Romana 10:17 : « Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy ».
RESAKA FINOANA
Manontany anao ny Tompo : avy aiza io finoanao io ? Dia misy mahare an’izany ry havana, dia mety hanao hoe : « fa avy aiza ahoana e ? Izaho anie mino e ». Manontany anao ny Tompo e : avy aiza ny finoanao ry havana o ? Ilay valinteny, valinteny tokana andrasan’ny Tompo aminao dia hoe : « Tompo o, fantatrao, fa ny finoako dia avy amin’ny toriteny ». Raha finoana marina fa tsy finoana sandoka, raha finoana marina hampiditra any an-danitra ry havana dia hoe finoana avy amin’ny toriteny na finoana avy amin’ny fihainoana ny toriteny.
Fahamarinana 1 : FINOANA MIORINA AMIN’NY TORITENY VE NY FINOANAO ? REHEFA TONGA ATY AM-PIANGONANA VE IANAO DIA MIHAINO TORITENY ?
Mampihomehy be ilay fanontaniana, fa apetraka aminareo ilay fanontaniana : rehefa tonga aty am-piangonana ve ianao dia mihaino toriteny ? Sa mipetraka eo amin’ny dabilio fotsiny ? Sa sanatria an’izany, izao moa ny antsika Fjkm dia mikatona ny Fiangonana, fa hoe rehefa miangona any amin’ny fiangonana hafa, dia mivoaka ianao fa tsy mahazaka an’ilay toriteny tahaka an’ilay andevo tsy tamana ao an-tranon’ny rainy, dia iny ianao mivoaka mangala-dia mifoka sigara ? Mihaino toriteny ve ianao rehefa tonga aty am-piangonana ?
Misy olona manko ry havana, rehefa tonga aty am-piangonana, dia rehefa fotoanan’ilay toriteny an, dia izao : varimbariana izy. Ianareo ihany anie no mitantara amiko e, hoe : ary i anona Pasitera toa matory foana mandritra ny toriteny ? Ianao no mitantara an’izany ; izaho angaha mahita an’izany. Izay : dia tsy mihaino toriteny izy : izay ilay zavatra. Tonga aty am-piangonana ve ianao e, hihaino toriteny ?
Misy indray miteny aminay hoe : Pasitera an, angaha tsy tohizana intsony ilay fandinihina ny fitondran-tena ao an-tranon’Andriamanitra satria miverina indray ilay olona milalao telefaonina, ilay mi-surfe, manao Facebook sy ny karazany ? Natoron-dry zareo diakona moa ny faritra fanaovana an’izay. Asa moa ireo diakona vaovao, ilay andiany vaovao raha hanana fahasahiana hiteny hoe : « e, mihainoa toriteny ». Misy olona izany tonga aty am-piangonana ry havana o, tsy maheno toriteny. Ary ny mahavariana ahy e : ato sy any an-kafa, variana mihitsy aho ry havana : rehefa amin’ny fotoanan’ny toriteny ohatran’izao, rehefa misy namany ohatran’izay repéré-ko eo akaikiny eo, tsisy toriteny vanona fa psss pssss pssss, asa izay resaka ataony eo mandritra ny toriteny fa tena matsiro sy matavy an ! Tonga eto izy, tsy mihaino toriteny ry havana. Izay ilay zavatra. Izay ilay fanontaniana : mihaino toriteny ve ianao rehefa aty ?
Manarak’izay hoe, mihaino toriteny ve ianao ka tena hoe manana intention hitady an’i Jesoa isaky ny mihaino toriteny ? Manana intention ve ianao hitady an’ilay vaovao mahafalin’ny famonjena rehefa mihaino toriteny ? Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : mahavariana anie, hoy izy e, misy olona, ary ny olombelona, izay no maha-olombelona azy, tena hitanao izao hoe mangetaheta ara-panahy dia azo oharina izy amin’ireo olona mifanena aminao eny amin’ny arabe, tena mangetaheta dia manontany anao hoe aiza anie no mety misy rano. Dia hoe soa ihany ho anao fa misy ny fatsakana, afaka misotro rano eo ianao. Dia mankany amin’ilay fantsakana izy, fa tsy manana intention hisotro izy. Dia ataontsika hoe : o, misy fahavoazana ihany ity olona ity an. Na ohatran’izay hoe noana, noana, ah, etsy ampita etsy misy mpivaro-mofo, misy boulanger : mankao izy nefa tsy mividy nefa manam-bola ividianana. Misy olona izany, tsy mi-prêté attention an’ilay toriteny, misy olona tsy manana intention mihitsy hitady ny famonjena, hitady an’i Jesoa eo am-pihainoana an’ilay toriteny ry havana.
