Marka 11:15-18:"Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan’ ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala; ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan’ ny tempoly. Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra?; fa hianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy. Ary nahare izany ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany."
Pasteur RABEMANANJARA