"Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain’ ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena hianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon’ izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’ i Satana. Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban’ ny fahafatesana faharoa". Apokalypsy 2:8-11