ALAHADY 01 MAR 2020

"Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe: Ary ianao, ry
Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsy hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao". Matio 11:20; 23-24

Ho moramora kokoa ry Kapernaomy  ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao. Manao teny faran’izay hentitra Jesoa ry havana ô, amin’i Kapernaomy. Satria naninona ? Satria tsy niraharaha an’i Jesoa Kapernaomy, satria tsy niraharaha ny teny fampianarana Kapernaomy, satria tsy niraharaha ny fahagagana nataon’i Jesoa Kapernaomy. Dia lazaiko aminao ry Kapernaomy fa ho moramora kokoa no hitsarana an’i Sodoma amin'ny andro fitsarana noho izay hitsarana anao.

Raha fintinina ry havana ity toriteny ity, dia azo fintinina amin’ny fomba tsotra tahak’izao, hoe : AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA E ! AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA. AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA.

Rehefa manomboka ilay perikopa eo amin’ny and.20 dia hoe : "Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna » Jesoa. Tsy mahazatra antsika Fiangonana ry havana izany Jesoa miteny mafy izany. An an an, ny antsika ilay Jean 3 :16 ihany : « Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao » ; fa tsy zakantsika izany hoe Jesoa miteny mafy izany. Amin’ny teny frantsay izy, hoe : « reprocher », amin’ny teny frantsay, hoe : « dénoncer », amin’ny teny frantsay izy, hoe : mi-« invectiver ». Tsy azontsika an-tsaina mihitsy, tsy eken’ny saintsika izany hoe Jesoa mi-invectivé olona, na iza na iza. Tsy eken’ny saintsika izany. Nefa ny perikopa voalohany amin’ny andro voalohany andinihantsika ny lohahevitra hoe : « Miverena amin’ny Tompo », dia teny mafy ry havana ô. Ary tsy vitan’ny hoe teny mafy ; raha mba izay ihany moa ; fa teny mafy manambara hoe : Loza, lozanao ry Korazina, lozanao ry Betsaida. Satria naninona ry havana ? Satria mba efa nisahirana Jesoa tao Kapernaomy nampianatra, nanao fahagagana, nefa tsy nahoan’i Kapernaomy inona izany. Tsy nahoan’i Betsaida inona izany. Tsy nahoan’i Korazina inona izany. Lozanareo. Miantso ny loza aminareo ianareo, miantso ny loza aminareo ianareo. Ary izao teny hentitra izao ry havana, izay nataon’i Jesoa tamin’i Kapernaomy, ataony amintsika noho ny fitiavana antsika : tsy tiany isika hoe hisy loza hahatratra e. Izany. Ary ota manokana no dénoncé-n’i Jesoa amintsika mianakavy, ota manokana no hi-invectivé-n’i Jesoa antsika mianakavy anio, dia ilay hoe : tsy firaharahana. Aoka izay e, ity tsy firaharahana ity. Izay fotsiny ilay hafatra ry havana : AOKA IZAY E, ITY TSY FIRAHARAHANA ITY E !

Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : KAPERNAOMY DIA TANANA  VONTO-PILAZANTSARA NEFA TSY NORAHARAHIANY NY FILAZANTSARA

Izay ny fahamarinana 1 : Kapernaomy vonto-pilazantsara nefa tsy noraharahian’i Kapernaomy izany. Enga anie ry havana ka rehefa mijery antsika Isotry Fitiavana, satria tena marina mihitsy, tao anatin’izay 15 taona niarahantsika izay, izay Pasitera rehetra nandalo teto, dia namonto filazantsara, namonto fampianarana an’ity fitandremana ity. Sanatria ve dia hiteny ny Tompo hoe : eny e, ô ry Isotry Fitiavana ô, tsy noraharahianao izany nefa.

