Messages récents par FJKM Isotry Fitiavana

ALAHADY 16 FEB 2020

1 Petera 1, ny perikopa no ho hazavaintsika ry havana, miainga amin’ny and.22 isika.

1 Petera 1 :22 : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo ».

Ilay tapany voalohany, hoe : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo ». MITADY OLONA MADIO FANAHY ANDRIAMANITRA ry havana ô. Ary mangetaheta olona madio fanahy ity firenentsika ity, izao tontolo izao misy antsika, mitady olona madio fanahy, mitady âme pure. Izay ilay hafatra ry havana ô, ho antsika amin’izao maraina izao. Maro aminareo no hita eny amin’ny tamban-jotra eny, manao réseaux sociaux, raha lazaina amin’ny teny takatrareo ilay izy, dia hoe : MANANA PROFIL- NA ÂME PURE VE IANAO ?

Dia re eny ihany moa hoe : « Rakoto na Rabe a changé sa photo de profil ». Ovay anio e, METEZA HO ÂME PURE IANAO. METEZA HO FANAHY MADIO IANAO.

Ny fahamarinana 1 ry havana, ho an’ny olona te hanana fanahy madio, na hoe te hanadio ny fanahiny, na olona te hanana antoka hoe izaho izany madio fanahy izany, ny fahamarinana 1 raisina avy eo amin’ny and.22 hoe : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ». Ny fahamarinana dia ny tenin’ny fahamarinana, ny tenin’ny fahamarinana dia ny tenin’Andriamanitra, izany hoe, ny Fahamarinana 1 dia hoe : NY OLONA MIDIO NA MANADIO NY FANAHINY, DIA OLONA MPANKATOA NY TENIN’ANDRIAMANITRA. Olona mpankatoa ny tenin’Andriamanitra ry havana ô. Hoy isika hoe mangetaheta olona madio fanahy, âme pure ny manodidika antsika. Ary isika rehetra ireto ry havana ô, te hiaina anatin’ny fahadiovana amin’ny lafiny rehetra.

Tany amin’ny Etat de Pennsylvanie, Etat anankiray amin’ireo Etat 50 any Etats-Unis ry havana, dia namoaka lalànà ny fanjakana tao amin’io hoe Etat de Pennsylvanie io, hoe : izay rehetra miteny ratsy an’Andriamanitra, miteny ratsy an’i Jesoa Mpamonjy, miteny ratsy ny Fanahy Masina, dia hoheloina, azo ampandoavina lamandy hatramin’ny 100US Dollars, ary mety azo gadraina hatramin’ny 3 volana. Asa moa raha mbola manan-kery izany lalànà izany. Fa mazava ilay fikendrena ry havana, fa mazava ho azy koa fa tsy ny lalànà ivelany no hanakana ilay fahalotoana avy any am-po hiseho amin’ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra. Ahoana no fanadiovana ny fanahy ? Ahoana ny fanadiovana ny fo ? Tsotra be, ary efa voalaza teo, hoe : amin’ny fitandremana ry havana ô, amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra. Diovy ny fonao ry havana ô. Diovy ny fonao, ka isaky ny mamaky teny ianao, aza midera an’Andriamanitra fotsiny ny amin’ny zava-mahagaga hitanao io, fa ankatoavy ; raha tsy izany, mitoetra amin’izany fahalotoan’ny fanahinao izany ianao. Ary tsy hahita an’Andriamanitra ianao, ary tsy hahasoa ka iza na iza ianao.

Tao Etats-Unis tao ihany ry havana, indray maka, nisy mpianatra izay hono, ny Président des Etats-Unis mihitsy , noho ny fahafantarany ny fianakaviany, no nanome bourse d’étude an’ilay tovolahy io, tao amina Université tao Washington DC. Dia nampamirapiratra tamin’io tovolahy io izy hoe carrière professionnelle tsy manam-paharoa any amin’ny Département d’Etat izany, ao amin’ny Ministère des affaires étrangères. Fa alohan’ny anomezana azy an’izany asa izany, dia hoe omena bourse izy, ary assurén’ny Président des Etats-Unis ny protection an’io tovolahy boursier io. Ary any am-pianarana, hanamarihina fa hoe protégén’ilay Président des Etats-Unis io tovolohay io : escorté-na motard. Mpianatra ve ry havana dia escorté-na motard ? Fa izao no indro kely : fantatr’ilay Président tsara ilay fianakaviana, sy ny nitaizana an’io tovolahy io tao amin’ny Sekoly Alahady sy ny Katekomena. Fa izao no nolazain’ilay Président : ianao hoy izy, mipetraka ato amin’ny Maison blanche ianao mandritra ny étude-nao, be dia be ny vahiny tsy mivavaka ato, be dia be ny hafa fivavahana ato : tsy mahazo ianao mandeha mankany am-piangonana ny Alahady, na ny amin’ny andaban’androm-piainanao mandritra ny fianaranao. Teo vao gina, teo vao kepoka ilay tovolahy ; satria ny zavatra nampianarina azy ry havana ô, dia hoe izany Alahady maraina izany, tsisy discussion, tsisy hésitation : aty an-tranon’Andriamanitra, amin’ny androm-piainanao rehetra. Kepoka izy, kepoka izy nahazo an’izay condition izay. Raha ianao ry havana no teo amin’ny toeran’io tovolahy io, dia ahoana ny ataonao ? Hankatoa an’i Jesoa ve ianao, izay efa manana ny programany hanorina Fiangonana, ary ny Fiangonana ny Alahady maraina no mamory ny mpiangona, sa hanakatoa ny filoham-pirenena ianao e ? Ary na hiteny ary : « eny e, mazava ilay tenin’Andriamanitra Pasitera an, fa ny fiainana koa anie tsy vitan’izany e, jereo ilay boursen’ilay zanako, impiry hahita bourse ohatran’izany, impiry hiasa any amin’ny ministère, département sy ny karazany ? Dia ahoana, dia ahoana ? ». Inona no mba finoana rahatrizay raim-pianakaviana ianao, inona no karaana finoana hampitainao amin’ny zanakao sy ny taranakao raha manambany ny tenin’Andriamanitra, tsy mankatoa ? Ary inona ny vokatra antenainao ho entina ry havana ô, rahatrizay olona ambony ianao ao amin’ny fitondrana ? Inona ny vokatra antenainao ho entina nefa ianao tsy mankatoa ny tenin’Andriamanitra ? Ary eo anatrehan’ny fakam-panahy mahazo anao eo amin’ny andraikitrao, na eo amin’ny orinasanao na eo amin’ny firenenao ry havana ô, tsy sûr ianao ho hita fidèle sy mahatoky eo anatrehan’ny fakam-panahy amin’ny zava-dratsy rehetra, satria tsy mitandrina, tsy mitandrina, tsy mitandrina ny tenin’Andriamanitra. Fa manafatra antsika hoe : te hijery anao Izy, te hijery anao Izy ry havana ô, ary te hahita âme pure. Tena te hahita fanahy midio isan’andro isan’andro, isan’ora amin’ny alalan’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra.

Andao anie jerentsika ilay Salamo 19 teo e : ianao rehefa tsy hankatoa ny tenin’Andriamanitra ry havana ô, tsy hahita ny hamamin’io tenin’Andriamanitra io. Salamo 19 :8 : « Mahitsy ny fandidian’ i Jehovah, mahafaly ny fo » ; and.10 : « Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ ny tohotra ». Ry Fiangonana ô, ry Fiangonana ô, raha hihaino toriteny fotsiny ianao fa tsy hankatoa, jamais ianao,  jamais ianao hahita fifaliana izany amin’ny famakiana tenin’Andriamanitra. Raha tsy mankatoa ianao, jamais ianao hahita hoe tena sarobidy noho ny volamena, sarobidy noho ny tena volamena betsaka io tenin’Andriamanitra tazominao eo amin’ny tananao io, jamais ; jamais ianao hanamarina an’izany ary jamais ianao hanamarina hoe mamy toy ny tantely ny tenin’Andriamanitra ry havana ô, raha tsy mankatoa ny teny ianao. Isika rehetra dia itady fifaliana avokoa, isika rehetra dia samy tia volamena avokoa, isika rehetra dia samy mitady zavatra mamy, ary sakanana indray ary isika indraindray hoe aoka izy, aoka izay. Fa izay ilay tenin’Andriamanitra rehefa ankatoavina ry havana ô. Ary arakaraky ny ankatoavantsika ny tenin’Andriamanitra no anomezan’Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina ry havana ô. Ny Fanahy Masina dia izao : io tsy miasa io fa midongy io rehefa hoe mitoetra ao amina mpino izay tsy mpankatoa ny tenin’Andriamanitra. Ary izany no mahatonga ny kristiana ohatran’izao sy ohatran’izao : tsy manana ny Fanahy Masina, ary tsy manana ny Fanahy Masina satria hitan’ny Fanahy Masina hoe :ity indray, mpihaino tsy mpankatoa ny tenin’Andriamanitra.

Ny olona ry havana, rehefa mihaino toriteny mazava be ohatran’izao dia miteny izy hoe : « ty izany anie Pasitera fa mba te hankatoa ihany e, fa ilay tenin’Andriamanitra mihitsy anie no sarotra ary fomba maro no andraisana azy e ! ». Tena marina amin’ny tapany izany ry havana ô. Ary marina kely izany raha ny marina. Mitodika aminareo tanora aho, mitodika aminareo ankizy aho : rehefa miteny aminareo dadanareo : « mandehana ialahy manary fako », mazava izany sa tsy mazava ? – Mazava. – Ok. - Mankatoa ianareo sa tsy mankatoa ? – Mankatoa. – Izay. Ohatran’izany io tenin’Andriamanitra io, ary amin’ny maha-Pasitera ahy premièrement, amin’ny maha-bibliste ahy, ataoko hoe 2% no tsy mazava ohatran’izany amin’ny tenin’Andriamanitra ry havana ô. Fa izao : diovy ny fanahintsika Fiangonana ry havana ô, ary ankatoavy ny teny ary aza mangataka andro, ohatran’ilay dada miresaka amin’ilay zanany teo : rehefa mankatoa ny ankizy, tsy mangatak’andro hoe : « eny, reko dada izany hoe hanary fako ho, fa izaho mbola izao, izaho mbola izao, izaho mbola sahirana miaraka amin’ny namako». Miteny ilay dada : obéissance instantanée. Izany ny laklen’ny fahasambarana, izany ny laklen’ny fitahiana ary izany ny laklen’ny fahadiovana.

Izay ilay fahamarinana 1, hoe : mitady profil-na âme pure, fanahy madio Andriamanitra. Meteza hanadio ny fanahinao ry havana. Mitomboa amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra.

Miverina any amin’ny 1 Petera 1 isika ry havana, dia mbola eo amin’ny and.22 ihany : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo ». Dia misy naoty kely angamba eo amin’ny Baibolintsika eo, misy hoe 1, dia hoe : « amin’ny fo madio ». Ny fahamarinana 1 izany teo, dia hoe : ilay fanahy madio satria mpankatoa ny tenin’Andriamanitra.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao : NY MADIO FANAHY DIA AFAKA MITIA AMIN’NY FO MADIO – NY AME PURE DIA AFAKA MITIA AMIN’NY FO MADIO. Ary hoy koa Petera hoe : afaka mitia fatratra. Ilay « fatratra », hoe : « avec ardeur ».  NY FANAHY MADIO DIA AFAKA MITIA AMIN’NY FO MADIO ARY FATRATRA ry havana ô.

Misy an’ilay mpitory filazantsara amerikana malaza be, hoe : DL Moody, fantatsika Isotry Fitiavana ny momba an’io Moody io ; dia nitantara izy tao amin’ilay Fiangonana nisy azy hoe nisy fianakaviana nandeha nifindra monina tany ambanivohitr’i Chicago, ary dia izy nifindra monina io, dia natao veloma hoe nifindra Fiangonana. Kanjo inona ny zavatra nitranga hoy Moody ? Ny zavatra nitranga : ilay tovolahy kely izay mpianatra Sekoly Alahady tao amin’ilay Fiangonana tao Chicago, bien sûr nandeha nifindra monina niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, fa izao : raha ny ray maan-dreniny nitady Fiangonana teo akaikin’ny tranony teo, ilay tovolahy kely, tena tsy nety mihitsy raha tsy niverina nanohy Sekoly Alahady tany Chicago. Dia nahitana an’izany ilay namany tary ambanivohitra tary dia nanontany hoe : « fa maninona leity an, inona no tena ankanesan’ialahy any Chicago ? Fiangonana firy no tetezin’ialahy ary misy Sekoly Alahady mahafinaritra koa ao, fa maninona no tsy mankao ? ». Dia hoy ilay tovolahy kely hoe : « an an an, tsy foiko ilay tany Chicago fa hoe tsy mbola nahita Sekoly Alahady nifankatia tahak’izany aho, ary izany no mamelombelona ny finoako amin’ny maha-mpianatra Sekoly Alahady ahy ». Mamaky an’izany tantara tantarain’i DL Moody izany ianao : manao ahoana ny Sekoly Alahadintsika ry havana ô ? Manao ahoana ny chorale ato amintsika ? Manao ahoana ny Sampana ato amintsika ? Feno âmes pures tena mifankatia amin’ny fo madio ve ? Feno fanahy nodiovin’ny tenin’Andriamanitra isan’andro ve noho ny hoe fankatoavana ny tenin’Andriamanitra izany? Sa ilay contraire-n’izany no hita ao : fifampiandaniana, rivalité, clans sy ny karazany, fifaminganana ? Miteny aminao ny Tompo amin’izao maraina izao hoe : Diovy re, diovy, diovy ny fanahinao ary dia afaka hitia ianao, afaka hitia ny rahalahinao aty am-piangonana ianao amin’ny fo madio, ary hitia fatratra e. Tsy mora izany, tsy mora ry havana ilay mifankatia, tsy mora ilay mitia. Ary raha ilay toetrantsika mpanota ry havana, ilay fo feno fahotana, na ilay fo feno fahalotoana io, rehefa mifandray isika, normal be mihitsy ho an’ilay fo maloto io no hoe : olona fantatrao izao fa tsy tianao, fa tsy mampaninona annao ery amin’ny ravinala ery miresadresaka, mifananihany, mifampizara blagy ; kanefa ianao rehefa mieritreritra an’io olona io, olona sous-estimé-nao, mety olona hankahalainao aza fa eo ianao miresadresaka, mihatsaravelatsihy, tsy tia amin’ny fo madio ry havana ô. Amin’ny resaka fianakaviana, matetika tsy misy fitiavana amin’ny fo madio izany e. Tantara be izany hoe tsy mi-pointe any amin’ny fivoriam-pianakaviana izany ianao, nefa tonga any ianao, adilahy sy fifampialonana sy fifampiderana zavatra no hita any. Tsy fomban’ny âme pure izany ry havana ô. Tsy fomban’ny olona manadio ny fanahiny amin’ny tenin’Andriamanitra mandrakariva izany e. Nefa izany, izany no mahasoa ahy, satria io foko io natao hitia ary io foko io natao hotiavina, fa hitia  amin’ny fo madio, ary hitia fatratra ry havana ô. Fa izany no test anafaran’i Petera, rehefa hoe manana âme pure ianao, dia tia ny rahalahinao amin’ny fo madio, ary tia azy fatratra. Fa izao, ary indrindra ho antsika Isotry Fitiavana ry havana : ny rahalahintsika voalohany, ampatsiahivina fa ny rahalahintsika voalohany dia ny vady sy ny zanatsika ry havana ô. Ary na dia hitia ny vady aza, hitia ny zanaka, hitaiza ny zanaka, amin’ny fomba madio, indraindray tantara be ry havana. Ary sarotra ny mitaiza azy amin’ny fo madio : ny résultat : kamo isika hitaiza azy, satria tsy haintsika ny mitaiza azy. Ary rehefa hoe tonga saina fa tafahoatra kosa ilay ataon’ilay zaza, fa tonga avy any am-pianarana any, exclusion, tonga avy any am-pianarana any, naoty ratsy, tonga avy any ny mpampianatra Sekoly Alahady miteny hoe somary turbulent ity zaza ity : eo isika vao taitra, eo isika vao taitra ry havana dia te hihetsika. Rehefa te hihetsika isika anefa, manaonao foana, tsy mahay mitia, tsy mahay mitaiza amin’ny fo tia amin’ny fo madio ry havana ô. Dia mibetroka ilay zaza, mibedy an’ilay zaza isika. Izao no mba zaraina amintsika ray aman-dreny, izao no zaraina amintsika raibe sy bebe ry havana ô : fantaro tsara mihitsy fa tsy mora ny mitaiza zaza, tsy mora ny mitaiza zafikely ry havana ô, tsy mora. Satria maninona ? Satria io zaza io, zafikely io, dia mpanota io zaza io, mpanota io zafikely io.Ary maninona izy io no mpanota ? Mpanota io satria ny otany dia ota nolovainy taminao dadany na nolovainy taminao dadabe-ny sy bebe-ny. Aza adino izany, ary aza sorena intsony rehefa mahita ny fahotan’ny zanakao, sy ny zafikelinao ry havana ô. Ary tena fahadisoan-kevitra lehibe, nefa fahadisoan-kevitra mpahazo ry havana, ny amin’ny hoe mahita manao zavatra tsy mety ilay zaza, dia tenenina izy hoe : « tena tezitra aminao Jesosy, tena bedin’i Jesosy ianao anio an » : tsy izany no fomba fitaizana zaza ry havana. Ny fomba fitaizana zaza : tahaka izay efa notenenina teny am-piandohan’izao toriteny izao, taomy izy ho mpankatoa ny tenin’Andriamanitra. Ary aoka ianao ho modely amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra, dia hankatoa ho azy io, tsy ilaina tenenina, tsy ilaina bedesina. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra izay rehefa atsipy na atsipitsipy ohatran’izany ny tenin’Andriamanitra hoe : « e, tezitra aminao izao Jesosy an » ; io hoy izy tahaka an’ireny voiture électrique radiocommandée ireny isika dia mandeha pile. Dia eny an-tanantsika ilay pile, dia io ilay tômôbile fa tsy mandeha. Dia ahoana ny ataontsika ? Izay ilay nolazaina teo hoe mahakely saina antsika ry havana : alaintsika ilay pile dia atsipitsipy amin’ilay tômôbile ; dia raha tena hoe lehibe moa ilay tômôbile dia mandroso kely ilay tômôbile, fa tsy mandeha anie ilay tômôbile e. Aza atsipitsipy ilay pile fa ataovy ao anatin’ilay zaza ilay pile ry havana ô. Ataovy ao anatin’ilay zaza ilay tenin’Andriamanitra mba hifaka amin’ilay tenin’Andriamanitra, ary ho mpankatoa ny tenin’Andriamanitra ilay zaza. Dia ho ambinina izy, ary ho lava andro izy ety ambonin’ny tany. Ary tsy ho tongatonganao amin’izao izany, fa araka ilay toriteny efa rentsika, hoe : rehefa misy zavatra tiana, rehefa misy olona tiana, dia anokanana fotoana e. Ry havana ô, ry havana ô, izay te hanana âme pure, izay tena te hanadio fanahy : ampitomboy, voleho raha mbola tsisy ; ampitomboy ny fotoana atokanao ho an’ny zanakao hanokatra Baiboly, ary mba hoe hiara-hivavaka aminy. Atomboy izany na dia hoe minitra vitsy ary ry havana ô. Ary dia ianao ho faly. Tsy faly ianao aminilay vokatr’ilay fitaizana ilay zaza, fa faly enao hoe : « waouh, tena âme pure za, tena fanahy madio za, afaka itia ny zanako sy ny zafikeliko, na dia hatreto ary tompon’ny ditra izy, afaka nitia azy fatratra aho ary afaka nitia azy amin’ny fo madio ».

Ny Fahamarinana 3 farany ato amin’ity 1 Petera 1 dia eo amin’ny and.23-25 : « Fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay velona sady maharitra. Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ ny filazantsara izay notorina taminareo ».

Ny  Fahamarinana 3 farany ry havana dia izao : NY OLONA MADIO FANAHY DIA MAHARITRA MANDRAKIZAY

Ohatran’ny olona rehetra, handalo fahafatesan’ny vatana izy, fa iny fahafatesan’ny vatana iny tetezamita ho any amin’ny mandrakizay izay sitrahina amin’ny fahafenoana. Fa ny madio fanahy, ary ny madio fanahy ihany no haharitra mandrakizay. Hoy ilay and.23 momba ahy sy ianao izay te hadio fanahy, mampatsiahy kely izy ny hoe situation-tsika. Hoy izy hoe : « Fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra ». Isika rehetra ireto dia efa teraka tamin’ny voa an’olombelona ary io ilay lazaina hoe tamin’ny voa mety ho lò, satria semence an’olombelona ry havana ô. Dia mazava be hoe misy voa tao, izay no niteraka antsika amin’ny maha-olombelona. Fa ny zavatra lazain’i Petera eto dia hoe : ianareo ireo ange e, raha te hoe hanana fanahy madio, tsarovy aloa ny privilège-nareo fa ianareo ireo efa nateraka indray tamin’ny voa tsy mety ho  lò, fa tsy tamin’ny voa mety ho lò.

Inona ilay voa tsy mety ho lò io ? Dia hoe : ny tenin’Andriamanitra. Io ilay hoe : LOGOS. Eto amin’ny and.23 izany dia hoe tsy nateraka tamin’ny mety ho lò isika fa nateraka tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny LOGOS-n’Andriamanitra. Ny LOGOS ry havana ô, dia ity Baiboly ity. Io no atao hoe LOGOS. Ary io logos io ry havana no nanambara taminao tamin’ny fotoan’andro hoe olona matin’ny fahadisoanao ianao, sy matin’ny fahotanao ianao. Ka rehefa nanaiky marina an’izany ianao, dia nafindran’Andriamanitra avy amin’izany fahafatesana ara-panahy izany, avy amin’ny fanjakan’ny devoly nisy anao izany, ho amin’ny fiainana be dia be, ary ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Izay izany no misy antsika : olona efa nateraky ny logos-n’Andriamanitra. Ho hitantsika eo hoe maninona moa no avahana ilay logos ry havana. Fa izao no problementsika ry havana : mba efa nateraka ohatran’izany, ary tsarovy ao an-tsaina hoa ilay sary hoe isika rehetra samy nateraka tamin’ny voa an’olombelona, samy mety ho lò, fa ny privilège-tsika amin’ny maha-kristiana, dia nateraky ny logos ilay voa tsy mety ho lò. Samy nateraka indray isika. Fa ny problemantsika, dia nitady voninahitra, nitady voninahitra. Nanadino an’izany privilège izany. Ary nitady voninahitra isika amin’ny vonin’ny ahitra. Andao anie jerena, mampieritreritra ity and.24 ity : « Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra ». Ka rehefa miteny isika ry havana hoe : an an an, mba efa nateraka indray, efa nandalo an’izany fahateraham-baovao izany ianao fa variana ianao, na tsy ampy formation ianao, dia ilaozanao mitady voninahitra. Io ilay voninahitra mihelina daholo ry havana ô, ilay voninahitra tsy maharitra. Tsisy zavatra maharitra e ety ambonin’ny tany. Tsisy zavatra maharitra e ety ambonin’ny tany. Manomboka amin’ny zavatr madinika ohatran’ny hoe : akanjo tiantsika, hoe misy blue jean tena tianao ; misy kiraro na poketra tena tianao ; tsy maharitra iny e. Atsy ho atsy iny dia tsy maintsy ho soloina e. Raha mijery antsika rehetra ireto, jereo e, rehefa tsika mitovitovy taona, 30 taona, 40 taona lasa, nanao ahoana ny hatsaran-tarehintsika, nanao ahoana ny herintsika ; fa mandalo izany ry havana etc… Tsy misy zavatra maharitra ety ambonin’ny tany. Raha mijery ny fitondrana isika, omaly ianao an, eo an-tampon’ny fitondrana, anio ianao an, mety any am-pigadrana na any an-dalam-pigadrana. Tsisy zavatra maharitra eto e. Mandinika ny fiainan’ny ry Heroda sy ny tahak’izany ianao, dia hoy ny mpandinika : mba nokarohina ihany hoy izy ny taranak’i Heroda tao Roma tao na tany Italie tany, sy ny harenany : tsy nahita an. Tsisy zavatra maharitra e. Nefa izany isika izay efa nateraka indray, mitadey an’izany voninahitra izany izay lazaina hoe « vonin’ny ahitra ». Izany no mahafatifaty antsika mianakavy. Ka aiza moa isika no hanana fanahy madio e ? Aiza moa isika no hanana âme pure ry havana ô? Ary tsy misy olona tsy manana âme pure ka manantena hiditra any an-danitra raha ny marina. Madio am-po, sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an’Andriamanitra ry havana ô. Dia io vonin’ny ahitra io no imatimatesantsika ry havana ô.

Rehefa jerenao ilay hoe vonin’ny ahitra io ry havana, dia hoy ilay mpandinika anankiray izay : ilay teny grika amin’ilay hoe ahitra io, dia raha adika ara-bakiteny, dia ahitra fihinan’ny biby fiompy. Ianao mifikitra amin’ilay voninahitra io izany, amin’ny niveau-na biby anie ianao izany ry havana ô, nefa ianao mba nateraka indray : amin’ny niveau-na biby ianao e, amin’ny niveau-na biby isika e, mifikitra amin’io voninahitra io. Satria araka ilay teny teo, hoe kely saina satria tsy maha-hendry antsika ny tenin’Andriamanitra satria tsy mpankatoa an’izany tenin’Andriamanitra izany isika, dia mitoetra amin’izany fahadalana, dia mirehareha amin’izay tsy tokony hireharehana. Fihinan’ny biby ny voninahitsika ary mitovy niveau amin’ny tontolon’ny biby ny fiainantsika ry havana ô, satria tsy mpankatoa ny tenin’Andriamanitra isika nefa mba olona nateraky ny logos ihany.

Ny fanazavana farany amin’izao fahamarinana farany izao, dia hoe : eo amin’ny and.25 : « Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay ». Raha ilay LOGOS ilay tery amin’ny and.23 tery hoe niterahana antsika ; eto indray ry havana malala, eto amin’ny and.25  eto hoe : « Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay » : ilay RHEMA io. Samy adika amin’ny teny malagasy an : tenin’Andriamanitra. Ny anankiray LOGOS manazava amintsika hoe very ianao, mila Mpamonjy. Ilay RHEMA indray dia mbola hoe tenin’Andriamanitra ihany ; fa io ilay tenin’Andriamanitra isakafoananao isan’andro isan’andro raha ankatoavinao. Faly aho mampatsiahy ry havana,  fa haintsika tsianjery ilay hoe, hoy Jesoa hoe : « tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona ; fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra », ny rhema rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra ry havana ô. Ka rehefa tsy manokatra Logos ianao, tsy hahazo Rhema ianao. Ilay rhema, averina eto ilay famaritana azy tsotra sady fohy, hoe : ny rhema dia rehefa manokatra Baiboly aho, manokatra Mana isan’andro, manokatra Voa tsara nafafy, sy ny karazany, dia hoe omen’Andriamanitra teny manokana izaho Solofo par rapport amin’ny fahafantarany ny fiainako, par rapport amin’ny zavatra andalovako amin’ilay journée androany sy ilay journée rapitso. Omeny teny tandrify aho, teny fampanantenana, teny fampaherezana, teny fampitandremana ry havana ô. Ary ny olona misakafo rhema isan’andro ohatran’izany, mankatoa ilay rhema isan’andro ohatran’izany, izany no haharitra mandrakizay.

Izay izany ilay séquence-ny fiainantsika : mba nateraka inray tamin’ilay logos, nefa dia variana tany amin’ilay ahitra sy ilay voninahitra. Fa miteny aminao ny Tompo androany e, manome antsika Fiangonana rhema ; ho antsika tsirairay izany teny izany : fantaro fa io manome anao ilay fiainana mandrakizay. Izany ilay rhema io. Raha miteny aminareo aho izao hoe « corona », tonga dia fantatrareo na tsy dokotera aza hoe « corona » : zava-doza, mitondra fahafatesana, manana hery hitondra fahafatesana ; ary isan’andro izao dia matahotra hoe rahoviana no tonga aty Madagasikara izany sanatria an’izany. Fa tsy « corona » no resahina, fa RHEMA, RHEMA. Tadidio io ry havana ô ary angataho isan’andro amin’ny Tomponao io rhema io, dia ankatoavy, dia haharitra mandrakizay ianao. Tia anao ny Tompo ry havana ô, tia anao ny Tompo. Ary izany no anomezany anao izao hafatra tsotra sy mazava izao, hoe : Mandinika ahy Izy, mandinika anao Izy, dia te hahita âme pure.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

 

ALAHADY 09 FEB 2020

« Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Asan’ny Apostoly 20 :32a

Raha amin’ny DIEM izy, dia izao no vakiny ry havana : « Ary ankehitriny dia ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny teny mirakitra fahasoavana ianareo. Andriamanitra no mampahery anareo ».

Dia izany tenin’ny Apostoly Paoly ho an’ny loholona avy amin’ny Fiangonana tany Efesosy izany koa no entintsika mifampahery ry hava-malala. Izany teny izany dia ao anatin’ny anatra, resaka nifanaovan’ny Apostoly Paoly tamin’ireo loholona avy any Efesosy rehefa nampiantsoany izy ireo. Tsy hifankahita intsony amin’ireo loholona ireo mantsy i Paoly Apostoly satria handeha ho any Jerosalema izy. Koa dia mananatra, mampahery, manoro lalana an’ireto loholona ireto izy. Raha fintinina izany anatra nataon’ny Apostoly Paoly ho an’ny loholona tao amin’ny Fiangonana tao Efesosy izany, manomboka eo amin’ny and.17-38, dia raha tsorina dia tahak’izao : mitantara ny lasany aloa ny Apostoly Paoly tamin’ny asa nataony tany Asia, izany hoe tany amin’ny misy an’i Turquie iny. Avy eo izy, dia tantarainy indray ny ankehitrininy sy ny ho aviny, izany hoe ny fitoriany ny filazantsara, ny nanenjehan’ny jiosy azy sy ny ho avy rehetra, dia mitantara izy. Dia avy eo izy, dia mananatra an’ireto loholona avy any Efesosy ireto, mampitandrina azy, miambena ianareo fa tsy maintsy ho avy ny fahavalo, ny Fiangonana avy any ivelany ho ao aminareo. Ary tsy izany ihany, fa mety hisy ihany koa avy ao anatin’ny Fiangonana hanao fampianaran-diso mety hampisaraka ny Fiangonana, koa miambena ianareo. Rehefa avy niteny an’izany izy, ho fampaherezana an’ireto loholona ireto, dia niteny an’io izy : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Rehefa avy niteny an’izany moa izy dia faranany amin’ny fanomezana ohatra ny amin’ny fifankatiavana sy ny fanohanana eo anivon’ny Fiangonana izany.

« Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Izay azontsika hananganana lohahevitra hoe : NY FANANKINANA NY FIANGONANA AMIN’NY TENIN’NY FAHASOAVANA.

Maninona no ankinin’i Paoly Apostoly ny Fiangonana ao Efesosy amin’izany hoe tenin’ny fahasoavana izany ? Satria io no mahatoky, io no azo antoka, ary raha nitory an’io Paoly dia tamin’ny ranomaso izy no nitory an’io ry hava-malala, nitalaho izy nitory an’io tamin’ny Fiangonana tany Efesosy ry havana malala. Ary rehefa nahare hoe iry, iry no misolo ahy, ny azy dia hoe : apetrako amin’Andriamanitra sy amin’ny tenin’ny fahasoavana ianareo. Fa inona izany tenin’ny fahasoavana izany ? Ny tenin’ny fahasoavana eo amin’ny and. 24 ry havana dia antsoin’i Paoly Apostoly hoe ny filazantsaran’ny fahasoavana. Ary ny fitoriana an’izany filazantsaran’ny fahasoavana izany no fanompoana ambaran’i Paoly fa fanompoana noraisina avy amin’i Jesoa Kristy. Ary rehefa mitory an’izany izy, voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 14 :3, fa rehefa mitory an’izany amin’ny finoana sy amin’ny fahatokiana izy, dia misy famantarana hampanarahin’Andriamanitra azy mandrakariva, misy zavatra mahagaga hatrany hampahafantarin’Andriamanitra azy mandrakariva ho an’ny olona. Ka rehefa mihaino an’izany ny olona dia gaga, talanjona tahaka ny voateny tao amin’ny novakiantsika tao amin’i Matio 7 teo : rehefa nihaino ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Ka rehefa vitan’i Jesoa Kristy izany teny teny izany, dia talanjona ny mpianatra noho ny fampiarany satria manana fahefana Izy fa tsy tahaka ny mpabora-dalàna teo amin’ny jiosy izany. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, izany no nametrahan’i Paoly Apostoly ny Fiangonana sy nananarany ny Fiangonana rehefa hifandao aminy izy, izany tenin’ny fahasoavana izay mampandroso izany. Ao amin’ny DIEM izy dia hoe tenin’ny fahasoavana izay mampahery. Izany ry hava-malala : mampandroso ry hava-malala, mampahery ny tenin’ny fahasoavana satria raha nanoloana ireo fahavaloben’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany ny jiosy, ny jiosy tsy nanaiky an’i Jesoa Kristy, tsy nanaiky an’i Jesoa ho Mesia, ary manenjika. Ary tsaroantsika fa i Paoly Apostoly koa dia mpampianatra tany amin’ny jiosy taloha, kanefa noho ny asan’Andriamanitra mahagaga, lasa izy indray no mitory ny amin’i Jesoa Kristy. Izany ilay zavatra mahagaga tsy takatry ny saina, izay ilay asan’Andriamanitra izay ampoizinao izany ry hava-malala. Dia izay zavatra izay, izay tenin’ny fahasoavana izay ry hava-malala no notenenin’i Paoly fa ho ametrahany ny Fiangonana ao Efesosy. Satria ny tenin’ny fahasoavana io ihany ry havana no ahafahany mifanatrika amin’ireo olona amin’ireo fampianaran-diso : na fampianaran-diso avy ao anatin’ny Fiangonana, na avy any ivelany ka entina ao amin’ny Fiangonana ka mampisaratsaraka ny Fiangonana, satria ny tenin’ny fahasoavana dia manome hery. Izany no mahatonga an’i Jesoa Kristy niteny tao amin’i Matio, fa raha io tenin’ny fahasoavana io no ankatoavina, ry havana malala, dia tsy hisy hahahozongozona Fiangonana izany ry havana malala. Fa mijoro izy na inona na inona rivo-doza mankeo, na inona na inona loza miseho eo, hain’Andriamanitra ny miaro ny Fiangonana, rehefa ny tenin’ny fahasoavana no ifikirana, satria ny tenin’ny fahasoavana dia vatolampy iorenan’ny Fiangonana. Tao amin’io Fiangonana io ry havana malala, na inona na inona zavatra manahirana ao, dia mampahery ny tenin’ny fahasoavana. Izany tenin’ny fahasoavana izany no handresena ireo tranga samihafa amin’ny fitoriana ny tenin’ny fahasoavana izany. Izany no mahatonga an’i Paoly hiteny hoe izaho anie tsy nitsiriritra e, ny volafotsy, ny volamena, ny akanjo ; tsy izany satria ny vola ry havana malala mampisy olana ao amin’ny Fiangonana. Mba tsy hisian’izany olana izany dia hoy Paoly : izaho miasa aloa miasa, miasa, nanana fa omezam-pahasoavana, dia niasa izy, hamelomako ny mpanara-dia ahy, izany hoe ireo mpanampy azy nitory ny filazantsara, ary nasehony, nambarany fa tahak’izany koa ianareo loholona dia tokony hiasa entina manangom-bola hanohanana ny mahantra satria ny mahantra dia ao aminareo mandrakariva hoy ny Tompo. Ny mahantra resahina izany, mety ho mahantra ara-ekônômika, satria ny fiaraha-monintsika dia fantatsika fa fiaraha-monina tena mitanila mihitsy, fa tsy voatery ho mahantra ara-ekônomika fotsiny fa mety mahantra ara-pinoana, mety olona kely finoana. Izany koa dia iasana mafy ahazoana vola entina hitoriana ny tenin’ny fahasoavana amin’ireny olona ireny. Manome ohatra hita maso mihitsy Paoly Apostoly ry havana malala.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, izany toe-javatra izany, tsy toe-javatra niseho tamin’ny andron’i Paoly Apostoly tany Efesosy, fa na teto Madagasikara ary tamin’ny taona 1832, tamin’ny andron-dranavalomanjaka izany, ny amin’i Ranavalona 1 izany, noroahin’ny mpanjaka Ranavalona 1 ny misionera. Misaotra an’Andriamanitra fa efa vita printy ny Baiboly tamin’izany, efa naparitaka tamin’izany. Nangataka, nitalaho tamin’ny mpanjaka ny misionera mba hijanona kelikely, fa nolvain’ny mpanjaka mihitsy izany, voatery tsy maintsy nandeha. Ary inoana ry havana malala fa tsy maintsy niteny an’ity teny koa ireo misionera, hoe : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany » satria izany no azo antoka mba hiatrehan’ireto malagasy ireto ny fanenjehana. Ary fantatsika, n’inon’inona niseho teo an, nijoro foana ny Fiangonana, n’inon’inona fampijaliana teo, nijoro foana ny Fiangonana ; ka rehefa tamin’ny 1861, rehefa niamboha ny mpanjaka, nalalaka ny fivavahana, gaga daholo ny rehetra fa betsaka ny olona mahalala Soratra Masina no sahy mitory ny filazantsara. Teo ny Fanahy Masina ry havana, nampianatra an’ireo olona ireo, teo ny Fanahy Masina nampahery an’ireo olona ireo.

Ry havana malala, ankehitriny koa isika dia mbola misy fahavalo mandondona ao amin’ny varavaran’i gasikara, avy any amin’ny firenena tandrefana any, izay voktary ny fisainana ny amin’ilay hoe fahafahana tsy misy fetra, ka te ho tonga tahaka an’Andriamanitra, ka afaka manao an’izay tiany, ka na dia hiray amin’ny lehilahy sy amin’ny vehivavy samy vehivavy sy ny tahak’izany, ekena izany, satria izay ny fahafahana tsy misy fetra. Mandondona ao amin’ny varavaran’i gasikara izany ry havana malala ary mananotanona eto izany loza izany ry hava-malala. Inona no hiatrehanao an’izany ? Tsss, hoy ny mpandinika izay : io tonia tsy azonao an’anona io fa tsy maintsy handeha io an. Fa izaho mamaly mazava ny tenin’ny Apostoly Paoly tamin’ny Fiangonana tao Efesosy ry havana : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany ». Ny fankatoavanao ny tein’ny fahasoavana, io tenin’i Jesoa Kristy irery io, io irery no mampatahotra an’ireo olona ireo amin’ny fampielezana an’izany. Fa raha tsy mijoro ny Fiangonana ry havana malala, raha vao tsy mijoro ny Fiangonana, mifikitra amin’izany tenin’ny Tompo izany, amin’io tenin’ny fahasoavana, ho vato fehizoro izany ry havana malala, ho ringana eto ny malagasy.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, rehefa mba mandalo eto moa amin’ny maha-tonia ny FFKM dia tsy maintsy miresaka kely FFKM. Ry havana malala, ny Fiangonana tany Efesosy anie ka tsy Fiangonana katolika e, tsy Fiangonana protestanta e, tsy Fiangonana anglikana e, fa Fiangonana mbola niray e. Fa ny filazantsara izay nentin’ny misionera taty, tokana, fa nampisaratsaraka antsika io zavatra io. Ary tonga saina ihany ny malagasy, be dia be anie ny malagasy mpitondra fivavahana e, na ny tsy mpitondra fivavahana, raha tsy hiteny isika afa-ts’i Rainisoalambo izany e. Rainisoalambo anie dia efa nampiray ny fivavahana e. Izy tsy mba nandà na katolika ianao na Lms ianao na inona e ; efa fitadiavana ho amin’ny firaisana izany. Ary ara-tantara, be dia be, raha niady ny tany amin’ny ady voalohany, tany amin’ny ady lehibe faharoa ny malagasy, dia nambara fa niara-nivavaka ny protestanta sy ny katolika, nefa namaivay tamin’izany ny fanenjehana teo amin’ny katolika sy ny protestant : mahagaga izany Andriamanitra izany ry havana malala. Fa ny FFKM ry havana malala dia taty amin’ny taona 1980 vao teraka rehefa nitsoka tsikelikely tahaka an’izany ny rivotry ny eokiminisma. Raha nisy mahatadidy, anontanio ny ray aman-dreny, fa raha nist tondra-drano teto Antananarivo dia vokatr’izany dia natsangana ny antsoina hoe sampan’asa sosialy momba ny eokiminika, ho fanampiana ny olona tamin’izany fotoana izany. Efa lalana nankany amin’ny fahaterahan’ny FFKM izany zavatra izany ry havana. Ary ankehitriny isika dia mankalaza ny faha-40 taonan’ny FFKM. Ry havana malala, hoy ny teny eo hoe : apetrako eo amin’Andriamanitra sy eo ambanin’ny tenin’ny fahasoavany ianareo. Isika, indrindra isika protestanta, io hoe tenin’ny fahasoavana io, isika tsy mba misafidy ny tenin’ny fahasoavana, tahaka ny hoe Daniela na Apokalypsy. Tsy izany ny antsika. Ny antsika ny Baiboly iray manontolo no anankinana ny finoana. Ka raha miteny Jesoa Kristy, raha nivavaka Jesoa Kristy ao amin’ny Joany 17 :21, manao hoe : mivavaka aho mb ho iray izy rehetra, mba hinoan’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy, dia tenin’ny fahasoavana izany, antsoina iainantsika. Ary izany no fototra ao anatin’ny foto-dalanan’ny FFKM, izany tenin’Andriamanitra izany. Ary azavaina hoe firaisana iainana sy aseho ary irosoana. Ny firaisana ao anatin’ny FFKM ry havana dia firaisana iainana, tahaka ny niainan’i Jesoa Kristy sy ny mpianany tao anatin’ny fifankatiavana, tao anatin’ny fanajana. Ary io firaisana io dia firaisana aseho, atao hita maso, mba hahatonga an’izao tontolo izao hoe ireo Fiangonana niady fahiny ara-tantara, jereo miara-mivavaka izy izao. Sao heverinareo mandeha mora tonga ho azy izany an ! Tsia, tsy tonga ho azy izany, raha tsy eo ny asan’Andriamanitra. Firaisana iainana sy aseho ary irosoana anaovana dingana. Misy dingana irosoana amin’izany ry havana arka izay fitondran’Andriamanitra. Ary io moa ny olona manome tsiny foana hoe : ela fihetsika mihitsy ianareo FFKM. Asan’Andriamanitra anie ry havana malala ny fampiraisana ny Fiangonana e ; ary amin’izao fotoana izao rehefa nanangana an’io tamin’ny taona 1980 ireo ray aman-drenin’ny Fiangonana dia izao no noteneniny hoe : ny zavatra kendrena dia ny haha-iray ny Fiangonana hita maso ; fa isika eo an-dalana mankany amin’izany. Fiangonana 4 mahaleo tena no ao ry havana malala, mahaleo tena ara-teolojia, ara-bola, ara-drafitra, rehetra rehetra. Fa tsy Fiangonana akry mibaiko Fiangonana ny FFKM. Fa samy manaiky fa Andriamanitra Ray Zanaka ary Fanahy Masina no iarahana manompo. Noho izany, dia mba misy zavatra tsy maintsy aseho, hijoroana vavolombelona amin’izany firaisana, ary iantsoana antsika tsirairay ho amin’izany. Misaotra an’i Pasteur nilaza fa amin’ny boky miara-mizotra koa dia misy perikopa any amin’ny faran’ny fihiranan’ny FFKM miara-mizotra. Manana perikopa koa izy amin’ny herinandro fiaraha-mivavaka.

Ry havana malala hiatrika ny zavatra manahirana ve isika e ? Ao amin’ny firaisana ihany no ahazoana izany. Ary aoka isika tsy hifandondona izao vao hoe andao, an an an ; fa dieny izao isika dia efa tahaka ny nampiembenan’i Paoly Apostoly ny Fiangonana tany Efesosy, tokony efa hiambina isika fa efa mandondona eo ireo fahavalo izay tsy mankasitraka io tenin’ny fahasoavana io, izay manenjika an’io tenin’ny fahasoavana io. Ka tsy misy afa-tsy ny fiainanao ny tenin’ny fahasoavana ankehitriny no iarovanao ny taranakao fara aman-dimby ; fa raha tsy dieny izao ianao dia miaina an’io, ary mba ho hitan’izao tontolo izao, hitany maso fa miaina an’izany ny kristiana malagasy eto Isotry Fitiavana.

Eto am-pamaranana ary ry havana, dia izao no hafatra ho an’ny diakona sy ny loholona sy ny kristiana eto Isotry Fitiavana. Hoy Paoly Apostoly : « Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany izay mahay mampandroso ». Mamelona, mampandroso, misy hery io tenin’Andriamanitra io rehefa iainana. Ka iaino koa ny tenin’i Jesoa Kristy hoe : mba ho iray anie izy rehetra. Dia ho hitanareo fa hahita zavatra mahagaga vokatry ny fifikirana amin’Andriamanitra ianareo.

Dia ho an’izany Andriamanitra irery izany anie ny dera, ny laza ary ny voninahitra, izay Azy hatramin’ny ela, hatramin’izay sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena

 

ALAHADY 02 FEB 2020

« Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona ». Jaona 1 :4

Izy, Jesoa izany no nisiam-piainana, ary ny fiainana no fanazavana ny olona. Ry havana ô, mazava be ny hafatry ny Tompo ho ahy sy ho anao amin’izao maraina izao : METEZA HO FANAZAVANA NY NAMANAO. Ary tsy ho possible anefa izany raha tsy efa nazavain’i Kristy tena mazava, na mazava marina ianao. METEZA HO FANAZAVANA NY NAMANAO. Izany ny mission-nao. Fa raha tsy tanterakao izany mission-nao izany ry havana ô, ka tsy fanazavana ianao, malahelo aho miteny aminao hoe : tsy manao afa-tsy manamaizina ny fiainan’ny namanao ianao. Sady vaovao mahafaly, no baiko ho anao izany ilay hoe : METEZA HO FANAZAVANA NY NAMANAO. Ary hahatanteraka an’izany, METEZA ALOA IANAO HO HAZAVAIN’I KRISTY IZAY MAZAVA, NA TENA FAHAZAVANA.

Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : NY FAHAZAVANA DIA MITONDRA FIAINANA.

Rehefa jerena ry havana ny namoronan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, dia ny mazava no zavatra nataony voalohany. Satria raha tsy nisy ny mazava, raha tsy nisy ny masoandro, tsy nisy fiainana possible tety ambonin’ny tany ry havana ô. Ary tahak’izany koa ny fiainan’ny olombelona ry havana : raha mbola tsy nipoitra Kristy masoandro, hoy Malakia, masoandron’ny fahamarinana, raha mbola tsy nipoitra Kristy, dia nitoetra tao amin’ny aloky ny fahafatesana ny olombelona ry havana ô. Nitoetra tao amin’ny aloky ny fahafatesana. Mafy be ry havana ny teny ampiasain’i Ezekiela mpaminany. Jerentsika ange ao amin’ny Ezekiela 37 e,  Ezekiela 37 :11-12 : « Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely ». Izany ilay vahoakan’Andriamanitra ; io teny io dia natao tamin’ny taranak’Isiraely, atao amintsika Fiangonana ry havana ô, amintsika olon’Andriamanitra, fa sao dia hoe mamita-tena ianao hoe : tsy izaho izany. Hoe, rehefa lavitra an’Andriamanitra isika, tsy manana an’i Jesoa isika, dia toy ny any anaty fasana ny fiainana ry havana ô, toy ny any anaty fasana. Mazava be izany sary ampiasain’i Ezekiela izany. Ary ny fiainanao ry havana, ianao mba manana an’izao sy manana an’ izao ihany, fa araka ny tenin’i Ezekiela hoe : maina, makina e, tsy misy maminy ilay fiainana, fa maina. Mba olona ohatran’izao sy ohatran’izao ihany, tsongoin’olom-bolo ianao eo amin’ny fiaraha-monina sy aty am-piangonana, fa hoe ohatrany tsy manana fanantenana izany ianao satria maninona ? Satria any anaty fasana ny fiainanao raha manalavitra an’Andriamanitra ianao ry havana ô. Ary izay no aizina, aizin’ny fahafatesana tian’ilay fahazavana horoahina ao amintsika ry havana ô. Ny zavatra tena atahorantsika olombelona, ary tsy tiantsika akory na dia ny mieritreritra azy aza, dia ny fahafatesan’ny tena ry havana. Zavatra mampatahotra, zavatra mampivarahontsana. Fa hoy ilay mpitoriteny anankiray hoe : hitanao ilay fahafatesan’ny tena mampatahotra anao io, ohatran’ny iceberg. Ny iceberg dia hitantsika ilay tendrombohitra glace be iny. Ohatran’izany ilay fahafatesan’ny tena : hitantsika ilay fahafatesan’ny tena. Fa ao anatiny ao, hoy izy, misy zava-doza izay tsy hitan’ny masontsika, dia ny fahafatesana ara-panahy ry havana ô. Ary izany ilay Jesoa fahazavana, izany ilay Jesoa masoandro, te handroaka an’izany aizin’ny fahafatesana izany ao aminao, raha mandray Azy fahazavana ianao. Raha ato amin’ny filazantsara an’i Jaona ry havana, andeha enga jerentsika ny Jaona 8 :12, ahoana no ataon’ilay olona nandray fahazavana ka manjary fanazavana ? Jaona 8 :12: « Ary Jesoa niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina ». Iza no manana ny fahazavan’aina ry havana ? Iza no tsy handeha amin’ny maizina ? Izay maninona ? Izay manaraka an’i Jesoa. Io ilay voambolana tsy tiantsika io, fa aleontsika ry havana mivavaka , aleontsika mpiangona tsotra, mpino. Jesoa ry havana miteny hoe : Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy ; manaraka Azy tahaka ny disciple, manaraka Azy tsisy fepetra ry havana ô, manaraka Azy ohatran’ny doulos, izany ny olona hoe tsy handeha amin’ny maizina fa handeha amin’ny fahazavan’aina, azavain’i Jesoa Kristy fahazavana ry havana ô. Ary dia fahazavana, fanazavana ho an’ny namany ary atombony ao amin’ny ankohonany izany.

Averiko indray : tsy manana choix ianao, fa rehefa tsy fanazavana ho an’ny namanao, ho an’ny ankohonanao ianao, dia fanamaizinana, ary tsy manao afa-tsy asan’ny olona mipetraka any anaty fasana, mitondra fahafatesana fa tsy fiainana.

Izay ny fahamarinana 1 : NY FAHAZAVANA DIA MITONDRA FIAINANA AMIN’NY OLONA IZAY MIAINA, IZAY MIVELONA ANY ANATY FASANA.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao : NY FAHAZAVANA DIA MITONDRA FAHIRATAN’NY FANAHY SY FAHAZAVAN-TSAINA

Manala fahajambana izany. Voamarika ry havana, ary ny dokotera no tena miteny an’izany, fa hoe ny tsy fisian’ny fahazavana, ny tsy fisian’ny fahazavana maharitra dia miteraka fahajambana. Rehefa mamaky gazety ireny ry havana dia hoe miszy gadra tiana torturé-na any amin’ny firenena sasany, dia ampidirina any anaty cachot any izy, tsisy masoandro. Dia rehefa mijanona maharitra, mijanona amam-bolana ao anaty cachot tsisy masoandro ao izy, tssiy hazavana mihitsy, dia voamarika hoe lasa jamba ry havana, lasa jamba. Ary dia izay mihitsy no mahazo antsika ry havana, mahazo antsika olombelona, satria isika araka ilay teny teo, tsy manaraka an’i Jesoa. Diakona isika, Pasitera isika, Mpiandry, fa tsy manaraka an’i Jesoa dia zatra mitoetra ao anatin’ilay aizina ara-panahy ry havana. Ary satria mijanona ao anatin’ny aizina ara-panahy isika, dia jamba ara-panahy. Jereo anie ny Romana 1 e, hilazana an’izany fahajambana ara-panahy izany, jerentsika ny and.20-21, Romana 1 :20-21 : « Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’ Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo; fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto ». Donto ny fo ry havana, maizina ny saina satria hoe ny zavatra nataon’Andriamanitra dia manambara amintsika izany heriny izany ; ary isika manatombo raha oharina amin’izao tontolo izao satria raha mitory ny halebiazan’Andriamanitra sy ny maha-Andriamanitra Azy izao tontolo izao, ny habakabaka hita io, isika mbola manana ny Baiboly mbola manambara an’izany maha-Andriamanitra an’Andriamanitra izany. Fa lavintsika izany ry havana ô, dia lasa donto ny fontsika, lasa maizina ny saintsika, lasa jamba ara-panahy, nefa mi-costard be mankaty am-piangonana rehefa Alahady. Ry havana ô, ry havana ô, te hanova an’izany ny Tompo, fa araka ilay teny nazavainy tamin’ny Fariseo raha nanasitrana an’ilay lehilahy teraka jamba Izy, tonga Aho, hoy Izy, mba hahiratra ny tsy mahiratra. Jereo anie ny 1 Jaona 5 :20 : « Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’ Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina». Ry havana ô, raha tsy mangataka an’io fahazavan-tsaina io ianao, tsy hahafantatra an’ilay marina, tsy hahafantatra an’ilay Andriamanitra telo izay iray, tsy hahafantatra an’Andriamanitra hoe te hamitrana fihavanana aminao anio 02 Février 2020. Tonga eto ianao satria te hamitrana fihavanana aminao Andriamanitra ry havana ô. Fa nosimbainao tamin’ny fihetsikao toy ny fahavalo izany fifandraisanao amin’ny Rainao izany. Ka rehefa jamba ianao ry havana ô, tsy fantatrao izany Andriamanitra Ray sy zanaka ary Fanahy Masina izany ; rehefa jamba ianao ry havana ô, tsy mahita afa-tsy ny vola ianao ao amin’ny fiainanao, tsy misy afa-tsy ny fitiavam-bola no mibaiko ny fiainanao ary izany no mahatonga an’ity Madagasikara ity bokan’kolikoly : kristiana jamba ara-panahy mifikitra amin’ny vola, manompo vola, ary vonona hanao kolikoly hampitombo ny harenany ry havana ô. Izany ny tena fahajambana ara-panahy izany. Na ny asany, ny andraikiny, izany no mahamay azy : izany ny fomban’ny olona jamba ara-panahy. Ary jamba ara-panahy izy satria tsy mahita an’ilay Andriamanitra Ray, zanaka sy Fanahy Masina izay nanomana ho azy ny lanitra ho destination. Nahafinaritra ny tenin’ilay mpitoriteny anankiray izay, ary haintsika Isotry Fitiavana ilay tapany voalohany : ny lanitra ange, hoy izy e, ka destination e. Fa ny lanitra koa, hoy izy, dia motivation. Ataovy motivation anao ry havana manomboka izao, ho mariky ny fahiratanao ara-panahy, sy ho mariky ny fahazavan’ny sainao, ho mariky ny intelligence ; ilay fahazavan-tsaina mantsy intelligence ; ho marika hoe kristiana manana intelligence ara-panahy ianao : tiako atao destination ny lanitra, ary izany manomboka anio no ataoko motivation ao amin’ny fiainako. Ary raha manao an’izany ianao, dia ho fanazavana ianao ho an’ny namanao, ary atombokao ao amin’ny ankohonanao izany ry havana ô.

Ny fahamarinana 3 farany dia izao : NY FAHAZAVANA DIA MANAISOTRA NY PENTINA ARY MANADIO NY FANAHINTSIKA

Ry zareo manam-pahaizana siantifika ry havana dia milaza hoe ny masoandro hono dia mamono bactéries. Ry zareo ihany koa no milaza fa hoe ny masoandro dia mamono an’ireny hoe germes ohatran’ny amin’ny hoditry ny olombelona ireny. Ary izany koa no hanahazana ny lambantsika, ny drap, ny bodofotsy isan’andro isan’andro, hamonoana an’izany germes izany. Izay ny asan’ny masoandro. Ary ohatran’izay tsy misy hafa ry havana ny asan’ i Jesoa masoandron’ny fahamarinana, Jesoa mazava, hoe : te hanaisotra Izy izay pentina, ary te hanadio antsika, hanadio ny fanahintsika amin’ny fahotantsika ry havana ô. Izany ny votoatin’ny filazantsara : Jesoa manaisotra ny pentina ary Jesoa manadio ny fanahintsika amin’izay mahaloto azy.

Miverina isika ry havana ao amin’ny 1 Jaona 1 :7 : « Fa raha mandeha eo amin’ ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’ i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra ». Te hanafaka anao amin’ny ota mahazatra anao Jesoa ry havana ô, fa manamaizina ny fiainanao io.

Jerentsika indray ry havana ny Asan’ny Apostoly 26 :18, fijoroan’ny Apostoly Paoly vavolombelona ny amin’ny niantsoan’i Jesoa sy ny nanovan’i Jesoa azy ; Asan’ny Apostoly 26 :18 : « hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’ izay nohamasinina noho ny finoana Ahy ».  Hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra. Ry havana ô, efa fantatrao, fantatrao mihitsy fa Jesoa tonga, ny ràn’i Jesoa dia hanadiovana ny fahotanao, hanadiovana ny fanahinao. Fa fantatrao moa fa io otanao tsy ekenao fa tehirizinao io, hanokafanao varavarana ho an’i Satana eo amin’ny fiainanao ? Ary rehefa manokatra varavarana ho an’i Satana ianao ao amin’ny fiainanao ry havana ô, dia hoe andevozina ianao, eo ambany vahohony ianao. Ary Satana ry havana ô, efa hoe mpamono olona hatrany am-boalohany. Tsy hanana fiainana ianao fa ohatran’izao ihany ianao, fa tonga amin ‘ny fitenin’ny mpitoriteny hoe : toy ny faty mandehandeha ianao. Ary tsy misy olona hoe toy y faty mandehandeha ry havana ô, ka hoe afaka ho fanazavana ho an’ny ankohonany. Tsisy faty mandehandeha afaka ho fanazavana ho an’ny ankohonany ry havana ô. Fa dia izao : manatona ny Tompo amin’izao fotoana izao. Teneno hoe : « izaho mihitsy iany resahin’ilay toriteny androany maraina izany. Io Jesoa an, atolotro anao ny otako rehetra, ianao izay masoandro fanazavana manadio ny pentina sy manafaka ny fahotana. Tena afaho amin’izay aho e. Afaho amin’izay aho. Fa sady mijaly aho no mampijaly ny ankohonako ». Ary rehefa mibebaka ohatran’izany ianao, aza androany 02 Février ihany no hoe mibebaka, mifona amin’Andriamanitra ; aoka ny fiainanao, aoka ny fiainanao ry havana ô, ho fiainam-pibebahana dia hampitombo anao amin’ny fanahafana Azy Jesoa Kristy. Izany ny hafatra ho anao. Tiany ianao, tiany ianao, ary zavatra tokana no kasainy ho anao : tiany ianao ho Kristy kely, ho zandry keliny manahaka Azy ry havana ô.

Izay no hafatra ho antsika androany : METEZA IANAO HO HAZAVAIN’I KRISTY MBA HO FANAZAVANA NY NAMANAO ry havana ô :

  • Ny fahazavana mitondra fiainana ho anao izay miaina ao am-pasana
  • Ny fahazavana dia mitondra ao aminao fahiratan’ny Fanahy sy fahazavan-tsaina
  • Ny fahazavana dia manadio anao amin’ny pentina sy ny fahotanao rehetra.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo ry havana. Amena

         

Commentaires récents par FJKM Isotry Fitiavana

Pas de commentaires par FJKM Isotry Fitiavana encore.