ISAIA 43:1-7 ; 28 Jona 2024

image_pdfPDF

FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA: ZOMA 28.06.24

Es 43:1-7

1. ISAIA: NY BOKY

Toko 66 izay mizara  3 :

  • Toko 1-39: Korontana politika vokatry ny sampy
  • Toko 40-55: Fahababoana any Babylona
  • Toko 56-66: Tafaverina any Joda ny babo

Isaia: Ny Tompo no mpamonjy. Naminany tamin'ny taona 740 BC - 680 BC (60 taona).

2. TEKSTA: Teny ho an’ny Fiangonana any am-pahababoana

3. VOAMBOLANA BIBLIKA: Nahary, namorona, nanavotra, momba anao, anaranao, niantso, sns.

4. VOTOATINY (Fiarovana)

Es 43:1

  • Nahary sy namorona Andriamanitra: Misy fifandraisana manokana aminy ianao.
  • Nanavotra: Novidiny lafo ny fanafahana anao.
  • Niantso ny anarana: Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny tsirairay.

Es 43:2

  • Amin’ny fotoanan’ny loza dia eo mandrakariva Andriamanitra.
  • Voajanahary ny loza (rano) mety vokatry ny ataon’olombelona koa (afo): Miantoka ny fiarovana amin’izany Andriamanitra.

Es 43:3

  • Mampahatsiahy ny maha-izy azy Andriamanitra IHWH: Tompo sy Mpamonjy.
  • Firenena telo no indray hoentina manavotra ny Israely (Egypta, Seba, Etiopia).
  • Etiopia dia firenena tao atsimon’i Egypta ary tena nanankarena sy natanjaka ara-politika ary nanana fifandraisana akaiky tamin’i Egypta. Seba dia Yémen ankehitriny: Tompon’ny epice sy ny vato sarobidy. Egypta firenena natanjaka na dia efa notandindonin’ny Asyriana aza tamin’izany.

Es 43:4

  • Ny fitiavan’Andriamanitra no antony hiarovany ny olony.
  • Sarobidy loatra amin’Andriamanitra ianao matoa avotany.

Es 43:5-6

  • Efa fiarovana ny fampiombonana (famoriana) sady fanehoan’Andriamanitra ny fahefany amin’ny vazan-tany rehetra.
  • Ho an’ny rehetra ny fiarovana ary tsy afaka miala amin’ny tondrozotran’Andriamanitra isika raha te ho voaaro.

Es 43:7

  • Efa arofanina ho an’ny olon’Andriamanitra ny fahatsiarovany fa nisy izy mba hanome voninahitra an’Andriamanitra.
  • Miverina eto ny hoe "Nantsoina", "noforonina".

FEHINY: Ny Es 43:1-7 dia manambara ny fiarovan’Andriamanitra miorina amin’ny fitiavany sy ny fanatrehany, ny fanavotany, ary ny fanomezany lanja ny tsirairay.

5. FAMPIHARANA

  1. Manonona vavaka fisaorana ny amin’ny fiarovan’Andriamanitra eo anatrehan’ny rotorotom-piainana.
  2. Manokana fotoana handinihanao ny fanatrehan’Andriamanitra tsy tapaka ny fiainanao (Hay teo foana i Kristy).
  3. Efa hifarana ny lohahevitra "Miaro ny olony ny Tompo": Ataovy tadidy ny andinin-tsoratra Masina milaza ny fiarovan’Andriamanitra. Raiso ho anao ireny (Aza avela handalo na omena ny hafa).
  4. Tsarovy fa olona manan-danja ianao ary aza vingavingaina ny hafa (Aza manao tsinontsinona ol).
  5. Mahaiza mifanatona sy mifamonjy.
  6. Ataovy tanjon’ny fiainanao ny voninahitr’Andriamanitra.
  7. Aza adinoina ny mijoro vavolombelona amin’izay efa niarovan’Andriamanitra anao mba ho hery ho an’ny hafa izany.

VAVAKA MANGINA + RZA

image_pdfPDF