Alarobia 30 Oktobra 2024
Fa hisy hanao hoe : Hatao ahoana ary no fanangana ny maty ? Ary tena manao ahoana no hisehoany ? Ry adala… 1 Korintiana 15:35-36
Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty ? Asan'ny Apostoly 26:8
„Afaka inoana” ary marina !
„Mahatalanjona ! Tsy nisy nino, tsy nisy nino intsony, nefa dia marina !” Isika tsirairay, tamina andro iray, dia samy efa talanjona nanoloana toejavatra iray tsy noheveriny velively ho afaka hitranga : tetikasa iray tontosa na tsy nampoizina mihitsy aza, fisondrotana tsy nantenaina velively ao amin’ny orinasa… Tsy hay inoana e ! Nefa dia marina !
Ary raha toa moa, farafahakeliny, ireny zavatra madinidinika niainana ireny mba mitondra antsika hisaina amina fomba hafa ny amin’ireo fanontaniana fototra ? Mazava ho azy fa manana zo aho hihevitra, na tsy araka ny lôjika velively aza izany, fa ny fiainana dia tongatonga ho azy tsy nisy antony na fidirana an-tsehatra manokana, teto amin’izao tontolo rehetra izao, izay nanjakan’ny hafoanana hita maso sy any ambadiky ny hita maso, tsy nisy na atôma na angovo faran’izay bitika aza. Nefa kosa, raha manaiky isika fa tsy maintsy nisy mihitsy loharano niavian’izany pitik’aina voalohany izany, loharano ambony sy tsy hay hazavaina antsoina hoe Andriamanitra, dia aza mianina amin’izany. Satria mantsy raha namorona ny aina avy tamin’ny tsy nisy Andriamanitra, dia ahoana no hieritreretana fa tsy ho hainy koa ny mampiasa ny zavatra rehetra mba hanaovany izay tiany amin’io zavatra io ? Ahoana no tsy hahaizan’Andriamanitra mamerina ny aina ao amina vatana efa nanjary vovoka, nefa ny tsy misy na inona na inona aza, nataony nanjary nisy aina ? Tena „afaka inoana” mihitsy izany, ary tena marina !
Koa ny zavatra tena marina izany, dia ny fitsanganana ho velona indray aorianan’ny fahafatesana. Voatery ho vaovao mahafaly ve izany ? Tsia ! Satria ambaran’ny Baiboly antsika fa samy hampamoahina eo anatrehan’Ilay Mpahary azy avokoa ny olona tsirairay… ary efa very mialoha isika, raha tsy hoe angaha manaiky fa Jesosy Kristy, noho ny sorona nataony, dia efa nohelohina nisolo toerana antsika. Izany koa dia marina ! Ary izany no antoka feno ananan’izay mino izany tsy misy fepetra. Ho an’io olona io, ny fitsanganan’ny tena ho velona indray dia ahatongavany amin’ny fiainana mandrakizay, hoavy feno hasambarana miaraka amin’i Jesosy.