VAOVAO FOIBE FJKM OKTOBRA 2018

Nifarana ny Alahady faha 21 Oktobra lasa teo ny fanamarihana ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny faha 50 taona FJKM sy ny faha 200 taona LMS tamin'ny alalan'ny fanompoam-pivavahana notanterahina teny amin'ny kianjaben'ny Mahamasina.

Tsiahivina fa ny zoma 19 Oktobra ny fanokafana ny fotoam-pamaranana ny Jobily teny amin'ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana tamin'ny alalan'ny velan-kevitra mitondra ny lohateny hoe ny « Kristiana Protestanta sy ny fiainam-pirenena » , nitohy ny Sabotsy 20 Oktobra teny amin'ny Kolejy Teolojika Ivato tamin'ny alalan'ny fanompoam-pivavahana sy fitokanana ny tsangam-bato, trano misy rihana telo ho an'ny toeram-panomanana Mpitandrina ho fanatratrarana vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara ary nofaranana tamin'ny sakafon-jobily. Ny Alahady 21 Oktobra teny amin'ny kianjaben'ny Mahamasina ny fotoam-pamaranana.

Nampiavaka ny famaranana ny nandraisan'ireo tompon'andraikitra efa niasa teo anivon'ny sahan'ny FJKM anjara fanompoana tamin'ny fanompoam-pivavahana : ny Filohan'ny Fjkm teo aloha, ny SG teo aloha, ankoatra ny fanolorana marim-pankasitrahana ireo tompon'andraikitra nahatontosa ny asa 1968 - 2018 izay mbola velon'aina. Teo ihany koa ny fankasitrahana ny komitin'ny Jobily ary fanolorana marim-pankasitrahana ho an'ny nahazo laharana telo voalohany tamin'ny nanao sary famantarana na Logo sy ny hira faneva.

Ny Mpitandrina Randrianarimanana Jean Jacques mitondra ny FJKM Tolofotsy Vaovao SP Toamasina Vavahadin'ny Filazantsara no nahazo ny laharana voalohany ho an'ny Logo, ary Atoa Ramarolahy Mahazosoa Nirina Diakona Fjkm Isotry Fitiavana ny nahazo ny voalohany tamin'ny Hira faneva.

Ireo hafatra 5 napetraky ny Filohan'ny Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina:

- Teny Fikasana, tano io

- Fanahy Masina, itokio

- Ny Modely tsara, mba irio

- Izay tena inoanao, safidio

- Ho avy ny andro iray, ka tadidio

Nifanindran-dalana tamin'ny fotoam-pamaranana izao ny fivorian'ny Mpiandraikitra Foibe FJKM nisy ny hafatra.