Kapernaomy ity ry havana, tanàn-dehibe, seranana izy ity, port. Matetika ny port tanàn-dehibe foana. Moa, géographiquement, misy lalana lehibe tonga ao sy miainga ao. Dia izay no nirosoany ho tanàna lehibe malaky izany. Ary ity Kapernaomy ity, tena hoe tanàna nataon’i Jesoa ho foiben’ny asany. Jesoa teraka tany Betlehema ; Jesoa tanora sy lehibe tao Nazareta. Fa nanomboka niasa Jesoa, ilay 3 taona niasany, ny herintaona tamin’ireo 3 taona niasany, dia nolaniany, nipetrahany tao Kapernaomy. Ary tsy nisy karazana fampianarana na karazana fahagagana nataon’i Jesoa tao amin’ny fiainany ry havana, ka tsy nataony tato Kapernaomy. Ho singanina manokana izay tena hoe malaza sy miteny amintsika :

  • Tato Kapernaomy Izy izao, satria amoron-dranomasina moa ilay Kapernaomy, tao Izy no nampitsahatra ilay tafio-drivotra, raha nahilangilan’ny alon-drano ilay sambokely. Izay izany ilay karazana fahagagana nataon’i Jesoa.
  • Raha nanatona an’i Petera ilay mpandray sekely na hoe mpitaky sekely andoavana hetran-dehilahy dia hoy Jesoa tamin’i Petera hoe : ndana ianao hoy izy manjono, dia jereo tsara izay trondro voalohany azonao ao an, dia sokafy ny vavany, dia nahita sekely tao Petera. Izay ilay fahagagana nataon’i Jesoa ry havana tao Kapernaomy ihany izany.
  • Dia tao Kapernaomy ihany koa ry havana, tao Izy no nanangana ny zanaka vavin’i Jairo. Fantatsika daholo izany. Ary tena mampitolagaga izany.
  • Tao Kapernaomy Izy no nanasitrana ny ankizilahy, ilay hoe mpanompolahin’ilay kapiteny, izay tonga namonjy Azy : marary any an-tranoko hoy izy ny ankizilahiko dia hoe ho avy any Aho hanasitrana azy. Non, non, non hoy ilay kapiteny : teneno fotsiny hoy izy dia ho sitrana ny ankizilahiko. Ary dia tena hoe niteny Jesoa dia sitrana ny ankizilahin’ilay kapiteny ary teo Jesoa no niteny an’ilay teny mahagaga hoe : « Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahak’izany Aho ». Izany ilay fahagagana nataon’i Jesoa tao Kapernaomy ry havana.
  • Ary ny farany, izay singanina, ary tsy maintsy singanina ry havana, dia tao Kapernaomy Izy no nanasitrana an’ilay lehilahy mararin’ny paralysisa, ilay nentin »ny namany teo Aminy teo, dia teneniny ilay lehilahy io hoe : « Anaka, voavela ny helokao ».

Ry havana ô, izany ny fahagagana, izany ny fampianarana nataon’i Jesoa tao Kapernaomy nefa ohatrany hoe nohosohosehan’i Kapernaomy tamin’ny tany izany, tsy noraharahiany, nakifikifiny izany fampianarana sy fahagagana izany ry havana ô. Ary izany no nahatezitra an’i Jesoa, hoe, tahaka ny nitenenany tamin’i Betsaida sy Korazina hoe : loza, loza ; dia miteny amin’i Kapernaomy Izy hoe : an an an, ho hitanao, fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anao noho ny hitsarana an’i Sodoma satria naninona ? Ianao nahita an’izany fahagagana izany, ianao nahita an’izany fampianarana izany. Ary ny tena hoe zavatra tokony soritana eto, indrindra amin’izao volana handinihantsika ny lohahevitra hoe : « Miverena amin’ny Tomponao » izany, rehefa miteny hoe : tezitra ny Tompo, tezitra ny Tompo satria tsy niteraka finoana Azy ho Kristy zanak’Andriamanitra ilay fahagagana nataony tao Kapernaomy ry havana. Tsy niteraka finoana an’i Jesoa hoe Kristy sy zanak’Andriamanitra. Ary tsy niteraka fibebahana. Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, ny votoatin’ny filazantsara dia zavatra tokana, dia efa nofintinin’i Marka ao amin’ny Marka 1 :15 hoe : « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara ». Izay no votoatin’ny filazantsara ry havana ô. Ary ny olona mitory fahagagana, tsy mitory antso ho amin’ny fibebahana, dia mitory Kristy hafa, mitory filazantsara hafa, mitory filazantsara sandoka ry havana ô. Ary jereo tsara izay Fiangonana alehanareo, raha Fiangonana manandratra ny fahalebiazan’Andriamanitra, raha Fiangonana mankalaza ny Heriny, manasitrana, manao fahagagana sy ny tahak’izany, kanefa tsy mitory ny fibebahana, dia Fiangonana iasan’ny fanahy mamitaka izany Fiangonana izany.

