MOFONAINA 14 OKTOBRA 2024 – Efesiana 2:11-18

image_pdfPDF


Alatsinainy 14 Oktobra 2024 - Efesiana 2:11-18

NY FIHAVAOZANA AO AMIN'I KRISTY DIA MANDRAY ROA


1. FIHAVAOZAM-PIAINANA (And. 11)

Efe 2:11
Tsarovy fa fahiny...
Mba hampivoitra tsara ny fihavaozana nentin’i Kristy eo amin’ny fiainanao, dia ataovy jery todika ny lasa.
Tsarovy ianao tamin’izany fotoana mbola tsy nandre ny Filazantsara. Olona mpanara-baovao sy mpamaky gazety, mpihaino tantara sy mpijery horonan-tsary, mpihaino resaka-poana sy mpanongilan-tsofina amin'ny fosafosa, mpitanisa fahakiviana...
Tsarovy ianao tamin’izany mbola tsy niditra am-piangonana. Olona nivoaka sy niditra fotsiny ny trano. Tsy nahalala afa-tsy ny tokonam-baravaranao sy ny varavaran’ny sekoly na toeram-piasana.
Tsarovy ianao tamin’izany mbola tsy nandray an’i Kristy, fa venjivenjin’olona teny (olon-ho azy).
Tsarovy ianao tamin’izany mbola tsy niditra lalina tamin’ny fanompoana.
Ianao ilay tsy rototra miteny hoe ampy ahy rehefa mivavaka: "Mpiangona tsotra aho."
Ianao ilay manao hoe: "Aleo aloha ohatran’izao ihany..."

ANTSO:
Aoka tena hisongadina eo amin’ny tantaran’ny finoanao ny fihavaozana nentin’i Kristy teo amin’ny fiainanao.


2. FIHAVAOZAM-PIFANDRAISANA (And. 14-18)

Efe 2:14-18
Paoly manoratra amin’ireo mpanompo sampy sy Jiosy tao Efesosy niova fo ho Kristiana.
Mampitodika azy ireo amin’ny asa fampihavanana vitan’i Kristy.
Fihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ireo hafa manodidina.

21. Fifandraisana amin’Andriamanitra

22. Fifandraisana amin’ny olona hafa

Ny fanekena an’i Kristy sy ny asam-pamonjena nataony (ny nandatsahany ny rany teo amin’ny Hazo Fijaliana) dia tsy maintsy hiteraka fihavaozana eo amin’ny fifandraisana.
Ny vokatry ny asam-pamonjen’i Kristy dia fiadanana, filaminana, fitoniana, fandriampahalemana.
Ny fanaovan'ny olona fangala-piery amin’Andriamanitra. Ny tsy fanekena hiresaka amin’Andriamanitra (famakiana Soratra Masina, vavaka ary fiaraha-miasa amin'Andriamanitra).
Ny tsy filaminana anaty mpahazo ny olona. Ny adin’ny olona amin'ny tenany.
Ny fisian’ny fisarahana ao amin’ny ankohonana, ny tsy fifankahazoana isam-pianakaviana, ny disadisam-piarahamonina, ny adim-poko, ny fifamelezan’ny firenena.

ANTSO:
Aoka tsy ho latsadatsaka fotsiny teo amin’ny Hazo Fijaliana ny ran’i Kristy.
Hevero izay hihavaozan’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.
Saino izay hihavaozanao amin’ny fifandraisana amin’ny hafa.
Heritrereto izay hampirindra ny tenanao amin’ny fisainanao sy ny fanahinao ary ny ataonao.


FEHINY

Tsarovy fa ny fidiran’i Kristy eo amin’ny fiainanao dia hampiavaka tsara ny lasa sy ny ankehitrininao.
Aza adinoina fa ny asam-pamonjena nataon’i Kristy tamin’ny nanolorany ny rany teo amin’ny Hazo Fijaliana dia mitondra fiadanana. Mitondra fihavaozana amin’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, amin’ny tenanao, ary amin'ny hafa koa.

image_pdfPDF