpanompolahin’ilay kapiteny, izay tonga namonjy Azy : marary any an-tranoko hoy izy ny ankizilahiko dia hoe ho avy any Aho hanasitrana azy. Non, non, non hoy ilay kapiteny : teneno fotsiny hoy izy dia ho sitrana ny ankizilahiko. Ary dia tena hoe niteny Jesoa dia sitrana ny ankizilahin’ilay kapiteny ary teo Jesoa no niteny an’ilay teny mahagaga hoe : « Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahak’izany Aho ». Izany ilay fahagagana nataon’i Jesoa tao Kapernaomy ry havana.
  • Ary ny farany, izay singanina, ary tsy maintsy singanina ry havana, dia tao Kapernaomy Izy no nanasitrana an’ilay lehilahy mararin’ny paralysisa, ilay nentin »ny namany teo Aminy teo, dia teneniny ilay lehilahy io hoe : « Anaka, voavela ny helokao ».

Ry havana ô, izany ny fahagagana, izany ny fampianarana nataon’i Jesoa tao Kapernaomy nefa ohatrany hoe nohosohosehan’i Kapernaomy tamin’ny tany izany, tsy noraharahiany, nakifikifiny izany fampianarana sy fahagagana izany ry havana ô. Ary izany no nahatezitra an’i Jesoa, hoe, tahaka ny nitenenany tamin’i Betsaida sy Korazina hoe : loza, loza ; dia miteny amin’i Kapernaomy Izy hoe : an an an, ho hitanao, fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anao noho ny hitsarana an’i Sodoma satria naninona ? Ianao nahita an’izany fahagagana izany, ianao nahita an’izany fampianarana izany. Ary ny tena hoe zavatra tokony soritana eto, indrindra amin’izao volana handinihantsika ny lohahevitra hoe : « Miverena amin’ny Tomponao » izany, rehefa miteny hoe : tezitra ny Tompo, tezitra ny Tompo satria tsy niteraka finoana Azy ho Kristy zanak’Andriamanitra ilay fahagagana nataony tao Kapernaomy ry havana. Tsy niteraka finoana an’i Jesoa hoe Kristy sy zanak’Andriamanitra. Ary tsy niteraka fibebahana. Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, ny votoatin’ny filazantsara dia zavatra tokana, dia efa nofintinin’i Marka ao amin’ny Marka 1 :15 hoe : « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara ». Izay no votoatin’ny filazantsara ry havana ô. Ary ny olona mitory fahagagana, tsy mitory antso ho amin’ny fibebahana, dia mitory Kristy hafa, mitory filazantsara hafa, mitory filazantsara sandoka ry havana ô. Ary jereo tsara izay Fiangonana alehanareo, raha Fiangonana manandratra ny fahalebiazan’Andriamanitra, raha Fiangonana mankalaza ny Heriny, manasitrana, manao fahagagana sy ny tahak’izany, kanefa tsy mitory ny fibebahana, dia Fiangonana iasan’ny fanahy mamitaka izany Fiangonana izany.

Ary misaotra an’Andriamanitra isika ry havana ô, ny amin’ny ahazoantsika mifampilaza tahak’izao, hoe : e, aoka izay ny tsy firaharahiana e ! Izay fahagagana rehetra ampy mba hinoantsika, ary hoy Jaona hoe mbola misy fahagagana hafa nataon’i Jesoa, fa raha hoe soratana anaty boky ary ny fahagagana rehetra nataony, ity tany ity, la terre entière tsy omby an’izany fahagagana izany. Fa ampy ireto hinoantsika Fa Izy no Kristy ry havana ô. Ampy izany hinoantsika ary hamaliantsika izany antso hoe miverena ianao, mibebaha amin’izay ianao, miovà fiainana ianao, ary atsaharo ny adalanao, atsaharo ny fiodinanao, fa Izaho vonona tsy hampanjombona intsony ny tavako aminao. Hentitra izany ry havana ô. Fa zaza mpiodina, zaza maditra e, zaza mafy loha e, izany no anarina amin’izao maraina izao.

Izay ny fahamarinana 1, hoe : KAPERNAOMY VONTO-PAHAGAGANA, KAPERNAOMY VONTO-PILAZANTSARA NEFA TSY NIRAHARAHA. Miteny amintsika ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : AOKA IZAY E, AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA E, SAO HAHATRATRA ANAO NY LOZA E.

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao ; fa nahoana Kapernaomy no tsy niraharaha izany fianarana, izany fahagagana izany ? Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao, hoe : TSY NIRAHARAHA FAMPIANARANA SY FAHAGAGANA KAPERNAOMY SATRIA NIAVONAVONA

Ary io avonavona io, avonavom-po, avonavom-panahy, no miteraka ilay tsy firaharahiana. Tsy niraharaha Kapernaomy satria niavonavona.

Manazava an’izany Jesoa ry havana, ary tena teniny izany eo amin’ny and.23, Matio 11 :23 : « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsy hita ianao ». Mandinika an’i Kapernaomy miavonavona Jesoa ry havana ô, dia miteny Izy hoe : da ianao io mieritreritra ny hisandratra any an-danitra ? Ho hitanao, fa hahetry hatrany ampara-vodilavaka ianao e. Izay. Ary toetrantsika io toetran’i Kapernaomy io ry havana ô. Maninona no hoe toetrantsika io toetran’i Kapernaomy io ? Efa voalaza teo : ity Kapernaomy ity dia hoe tanànà malaza, ity Kapernaomy ity dia hoe tanànà nalaza tamin’ny varotra sy amin’ny harenany. Ity Kapernaomy ity, noho izany, dia hoe sangan’ny firenena. Iza no tsy mieritreritra amintsika ireo fa sangan’ity firenena ity ? Iza no tsy mieritreritra amintsika ireto fa hoe malaza, manan-karena sy ny tahak’izany ? Ary iza no mieritreritra amintsika ireto hoe tsy te hisandratra ho any an-danitra ao an-tsaintsika sy eo am-pontsika ao ry havana ô ? Izany no hitenenana mafy antsika, ary izany no mampiavonavona antsika, izany no mampiodina antsika e. Ianao miavonavona io, manantena hisandratra any an-danitra angamba ianao io hoy Jesoa. Ary rehefa miteny Jesoa ry havana eto amin’ny and.23 hoe : « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsy hita ianao »,  io and.23 io an, citation an’i Isaia 14 :14-15 ary teny milaza an’izany satana izay tratran’izany pêché d’orgueil, ilay hoe avonavona sy fiheveran-tena ho zavatra eo anatrehan’Andriamanitra, te hisandratra hitovy lenta amin’Andriamanitra ry havana ô. Izany ity Kapernaomy ity. Isika rehetra e, tenenan’ny Tompo hoe : Aoka izay io avonavom-po io e ! Fa io avonavom-ponao io mahatonga anao tsy hiraharaha ahy. Izany ilay izy. Ary hahatratra aano ny loza, hahatratra anao ny loza ety an-tany, ary ho mafy noho Sodoma no hitsarana anao amin’ny andro fitsarana. Tia antsika ry havana ny Tompo, izany no hitenenany antsika mafy tahak’izany. Aza mitoky amin’ny lazanao, aza mitoky amin’ny harenanao, aza mitoky amin’ny position sociale-nao, fa tahaka ny tany Kapernaomy, ianao mieritreritra hoe ilay fahambonianao io, dia hoe hisondrotra lava ianao : tsia ry havana ô. Halentiky ny Tompo any amin’ny fara-fietrena ambany indrindra ianao. Hoy ny Isaia 14 :14-15 hoe : « Hiakatra ho any ambonin’ ny havoan’ ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra (hoy satana); Kanjo hampidinina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka hianao ». Tianao ve izany hoe ho any ampara-vodilavaka izany ? Tsy misy tia an’izany hoe ho any ampara-vodilavaka izany ry havana ô. Izany no hitenenan’ny Tompo antsika hoe : mbola tolon-tsain’i satana io ianao miavonavona tsy miraharaha an’i Jesoa io, ary mieritreritra hoe amin’ny herin’ny sandrinao sy amin’ny herin’ny sainao sy ny fahaizanao dia hisandratra ho any an-danitra ianao. Hampietrena any ambany indrindra, any ampara-vodilavaka ianao e. Teni-pitiavana izany ry havana ô. Tenin’ilay Raintsika araka ilay hira 358 teo hoe : zanaka tsy foiny ianao. Ary ny zanaka tiana no anarina sy faizina. Ary tato amin’ity Kapernaomy be avonavona ity ry havana ô, tato amin’ity Kapernaomy ity no nampianarany ny mpianatra izany hoe fanetren-tena izany. Ao anaty-na contexte olona malaza sy mirehareha, Jesosy nampianatra fanetren-tena tamin’ny mpianany. Miteny aminao ny Tompo hoe : manana an’izay antony marina na diso ianao hireharehanao, hiheveranao tena ho zavatra, ary hoe base-ny fiainanao hisandratanao any an-danitra. Diso kajy ianao hoy ny Tompo e. Diso kajy ianao satria izany fomba fisainana izany mahatonga anao tsy hiraharaha ny Tompo noho ny avonavona. Velon’aina ianao androany noho ny antony tokana : tsy tian’ny Tompo ho very ianao ry havana ô. Ary velon’aina ianao androany mba hahazoanao mandinin-tena hoe amin’inona sy amin’inona ary aho no mbola hoe miavonavona ? Ary amin’inona sy amin’inona aho no mbola tsy miraharaha ny Tompo ry havana ô.

Faranana, faranana izao teny izao ry havana. Fa maninona moa izany ny Tompo e, no milaza hoe : « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao » ? Io fitsarana io dia ilay fitsarana farany ambaran’ny Apokalypsy 20 ry havana. Zavatra tena hisy. Ary amin’io, dia ho mafimafy kokoa no hitsarana antsika Isotry Fitiavana noho ny hitsarana an’i Sodoma ry havana. Izany io, izany io. Inona ny antony ? Inona ny antony ? Lazain’i Jesoa ry havana ô, lazain’i Jesoa, fa raha tao Sodoma no mba niasany tahaka ny niasany tany Kapernaomy, Jesosy no miteny hoe : mibebaka Sodoma. Izany ange io e. Izany io ry havana ô. Tenin’i Jesoa izany ? Samy mpanota na isika na Sodoma ; samy mpanota. Tsy misy marina na iray aza, hoy ny Apostoly Paoly, Romana 3. Fa ny maha-samy hafa antsika sy Sodoma : isika vonto-pahagagana, isika vonto-pampianarana. Sodoma tsy mba nisy mitory filazantsara tany Sodoma ry havana ô. Raha tsy izany izy mba efa nibebaka ihany koa, hoy Jesoa Kristy. Vonona ve ianao, vonona ve ianao hiala amin’izany hoe tsy firaharahiana izany ? Izany ry havana ô ny votoatin’ity toriteny ity hoe : AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA E ! AOKA IZAY. Tapaho ny hevitra e : aza miezaka hoe : ah, tokony esoriko izany : tapaho ny hevitra : Aoka izay ny tsy firaharahiana ry havana ô.

Eto amin’ity perikopa ity, dia hoe efa tafalatsaka lalina, lalina dia lalina tamin’ny hamafim-po Kapernaomy. Dia hoy Jesoa amin’i Kapernaomy hoe : an an an, ianao, ianao dia ho mafimafy no hitsarana anao noho i Sodoma izany e. Inona tokoa ny zavatra nitranga ? Ny archéologue izao sisa ry havana no miezaka mamantatra hoe teto na teto izany tanànà nanana ny lazany antsoina hoe Kapernaomy izany. Korotam-bato sisa no hita eo. Ary tena marina ny tenin’i Jesoa. Niaran-doza Kapernaomy ry havana ô. Fa izao : raha mijery ny hamafim-pon’i Kapernaomy Jesoa dia tsy nampoiziny hiova intsony Kapernaomy. Fa mijery ny hamafim-poko Izy, mijery ny hamafim-ponao Izy, dia mbola manao teny hentitra ohatran’izao : « Mibebaha ka miverena Amiko ianao fa Izaho tsy te hampanjombona ny tavako aminao intsony e ». Mibebaha, atsaharo io tsy firaharahiana io, atsaharo io tsy firaharahiana io ry havana ô. Milaza zava-dratsy sy toetra ratsy tokony hialana izany Sodoma izany ry havana ô. Nefa rehefa mijery an’i Kapernaomy Jesoa ry havana, dia ohatrany hoe lany haiky Izy ary izany no mahatonga Azy hiteny hoe : na dia Sodoma aza, izay tonga fanoharana amin’ny faharatsiana, raha izy no nanaovako an’ireo fahagagana ireo, nibebaka ireo, nibebaka tokoa ary tsy ringana ry havana ô. Kapernaomy mafy fo lavitra noho i Sodoma. Raha mijery ahy, raha mijery anao ny Tompo, dia hiteny ve izy hoe : io Pasitera io, ireo mpivavaka ao Isotry Fitiavana ireo, mbaraky ny efa nanariko sy nampianariko, dia mbola mafy fo lavitra noho Sodoma. Sanatria, sanatria ry havana ô. Mbola andro-pahasoavana izao. Andro-pahasoavana izao. Zavatra tokana no andrasan’ny Tompo aminao e : miverena Aminy. Ary ny mariky ny fiverenana Aminy, zavatra faran’izay tsotra : atsaharo ny tsy firaharahiana Azy. Atsaharo ny tsy firaharahiana ny Teniny. Atsaharo ny tsy firaharahiana Fiangonana. Atsaharo ny tsy firaharahiana Soratra Masina.  Atsaharo ny tsy firaharahiana vavaka sy fiainam-bavaka. Fa rehefa tratran’izany tsy firaharahiana ara-panahy izany ianao, tsy misy zavatra raharahianao koa eo amin’ny fiaraha-monina, na ny vadinao, na ny zanakao, na ny mpiara-belona aminao. Dodona ny Tompo ry havana ô, ary miandry antsika mpiodina Izy amin’izao maraina izao, hoe : miverena aty amiko ianareo. Ary ny fahasoavan’Andriamanitra ry havana ô, izay nitaona anao teto androany maraina, ny fahasoavan’Andriamanitra hiasa ao aminao ka ny Fanahy Masina hampiaiky heloka anao amin’izay rehetra hoe fiodinana sy tsy firaharahiana mbola ao aminao, tsy firaharahiana kely, tsy firaharahiana be. Hain’ny Tompo ny manafaka anao amin’izany ry havana ô. Ary dia ho faly loatra Izy mahita anao manatona Azy ary dia ianao, hanandrana amin’izay, hanandrana eo noho eo izany hoe fifalian’ny famonjena, fifalian’ny lanitra izany.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

 

ALAHADY 23 FEB 2020

« Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra ». Kolosiana 3 :16

Ny hafatra androany ry havana ho antsika Fiangonana dia izao : MANOMBOKA ANIO, TANDREMO NY MOZIKA SY NY HIRA HENOINAO SY HIRAINAO.

Ny Fahamarinana 1 araka ity texte ity, dia ny hoe : AOKA NY TENIN’I KRISTY HITOETRA BETSAKA AO AMINAREO AMIN’NY FAHENDRENA REHETRA.

Ny olona ry havana asaina mitandrina ny hira sy mozika hirainy, tsy avy hatrany dia hitenenana an’izany izy e. Fa tenenina izy aloa hoe : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra ». Tsy ho vitanao izany mitandrina ny hira sy ny mozika izany, fa hoe : « io indray ny fahateren-tsainao Pasitera ». Ry havana ô : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra ».

Raha jerena ilay contexte akaiky indrindra amin’ity tenin’i Paoly hoe : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo », dia eo amin’ny and.1 amin’ny toko fahatelo, hoe : « Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo ». Ity texte ity ry havana, ity toriteny ity, dia miantefa amintsika izay matin’ny fahadisoany taloha, izany hoe maty ara-panahy, fa nandre ny tenin’Andriamanitra, dia natsangan’Andriamanitra niaraka tamin’i Kristy avy amin’izany fahafatesana ara-panahy izany. Izay izany ity toriteny ity ry havana ô : olona efa nateraka indray, olona efa natsangana ara-panahy. Izany ity toriteny ity ry havana ô. Ary rehefa jerentsika ilay Kolosiana io, Kolosiana 3 :1-2, dia hoe : « Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany » ; izany ny olona hilazana hoe : « E, tandremo ary e, manomboka izao ny mozika henoinao sy ny hira henoinao », olona natsangana tamin’ny maty ary dia ilazana hoe satria ianao natsangana tamin’ny maty, dia miditra amin’ny tontolo vaovao, ary io tontolo vaovao io dia hoe tontolon’ny lanitra io ry havana ô. Ny tongotrao no mbola ety an-tany, fa ny sainao sy ny fanahinao efa miditra any amin’izany tontolon’ny lanitra izany : Saino ny zavatra any ambony, any amin'izay itoeran'i Kristy. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny ety an-tany. Ary aoka izany teny izany ry havana ô, hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, aoko izany hitoetra betsaka ao aminareo. Resaka tontolo idirana io, ary tontolo ilaozana. Tsisy resaka morale io ry havana ô, ary izay no tenenin’i Paoly eo amin’ny and.5, Kolosiana 3 :5, hoe : « Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany ». Tsy manondro manokana ny hoe fijangajangana, ny fahalotoana ny Soratra Masina ry havana, ny fanirian-dratsy, ny fieremana, fa hoy izy hoe : tontolo anankiray izany, ary mifanaraka ireo, mifamatotra ireo ; fa efa hoe ilaozy, aza sainina intsony izany. Toriteny atao ho anao izay efa nitsangana tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy izany ry havana ô. Ary vaovao mahafaly izany, vaovao mahafaly izany.

Dia ahoana moa izany hoe : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra » ? Na ny tanora, na ny zokiny mahay an’ity hoe mihaino zavatra na mihaino hira en boucle ity. Ao, maraina, atoandro, hariva, dia miverina ao, dia miverina ao. Avereno ao an-tsainao maraina, atoandro, hariva izany tenin’i Kristy , izany tenin’ny Soratra Masina manao hoe : « Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, saino ny any ambony, any amin'izay itoeran'i Kristy, fa Kristy mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny ety an-tany ». Rehefa ataonao maraina sy hariva, miova ny fisainanao e, miova ny fijerinao ry havana ô. Ary rehefa hoe avelanao mandeha en boucles ao an-tsainao izany tenin’Andriamanitra izany hoe : « Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, , dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany » ; ilay sampy atakalonao an’Andriamanitra ; manasitrana anao izany, manafaka anao izany. Izany no hafatra volamena ho antsika e. Ary angataho ry havana ny Fanahy Masina, angataho ny Fanahy Masina ampahatsiaro anao an’izany teny izany. Ao amin’ny Efesiana 5 :18b : « aoka hofenoina ny
Fanahy Masina ianareo » hoy ny Apostoly Paoly. Ny Efesiana sy ny Kolosiana mitovitovy, Paoly ihany no nanoratra an’ireo, mitovitovy. Ato amin’ny Kolosiana i Paoly tsy mba miteny hoe : « Aoka hofenoina ny Fanahy Masina ianareo », fa eo amin’ilay toerana hitenenany any amin’ny Efesiana hoe : « Aoka hofenoina ny Fanahy Masina ianareo », miteny Paoly hoe : « Aoka hitoetra betsaka ao aminareo ny tenin’i Kristy ». Ny mampitoetra ny tenin’i Kristy ao amintsika = feno ny Fanahy Masina. Feno ny Fanahy Masina ianao : mampitoetra betsaka ny tenin’i Kristy ao aminao amin’ny fahendrena rehetra ry havana ô.

Angataho ry havana ô, angataho ny Fanahy Masina manomboka izao. Izay no tsy fantatsika mianakavy. Angataho ny Fanahy Masina hampatsiahy antsika izany tenin’i Kristy ; maro no efa nianarantsika tsianjery teto ; satria moa io izany no hampiteny antsika e : « ampio aho Jesoa an, ampio aho Fanahy Masina hisaina ny zavatra any ambony an, ampio aho hifaly rehefa miditra an’izany tontolon’ny lanitra izany e ; ny tongotro mbola ety an-tany e, fa ny saiko sy ny fanahiko misaina ny any an-danitra ary mangetaheta ilay fihaonana amin’ilay Tompoko izany » ry havana ô. Izany, angataho ny Fanahy Masina hampatsiaro anao ireny teny hoe : « Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra ». Aza henoina indray mandeha isa-taona fotsiny izany e. Fa aoka ny Fanahy Masina hampisaina anao an’izany dia tena hoe haniry ny lanitra ianao, haniry an’i Jesoa izay ao an-danitra ianao, izay efa miandry anao. Izany ny hoe : aoka ny teny hitoetra betsaka ao aminareo ry havana ô, amin’ny fahendrena ; izany hoe, amin’ny hareny, « dans toute sa richesse », hoy ny Soratra Masina. Aoka ny Fanahy Masina hampatsiaro anao teny mamy ohatran’ireny tenin’i Isaia ireny, hoe : « Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao e, sady tiako ianao e». Ianao mahatsiaro ahilikilika io, ny Fanahy Masina te hampatsiaro anao an’izany, dia hitoetra betsaka ao aminao ny tenin’i Kristy, ary dia hampahery anao izany ry havana ô, hampahery anao izany. Angataho ny Fanahy Masina. Jereo anie ny Isaia 43 ihany e, tao mantsy ilay teo ; eo amin’ny and.25. Anisan’ny teny volamena ao amin’i Isaia ity teny hoe Isaia 43 :25 ity : « Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao ». Angataho ny Fanahy Masina hampatsiaro anao ny tenin’i Kristy izay efa napetrany ao aminao ; ary rehafa nanao ny tsy mety ianao ka manana ahiahy ny amin’ny mety tsy hahazoanao famelan-keloka, ny Fanahy Masina hampatsiahy anao hoe : « Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao », tsy noho ianao, fa noho ny tenako hoy Jesoa ry havana ô. Noho ny tenako no hamonoako ny fahadisoanao, fa tsy noho ianao. Ary ny Fanahy Masina mbola mampatsiahy hoe : « ary tsy hotsarovako ny fahotanao ». « Hay, misaotra Fanahy Masina mampatsiahy an’izany, fa tsy ho tsarovanao ny fahotako, fa menatra aho, menatra aho. Izaho mihitsy no mamela ny vadiko fa tsy manadino ny fahotany ; tsy hanadino mandrakizay ny nataon’ny zanako tamiko, na ny nataon’ny ray aman-dreniko tamiko ».

Ry havana ô, misaotra ny Tompo ny amin’izany teny izany, hoe : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra ». Dia hiditra amin’izay ianao, na dia mbola ety an-tany aza, amin’izany hoe tontolon’ny lanitra, izay destination finale-nao Ary aoka izany tontolon’ny lanitra izay destination finale izany, aoka izany ho motivation ho anao hampitoetra be dia be ny tenin’i Kristy ao aminao. Hoy Davida hoe : « Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako ». Manahy ny amin’ny ampitso ianao ry havana ô, tsy fantatrao na mandeha mankaiza na mandeha mankaiza ity fiainanao ity : « Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho ». Angataho ny Fanahy Masina. Fa izao : rehefa hitan’ny Fanahy Masina ianao fa te hitoetra be, hampitoetra be ny tenin’i Kristy ao aminao, ka hampatsiahiviny teny, ny zavatra angatahinao farany amin’ny Fanahy Masina dia hoe : « Fanahy Masina ô, manome toky anao aho fa n’inon’inona teny omenao ahy, anio, rapitso, isan’andro isan’andro, mihaniana eo anatrehanao aho fa ho ankatoaviko izany ». Dia ho feno ny Fanahy Masina ianao ary ny tenin’i Kristy hitoetra be ao aminao amin’ny fahendrena rehetra ry havana ô.

Izay no fahamarinana 1 amin’ny olona izay ilazana hoe : « ianao, henonao izany an, donc concrètement ahoana : Tandremo manomboka anio ny hira hirainao sy ny mozika izay henoinao.

Miverina any amin’ny Kolosiana 3 isika ry havana. Hoy ny Soratra Masina hoe : « Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy ».

« Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra » : izay ilay tapany voalohany ; « dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy ». DIA mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy ; DIA, DIA mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao : FANTARO NY HERIN’NY MOZIKA – FANTARO NY HERIN’NY HIRA

Na mozika inona izany, na mozika inona, na hira inona, na hira inona : mirakitra hery iny hira sy mozika iny. Ary dia ilay fahamarinana 2 dia manao hoe : fantaro izany hoe herin’ny mozika izany.

Io ry havana, mbola débat be, ny amin’ity hoe hira sy mozika. Fa ny ho jerentsika dia hoe : ny hira sy ny mozika sahaza ny olona izay efa nitsangana, niara-natsangana tamin’i Kristy. Izay no mi-intéressé antsika eto izany. Teny atao amin’ny olona izay efa niara-natsangana tamin’i Kristy ; tsy ho an’ny olona jentilisa ao amin’izao tontolo izao, tsy mahalala an’Andriamanitra akory izao teny izao ry havana ô.

Ny mpandinika ry havana, any ivelan’ny Baiboly izany, dia manamafy an’izany hoe herin’ny hira sy herin’ny mozika izany. Ary nampieritreritra ahy ry havana, teny-na mpandinika iray tany Etats-Unis tany, dia hoe : tena sarotra ny mianatra mozika, tena sarotra ny mianatra hira ary tena sarotra ny mianatra mahafantatra sy mampiasa ny herin’ny mozika sy ny herin’ny hira. Tena sarotra hoy izy. Dia ny ohatra nalain’ity mpandinika ity tamin’ny enquête nataony, dia hoy izy hoe : any amin’ny Pentagone, ataontsika hoe any amin’ny Ministère-ny défense any Etats-Unis izany, any Pentagone, 13 taona izy no manofana pilote de chasse amin’ireny avion de combat ireny, 13 taona. Fa ao amin’ny Pentagone ry havana, 15 taona izy manofana chef de chœur sy chef d’orchestreho ampiasaina amin’izy miaramila. Ilazana izany hoe mahasaro-pady sy ny fahalebiazan’izany hoe herin’ny hira sy herin’ny mozika ; fa tena misy ry havana ô. Sarotra ny manazava azy, fa mazava be fa rehefa mihaino azy isika dia misy hery ao, ohatrany hoe mandrovitra antsika, manandratra antsika. Manandratra antsika ho aiza, na mitondra antsika ho aiza ? Fa misy hery ao ry havana ô.

Dia manafatra ny Soratra Masina hoe : ianareo efa niara-natsangana tamin’i Kristy, dia hoe : « mifampianara ». Mifampianatra isika izany ; « mifananara  amin’ny Salamo sy ny fihirana ». Fa inona no mahatonga azy hiteny an’izany ry havana ? Raha jerena amin’izao androntsika izao izany an, dia hoe amin’ny Salamo sy ny fihirana, dia hoe io Salamo io, ary misaotra an’Andriamanitra ry havana ny amin’ny vina sy ny tolo-tsaina nomeny ny FJKM lasa manisy hira ireny Salamo ireny ankehitriny ; fa tena hoe fampiarana concrètement ny amin’ny hoe : « mifampianara ary mifananara amin’ny Salamo sy ny fihirana ». Concrètement, ny azo antoka indrindra amin’izao fotoana izao, ho antsika FJKM ry havana, dia ny fihirana FFPM. Ny fihirana hafa, mbola misy hira mampisalasala. Fa rehefa miteny ny Soratra Masina hoe : « mifampianara sy mifananara amin’ny Salamo sy ny fihirana », dia ilay fihirana FFPM io ry havana ô. Azo antoka na ny feony, azo antoka na ny toniny. Ary azo antoka fa hira sy tononkira avy amin’ny Fanahy Masina ireo ry havana ô. Fa rehefa hoe azo antoka moa izany ilay feon-kira e, rehefa hoe azo antoka ilay tononkira e, avy amin’ny Fanahy Masina, dia satria aloa hoe azo antoka ilay mpamoron-kira. Olona nanana fiainam-pibebahana ary olona tena hoe fenoin’ny Fanahy mandrakariva ny fiainany. Hitanareo moa izao, jerentsika anie ilay 518, ilay 518 izay somary tiantsika. Hitanareo izany, ianao izany hifampianatra hoe nifankahita niara-nanao gouter any an-trano na nanao anniversaire, dia somary ajanona amin’izay ilay Ambondrona izany ; tsisy maharatsy an’Ambondrona fa ajanona fotsiny izy, zay an : « andao isika hira-hihira ny 518 e ». Izay ilay izy, rehefa eo amin’ny anniversaire eo na eo amin’ny fivoriam-pianakaviana eo : « F’ialahy koa lesy miseho milay, izahay koa anie mba mivavaka e, fa aleo mb hihaino kely an’i Bodo aloa letia an ». Izay ilay izy. Ilay namorona an’ity ry havana, jereko ilay biographie-ny, any izay hoe Charles Gabriel izay, teny anglisy ilay izy, olona niaina tamin’ny 1856-1932, dia hoe tena nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana izy amin’ny famoronan-kira, ary ity 518 ity, izy no namorona azy. Ary ity 518, anisan’ilay 7.000 à 8.000 hira noforonin’i Charles Gabriel ry havana ô. Izany tena hoe olona nanokana ny fiainany ho an’ny fihirana izany. Izay ilay izy. Ary io rehefa hoe ampitoerinao betsaka ao an-tsainao sy ao am-ponao, hoe :

« Rehefa vita ny asako ety,

Ka ny fanahiko raisina ery,

Miara-mitoetra aminao,

Tomponay,

No hasambarako mandrakizay »

Tsy ho hirahira fotsiny izany e. Fa fantatrao, miomana ianao :

« Rehefa vita ny asako ety,

Ka ny fanahiko raisina ery,

Miara-mitoetra aminao,

Tomponay,

No hasambarako mandrakizay.

Rehefa ataoko veloma ny ety

Ka azoko ‘lay Paradisa ery,

Sady mahita ny tavan’ny Ray

No hasambarako mandrakizay»

Ataovy en boucles ange izany e : tsy hatahotra ny fahafatesana intsony ianao e, tsy hatahotra hiala an’ity tany ity intsony ianao e. Ary ianao indray no hiteny hoe : « izaho mihitsy ilay mpihaino an’izao sy izao sy izao taloha, fa avia ianao hampihenoiko hira satria hoy ny Soratra Masina hoe : ny olona niara-natsangana tamin’i Kristy dia mifampianatra sy mifananatra amin’ny Salamo sy ny fihirana.

Olon’Andriamanitra, vonton’ny Fanahy no manoratra an’ireo hira azo antoka ato amin’ny fihirantsika ireo ry havana ô. Ary raha ny votoatiny, ary raha ny votoati-kira, dia faran’izay tsotra ny zavatra hita ao, hoe hira manandratra ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy ny fahalebiazany ihany tamin’ny nanorenany izao tontolo izao, ny lanitra sy ny tany, tsia ry havana, tsy izany ihany, fa miseho indrindra izany voninahitr’Andriamanitra izany teo amin’ny hazo fijaliana. Raha te hahafantatra ny voninahitr’Andriamanitra ianao, diniho ny voninahitry ny hazo fijaliana sy ny fandresena teo ry havana ô. Izany ireo hira ao amin’ny fihirana FFPM ireo. Ary asaina hoe : mifampianatra sy mifananatra amin’ny Salamo isika ry havana, satria ireo hira ireo sady manandratra an’Andriamanitra ireo, no manandratra an’ireo olona mihira azy any amin’izany tontolon’ny lanitra izay ipetrahan’i Jesoa sy misy an’Andriamanitra izany ry havana ô. Izany ireo hira FFPM ireo. Ary izany no asain’Andriamanitra hoe ampitoerintsika be dia be manombok’izao ao amin’ny journée antsika e. Tsisy miteny anao hoe : aza mihaino an’Ambondrona ; fa raha hoe mifampianatra isika ka mifananatra hoe : andao hifampianatra sy hifampihaino Salamo sy fihirana, tsisy hira hafa intsony ao amin’ny fiainanao ry havana ô. Tsisy hira hafa ankoatra an’ireo intsony izay hita ao amin’ny fiainanao. Fa dia hira manandratra ny voninahitr’Andriamanitra, hira manandrata anao ho any amin’Andriamanitra, hira mitaona anao ho mpandresy ; tsy ho mpandresy ianao amin’ny fizahan-toetra e, tsy marina izany, fa ho mpandresin’ny fahotana aloa ry havana ô. Izany no itaoman’ny Soratra Masina antsika. Antso ho amin’ny fibebahana ity Baiboly iray manontolo ity ry havana ô.  Antso ho amin’ny fibebahana. Ary izany no fankalazantsika ny voninahitr’Andriamanitra. Ary rehefa mihira fihirana FFPM ianao ry havana, midera an’Andriamanitra, midera ny fahasoavany, tonga amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny tapany fahatelo, izay mety tsy ho tratrantsika, hoe : « mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra ». Izany hoe midera an’Andriamanitra ianao noho ny fahasoavany ary manana antony hirana ianao, dia hoe fahasoavan’Andriamanitra. Ianao izay natsangana tamin’ny maty iny, mahatsiaro ny ati-lavaka izay nampiakarana anao, mahatsiaro ny ota izay namelana anao ry havana ô, midera an’Andriamanitra ianao, ary garanti-seko aminao fa tsy te handihandihy izany ianao. Tsy te handihandihy izany ianao. Fa ianao mandihy io, dia tonga amin’ny tenin’ilay mpandinika anankiray izay, hoe : tsy sûr fa ny Fanahy no mampihetsika anao ary tsy sûr fa ny Fanahy no nanome io hira izay mampihetsika io. Fa ny Fanahy ry havana ô, manandratra ny fanahy any an-danitra, fa tsy mampihetsika an’ilay olona eo ry havana ô. Ary rehefa mampihetsika an’ilay olona ianao, mampihetsika ny tenany ianao, mampihetsika ny filàny ianao. Ary izay no maha-zava-dehibe an’ilay hoe : mifampianara amin’ny Salamo, mifampianara amin’ny fihirana, mampiditra anao, manandratra anao any amin’izany tontolon’ny lanitra izany io e. Fa rehefa tsy hanao an’izany ianao, dia mbola mitoetra, ary mampalahelo be ianao, mitoetra amin’ny tontolo ety an-tany sy ety amin’izao tontolo izao izany. Antenaiko ry havana fa amin’ity 2020 ity isika hanana conférence lehibe amin’izay momba ny hira sy ny mozika ao amin’ny Baiboly, ary sahaza ny Fiangonana. Ary hitanareo, hoe miresaka an’ilay hery isika, miresaka an’ilay herin’ilay hira, miresaka an’ilay herin’ilay mozika, tadidintsika i Saoly ; Saoly nandefasan’Andriamanitra fanahy ratsy dia nantsoiny i Davida hitendry harpe ; izay no nandroaka an’ilay fanahy ry havana. Tsy ilay harpe, tsy hoe andeha aho haka harpe izany, haka lokanga aho, rehefa misy demoniaka, tsia. Fa i Davida ry havana hoe mpitendry harpe eo anatrehan’i Saoly io, efa voatokana ho mpanjaka izy. Efa natokan’i Samoela ho mpanjaka izy. Dia efa hoe nahazo hosotra manokana tamin’ny Fanahy Masina Davida. Ary izay Fanahy Masina izay no niasa tao amin’i Davida sy ilay hira sy ilay harpe. Ary lazaiko anareo fa tsy hiran’izao tontolo izao no nataon’i Davida ry havana ô. Izany ilay herin’ilay mozika izany. Izany ilay herin’ilay mozika.

Izay izany ny fahamarinana 2, hoe : fantaro ny herin’ny mozika. Fantaro ny herin’ny mozika.

Ny fahamarinana 3 farany ry havana dia izao : raha tenenina aho, sy tenenina ianao, hoe fantaro ny herin’ny mozika, ny fahamarinana 3 farany, dia izao : NY DEVOLY DIA MAHAFANTATRA NY HERIN’NY MOZIKA SY NY HIRA.

Ny devoly, ry havana ô, dia mahafantatra ny herin’ny mozika sy ny hira. Ary io no hamitahany Kristiana maro, io hira sy mozika io. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray izay : ny devoly, hoy izy, ny anaran’ny devoly, ny asan’ny devoly, dia anti-Kristy, « anti » : contre izany. Anti-Kristy izy hoy izy. Fa izao, niova ny fisehon’ny devoly, na niova ny fisehony matetika amin’ny maha-anti-Kristy azy ry havana. Tsy dia hoe systématiquement izy mitarika ny olona hanao tromba, tsy dia hoe systématiquement izy mitarika ny olona hiompy kalanoro, fa miditra aty am-piangonana izy. Ary miditra aty am-piangonana izy amin’ny alalan’ny hira sy ny mozika ry havana ô. Satria fantany tsara fa tsy misy Fiangonana, fantany tsara fa tsy misy fanompoam-pivavahana tsy mampiasa hira sy mozika, ary fantany tsara ny herin’ny mozika sy ny hira ry havana ô. Izy mahafantatra ; isika angamba no mety tsy mahafantatra ry havana ô. Ary dia amin’ny alalan’ny hira sy ny mozika izy no iseho ho Kristy ao am-piangonana, nefa devoly. Amin’ny hira sy ny mozika izy no mamitaka antsika izay efa hoe niara-natsangana tamin’ny maty tamin’i Kristy ry havana ô.

Raha voamarikareo an, miteny ny Soratra Masina hoe : « mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ». Iny manko no tena voasana tao amin’ilay fahamarinana 2. Fa ao amin’ilay fahamarinana 3 an, hiresaka ny hoe tonon-kiram-panahy isika. Ilay tonon-kira, kilasiana hoe évangélique, ilay tonon-kira lazaina hoe hira fitoriana ny filazantsara. Ry havana ô, ry havana ô, misy tonon-kira kilasiana hoe tonon-kiram-panahy, nefa ambara amintsika Fiangonana e, kilasiana hoe tonon-kiram-panahy nefa mahafaly ny devoly. Tonon-kira kilasiana hoe évangélique. Ary tsy ny fana-kilasiana zavatra hoe évangélique ry havana ô, no hoe maha-tonon-kira araka ny Fanahy Masina an’io tonon-kira io, na io hira io ry havana ô. Misy tonon-kira kilasiana hoe tonon-kiram-panahy, nefa mahafaly ny devoly.

Nisy marary ry havana niaana tany amin’ireny toby ireny indray mandeha. Mariho kely fa tsy tononiko hoe toby taiza. Fa nisy marary niasana tany amina toby ry havana, dia fa mibebaka ilay olona, efa mibebaka ilay marary, dia hoe alohan’ny hametrahana tanana taminy, dia misy ao amin’ilay toby, olona mandihy etsy an’anona etsy. Dia hoy ilay demoniaka nahita an’ilay hira sy ilay olona mandihy : « an an an zahay aza mbola hametra-tanana izany aloa ka, aleo zahay hiara-hihira ery ». Ilay devoly izany faly mahita an’ilay hira dia te hitsinjaka niaraka tamin’ilay olona tao amin’ny tobim-pifohazana tao. Réalité izany ry havana ô. Tena réalité izany. Ary mampitandrina antsika ny Fanahy Masina amin’izao andro farany izao, fa maro ny zavatra ho sandohan’ny devoly ry havana ô. Ary olom-boafidy maro no ho voafitaka ry havana ô. Satria ilay feon-kira mandihy dia hoy ilay demoniaka hoe : « aleo koa izahay aloa e, aleo koa izahay mba handihy ihany ». Izay ilay hoe mila mitandrina isika ny amin’itony hoe tonon-kira kilasiana hoe tonon-kiram-panahy itony. Misy hiram-pifohazana ry havana, any no tonga dia resahina manko, misy hiram-pifohazana ry havana izay ampiasain’ny fifohazana, izaho tsy miteny hoe fifohazana aiza, fa misy hira izay ampiasain’ny fifohazana nefa tena hoe hira avy amin’izao tontolo izao, gadon-kira avy amin’izao tontolo izao, ary io gadon-kira io matetika, gadon-kira ahitana tonon-kira milaza fahalotoana, fahavetavetana, ary fitondran-tena tsy mety. Ary ilay gadon-kira, ilay hira lazaina hoe tonon-kiram-panahy, kilasiana ho tonon-kiram-panahy, mampihetsika filàna, na izay mihira, na izay mandihy aminy. Dia hoy ilay ray aman-dreny Pasitera izay, mpampianatra fifohazana eto Madagasikara: tsy fantatry ny olona hoy izy fa hoe misy hira fanaovana hadalana any amin’ny faritra ohatran’izao sy faritra ohatran’izao eto Madagasikara, misy hira fanaovana hadalana any amin’ny faritra ohatran’izao sy ohatran’izao eto Madagasikara, dia hoe ampiasaina ho hira fifohazana. Izaho tsy miteny hoe fifohazana aiza hoa an, izay ilay izy. Ary nareo angamba mahalala no izaho, mahalala an’ity hoe kawitry ity, mahalala an’i Jerry Marcos, ianareo mahalala noho izaho. Izaho moa mandinika dia mitantara ; misy gadon-kira ampiasain’ny fifohazana ry havana ô,  misy gadon-kira ampiasain’ny fifohazana, dia ilay gadon-kira kawitry tsotra izao. Ianao e dia hino fa hoe hisy devoly hiala amin’izany ? Izay ilay mahafaly ny devoly izay ry havana ô. Ary izay no itenenan’i Paoly hoe : tandremo e, tandremo, tandremo e, io tonon-kiram-panahy io ; tandremo io tonon-kiram-panahy io. Fa rehefa tsy tonon-kira avy any amin’ny Fanahy Masina marina io, dia tsy hitaona anao avy any an-danitra fa tonon-kiram-panahy, dia hoe fanahin’ny anti-Kristy no miasa ao amin’izany hira izany. Ary izany fanahy izany, arakaraky ny hihainoanao an’io en boucles no hitaona anao ho any amin’ny helo ry havana ô.

Faranana izao teny izao mba tsy ho lava loatra. Hoy ny Tompo amintsika, raha fehezina, dia hoe : TANDREMO E, IANAO IZAY HOE EFA NAMPIDIRINA AO AMIN’NY TONTOLON’NY LANITRA E, TANDREMO MANOMBOKA ANIO NY ZAVATRA HIRAINAO SY HO HENOINAO ; ARY HO TANTERAKAO IZANY FITANDREMANA IZANY, ARY HAHASOA ANAO IZANY FITANDREMANA IZANY RAHA OHATRA KA HOE, VOALOHANY INDRINDRA, AMPITOERINAO BE DIA BE AO AMINAO NY TENIN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY FAHENDRENA, ARY MIARAKA AMIN’IZAY DIA HITOETRA AMIN’NY FAHAFENOAN’NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA IANAO.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo ry havana. Amena

Commentaires récents par FJKM Isotry Fitiavana

Pas de commentaires par FJKM Isotry Fitiavana encore.