Asan’ny Apostoly 8 :12 : « Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesoa Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy ».
« Ary rehefa nino an’i Filipo ». Ny titre-ny toriteny dia hoe : IZAHO, IANAO, MPINO MANAO AHOANA ? Ary raha préciser-na ilay hoe mpino manao ahoana, dia hoe : MPINO CREDIBLE VE IANAO ? Izany hoe MPINO AZO INOANA VE IANAO ? MPINO AZO ITOKIANA VE IANAO ? Izay ilay fampieritreretana.
Pasitera crédible be aho ? Mpiandry crédible ve ianao ? Zanaky ny fifohazana crédible ve ianao ?...
Fahamarinana 1 : REHEFA MITENY IANAO, INOAN’NY OLONA VE ?
Nino an’i Filipo ny vahoaka rehetra teo. Hatramin’i Simona mpanao ody nikoizana nino an’i Filipo.
Filipo tsy Apostoly fa iray amin’ireo 7 lahy diakona voalohany, diakona crédible. Firy ny diakona crédible ato ? Hiroso amin’ny fifidianana mantsy isika izao. Filipo dia diakona ary nirahin’ny Fanahy Masina nankany Samaria izy ; Samaria izany tena hoe sakay sy maso amin’ny jiosy, satria ireto samaritana ireto raha tsy lazaina hoe jiosy, jiosy ihany ireo, taranaka jiosy. Raha lazaina hoe jentilisa, jentilisa ihany ireo satria nandray ny fomba jentilisa nentin’ny Asiriana sy ny Babiloniana. Ka sady jentilisa no jiosy izany, dia sakay sy maso izy sy ny jiosy fa tany no nitarihin’ny Fanahy Masina an’i Filipo hitory ny tenin’Andriamanitra. Ary teny ny Fanahy Masina no nitarika azy satria izao fitorian-teny nataon’i Filipo tao amin’ny tanàna iray tao Samaria tao, dia efa tena hoe nomanin’ilay fihaonan’i Jesoa tamin’ilay vehivavy samaritana, ilay nampahafantaran’i Jesoa ny tenany hoe mesia. Efa izany izany no ohatrany hoe voa nafafy tany, dia hoe notondrahan’i Filipo. Zavatra roa no votoantin’ny hafatr’i Filipo, sy ny votoantin’ny Baiboly : ny fanjakan’Andriamanitra. Andriamanitra dia Mpanjaka ary te hanjaka amin’ny fonao. Ary faharoa, ny anaran’i Jesoa no anarana tokana ety ambanin’ny lanitra ahazoana famonjena. Izay no notorian’i Filipo tao Samaria tao. Ilay fanontaniana dia hoe : ianao ve mpino crédible ? Azon’ny olona mihaino anao inoana ve ianao ?
Misy pasitera iray nitantaran’ny vehivavy 65 taona iray ny adalany, dia hoy izy hoe, izaho pasitera, asa na fantatrao na tsy fantatrao, fa izaho tena tia an’i Elvis Presley. Maty tamin’ny 1997 i Elvis Presley. Dia mitantara amin’ilay pasitera ilay ramatoa hoe izaho tena tia azy, ary ren’i pasitera angamba ny sonnerie-ny telefaonina-ko fa hiran’i Elvis Presley malaza be hoy izy. Ary izao, nanomboka tamin’ny 1997 hoy izy, isa-taona isa-taona, izaho, ny vadiko, dia ny anabavin’ny vadiko, dia mandeha mamangy ny tranon’i Elvis Presley any Etazonia sy manao pèlerinage ao amin’ny fasany. Dia mitantara izy hoe, pasitera o, izaho tsy milaza ny billet d’avion, fa raha ny sakafo sy ny hotely sy ny frais-nay fotsiny dia efa 8.000dollars. Ary dia hoy izy hoe, izao no izy pasitera, rehefa mankany aho dia manana fifaliana aok’izany aho, rehefa mankany aho dia tena mientanentana ny foko sy ny fanahiko, toa ny manovo fankaherezana izany aho ao amin’ny tananan’i Elvis Presley, hoe ndryyy, ity tranony e, ity fandrinany e, dia ato moa izany ny fasany izao. Dia hoy ilay pasitera anakampo hoe raha izaho no nanana 8.000dollars, tsy nankany aho fa tao an-tokotany ihany dia nataoko tao am paosiko ny 8.000dollars dia nampahery ahy. Dia hoy ilay pasitera : saika babony aho, saika voapitany tamiko ny fitiavany an’i Elvis Presley, satria tena hitanao mihitsy ilay olona tena tia, ary ny fony, ny fanahiny, ny sainy, dia natolony an’i Elvis Presley. Ary raha mbola sokafana angamba ny any anaty tsinainy any hoy izy dia misy soratra hoe Elvis Presley.
Ary ianao, mba ahoana rehefa miresaka an’i Jesoa ? Ohatran’izany ramatoa izany ve ianao ? Sa manana titre pasitera, titre mpiandry, titre diakona, titre mpandray ny fanasan’ny Tompo ianao, fa tsy crédible ? Tsy crédible ianao rehefa miresaka an’i Jesoa , tsy contagieux, tsy mamindra ilay fitiavanao an’i Jesoa, tsy mifindra amin’ilay olona resahinao. Ary sao dia tsy crédible ianao, satria indray maka ianao, mba tena hoe nanolo tena marina ho an’i Jesoa, tamin’ianao noraisina ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, tamin’ianao notokanana ho diakona, tamin’ianao notokanana ho mpiandry : mba tao aminao ihany izany fitiavana voalohany izany, fa nihemotra ianao. Tsy crédible ianao satria raha mba te hitory amin’ny mpiara-miasa aminao ianao, dia hoe izahay aloa ao Isotrt Fitiavana no miangona e, fa izaho indray mandeha ny indroa ihany no mivavaka : hihomehezan’ny mpiara-miasa aminao ianao, ary na dia miteny aza ianao hoe izaho indray dia isa-kerinandro ao Isotry Fitiavana no mivavaka, fa hoe izaho indray aloa dia tsy manokatra Baiboly izany mihitsy ny Alatsinainy hatramin’ny Asabotsy e… Tsy crédible ianao ry havana. Tsy crédible ianao satria mety nandray an’i Jesoa ianao, nanana fitiavana voalohany an’i Jesoa ianao, fa nihemotra ianao taty aoriana. Rehefa tsy mandroso isika mpino dia mihemotra. Araka ilay ohatra efa farehantsika hoe izany bisikileta izany, tsy mba manao sur place izany. Fa izany bisikileta izany, rehefa tsy mandroso izany, dia mianjera ianao. Ary mianjera ianao, tsy handeha amin’ny rariny sy ny hitsiny ianao, satria tsy hita ao aminao ilay engagement ho an’i Jesoa, tsy hita ao aminao izany excitation ho an’i Jesoa izany, tsy hitanao izany hoe nanaovana an’i Jesoa ho laharam-pahamehana izany, ary raha ny fandanianao vola, tsy hita hoe laharam-pahamehana izany hoe fandaniana ho an’i Jesoa izany. Ary raha maka ilay lohahevitra amin’ity volana ity, tsy ianao mihitsy no handeha amin’ny rariny sy ny hitsiny, tsy ianao mihitsy no hiady amin’ny kolikoly, satria tsy crédible ianao.
Izay ny fahamarinana voalohany : miteny amintsika ny Tompo hoe, hitanao Filipo io, nino azy ny olona. Ary ny aminao manokana, mino anao ve ny olona ?
Asan’ny Apostoly 8 : 14-17 : « Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy. Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olonamba handraisany nyFanahy Masina. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesoa Tompo ihany izy.Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray nyFanahy Masina ireo ».
Fahamarinana 2 : MPINO EFA NANDRAY NY FANAHY MASINA VE IANAO ? MPINO MAMELA NY FANAHY MASINA HIASA AO AMIN’NY FIAINANAO VE IANAO ?
