2 Timoty 1 :8a : « Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika »
Tenenina isika hoe « Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika », kanefa isika dia menatra ihany. Maninona no mbola menatra ihany ?
Raha tena vonona ny hijoro tsy ho menatra ianao, inona ary ny tsiambaratelon’ny fahasahiana ?Vita izany io fotoana izao dia mivimbina fahasahiana vaovao ianao, fa hihintsana eto daholo ny hakanosana sy ny henatra rehetra, ny fahalemena rehetra ; mitsangana avy eto ianao, feno ny herin’ny tenin’Andriamanitra noraisinao, hijoro amin’ny fahasahiana, mba hiaina ny teny hoe : « Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika ».
Valin-teny 5 tsotra dia tsotra no omena antsika ny amin’ny tsiambaratelon’ny fahasahiana, raha te ho sahy hijoro vavolombelona ianao :
- Ny teny fikasana, tano io
- Ny Fanahy Masina, itokio
- Ny modely tsara, mba irio
- Izay tena hinoanao, safidio
- Ho avy ny andro iray, ka tadidio
Tianao ve ny hijoro ka handresy ny henatra sy ny halemena rehetra, ny hakanosana rehetra amin’ny fijoroana vavolombelona?
- Ny teny fikasana, tano io
Hoy ny 2 Timoty 1 :6 : « Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako ». Eo izany dia mazava ny fanalahidy anankiray omen’ny tenin’Andriamanitra : raha tianao ny hanana fahasahiana amin’ny fijoroana vavolombelona, ny teny fikasana, tano io.
Ny fametrahan-tanana izay ambaran’ny Apostoly Paoly mantsy, tahaka ny fametrahan-tanana tanterahin’ny Fiangonana mandraka ankehitriny, dia tsy fametrahan-tanana fotsiny akory atao eo amin’ny tanana eo ; rehefa vakiana ny teny grika, tanana maro foana io, milaza maro, pluriel hoy ianareo zana-bazaha ; fa ny antsika izao tanana iray satria ny tanana iray mitana Baiboly. Rehefa apetraka ny tanan’ilay mametra-tanana, dia tsy maintsy misy teny ambarany. Hitantsika izany ao anatin’ny Soratra Masina, ary hitantsika izany eo amin’ny fomba iainantsika Fiangonana azy. Ka io no mahatonga ny ohatr’Andriamanitra hoe ny teny fikasana, tano io.
Raha miverina ao amin’ny 2 Timoty 1, ny fametran-tanana izay lazain’i Paoly eto, dia fametran-tanana ametrahana an’i Timoty ho amin’ny andraikitra fitondrany ny Fiangonana, izany hoe fametrahana azy ho amina andraikitra anankiray. Ary izany no tohizantsika Fiangonana, ka mahatonga ny Fjkm manokana, manao fametran-tanana amin’ny sokajin’olona 3 mazava tsara : manao fametran-tanana isika amin’ny olona voafidy ho diakona, manao fametran-tanana isika amin’ny olona atokana ho mpiandry, ary manao fametran-tanana isika amin’ny olona tokanana ho mpitandrina. Apetraka amin’ny andraikitra ilan’ny Fiangonana azy izany olona izany, ary anaovana fametran-tanana.
Mitodika aminao mpitandrina, mitodika aminao mpiandry, mitodika aminao diakona ny tenin’Andriamanitra : tano ny teny fikasana. Tamin’ny nanokanana anao ho mpitandrina, ho mpiandry, ho diakona, nisy teny fikasana nomen’Andriamanitra anao. Azony izany teny fikasana nomena anao izany. Fa tsy afaka ho sahy ianao raha tsy misy tenin’Andriamanitra iorenanao amin’ny fanatanterahana io asa io. Rehefa nomena anao ny teny hoe « mandehana fa homba anao Aho », inona indray no tsy hanananao fahasahiana ?
Antsoin’Andriamanitra isika : ny teny fikasana, tano io.
Isika ihany koa dia mametra-tanana amin’ny olona tokanana ho mpandray ny fanasan’ny Tompo ary zava-dehibe koa izany. Ianao rehefa atokana ho mpandray fanasan’ny Tompo, ametrahan-tanana ianao , misy teny fikasana nomena anao. Antsoin’Andriamanitra isika mba hijoro amin’izany teny fikasana izany, hitana izany teny fikasana izany. Fa maro no tsy naharitra dia nanadino ny teny fikasana nomena azy, nanadino na ny toriteny nanokanana azy fotsiny aza. Ny teny fikasana, tano io.
Rehefa mamaky ity epistily ity isika, ny teny fikasana tena lehibe ao dia eo amin’ny and.9-10 :« Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesoa hatry ny fony fahagola; fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesoa,
Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay ».Tano io ! Ilay filazantsara manambara amintsika mazava fa Jesoa Kristy ilay Tompontsika, Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika dia Andriamanitra velona satria nandresy ny fahafatesana ary mamelona antsika koa, ka manome antsika ny fiainana mandrakizay. Aza menatra : manana an’i Jesoa ianao, ilay Jesoa nandresy hatramin’ny fahafatesana, inona indray no atahoranao ? Ny hery hafa rehetra, na hery inona na hery inona, eto anivon’izao tontolo izao, tsy misy mihoatra an’i Jesoa ilay niteny hoe : « efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ». Izany ny Jesoa anao. Izany no maniraka ahy sy maniraka anao. Maninona ianao no tsy sahy ? Ny teny fikasana, tano io.
- Ny Fanahy Masina, itokio
Hoy ny and.7 : « Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena ».Hoy ny DIEM mandika io andininy io : « Tsy mba fanahy mahatonga ho kanosa no efa nomen'Andriamanitra antsika, fa ilay Fanahiny mahatonga antsika ho feno hery sy be fitiavana ary mahay mifehy tena ».Antsoina isika : ny Fanahy Masina, itokio.
Raha marina ny fanekentsika an’i Jesoa ho Tompo, dia nomena antsika izany Fanahy Masina izany, ary rehefa nomena antsika ny Fanahy Masina, ny Fanahy Masina dia loharano-na hery mahagaga. Ny Asan’ny Apostoly 1 :8 : «Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny
Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany »no nanomezan’i Jesoa fampanantenana ho antsika. Ny Fanahy Masina nomena ahy, ny Fanahy Masina nomena anao, loharanon-kery tsy mamitaka ahafahantsika mijoro vavolombelona.
Raha mamaky ny bokin’ny Apostoly isika, izay no iantsoana ilay boky. Fa ny mpandinika dia miteny fa aza natao tsara ny niantso io boky io hoe « Asan’ny Fanahy Masina ». Rehefa mamaky io boky io isika ka miampita ao amin’ny toko faha 4 and. 31, rehefa nenjehina ny mpianatra, nampidirina am-ponja ny mpianatra, norahonana ny mpianatra, dia novahana avy any am-ponja indray dia nilazana hoe avelanay handeha ianareo fa tandremo mbola mitoritory an’izany Jesoa izany. Niverina tany amin’ny namany izy ireo, ary inona no nataony ? Nivavaka izy ary rehefa nivavaka izy dia nihovitrovitra ny trano izay nitoerany ka dia feno ny Fanahy Masina izy ireo ary nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.
Te hitory ny tenin’Andriamanitra amin’ny fahasahiana ve ianao ? Meteza ho tefen’ny Fanahy Masina, mivavaha. Fa ianao kanosa io, tsy mahajoro vavolombelona : kely vavaka ianao. Fa raha mivavaka marina tahaka ny nataon’ny mpianatra ianao, ho feno ny Fanahy Masina tahaka ny mpianatra ianao, hitory ny tenin’Andriamanitra amin’ny fahasahiana tahaka ny mpianatra ianao. Mino izany ve ianao ?
Ny Fanahy Masina, itokio. Ary ny vavolombelona fa matoky ny Fanahy Masina ny olona iray : mivavaka izy, manana fiainam-bavaka izy, ary tsy mifidy toerana, tsy mifidy sehatra ny vavak’izany.
- Ny modely tsara, mba irio
Hoy ny 2 Timoty 1 :8 : « Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra »,Paoly no modely eto, Paoly izay any am-pigadrana manoratra ho an’i Timoty zanany ara-panahy. Izy no modely tsara eto. Mba irio ny hanaradia azy. Na diabany am-ponja aza izy, ny hery hijoroany na dia hatramin’ny fahafatesana aza, dia modely tsara.
Io fifatoran’i Paoly io dia ambaran’ny Soratra Masina amintsika fa tena loharanon-kery. Hoy ny Filipiana 1 :12-14 : « Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra*mbamin'ny olona hafa rehetra; (* Grika: mpiambina pretoriana rehetra; na: eran'ny pretoria) ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra ».Mpifatotra Paoly noho ny filazantsara, dia nahita azy nijoro ny olona dia niteny hoe izaho koa mba hijoro. Izany no izy : raha ohatra ianao ka kanosa, dia jereo ny olona sahy manodidina anao ; misy izany ary mba irio, araho izany fahasahiany mijoro izany.
Izao koa : mba meteza ho modely alain’ny hafa tahaka. Ary raha tsy afaka ny ho modely aloa ianao izao, mba jereo ny modely dia mba alaivo tahaka. Marina fa tsy azo atao ny hoe hanao copie-coller an’i….aho, fa mijoroa tsara amin’ny maha ianao anao.
Saingy izao kosa : ny fijoroana vavolombelona, azonao alaina tahaka izany. Ny modely tsara, mba irio
- Izay tena hinoanao, safidio
Hoy ny and.12 : «Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatroIzay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay ». Paoly dia miteny manao hoe : « fantatro izay inoako ». Amin’ny DIEM io teny io dia manao hoe : « fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ». Ilay hoe « fantatro izay inoako » dia ohatrany foto-kevitra, teolojia, rafi-pampianarana. Mety ho marina izany. Fa ny tena marina dia ny hoe : « Ilay nametrahako ny fitokiako ». Izany hoe olona no ambara eto, ary mazava : Jesoa Kristy io.
Paoly izany rehefa milaza hoe « fantatro izay inoako », dia milaza hoe «fantatro Jesoa Kristy izay nofidiako ametrahako ny fitokiako sy ny fiainako manontolo. Ary izany no izy : tsy misy olona hanana fahasahiana amin’ny fijoroana vavolombelona raha tsy mazava koa ny safidy nataony hanaiky marina an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy. Raha akanjo isalorana, anaovana ny Alahady, dia ampirimina tsara hiandry ny Alahady manaraka indray ny finoana an’i Jesoa Kristy, raha ravoravo atentina tahaka ny maquillage ka fafan’ny tany rehefa lasa ny fety ny finoana an’i Jesoa Kristy, tsy hanana fahasahiana mihitsy, mihitsy, mihitsy ianao. Ny olona afaka hanana fahasahiana hijoro ho vavolombelon’i Kristy dia ny olona nanao safidy mazava teo amin’ny fiainany, hanaiky marina an’i Jesoa Kristy ho Tompony sy Mpamonjy azy, afaka miteny tahaka ny Apostoly Paoly, raha hiampita kely amin’ny epistily hafa nosoratany, ny Galatiana 2 :20 manao hoe : « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko», sy ny Filipiana 1 :21 manao hoe : «Fa Kristy no anton'ny ahavelomako ». Io Kristy noraisiko ao anatiko io, io Kristy nekeko ho Tompoko io, ato anatiko Izy, na aiza na aiza alehako, na inona na inona ataoko, na iza na iza ihaonako sy arahiko : ato anatiko i Jesoa. Tsy misy fotoana na oviana na oviana ahafahako mieritreritra manao hoe irery aho ity. Ao anatiko Jesoa, ao anatinao Jesoa. Ny fanontaniana tena mampieritreritra indrindra rehefa mahita antsika mameno trano ohatran’izao, ary tsy ny Fjkm irery, inona daholo no ataon’ireo olona ireo ? Mihazakazaka hameno ny dabilion’ny fiangonana izy, fa tsy niomana ho any an-danitra. Tsy maintsy manontany tena isika ry havana malala. Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika. Ka ny dingana voalohany dia omeko azy manontolo, tsy misy fepetra ny fiainako manontolo.
FJKM isika ary isika no Fiangonana tsara anarana indrindra eto Madagasikara. Ka izao : ny anarana tsy enti-paona e ! Fa sao dia Fiangonan’i Jesoa Kristy no ahitana anao kanefa tsy Jesoa Kristy no ivelomanao, tsy Jesoa Kristy no hita eny aminao.
« Fantatro » : tsy fahalalan’ny saina izany fa faharesen-dahatra any amin’ny fo ary manoto ny fanahy ka manova ny fiainana. Hahitan’ny olona hoe i….iny, FJKM iny. FJKM ahoana ? Misy Jesoa ao anatiny. Afaka hiteny an’izany ve ny olona rehefa mahita ahy izy ? Rehefa mahita anao izy ? Raha misy raharaha atao, raha misy asa tanterahina, ka misy manontany hoe apetraka amin’iza ilay raharaha ? Hay i…. ! FJKM iny koa !Mandry ivohan’ny vato fa vitany iny, ary vitany tsara. Ary tsy hitaky na inona na inona aminao izy. Afaka hiteny izany ny amiko sy ny aminao ve ny olona rehetra ? Fa ny anarana tsy enti-paona ry FJKM. Fa anarana maneso ny maha-FJKM antsika raha tsy marina ny fanekentsika an’i Jesoa Kristy ho Tompontsika sy Mpamonjintsika.
- Ho avy ny andro iray, ka tadidio
Hoy ny and.12 : « Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatroIzay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay ». Ho avy ny andro iray ka tadidio.
Amin’ny DIEM, ilay hoe « mandra-pihavin’izay andro izay » dia adika hoe « mandra-pihavin’ny andro fitsarana ».
Mitsangana, mijoroa vavolombelona : ahintsano daholo ny hakanosana sy ny henatra rehetra. Izao no izy : ho avy ny andro iray, hotsaraina ianao.
Tiako izany fitsarana izany satria ny mpitsara akaiky ahy. Hatahotra ilay fitsarana ianao ? Tsy maintsy anatin’io fitsarana io ianao. Lazaina amin’ny teny hafa : faly ianao hanatrika ny fitsarana, tsara ! Tsy faly ianao hanatrika ny fitsarana, tsy maintsy manatrika ny fitsarana ianao. Ny azonao atao izany izao : miomana hiatrika an’izany fitsarana izany. Ary io ilay Jesoa Kristy nahamenatra anao io no hitsara anao amin’izay fotoana izay. Miomana ary !
Hoy nyMarka 8 :38 : « Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina ». Anjarantsika ny misafidy : hijoro aho ka ho sahy, mba afaka hiteny Jesoa amin’izay fotoana izay hoe « fantatro ianao, mandrosoa, midira amin’ny fifaliana ». Sa ve sanatria hiteny Izy hoe « ianao anie hitako tsara mihitsy tary, menatra Ahy ianao ; Izaho koa menatra anao izao, tsy fantatro ianao ».
Pasteur Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi
Président FJKM
Famanarana ny 50 Taona FJKM - 200 Taona nahatongavan'ny LMS - Mahamasina - 21/10/18