« Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo ». Lioka 16 :13
Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.
Raha misy teny grika haintsika Isotry Fitiavana moa izany, dia ilay hoe manompo io. Ilay manompo, manompo ohatran’ny andevo. Izany io, Lioka 16 :13.
Raha lazaina amin’ny teny hafa izany ilay hafatry ny Tompo amintsika amin’izao maraina izao, dia hoe : ANDEVON’IZA IANAO ?
Mahafantatra olona isika izao, tsy miara-mivavaka amintsika eto, dia rehefa tonga ny ratoandro dia manontany antsika hoe inona ilay toriteny tao, dia hoe : ANDEVON’IZA IANAO ? Ary 2 no possible ry havana, araka io Lioka 16 :13 io. Na ianao andevon’ny vola, izay mantsy ilay mamôna : vola sy harena ilay mamôna, fa atao te hitovy lenta amin’Andriamanitra izy, na ampitoviantsika mihitsy amin’Andriamanitra izy ; ANDEVON’NY VOLA VE IANAO SA ANDEVON’ANDRIAMANITRA ? Izay ihany ry havana o. Ary mizara roa pile ity Fiangonana ity anio : ao ny andevon’ny vola, ao ny efa andevon’Andriamanitra. Aiza ianao ? Tsy misy fahatelo, hoe izaho eo an-tenantenany eo. Rehefa hoe miresaka ny fiarahana amin’Andriamanitra, dia na ianao andevon’ny vola, na ianao andevon’Andriamanitra.
Koa miandry anao ny Tompo amin’izao maraina izao, hanapa-kevitra mazava ianao, ary hiteny tahaka an’i Josoa, tsy hoe ianao raim-pianakaviana irery no hanapa-kevitra hoe : « raha izaho sy ny ankohonako, manomboka anio dia hanompo, ho andevon’Andriamanitra ». Izay ilay vaovao mahafaly omen’ny Tompo antsika Fiangonana amin’izao maraina izao ry havana o.
Ilay hoe andevo manko : ny saina dia andevo, ny fieritreretana dia andevo, ny faniriana dia andevo, ny zavatra rehetra atao dia na andevon’ny vola, na andevon’Andriamanitra. Izay no maha-zava-dehibe an’io zavatra io. Ary mampitandrina Jesoa ry havana o, ny amin’ny tsy maintsy hanapahanao hevitra, fa rehefa tsy mazava hoe andevon’Andriamanitra ianao, automatiquement ianao andevon’ny vola. Ary raha andevon’ny vola ianao, malahelo aho miteny aminao fa hoe hanamavo an’Andriamanitr ianao. Raha lazaina amin’ny fiteny amin’izao fotoana izao, hanamavo izany, hoe : hi-sozy an’Andriamanitra ianao ohatran’ireo fariseo ao amin’ny Lioka 16 :14 izay hoe sakaizan’ny vola, ni-sozy an’i Jesoa izy, naneso an’i Jesoa izy momba an’ilay perikopantsika ; rehefa hoe tsy andevon’Andriamanitra ianao fa andevon’ny vola, hi-sozy an’Andriamanitra ianao. Ary ny grave lavitra amin’izany, rehefa hoe andevon’ny vola ianao, ho tia vola ianao, fa hoy Jesoa hoe hankahala, hankahala an’Andriamanitra ianao. Ry havana o, ny fomba fanomenao vola, ny fomba fahafoizanao vola sy harena amin’Andriamanitra no andrefesany sy andrefesan’ny Fiangonana izany fitiavanao an’Andriamanitra izany. Fa rehefa mahihitra ianao, be kajy ianao, dia kajin’ny olona andevon’i mamôna sy mankahala an’Andriamanitra izany.
Andeha ary isika ry havana handinin-tena hoe ahoana izany hoe saina sy fomba fanomezan’ny mpino andevon’i Jesoa na andevon’Andriamanitra izany ?
Fahamarinana 1 : MI-S’ENGAGER IZY, MANAIKY IZY HOE HANANA FAHATOKIANA TANTERAKA AN’ANDRIAMANITRA
Raha raisina eo amin’ny namoahana, ny nanafahana ny zanak’Isiraely avy tany Egypta ny tantaran’ny famonjena ry havana, ny zavatra hita anie, dia hoe nivoaka avy tao Egypta ny zanak’Isiraely, dia tsy avy hatrany dia namantana tany Kanana, tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, tsia ry havana o. Nampandalovin’Andriamanitra taiza izy aloa ? Nampandalovin’Andriamanitra tany amin’ny efitra. Ary tsy nisy hoe avy any Egypta izy dia hoe nampandalovina tany amin’ny tany nahitana hoe fitoeram-bary sy vokatra ka hoe ahazoany misakafo milamina isan’andro. Tsia ry havana o. Fa io Andriamanitra io, io Andriamanitra io no nanome azy mana isan’andro isan’andro, nampianatra azy hahatoky an’izany fanomezana isan’andro isan’andro izany. Tsy miova io Andriamanitra io : ilay Andriamanitra nanome mana isan’andro ny zanak’Isiraely raha nivoaka ny tany Egypta, mbola te hanome anao mana isan’andro. Izany ry havana ô, mino an’izany ve ianao ? Manaiky ve ianao fa hatoky an’io Andriamanitra io ianao ? Izany ny fombany : miahy ny andavan’androm-piainantsika. Nanome mana Izy, nanome papelika isan’andro Izy, ary fantany aho, fantany ianao, hoe satria be dia be ilay latsaka eo, maninona raha mba manao réserve e ? Tsy fahamalinana ve izany, tsy prudence ve izany ? Tsia hoy Andriamanitra, omeko mana ianao ho an’ny anio. Fa ilay olona nianatra hoe nanangona mana ho an’ny ampitso, lo ilay mana, tsy azo hohanina ilay mana ry havana ô. Tsy kisendrasendra izany, ary mahafinaritra ny fitenin’ilay mpitoriteny anankiray izay : izy nivoaka avy any Egypta io, nasian’Andriamanitra hoe andri-afo nony alina. Any amin’ny désert izany, misy 40° ny elanelan’ny hafanana amin’ny atoandro sy amin’ny alina ry havana. Dia asian’Andriamanitra andri-afo amin’ny alina, mariky ny fanatrehan’Andriamanitra, fa indrindra indrindra koa, hoe hanafanan’Andriamanitra ny température ao amin’izany désert mangatsiaka izany. Izany io Andriamanitra miahy ny fiainantsika io ry havana o. Mino an’izany ve ianao e ? nony atoandro, andri-rahona ; rahona. Dia hoy ny mpandinika hoe io rahona io koa, manome fraîcheur, manome fahatsiahana. Izay ilay Andriamanitra, izay ilay Andriamanitra ry havana, inoantsika. Ary io no tenenin’ny epistily ho an’ny Hebreo hoe Izy tsy ahafoy antsika e, tsy hanadino antsika e. Mahatsiaro antsika isan’andro isan’andro, maraina sy hariva Izy ry havana ô. Ary izay problème lalovanao androany 19 Mai, sao dia diso hevitra ianao, fantany io problemanao io, fa ianao no tsy mibanjina Azy, ianao no tsy matoky Azy. Tsy matoky Azy ianao e ! Tsy matoky Azy ianao. Fa izao : izay no fomba fanaon’Andriamanitra ry havana, dia araka ny fitenin’ny mpandinika, rehefa mandinika tsara ny totalité-ny Baiboly izy, dia misy fotoana Izy manao fahagagana manokana : eo izany ilay fitantanany ny fiainana andavan’andro, ilay désert jereo, dia manao fahagagana manokana Izy amin’ny fotoana sasany, ohatra hoe : nampisakafo olona tsy omby dimy arivo Izy ry havana o, tamin’ny mofo roa sy hazandrano dimy. Izany ny fahagagana manokana. Tsy misy zavatra tsy hain’Andriamanitra e, tsy misy zavatra tsy hain’Andriamanitra ry havana o.
Izay ny fahamarinana voalohany, hoe manapa-kevitra ve ianao amin’izao maraina izao fa hoe hatoky tanteraka an’Andriamanitra ? Fa Jesoa Kristy izay maty ary nitsangana tamin’ny maty, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, ary any an-danitra Izy, mibanjina ahy, mibanjina anao. Ary tsy misy zavatra tsy fantany ny fiainanao sy ny fahoriana andalovanao.
Fahamarinana 2 : NY OLONA IZAY MANAPA-KEVITRA KA MISAFIDY HO ANDEVON’ANDRIAMANITRA, REHEFA NANAIKY IZY FA HATOKY AN’ANDRIAMANITRA, FAHAROA, MANAIKY IZY, MI S’ENGAGER IZY, FA HITOMBO AMIN’NY FANOMEZANA, AMIN’NY FAHAFOIZANA HO AN’ANDRIAMANITRA
Tsy fantatro amin’ny antsipiriany isika mianakavy, fa ny zavatra azoko antoka ry havana, dia isika rehetra, na iza na iza, mila mitombo amin’izany fahafoizana vola sy harena ho an’Andriamanitra izany, mba ho hita hoe andevon’Andriamanitra.