Hita eto ny asa tsara nataon’i Filipo. Nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahafenoana izy. Zava-dehibe ny mitory an’i Jesoa sy ny famonjena amin’ny fahafenoana. Nanao batisa tamin’ny rano izy.Tsara be koa izany. Fa tamin’izany andro izany, tsy ny Apostoly irery, ary ity dia vanim-potoana manokana eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana izany, fa tsy azo généraliser-na amin’izao, tamin’izany andro izany, ny Apostoly irery no afaka mametra-tanana, ary mampidina ny Fanahy Masina. Dia ren’i Petera sy Jaona fa misy an’izany Filipo izany, nandeha nitory ny filazantsara tany Samaria, dia lasa ihany izy nandeha nijery tany, nandeha ni-supervisé tany, dia hitany tao hoe mbola tsy nahazo ly Fanahy Masina. Izay ny tamin’ny andron’ny Apostoly Paoly ; fa amin’izao androntsika izao, ianao izay nataon’ny ray aman-dreninao batisa, na fony fahakelinao aza, dia efa natao batisan’ny Fanahy Masina. Fahadisoan-kevitra tanteraka, fandrebireben’ny evanjelika sasany, fandrebireben’ny sekta, ny filazana fa iny batisa noraisinao tamin’ny mbola kely iny dia tsy izy. Fampianaran-demony izany. Fa ny problema dia izao : izaho sy ianao tamin’io batisa natao tato amin’ny FJKM io, samy efa vita batisan’ny Fanahy Masina, fa ny ankamaroan’ny mpino dia tsy mandeha araka izany fahafenoan’ny Fanahy Masina izany, tsy mamela ny Fanahy Masina hiasa ao aminy. Izay ny fahavoazantsika amin’izao fotoana izao ; ary izany no tian’ny Tompo ahitsy, izany no tian’ny Tompo ho réformé-na, izany no tian’ny Tompo ahatonga saina antsika, hoe avelao ny Fanahy Masina izay efa nanaovana batisa anao, raha efa natao batisa ianao ; avelao ny Fanahy Masina izay efa nanisiana tombokase anao, araka ny Efesiana 1 :13, avelao ny Fanahy Masina hiasa aminao.
Lasa ohatran’izao izany ilay fahamarinana faharoa ho fampieritreretana, hoe : MPINO MAMELA NY FANAHY MASINA HIASA AO AMINAO VE IANAO ?
Ary tena misy hery anie io Fanahy Masina io e ! Ary ity Simona mpanao ody ity, dia tena hoe nikohizana sy nigagana mihitsy tamin’ny faritry Samaria, ny fahefana sy ny herin’ny odiny. Tena réalité izany Ary izy nahita ny Fanahy Masina, dia mihoatra ny ahy sy mihoatra ny anao ny fahalalana an’izany hoe fahefana sy herin’ny Fanahy Masina izany. Ary ny problemantsika, ny mahatonga ny finoantsika ho matimaty, ny mahatonga ny fitiavantsika ho matimaty, satria tsy mamela ny herin’ny Fanahy Masina hiasa ao amintsika isika. Izany ny réalité antsika. Ary rehefa tsy miasa ao amintsika ny Fanahy Masina izay nanisiana tombokase antsika, dia lasa isika mifindra any amin’ny secte dia ataony hoe normal ianao raha tonga aty satria fiangonana tsy iasan’ny Fanahy Masina ny fiangonana misy anao. Tsia ! Tsy fahafantarana ny Baiboly no mahatonga ny olona hietsonentsona tahaka izany. Fa izao : ny fiainako sy ny fiainanao no mahatonga azy hiteny an’izany. Olona efa nasiana tombokase tamin’ny Fanahy Masina ianao, asehoy izany.
Ilay batisan’ny Fanahy Masina io, dia lazain’ny Soratra Masina any amin’i Matio any hoe batisan’ny afo. Izany afo izany, rehefa manao ny asany, dia hoe mandevona ilay zavatra, mandoro zavatra. Ny olona izay natao batisan’ny Fanahy Masina, ary te hiova, dia tokana ny zavatra ataony : mamela ny Fanahy Masina handevona, handoro izay rehetra hoe tokony holevonina sy tokony hodorana ao amin’ny fiainany. Raha tsy izany izy tsy handroso mihitsy.
Inona, ho antsika mianakavy, inona no tian’ny Fanahy Masina ho dorana sy levonina ? Io avonavom-pontsika io eo anatrehan’Andriamanitra, io fo sy saina mierimberona io, io fihatsarambelatsihy lazain’i Jesoa ao amin’ny Marka 12 io, io avonavona sy fandokafan-tena io. Ry havana, avelao ho doran’ny Fanahy Masina anio raha te handroso ianao. Ary avelao ho dorany ireo fakofakom-pahotana, sy ny fahalotoana rehetra, tahaka ny fandorana zaoridira. Avelao ho doran’ny Fanahy Masina ireo fahalotoana rehetra ao am-pontsika ireo.
Raha mpino nandray marina ny Fanahy Masina ianao, ka mamela ny Fanahy Masina hiasa ao aminao, aoka ny vavakao isan’andro dia ny hangataka ny Fanahy Masina ary hamela Azy handoro izay rehetra tokony ho dorana ao amin’ny fiainanao.
Asan’ny Apostoly 8 :21-24 : « Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra.Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao.Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.Ary Simona namaly ka nanao hoe:
Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo ».
Fahamarinana 3 : SAO DIA MPINO MBOLA MITOETRA AMIN’NY FANGIDIAN’AFERO IANAO ?
Iza ity mpino mitoetra amin’ny fangidian’afero ambara eto ity ? Simona mpanao magie.
Simona mpanao magie izay lazaina ery ambony ery hoe raha nino daholo ny olona rehetra, Simona mba nino koa, Simona mba natao batisa koa (and.13). Fa inona ny zavatra nitranga ? Tena nahatezitra an’i Petera satria : Nahita an’i Petera sy Jaona nametra-tanana tamin’ireto samaritana i Simona, dia tena talanjona izy ny amin’ny fahazoan’i Petera sy Jaona nampita ny Fanahy Masina tamin’ilay olona nametrahan-tanana. Dia hoy Simona tamin’i Petera sy Jaona : ao fa omeko vola ianareo fa mba omeo ahy izany fahefana izany amin’izay mna hampitaiko amin’ny olona izay ametrahako tanana ( izay foana ilay herin’ny vola, izay foana ilay fitokiana amin’ny vola, izay foana ilay fitokiana amin’ny fahefan’ny vola). Tena tezitra i Petera. Azony natao ny niteny hoe mampalahelo ahy ianao, marina fa vao nino ianao, tena hoe ao anatin’ny tsy fahalalana ianao fa atoroko anao fanomezan’Andriamanitra tsy vidiam-bola izany. Fa tena tezitra Petera sy Jaona satria ity Simona ity, hay mody mino, mody natao batisa, fa ny fony sy ny sainy dia mbola saina ody, saina fahefana, saina hery sy fisandratana eo anivon’ny fiaraha-monina. Dia mbola fitaovana fanampiny indray ny hananany ny Fanahy Masina mba hahazoany mametra-tanana sy mampita izany hery izany amin’ny olona izay ametrahany tanana. Hoy ny misionera iray tao amin’ny hevi-teny teo amin’ity Asan’ny Apostoly 8 ity : Simona eto dia mpanao ody vita batisa. Ilay hoe mpanao ody vita batisa, tsy mpanao ody nibebaka, fa mpanao ody nijanona mpanao ody kanefa nanaiky natao batisa. Sao dia misy mpino ato, toa izany Simona izany, tsy miala amin’ny fanaovana ody fa mpanao ody vita batisa ? Ho anao ny tenin’ny Tompo hoe hitako ianao izao fa mbola mitoetra amin’ny fangidian’afero sy ny fehin-keloka. Ary izay no hampieritreretan’ny Tompo anao hoe : mibebaha.
Inona moa izany hoe mpino mitoetra amin’ny fangidian’afero izany ? Ny afero, nataon’ny olona tany aloa tany ho fitoeran’ny poizina amin’ny biby manaikitra misy poizina. Zavatra roa no dikan’izany : ianao mitoetra ao amin’ny fangidian’afero satria hoe mpanao ody vita batisa, ny fiainanao dia mitoetra ao anaty fangidiana : amertume miampy amertume. Ianao faly fa mahavidy an’izao sy izao sy ny karazany ; fa anaty amertume, anaty fangidiana ny fiainanao. Ary tsy misy olona manana fiainana vanona izany, nefa anaty fangidiana ny fiainany. Ary tsy vitan’ny hoe anaty fangidiana izy, fa rehefa tsy miova izy, dia hiaratsy, hiaratsy hatrany. Izay no anitsian’Andriamanitra ny fiangonana, mba tsy hiaratsiana hatrany.