Misy olona indray, tsy mihaino toriteny izy fa izao : ny ao an-tsainy, na iza na iza mpitoriteny eo, dia efa toe-tsaina hanakiana sy hanohitra : mampalahelo ; « angaha izany izy io Pasitera an, ny tenin’Andriamanitra koa angaha miteny an’izao » etc… Tsy ampy an’ilay fanekena sy ny fahatsoran’ny fon’ny zaza lazain’i Jesoa hoe an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra. Manafatra antsika ny Tompo ry havana anio : ianao rehefa mihaino toriteny, dia hoe : « Tompo o, mifona aho ny amin’izay hoe di-dohako rehetra, mifona aho ny amin’izay fisehoako hoe be saina aho, manan-tsaina nanao an’izao sy nanao an’izao, fa omeo ahy ny toe-pon’ny zaza eo am-pihainoana izay toriteny omenao avy any an-danitra ». Izay ilay izy.
Ary farany ry havana, indraindray ilay toriteny tsy mahasoa fa mba nihaino ihany ilay olona fa izao : vao tonga ilay Amena dia adinony ilay toriteny satria possiblement tsy manana an’ilay volonté hoe hisaina, kanefa ny tena lasin-tsaina hoe hisaina an’izay noteneniny teo. Dia hoy ny mpitoriteny iray namafy an’ity Romana 10 :17 ity : mihaino toriteny eo hoy izy ilay olona, fa izao : ny sasany ohatrany manana fihainoana, na finoan’ny lolo (papillon). Inona ilay finoan’ny lolo na papillon hoy izy ? Ilay papillon, mandeha izy, mitety voninkazo izy, mandeha izy dia maketsy dia maketsy ; maketsy amin’ilay rose tsara tarehy izy, maketsy amin’ilay tournesol izy, maketsy amin’ilay izao sy izao sy izao izy. Teteziny daholo ny voninkazo, fa tsy finoana na fihainoan’ny tantely hoy izy. Ilay tantely mandeha hoy izy, dia alainy eo izay tokony alainy dia gohany ilay izy dia emmagasiné-ny aho ry havana dia lasa tantely mitondra hamamiana. Finoan’ny lolo (papillon), fihainoan’ny lolo ve ny fihainoanao ny tenin’Andriamanitra ka liana tokoa ianao any amin’ireny étude biblique, mihaino conférence etsy sy eroa, manaraka ny fivorian’ny mpivavaka atsy sy aroa ry havana, fa izao :tsy manao hoe fihaino na finoan’ny tantely migoaka izay tokony ho gohana dia mitahiry azy ao aminao, misaina azy dia mamokatra hamamiana ho anao, mamokatra hamamiana ho an’ny namanao ? Mihaino toriteny ve ianao ka manana finoana miorina amin’izany toriteny izany, dia tena toriteny marina ?
Efa nolazaina teto matetika ry havana, ilay mpitory filazantsara kalaza lahy, DL Moody. Mijoro vavolombelona izy : misy fotoana aho, hoy izy, mivavaka dia mivavaka ho an’ny finoana ary izaho ilay mivavaka ho an’ny finoana io hoy izy, mba hanana finoana io, dia mba hoe nino sy nanantena aho fa mba indray andro any, dia hilatsaka avy any an-danitra ary hilatsaka aty amiko izany hoe finoana izany dia ahakasika ahy, hanazava ahy. Fa izao hoy izy : jamais, jamais nahazo valim-bavaka aho hoe tonga tao amiko ny finoana, hoy ity mpitory filazantsara kalaza lahy ity. Dia indray maka hpy izy, nampahitan’ny Tompo ahy ity Romana 10 :17 ity hoe ny finoana dia avy amin’ny fihainoana ny toriteny, ary ny toriteny dia avy amin’ny fihainoana ny tenin’i Kristy. Tsy nivavaka intsony aho hoy izy, ho an’ny finoana, fa hoe sokafako ny Baiboliko dia novakiako ny Baiboliko, nianarako ny Baiboliko, nankatoaviko ny Baiboliko dia nanana finoana aho ; ary nitombo, nitomba mandrak’izao amin’ny finoana aho. Ry fiangonana o, raha finoana tsy miorina amin’ny toriteny ny finoanao, dia finoana pokaty izany, ary finoana tsy hampiditra anao any an-danitra. Sao dia diso hevitra ianao fa sao dia hoe finoana miorina amin’izay fombam-pianakaviana : ny dadan’i dadanay Pasitera, ny aninay Evanjelista, dadatoa anay mpiandry, dia manantena ianao hanana finoana. Tsia ry havana : tsy miorina amin’izany ny finoana. Sao dia mieritreritra ianao : ny finoano aloa Pasitera, izaho mihaino antoko- mpihira ohatran’izao, izaho mihaino conférence, mihaino toriteny, mijery vcd évangélique, tena hoe manetsika ny foko : tsia ry havana o, tsy finoana miorina amin’ny émotion sy ny sentiment izany hoe finoana mampiditra any an-danitra izany. Tsy finoana ihany koa, miorina amin’ny hoe nofy sy fahitana, tsy fiainantsika ny fahasoavan’Andriamanitra ; fa raha finoana miorina amin’ny vision, miorina amin’ny finoana, ny rêve, tsy finoana mari-pototra izany. Ary hitantsika tamin’ny farany teo fa raha finoana miorina fotsiny amin’ny fahagagana dia ohatran’ny an’i Simona mpanao ody tamin’ny herinandro, finoana tsy misaraka amin’ny filan-javatra izany.
Izay ny fahamarinana 1, hoe : finoana miorina amin’ny toriteny ve ny finoanao ?
Fahamarinana 2 : TADIAVO AO AMIN’NY TORITENY I JESOA DIA HO MORA AMINAO NY FANEKENA NY FINOANA
Romana 1:5 : « Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra ». Nahazo fahasoavana sy fanendrena ho Apostoly ny Apostoly Paoly dia hoe hahatonga fanekena ny finoana. Ny Segond manao an’io hoe : « pour amener les païens à l’obéissance de la foi ». Mifanakalo, mifampizara, miady hevitra ny mpandinika sy ny mpitoriteny ry havana manao hoe : fa iza no taloha e, ny finoana sa ny fankatoavana e ? Ny Jaboka miteny hoe ny finoana tsy arahin’asa dia maty, izany hoe ny finoana no taloha, fa arahina asa. Ny an’i Petera indray, tsy hita ny finoany fa nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilia teny i Jesoa dia niteny Izy hoe andao ataoko mpanarato olona, tonga dia nankatoa avy hatrany. Ry havana o, isika tsy andany andro hoe finoana sa fankatoavana no taloha ; fa tsy misaraka ireo e. Raha mijery vola ianao : ambadika ny finoana, ambadika ny fankatoavana. Fa finoana tsy misy fankatoavana izany, malahelo aho milaza aminao, dia finoana sandoka, ary finoana tsy ampiditra anao any an-danitra. Fa izao no problema : sarotra be ilay mankatoa satria tsy fantatrao izay ankatoavina. Mba mihaino toriteny