Nifarana ny 29 Jolay ny fizaran-draharaha nataon'ny Mpitandrina ANDRIAMIHAJA Lanto teto amin'ny Fiangonana.
Nisolo tena ny Fiangonana ny Mpitandrina sy ny biraom-piangonana iray nanolotra fisaorana azy ary nitondra azy am-bavaka.
Nisaotra an'Andriamanitra ary nisaotra an'i Pasteur Solofo i Pasteur Lanto noho ny fiaraha-miasa nisy teo amin'izy ireo ary nanambara fa nanefy azy ho tena Mpitandrina ny fiarahany niasa tamin'i Pasteur Solofo.
Tsy adinony koa ny nisaotra ny Fiangonana tamin'ny marika hita maso, tamin'ny alalan'ny valopy natolotra azy; ary narotsany ho fandraisany anjara amin'ny fanorenana ny tsangambaton'ny faha-150 taonan'ny Fiangonana ny ampahafolon'ny vola azony tamin'izany.