Ary ianao anaty fangidiana, miaina ao anaty poizina, miharatsy miharatsy ; fa ny tena zava-doza dia ianao tonga poizina manaikitra ny namanao, manaikitra ny ankohonanao, manaikitra ny fianakavianao, manaikitra ny mpiara-manompo aminao. Hpy ny Tompo : Sao dia mbola misy olona mitoetra ao anaty fangidian’afero ato ? Anao sy ny Tompo izany. Fa mialà amin’izany fangidian’afero izany.
Ianao hoy Petera, mitoetra ao anaty fangidian’afero ary mitoetra amin’ny fehin-keloka ianao. Rehefa jerena ny DIEM, dia hoy ny DIEM hoe « voafatotry ny heloka ny fiainanao », voafehin’ny heloka ny fiainanao. Izany ny fiainan’ny olona mpanao ody vita batisa. Ka inona no fiantraikan’izany amin’ny fiainany ? Izay zavatra saininy, izay zavatra eritreretiny, izay zavatra kasainy dia tsy mahakasika afa-tsy ny zavatra materialy. Izay ilay olona ao anaty fehin-keloka.
Ny olona ao anaty fehin-keloka, ny zavatra iraketan’ny fony, sy omeny lanja, dia tsy misy afa-tsy zavatra mikasika ny tany. Tsy misy fisainana ny lanitra izany, tsy mba misy faniriana hiakatra any an-danitra izany. Zavatra vahiny aminy na zavatra katekisma aminy izany lanitra izany.
Ary ny olona izay voafehin’ny heloka, dia toa ny olona paralytique, voafatotra. Na inona na inona ataony, dia tsy afaka hanao zavatra tsara mihitsy izy , tsy afaka handeha amin’ny rariny izy, tsy afaka handeha amin’izany hitsiny izany izy ; fa dia tsy fahamarinana ary kolikoly ny fiainany. Hoy ny Tompo hoe : mieritrereta ihany sao dia izaho na ianao no mbola ao anaty fangidian’afero sy fehin-keloka.
Inona ary no asain’ny Tompo ataontsika rehefa notenenina mazava ohatran’izany ? Hoy Izy : mibebaha ianao, mibebaha ianareo. Ary ny atao hoe fibebahana eto, dia mamela ny Fanahy Masina hiasa ao amintsika :
- Hampiaiky antsika heloka
- Avelao Izy handoro ny fakan’io fahotana izay mety hankamamianao io. Fa rehefa tsy izany no ataonao, rehefa tsy mamela ny Fanahy Masina hiasa hampiaiky heloka anao ianao, handoro ny fakam-pahotana ao aminao, dia fanahin’i Simona mpanao magie no ao aminao. Ary tsy ho mpino crédible mihitsy ianao. Ary tsy ho mpino handova ny lanitra mihitsy ianao.
- Ny fibebahana dia miala amin’ny ratsy fanao : tsy manao ohatran’i Simona eto hoe rehefa tokony hozonin’i Petera izy dia hoe ento am-bavaka aho mba tsy ho tonga amiko izany. Tsia hoy Petera, tsy anjarako ny mivavaka ho anao, satria ianao, ny tahotry ny famaizana no atahoranao fa tsy ny fahatsapanao hoe ratsy. Fa mialà amin’ny ratsy ianao, dia tsy handalo famaizana izany ianao, tsy handalo fitsarana izany ianao.
Ry havana, tia antsika ny Tompo ary manontany antsika Izy eto am-pamaranana eto : MPINO INOANA VE IANAO ?
Manetre tena. Izay zavatra tena ilainao, izay zavatra mahasoa anao, izay zavatra ilainao, ny zavatra mahasoa anao, ilainao sady mahasoa anao ety an-tany ; fa ilainao sady mahasoa anao ho an’ny mandrakizay anao, tsy vidiana vola, tsy hisahiranana, fa fanomezana maimaim-poana.
Enga anie ka ho mpino crédible ianao satria hanetry tena, hahavatra hangataka amin’ny Tompo ny fiasan’ny Fanahy Masina ary hangataka amin’ny Tompo isan’andro isan’andro, eo am-panetren-tena, eo am-pandohaliana hoe : « Tompo o, omeo ahy izay ilaiko, ary omeo ahy izay mahasoa ahy mandrakizay »