ihany ianao, fa araka ilay ohatra nolazaintsika teo : tsy mitady an’i Jesoa ianao, tsy mitady tari-dalana amin’ny famonjena sy ny fiainana ianao, dia malaky vizana ianao. Mitantara ilay Pasitera iray izay ry havana : indray maka hoy izy, izahay any ambanivohitra no mipetraka, io ilay alika kelinay hoy izy, ary nisy bitro nandalo, dia vao nandalo ilay bitro dia lasa izy nanenjika azy. Dia izy manenjika azy iny, mivoavoa, excité be, mivoavoa, mivoavoa, mivoavoa. Dia iny koa, ny alika kelin’ny voisin anay, nahita an’ilay alikanay nihazakazaka ohatran’izany, naheno azy nivoavoa, dia lasa koa, lasa nanenjika nanenjika nanenjika. Fa inona ny zavatra nitranga hoy izy ? Teny an-dalana, nijanona dia niverin-dalana daholo ny alikan’ny voisin anay. Fa ilay alikanay irery no nanenjika hatramin’ny farany an’ilay bitro hitany nandalo teo. Dia manontany ilay Pasitera : araka ny hevitrareo ary, nahoana no nijanona teny an-dalana ary niverin-dalana mihitsy aza ilay alikan’ny voisin ? Tsisy nahita an’ilay valin-teny ny Fiangonana. Izao no valin-teny hoy izy : ny alikako hoy izy no nahita an’ilay bitro ary fantany hoe inona no enjehiny ; fa ny alikan’ny voisin, tsy nahita an’ilay bitro fa nahita an’ilay alikanay nivoavoa fotsiny dia nanaraka nanaraka nanaraka. Ka tsy nahita an’ilay bitro, dia vizana. Maro ny mpino, miresaka mpino isika ry havana, ohatran’izany : faly be amin’i Pasitera izy dia miangona miangona miangona ; faly be amin’ny namany izy dia handeha hiangona handeha hiangona handeha hiangona ; mahita sipa vaovao izy dia miova Fiangonana manaraka ny sipany vaovao any fa tsy mahafantatra an’i Jesosy, tsy mahita an’i Jesosy izy, dia eny an-dalana, vizana, vizana, vizana satria tsy nahita an’i Jesoa tato amin’ny Baiboly. Ry havana o, tadiavo ao amin’ilay toriteny i Jesoa dia ho mora aminao izany hoe fanekena ny finoana izany dia azonao antoka izay lovanao mandrakizay any an-danitra ary hitondra fifaliana aminao izany, ary ho mpizara teny fifaliana ianao ; satria hita amin’ny fihetsikao, hita amin’ny fiainana, hita amin’ny teninao fa tena mihaino sy nahita an’i Mpamonjy ianao, milaza ny fifalian’ny famonjena.
Izay izany ilay hoe : « Fa ny finoana dia avy amin’ny toriteny ». Ny finoana dia avy amin’ny fihainoana toriteny. Dia hoy ny tapany faharoa amin’ilay Romana 10 :17 : « Ary ny toriteny kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy ». Ry havana o, mihaino ny toriteny ianao, kanefa izao no fanontaniana apetraky ny Tompo aminao eto amin’ny tapany faharoa : TOA INONA NO TOERAN’NY TENIN’I KRISTY AO AMIN’NY FIAINANAO ? Raha atao hoe mpihaino toriteny ianao ety, toa inona ny toeran’ny tenin’i Kristy ao amin’ny fiainanao ? Eo ianareo diakona am-perin’asa, eo ianareo futur diakona : ny fanekena voalohany dia hoe hazoto hivavaka, hamaky Soratra Masina, hianatra Soratra Masina ; ho antsika Fiangonana e, toa inona no toeran’ny tenin’i Kristy ao amin’ny fiainantsika ?
Rehefa manana an’ilay fanekena ny finoana ianao ry havana, ary izay ihany, rehefa manana an’ilay obéissance de la foi ianao, izao no vokatr’izany voalohany, ary izay no fahamarinana manaraka : lasa intime an’i Jesosy ianao.
Fahamarinana 3 : NY OLONA MANANA AN’ILAY OBEISSANCE DE LA FOI DIA LASA INTIME AN’I JESOA KA MANOME NY TOERANA SAHAZA NY TENIN’I KRISTY AO AMIN’NY FIAINANY
Lasa namana intime, lasa sakaiza akaiky, lasa sakaiza tsy fohy, lasa sakaiza tena tiany ohatran’izy 3 lahy teo anivon’izy 12 lahy.
Ary ny sakaiza intime-n’i Jesoa ihany no manome ny toerana sahaza ny tenin’i Kristy ao am-pony sy ao amin’ny fiainany. Manontany anao ary ny Tompo : noho ilay fanekena ny finoana izay nazavaina tamintsika teo, afaka miteny ve ianao hoe intime-n’i Jesoa ?
Ary raha izay fotsiny aza no tadidinao androany,enga anie, alohan’izay fotoana hikipihan’ny masonao, hanana toky ianao ary hiteraka fifaliana aminao ny fahafantaranao hoe raha ny amiko indray dia intime-n’i Jesoa aho ry havana o. Satria izany no programan’i Jesoa ho antsika ry havana, ary izany no hitondra fifaliana any Aminy sy maharitra ho antsika, izany hoe intime-n’i Jesoa izany.
Io ohatran’ny olona intime rehetra e : rehefa intime ilay fifandraisana, ohatran’izay koa amin’Andriamanitra : avelan’Andriamanitra hijery ka hanakatra ny ao an-dohany sy ao am-pony ianao, ahita ilay fiainana be, ahita ilay fitiavana be, ahita ilay fahasoavana be, ahita ilay fitahiana be tsy manam-pahataperana omaniny ho anao ; satria intime-ny ianao dia velariny eo anatrehanao ny fony ry havana o. Ary satria koa intime ianao, dia ianao mamela Azy mba hijery izay ao am-ponao. Ary raha faly ianao mijery izay ao am-pon’i Jesoa ry havana, mety ho menatra ianao. Fa izany ilay olona manana ny faneken’ny finoana, nanjary nifamato-pitia tamin’i Jesoa, lasa intime : tsy menatra izy mamelatra eo anatrehan’ny Tompo ny fony, ny fahalotoany, ny faharatsiany. Ary faly izy mamelatra an’izany eo anatrehan’i Jesoa mba hodiovin’i Jesoa ry havana o.
Fa izao : ny olona intime-n’i Jesoa ry havana dia hoe, vokatr’ilay fanekena ny finoana nolazaina teo, dia mila manokana fotoana ; io no tsy vitantsika. N’inon’inona emploi du temps antsika, tsy manam-potoana ho an’i Jesoa isika ; na ny olona ambony indrindra na ny olona atao hoe ambany indrindra eo amin’ny fiaraha-monina, fa tsy misy manam-potoana ho an’i Jesoa izany isika, na Minisitra, na tsy Minisitra, tsisy manam-potoana ho an’i Jesoa izany. Kanefa rehefa dinihinao ny fiainan’i Jesoa ry havana, tena hoe nanokana fotoana maharitra Izy hitokanana amin’ny Rainy ; nanamboatra fotoana Izy hitokanana amin’ny Rainy. Ary tahaka ny zavatra nitranga tamin’i Jesoa, ny tsy azontsika, rehefa manana an’izay relation d’intimité izay ka hoe manokana fotoana ho Azy, mahery ilay finoana ; ambolen’ny Tompo ao amintsika llay finoana vokatr’ilay fihainoana toriteny sy ny fankatoavana toriteny, fa ampitomboany, affermissiavany izany finoana izany ry havana. Mba hoe finoana hampaharitra antsika hatramin’ny farany izany finoana izany. Fa izao : iaraha-mahalala fa tototra isika, fa manampy trotraka koa ny devoly. Halan’ny devoly, ary zavatra kendreny aok’izany ny tsy hananantsika an’izany moment d’intimité amin’i Jesoa sy amin’ny Raintsika any an-danitra izany. Dia isika, rehefa tenenin’i Pasitera na tenenin’ny tompon’andraikitra hoe « ary ianao tokony mba hiara-hivavaka e, andao isika hianatra tenin’Andriamanitra », dia hoe : « ka izao, ka izao Pasitera, ka izao Pasitera ». Aza miteny intsony hoe « ka izao Pasitera », fa sao dia sanatria an’izany ny devoly no manome arguments anao ary mampiteny anao, satria izy no faly rehefa tsy manatrika an’ireny fotoam-bavaka ireny ianao satria tsy tanteraka ilay intimité anao amin’i Jesoa ry havana o.
Manokana fotoana ho an’i Jesoa , manokana fotoana bebe kokoa ho an’i Jesoa hikolokoloina izany intimité izany, hanamafisana orina ny finoanao. Ary izao : aoka tsy ho diso hevitra isika Fiangonana : tsara be ilay fombantsika hoe an an an, izaho izao efa tsy mihaino hiran’izao tontolo izao intsony, tsara be ilay fombantsika hoe an an an, izaho izao mihaino conférence, tsara be ilay fombantsika hoe an an an, izaho izao andeha hijery film évangélique na cd évangélique na hihaino toriteny amin’ny youtube. Tena tsara be izany. Fa izao : aza mieritreritra ianao fa vita hatreo ilay moment d’intimité anao amin’i Jesoa ry havana o ; aza mieritreritra ianao fa vita hatreo izany. Rehefa vita ny fijerenao film dia saino ilay film, saino ilay toriteny teo dia manontania tena hoe inona Tompo o, no hafatrao ho ahy manokana androany ? Ary ahafantaranao an’izany, ilay hafatry ny Rainao : mandehana ianao miditra ao amin’ny efitrano mangina dia mandehana ianao mitokana ao dia hahazo ny tenin’i Kristy ianao ry havana o. Hahazo ny tenin’i Kristy avy amina sakaiza tena tia, avy amina namana intime. Manana intimité amin’i Jesoa ve ianao ry havana o ?
Fahamarinana 4 : IANAO IZAY MANAO ZAVA-DEHIBE AN’IZANY INTIMITÉ AMIN’I JESOA IZANY, RAISO HO SAROBIDY TOA NY VOLAMENA IO TENIN’I KRISTY IO
Rehefa miteny ny Soratra Masina : « Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy », ity Baiboly ity no atao hoe LOGOS-n’Andriamanitra, tenin’Andriamanitra, parole de Dieu. Fa rehefa miteny eto ny Apostoly Paoly hoe : ny toriteny dia avy amin’ny tenin’i Kristy ; izy tsy miteny hoe avy amin’ny LOGOS-n’i Kristy, fa miteny izy hoe avy amin’ny RHEMA -n’i Kristy.
Efa nazavaina teto tamin’ny fotoan’andro fa hoe ilay LOGOS dia ny tenin’Andriamanitra amin’ny ankapobeany : tsara vakiana , tsara ianarana. Fa ilay RHEMA indray, ny maha-samihafa azy amin’ilay LOGOS, dia hoe ilay teny omen’i Jesoa amin’ny mpanompo manokana amin’ny vanim-potoana manokana ao amin’ny fiainany. Teny manokana sahaza amin’ny vanim-potoana manokana amin’ny mpanompony iray. Asa, misy 1600 isika eto izao angamba ; dia misy possiblement, 1600 RHEMA azontsika eto izany izao, satria samy mihaino an’ilay LOGOS fa samy hafa ilay RHEMA omen’ny Tompo na dia hoe Fiangonana iray , mpitoriteny iray, perikopa anankiray aza.
Ry havana o, ny basen’io rehetra rehetra io, rehefa miainga amin’ilay hoe « fa ny finoana dia avy amin’ny fihainoana toriteny ary ny toriteny kosa dia avy amin’ny RHEMA an’i Kristy ». Ataovy antom-bavaka manomboka anio ny mangataka ka mahazo RHEMA amin’i Jesoa. Dia azonao antoka fa tafahoana marina tamin’ilay sakaiza intime ianao tamin’ilay fotoam-bavaka izay nataonao iny. Io RHEMA io, rehefa miteny Jesoa hoe : « tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra », tsy miteny Izy hoe izay LOGOS rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra, fa izay RHEMA rehetra ampisakafoanana ny fanahintsika izany. Ary mila RHEMA isan’andro isika satria miovaova isan’andro ny circonstance-piainantsika, hain’nyTompo izany : manomana RHEMA Izy ry havana. Ary io RHEMA io, tsy tahaka an’ilay LOGOS ;io RHEMA io dia tsy dia mivantana loatra aty amin’ny saina akory, ka hoe fakafakaina ohatran’izao sy tahaka an’izao ; fa ilay RHEMA iny, mivantana any amin’ny fontsika sy any amin’ny fanahintsika any, mamelombelona an’ilay finoana, mamelombelona an’ilay fitiavana voalohany, manome toky antsika ny amin’izany hoe fifandraisana velona sy intime amin’Andriamanitra izany. Ary rehefa mahazo RHEMA ny mpino iray, dia eo no anambaran’Andriamanitra aminy mazava izay programam-piainany ho azy. Raha samy afaka baka, omen’Andriamanitra RHEMA izy momba ny orientation-ny ; raha samy mpitovo, omen’Andriamanitra RHEMA ny amin’izay ho vadiny ; raha samy mpino etc… omen’Andriamanitra RHEMA , toro-lalana ho amin’ny fiainany hanambarany izany fahasoavany, hanambarany izany fitiavany izany.
Ry havana o, ry havana o, manao ahoana ny intimité anao amin’ny Tompo ? Manao ahoana ny fotoana atokanao ho an’ny Tompo ? Manao ahoana ny lanjan’ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ?
Ao anatin’izao famaranana izao, tantara nampihetsi-po ahy momba hoe fitiavana mpanompon’Andriamanitra irayny teny. Tany Vietnam no nitranga ny tantara tamin’ireny guerre naharitra firy-polo taona ireny ry havana, dia nisy miaramila amerikana kristiana tany amin’ny camp des prisonniers any amin’ny nord Vietnam communiste. Inona ny zavatra nitranga ? Ilay prisonnier izany asaina manana an’ireny corvée ireny. Dia ny azy, ny corvée ratsy indrindra, miala tsiny ny amin’ny fitenenana an’izany fa izay moa ilay tantara, mamafa ny kabone an’ilay commandant an’ilay camp ilay prisonnier. Izy no voatendry ho amin’izany. Tena kivy, kivy tanteraka izy, satria ny kabone any ambanivohitra tena voretra be. Dia inona ny zavatra nitranga ? Tsy maintsy nankatoa izy, tsy maintsy nankatoa izy. Ny zavatra nitranga : manadio an’ilay kabone eo izy, manasa sy ny karazany dia nahita taratasy izy ao anatin’ilay kabone dia nojereny ilay taratasy dia hita fa ravina Baiboly no hitany ao, ampiasain’ilay commandant an’ilay camp famafana. Dia nalainy ilay ravin’ilay Baiboly, tsy niteniteny tamin’iza na tamin’iza izy : nalainy ilay ravina Baiboly dia nodioviny ilay ravin’ilay Baiboly. Dia isan’andro isan’andro, il s’est porté volontaire pour faire la corvée des toilettes an’i commandant. Satria isan’andro isan’andro izy dia nahita ravina Baiboly any amin’io firenena communiste athée io. Ary dia izay no nahazoany Rhema isan’andro isan’andro isan’andro. Ary izay no nahazoany Rhema tamin’ity Romana 10 ity hoe : izay mino Ahy dia tsy ho menatra, tsy hangaihay. Tsy hoe tsianjery-na Logos fotsiny izany hoe ao amin’ny Romana 10 no misy an’izany ; fa tena hoe tenin’ilay sakaizany intime, tenin’ilay ondry izay mahafantatra ny feon’ilay Mpiandry ondriny ary inoany tanteraka ny teniny hoe : ianao tsy ho menatra, tsy hangaihay,ianao mino Ahy io.
Ry havana o, ry havana o, tia anao ny Tompo, tia anao ny Tompo ary dia hoe tiany ianao hanana ny tena finoana amin’izay dia ilay finoana miorina amin’ny toriteny satria ny toriteny dia avy amin’ny RHEMA an’i Kristy.
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena