Spécial eo anatrehan’Andriamanitra ianao

Jaona 15 :16 : «Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo, mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ ny anarako na inona na inona »

Izao no famintinana io Jaona 15 :16 io : Spécial eo imason’Andriamanitra ianao. Ahoana no anehoany fa hoe Spécial ianao ?
Fahamarinana 1 : Spécial eo imason’Andriamanitra ianao ka nofidiny ho Azy, ho sakaiza, ho zanany, ho mpianany.
Voalazan’ny mpandinika fa hatrizay dia ny mpianatra no misafidy mpampianatra, maître, olon-kendry, mpaminany. Fa eto : tsy izaho no nifidy an’i Jesoa ; fa Jesoa no nifidy ahy, satria spécial teo imasony aho.  Hoy ny Jeremia 1 :5a : «Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro » ; tsy ny fihetsiketsehintsika, tsy ny zavatra ataontsika, tsy ny asa ataontsika no ahitan’i Jesoa hoe spécial isika.
Ny anjaranao dia izao : tano amin’ny teniny Izy, mivavaha isan’andro ary lazao ny tenanao isan’andro hoe spécial aho. Isaory isan’andro fa spécial ianao. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny fandraisan’ny hafa anao, ny vadinao, ny zanakao, ny ray aman-dreninao, ny havam-badinao… Spécial ianao eo imason’Andriamanitra.

Fahamarinana 2 : Spécial eo imason’Andriamanitra ianao dia irahiny handeha sy hitondra voa ho an’ny tenanao sy ho an’ny hafa
Miandry anao ny Tompo hitondra voa : mitondra voa ve ianao any am-piasana ? any am-pianarana ? any am-piangonana ? Ary fantatrao ve fa ianao mandeha io, mandeha ianao satria irahina, fa tsy hoe mandehandeha foana na mivoaboaka ny trano foana ? Ianao, nofidiany ianao handeha sy hamoa. Olona spécial, mitondra voa ianao dia irahin’Andriamanitra hitory ny anarany, hitory ny filazantsara, hanao ny hafa ho mpianatra. Ny tanjona,tsy ny hitaomina ny olona hisalotra ny anarana kristiana: tsy hidirana any an-danitra izany ; ny tanjona dia ny mandeha ka manao mpianatra, satria ny mpianatra ihany no mankato.
Tsarovy fa matoa ianao nofidiany dia misy asa manokana ao izay tsy misy afa-tsy ianao ihany no hoe no-programmé-ny hanao an’izany.
Ary fantaro fa any ho any misy olona mety tsy hiditra any an-danitra satria tsy nety nirahina ianao handeha sy hamoa.

Fahamarinana 3 : Spécial ianao ka valiany vavaka
Mifanohy, mifampiankina ny fahamarinana 3 : tsy ny rehetra no mahazo valim-bavaka amin’ny rehetra ; fa ny olona mahatsiaro hoe nofidiany, nirahiny, hany ka izay zavatra rehetra angatahiny dia hoe zavatra ampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny fanontaniana apetraky ny Tompo aminao dia izao : izay zavatra ataonao ve amin’ny maha-ianao anao dia zavatra mampandroso ny fanjakan’Andriamanitra ? Sa avelanao ho an’i Pasitera sy ny AFF izany ?
Manomboka anio, aoka hibahana ao an-tsainao izao fanontaniana izao raha mahafantatra fa spécial ianao : inona ary no azoko atao ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra ?
Manomboka anio, aoka ianao tsy hanao na inona na inona intsony tsy mampandroso ny fanjakan’Andriamanitra.

(Toriteny Alahady 17 Desambra 2017 - Pasteur Solofo RAMAHOLIMIHASO)