23 APRILY 2022

Isan’ny MFT : 56

I- FANAPAHAN-KEVITRA

Fisehoan’ny Katekomena 16 horaisina amin’ny Pentecôte. Hisy ny fianarana tontolo andro ny Sabotsy 21 Mai 2022.

II- FAMPAHAFANTARANA

  • Passation pasteur Délégué sy ny Pasteur vaovao : efa tontosa / Comptes dormants (comptes 2 sisa no misy, 1 BOA ary 1 BFV)

 

  • Fifidianana : Amin’ny 2024 vao hisy ny fanavaozana tompon’andraikitra eto @ FJKM. Mampahafantra ireo sampana, sampanasa, fikambanana izay mikasa hanolo ireo birao tsy misy ao anatiny mba handefa ny taratasy fangatahana hanatanterahana fifidianana aty amin’ny Mpitandrina sy ny KF mialoha ny Sabotsy 30/04/22 handrindrana ny fanatanterahana izany

 

  • Centre Médical: 5 000 Ar ny frais de consultation ao @ Centre Médical nanomboka ny 1er Avril 2022

 

  • Fanamafisana : tsy misy ny fivoahan’ny sampana rehetra ny alahady maraina fa miara-miombom-bavaka ny fiangonana manontolo.

Marihina fa eo anelanelan’ny cultes 2 dia afaka mivory ny sampana/sampanasa/fikambanana sns… Mandritra ny fanompoam-pivavahana kosa (1er na 2ème culte) dia tsy misy ny fivoriana azo atao.

  • Fihaonan’ny Mpitandrina amin’ny Vaomiera, sampana, sampanasa, fikambanana: hisy calendrier havoaka handaminana ny fihaonana

 

  • Tsangambato fankalazana: Ataon'ny Biraon'ny Fiangonana lisitra ireo asa tokony hatao tsangambato eto amin'ny Fiangonana. Omena koa ny tombam-bidiny ary mifampidinika amin'ny Biraon'ny Fiangonana ireo hametraka ny tsangambato ka misafidy araka ny faharesen-dahatr'izy ireo ao anatin'ny lisitra natolotra. Izany no atao dia mba hahazoana mametraka ny laharam-pahamehana eto amin'ny Fiangonana.

 

  • Misy ny rakitra faha-4 atao ho an’ny TOPAZA ny Alahady 24 Aprily 2022.