Ary misaotra an’Andriamanitra isika ry havana ô, ny amin’ny ahazoantsika mifampilaza tahak’izao, hoe : e, aoka izay ny tsy firaharahiana e ! Izay fahagagana rehetra ampy mba hinoantsika, ary hoy Jaona hoe mbola misy fahagagana hafa nataon’i Jesoa, fa raha hoe soratana anaty boky ary ny fahagagana rehetra nataony, ity tany ity, la terre entière tsy omby an’izany fahagagana izany. Fa ampy ireto hinoantsika Fa Izy no Kristy ry havana ô. Ampy izany hinoantsika ary hamaliantsika izany antso hoe miverena ianao, mibebaha amin’izay ianao, miovà fiainana ianao, ary atsaharo ny adalanao, atsaharo ny fiodinanao, fa Izaho vonona tsy hampanjombona intsony ny tavako aminao. Hentitra izany ry havana ô. Fa zaza mpiodina, zaza maditra e, zaza mafy loha e, izany no anarina amin’izao maraina izao.

Izay ny fahamarinana 1, hoe : KAPERNAOMY VONTO-PAHAGAGANA, KAPERNAOMY VONTO-PILAZANTSARA NEFA TSY NIRAHARAHA. Miteny amintsika ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : AOKA IZAY E, AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA E, SAO HAHATRATRA ANAO NY LOZA E.

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao ; fa nahoana Kapernaomy no tsy niraharaha izany fianarana, izany fahagagana izany ? Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao, hoe : TSY NIRAHARAHA FAMPIANARANA SY FAHAGAGANA KAPERNAOMY SATRIA NIAVONAVONA

Ary io avonavona io, avonavom-po, avonavom-panahy, no miteraka ilay tsy firaharahiana. Tsy niraharaha Kapernaomy satria niavonavona.

Manazava an’izany Jesoa ry havana, ary tena teniny izany eo amin’ny and.23, Matio 11 :23 : « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsy hita ianao ». Mandinika an’i Kapernaomy miavonavona Jesoa ry havana ô, dia miteny Izy hoe : da ianao io mieritreritra ny hisandratra any an-danitra ? Ho hitanao, fa hahetry hatrany ampara-vodilavaka ianao e. Izay. Ary toetrantsika io toetran’i Kapernaomy io ry havana ô. Maninona no hoe toetrantsika io toetran’i Kapernaomy io ? Efa voalaza teo : ity Kapernaomy ity dia hoe tanànà malaza, ity Kapernaomy ity dia hoe tanànà nalaza tamin’ny varotra sy amin’ny harenany. Ity Kapernaomy ity, noho izany, dia hoe sangan’ny firenena. Iza no tsy mieritreritra amintsika ireo fa sangan’ity firenena ity ? Iza no tsy mieritreritra amintsika ireto fa hoe malaza, manan-karena sy ny tahak’izany ? Ary iza no mieritreritra amintsika ireto hoe tsy te hisandratra ho any an-danitra ao an-tsaintsika sy eo am-pontsika ao ry havana ô ? Izany no hitenenana mafy antsika, ary izany no mampiavonavona antsika, izany no mampiodina antsika e. Ianao miavonavona io, manantena hisandratra any an-danitra angamba ianao io hoy Jesoa. Ary rehefa miteny Jesoa ry havana eto amin’ny and.23 hoe : « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsy hita ianao »,  io and.23 io an, citation an’i Isaia 14 :14-15 ary teny milaza an’izany satana izay tratran’izany pêché d’orgueil, ilay hoe avonavona sy fiheveran-tena ho zavatra eo anatrehan’Andriamanitra, te hisandratra hitovy lenta amin’Andriamanitra ry havana ô. Izany ity Kapernaomy ity. Isika rehetra e, tenenan’ny Tompo hoe : Aoka izay io avonavom-po io e ! Fa io avonavom-ponao io mahatonga anao tsy hiraharaha ahy. Izany ilay izy. Ary hahatratra aano ny loza, hahatratra anao ny loza ety an-tany, ary ho mafy noho Sodoma no hitsarana anao amin’ny andro fitsarana. Tia antsika ry havana ny Tompo, izany no hitenenany antsika mafy tahak’izany. Aza mitoky amin’ny lazanao, aza mitoky amin’ny harenanao, aza mitoky amin’ny position sociale-nao, fa tahaka ny tany Kapernaomy, ianao mieritreritra hoe ilay fahambonianao io, dia hoe hisondrotra lava ianao : tsia ry havana ô. Halentiky ny Tompo any amin’ny fara-fietrena ambany indrindra ianao. Hoy ny Isaia 14 :14-15 hoe : « Hiakatra ho any ambonin’ ny havoan’ ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra (hoy satana); Kanjo hampidinina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka hianao ». Tianao ve izany hoe ho any ampara-vodilavaka izany ? Tsy misy tia an’izany hoe ho any ampara-vodilavaka izany ry havana ô. Izany no hitenenan’ny Tompo antsika hoe : mbola tolon-tsain’i satana io ianao miavonavona tsy miraharaha an’i Jesoa io, ary mieritreritra hoe amin’ny herin’ny sandrinao sy amin’ny herin’ny sainao sy ny fahaizanao dia hisandratra ho any an-danitra ianao. Hampietrena any ambany indrindra, any ampara-vodilavaka ianao e. Teni-pitiavana izany ry havana ô. Tenin’ilay Raintsika araka ilay hira 358 teo hoe : zanaka tsy foiny ianao. Ary ny zanaka tiana no anarina sy faizina. Ary tato amin’ity Kapernaomy be avonavona ity ry havana ô, tato amin’ity Kapernaomy ity no nampianarany ny mpianatra izany hoe fanetren-tena izany. Ao anaty-na contexte olona malaza sy mirehareha, Jesosy nampianatra fanetren-tena tamin’ny mpianany. Miteny aminao ny Tompo hoe : manana an’izay antony marina na diso ianao hireharehanao, hiheveranao tena ho zavatra, ary hoe base-ny fiainanao hisandratanao any an-danitra. Diso kajy ianao hoy ny Tompo e. Diso kajy ianao satria izany fomba fisainana izany mahatonga anao tsy hiraharaha ny Tompo noho ny avonavona. Velon’aina ianao androany noho ny antony tokana : tsy tian’ny Tompo ho very ianao ry havana ô. Ary velon’aina ianao androany mba hahazoanao mandinin-tena hoe amin’inona sy amin’inona ary aho no mbola hoe miavonavona ? Ary amin’inona sy amin’inona aho no mbola tsy miraharaha ny Tompo ry havana ô.

Faranana, faranana izao teny izao ry havana. Fa maninona moa izany ny Tompo e, no milaza hoe : « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao » ? Io fitsarana io dia ilay fitsarana farany ambaran’ny Apokalypsy 20 ry havana. Zavatra tena hisy. Ary amin’io, dia ho mafimafy kokoa no hitsarana antsika Isotry Fitiavana noho ny hitsarana an’i Sodoma ry havana. Izany io, izany io. Inona ny antony ? Inona ny antony ? Lazain’i Jesoa ry havana ô, lazain’i Jesoa, fa raha tao Sodoma no mba niasany tahaka ny niasany tany Kapernaomy, Jesosy no miteny hoe : mibebaka Sodoma. Izany ange io e. Izany io ry havana ô. Tenin’i Jesoa izany ? Samy mpanota na isika na Sodoma ; samy mpanota. Tsy misy marina na iray aza, hoy ny Apostoly Paoly, Romana 3. Fa ny maha-samy hafa antsika sy Sodoma : isika vonto-pahagagana, isika vonto-pampianarana. Sodoma tsy mba nisy mitory filazantsara tany Sodoma ry havana ô. Raha tsy izany izy mba efa nibebaka ihany koa, hoy Jesoa Kristy. Vonona ve ianao, vonona ve ianao hiala amin’izany hoe tsy firaharahiana izany ? Izany ry havana ô ny votoatin’ity toriteny ity hoe : AOKA IZAY NY TSY FIRAHARAHIANA E ! AOKA IZAY. Tapaho ny hevitra e : aza miezaka hoe : ah, tokony esoriko izany : tapaho ny hevitra : Aoka izay ny tsy firaharahiana ry havana ô.

Eto amin’ity perikopa ity, dia hoe efa tafalatsaka lalina, lalina dia lalina tamin’ny hamafim-po Kapernaomy. Dia hoy Jesoa amin’i Kapernaomy hoe : an an an, ianao, ianao dia ho mafimafy no hitsarana anao noho i Sodoma izany e. Inona tokoa ny zavatra nitranga ? Ny archéologue izao sisa ry havana no miezaka mamantatra hoe teto na teto izany tanànà nanana ny lazany antsoina hoe Kapernaomy izany. Korotam-bato sisa no hita eo. Ary tena marina ny tenin’i Jesoa. Niaran-doza Kapernaomy ry havana ô. Fa izao : raha mijery ny hamafim-pon’i Kapernaomy Jesoa dia tsy nampoiziny hiova intsony Kapernaomy. Fa mijery ny hamafim-poko Izy, mijery ny hamafim-ponao Izy, dia mbola manao teny hentitra ohatran’izao : « Mibebaha ka miverena Amiko ianao fa Izaho tsy te hampanjombona ny tavako aminao intsony e ». Mibebaha, atsaharo io tsy firaharahiana io, atsaharo io tsy firaharahiana io ry havana ô. Milaza zava-dratsy sy toetra ratsy tokony hialana izany Sodoma izany ry havana ô. Nefa rehefa mijery an’i Kapernaomy Jesoa ry havana, dia ohatrany hoe lany haiky Izy ary izany no mahatonga Azy hiteny hoe : na dia Sodoma aza, izay tonga fanoharana amin’ny faharatsiana, raha izy no nanaovako an’ireo fahagagana ireo, nibebaka ireo, nibebaka tokoa ary tsy ringana ry havana ô. Kapernaomy mafy fo lavitra noho i Sodoma. Raha mijery ahy, raha mijery anao ny Tompo, dia hiteny ve izy hoe : io Pasitera io, ireo mpivavaka ao Isotry Fitiavana ireo, mbaraky ny efa nanariko sy nampianariko, dia mbola mafy fo lavitra noho Sodoma. Sanatria, sanatria ry havana ô. Mbola andro-pahasoavana izao. Andro-pahasoavana izao. Zavatra tokana no andrasan’ny Tompo aminao e : miverena Aminy. Ary ny mariky ny fiverenana Aminy, zavatra faran’izay tsotra : atsaharo ny tsy firaharahiana Azy. Atsaharo ny tsy firaharahiana ny Teniny. Atsaharo ny tsy firaharahiana Fiangonana. Atsaharo ny tsy firaharahiana Soratra Masina.  Atsaharo ny tsy firaharahiana vavaka sy fiainam-bavaka. Fa rehefa tratran’izany tsy firaharahiana ara-panahy izany ianao, tsy misy zavatra raharahianao koa eo amin’ny fiaraha-monina, na ny vadinao, na ny zanakao, na ny mpiara-belona aminao. Dodona ny Tompo ry havana ô, ary miandry antsika mpiodina Izy amin’izao maraina izao, hoe : miverena aty amiko ianareo. Ary ny fahasoavan’Andriamanitra ry havana ô, izay nitaona anao teto androany maraina, ny fahasoavan’Andriamanitra hiasa ao aminao ka ny Fanahy Masina hampiaiky heloka anao amin’izay rehetra hoe fiodinana sy tsy firaharahiana mbola ao aminao, tsy firaharahiana kely, tsy firaharahiana be. Hain’ny Tompo ny manafaka anao amin’izany ry havana ô. Ary dia ho faly loatra Izy mahita anao manatona Azy ary dia ianao, hanandrana amin’izay, hanandrana eo noho eo izany hoe fifalian’ny famonjena, fifalian’ny lanitra izany.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena