26 FEBROARY 2022

Isan’ny MFT : 96

I- FANAPAHAN-KEVITRA

Fangatahana fanampiana

Fitandremana Belanitra Akasy Omega : fankalazana ny faha-70 taonan’ny fiangonana/ manao asa fanitarana ka eo ampamitana izany => Omena 50 000 Ar

Fampiasana fiangonana

AIR MADAGASCAR : Cellule de prière ny Sabotsy 26/02/22 amin’ny 9ora hatramin’ny 12ora=> omena ny efitranon’ny Diakona

Chaîne d’honnêteté : Mangataka hampiasa efitrano 1 ato IF hanatanterahan’ny «Conseil des 7» fivoriana ny Talata 1er mars (6ora sy sasany hariva hatramin’ny 8ora sy sasany) => omena efitrano iray

SAFIF Foibe / FOFIFI : Foibe fifampiofanan’ny Fifohazana, mikarakara fiofanana ho an’ny Mpiandry, Mpiomana, zanaky ny Fifohazana, ny Kristiana rehetra isaky ny Sabotsy faharoa isam-bolana. Hatao eto IF ny Sabotsy 18 Jona 2022 manomboka amin’ny 1ora tolakandro. Mangataka Diakona hitaty sy hanisa rakitra sy Mpitendry zava-maneno.=> Omena ny fiangonana

II- FAMPAHAFANTARANA

  • 155ème IF: Teny faneva Jobily 155ème : Efes. 5 :1 « Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala ». Hisy ny hira faneva hoforonina mifandraika amin’izay.
  • Komity EDIF: Tarihan’i Pst Délégué, Atoa Rasolonjanahary René, Atoa Raharison Jean Aimé, Atoa Rasolomandimby Rivoson, Mr  Dakadisy Jean Kenny, Rtoa Ramahefanjatovo Mialy, Rtoa Ramiandrisoa Mbola
  • FANOMANAM-PANAHY: mampahatsiahy fa ireo mandray anjara rehetra amin’ny fotoam-pivavahana dia manatrika ny fanomanam-panahy. 10 minitra alohan’ny hidirana no tanterahina ny fanomanam-panahy.
  • Fandaminana mandritra ny fotoam-pivavahana: Ampahatsiahivina fa tsy tokony hisy olona mivezivezy mandritra ny toriteny (Andriamanitra miteny mandritra ny toriteny)
  • Mahakasika ny litorjia: rehefa hamaky ny tenin’Andriamanitra, miandry dia mipetraka rehefa mangataka ny Fanahy Masina (mandritra ny hira sy vavaka),. Mitsangana rehefa hanao ny hira mialoha ny toriteny, ho fitsenana ny tenin’Andriamanitra (Ampiharina manomboka ny volana Martsa)
  • ASA VAVOLOMBELONA: Aorian'ny fanekempinoana no atao ny ASA VAVOLOMBELONA (batisa, fitokanana sy fanokanana sns) manomboka ny volana aprily, arahin'ny hiran'ny antoko mpihira sy ny vavaka fangatahana vao ny ASAN'ANDRIAMANITRA (raharaham-piangonana sy rakitra, fanolorana rakitra sy  tsodrano).
  • Cahier Sampana/Sampan’asa/Fikambanana : ampandalovina biraon’ny fiangonana avokoa izay hakana fanapahan-kevitra rehetra vao entina eo amin’ny mpikambana
  • Fomba fanendrena Mpitandrina: Naverina ho ren'ny mpandray ny fanasan’ny Tompo ny fomba fanendrena mpitandrina eo anivon’ny FJKM.

III- MPANDRAY NIFINDRA

Rtoa RASOARINIVO Mamijaona Eliane / Synodam-paritany Andrefan’Atsimon’Ankaratra Miaradia/ Fitandremana Ambazaha/ Fiangonana Soanierana