"Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [* Na: (izay efa hitanao)] hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy". — Asan'ny Apostoly 26 : 16 - 18