Aoka hazava ry havana : tsy ny fahafoizanao vola no idiranao any an-danitra ; fa ny fahafoizanao vola dia famantarana hoe efa voasoratra any an-danitra ny anaranao, ary dia mahafoy ianao ho setrin’ny namonjena anao.
Izay ilay fahamarinana faharoa, hoe : ny olona andevon’Andriamanitra mitombo, mitombo hatramin’ny fara-fofon’aina, amin’ny fahafoizana vola sy harena ho an’Andriamanitra. Asiako kely parenthèse ity : débat mangotraky ny Fiangonana : tokony hanao fahafolon-karena sa tsy tokony hanao fahafolon-karena e ? Diso fametraka fanontaniana ianao ry havana o, raha miteny ianao hoe an’ny Testamenta taloha izany, an’ny sekta izany. Tsy mijery ny efa nianarantsika ao amin’ny Lioka ry havana, dia ilay manao hoe : « Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro », donc faux débat, faux débat io 10% io ry havana o. Fa hoy ny Tompo hoe : raha andevoko ianao, andevoko Izaho Jesoa ianao, fantaro fa ny fanananao rehetra, ny volanao, ny tômôbilinao, ny tranonao rehetra, ny compte en banque-nao, Ahy io, ary tiako ianao, tezaiko amin’izany ianao. Tsy maninona e : anio ianao, afoizo ny 1% ; tsy maninona raha izany no zakanao. Afoizo ny 1% ; fa izao, aza mijanona amin’ny 1% : afoizo ny 2% avy eo, dia afoizo ny 10%. Io zavatra mampimenomenona anao lava io, oay, hay tena izany mihitsy, tena izany kay, tsy manao afa-tsy mamerina amin’i Jesoa izay Azy. Dia gaga ianao, manome 11, manome 12, manome 13, manome 20% etc… Izany anie io ry havana o. Izany ny andevon’Andriamanitra izany : izay azy, an’Andriamanitra ry havana o. Ary izay ilay hoe andevon’Andriamanitra ry havana : mitomba amin’ny fahafoizana vola sy harena. Ary ao anatin’izany fahafoizana izany, faly aho ry havana manararaotra an’ity perikopa ity, fa rehefa miteny ny Tompo hoe mitombo amin’ny fahafoizana, Izy koa anie manome anao ny moyen e, hitomboana amin’izany fahafoizana izany e. Oviana ianao izao no nahazo augmentation de salaire farany ? Sao dia mieritreritra ianao fa ny nanomezan’ny Tompo augmentation de salaire anao dia hoe ahazoanao miliba bebe kokoa sy manome fahafaham-po ny fahafinaretanao bebe kokoa :non, non. Ny nanomezan’Andriamanitra anao augmentation de salaire ry havana dia mba hahazoanao manome, mahafoy bebe kokoa ho an’Andriamanitra. Raha tsy izany ianao mpankahala Azy ; mi-risque ianao hoe mpankahala Azy, mpanamavo Azy, mi-sous estime Azy, nefa mba Pasitera, mpiandry, diakona ry havana o. Dia azo atao ny manontany tena hoe ahoana moa izany ? Hoy John Wesley, anarana fantatsika : izao hoy izy, raha ny amin’ny vola : ataovy izay ahazoana vola be indrindra araka izay azonao atao, vola madio. Mazava izay. Faharoa hoy izy, ataovy izay hanaovana économie be indrindra, aza lanilaniana amin’ny zava-poana ny volanao, aza lanilaniana amin’izay hoe hanomezana fahafaham-po ny filan’ny nofo ny volanao. Aza lanilaniana amin’izao tontolo izao ny volanao, aza lanilanianao amin’ny zavatra fampiderana taim-by amin’ny mpanan-karena hafa ny volanao, mitsitsihy vola araka izay azo atao hoy Wesley. Ataovy izay hananana vola araka izay azo atao an, tsitsiho araka izay azo atao ny volanao, ary mahafoiza, fahatelo, mahafoiza araka izay azonao atao ho an’Andriamanitra. Izany ny olona andevon’Andriamanitra, ary ianao no mahafantatra : andevon’ny vola ve ianao, andevon’i mamôna ve ianao, andevon’i satana ve ianao sa andevon’Andriamanitra ianao ? Tsotra ilay safidy ry havana o, tsotra ilay safidy.
Dia ahoana moa izany manome araka izay azo atao izany ? Resaka quantité ve izany ? Resaka quantité izany, fa resaka toe-tsaina ry havana sy motivation ihany koa.
- Manome ve ianao satria resy lahatra tanteraka, izay no voalohany, fa hoe mpitandrina ianao, manager an’io vola io ianao fa tsy anao io vola io, ka izany no ahazoanao manome Azy, manome be dia be ho an’Andriamanitra ? Hoy ilay tanora anankiray izay : an an an, volako io Pasitera an,ary ny asan’ny tanako sy ny herin’ny sandriko no nihariako an’io vola io. Eny e, ny herin’ny tananao, sy ny sandrinao, sy ny fahaizanao. ; dia hoy ilay Pasitera : fa iza no nanome io sainao io ? Iza no nanome anao tanana anankiroa ? Iza no nanome anao sandry anankiroa ? Tsy anao io vola io fa an’Andriamanitra. Izay ilay fahamarinana voalohany hoe manome tahaka-na manager-na harena fa tsy tompon’ny harena, dia tsy sarotiny mamerina azy any amin’ny tompony ry havana o.
- Faharoa manarakarak’izay, ilay fanomezana tian’ny Tompo, satria Andriamanitra Raintsika ry havana nahafoy izay sarobidy indrindra ho Azy dia ny zanany lahitokana. Nanao sacrifice Izy. Ny fanomezan’ny zanak’Andriamanitra ry havana dia fanomezana manana endrika sacrifice. Raha milliardaire ianao ry havana ka manao rakitra 10.000Fmg, dia anontanianao ny Fiangonanao hoe sacrifice ve izany ; ny iray Fiangonana hiteny anao hoe tsy sacrifice izany. Fa na tsy milliardaire ianao, hoy ny Tompo hoe ho antsika rehetra, ny fanomezana ankasitrahan’Andriamanitra avy amin’ny andevony, dia hoe fanomezana manana endrika sacrifice.
- Ny fahamarinana fahatelo dia izao : isaky ny mamoaka vola avy ao am-paosy ianao, isaky ny hanao sonia chèque ianao, na carte : manontania tena ianao hoe ity ariary laniako ity ve ho fankalazana an’Andriamanitra sa ho fankalazana ny tenako ?
Izay no izy ry havana, izay no tokony handinihantsika tena, hoe mitomboa amin’ny fahafoizana ary aoka ianao hanome sy ahafoy tahaka ny manager an’Andriamanitra. Aoka ianao ahafoy ary hanana endrika sacrifice izany fanomezanao ara-bola izany. Ary aoka tsy hisy ariary lanianao eo amin’ny fiainanao, ka tsy vola fandaniana ho fankalazana an’Andriamanitra ry havana o.
Fa izao : mamôna io, miteny mandrakariva io, ary io mamôna io mety miteny aminao amin’izao fotoana izao : « tafahoatra loatra izany an’i Pasitera izany e, extrémiste loatra izany an’i Pasitera izany e ». Miteny amintsika manokana io isaky ny mba hanapa-kevitra isika hoe hanome bebe kokoa ho an’Andriamanitra ry havana o. Fa izao : safidio izay feo ho henoinao, na feon’i mamôna, na feon’Andriamanitra Rainao, izay miandry anao any an-danitra ry havana o.
Mifona aho ry havana raha hitodika aminareo manokana, aminareo izay manana compte en banque matevina, ny olona manana compte en banque matevina. Misy vitsivitsy ato. Fa ho antsika rehetra ilay teny. Jereo ihany ry havana o, jereo ihany ny compte en banque-nao sao sanatria matevina ohatran’izao, satria, araka ny tenin’i Malakia, misy vola ao izay norobainao tamin’Andriamanitra. Izany : sao dia sanatria misy vola ao norobainao tamin’Andriamanitra. Tsy izaho no miteny anao an’izany, fa izaho, araka ilay vavaka natao teo, mpitondra tenin’Andriamanitra ry havana o. Ary raha misy vola ao norobainao tamin’Andriamanitra hoy Malakia, hitondra ozona, hitondra ozona ho anao io vola io ry havana o, hitondra ozona ho anao io vola io.
Jerentsika ny Marka 4, mbola ho anareo izay manana compte en banque matevina ity, fa ho antsika izay tsy manana compte en banque matevina koa na izany aza ; Marka 4 :18-19 : « Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy ». Matevina ilay compte en banque-nao : sao dia izay ilay toe-tsaina feno fiahiahiana izao fiainana izao ry Fiangonana o ? Compte en banque matevina. Sao dia matevina ilay compte en banque-nao satria izao ilay endriky ny hoe fitaky ny harena ? Sao dia matevina io compte en banque-nao io eritreretanao ny filàna ny zavatra hafa hoy ny Soratra Masina ? Ny totalin’izany, hoy Jesoa ao amin’ny Marka, hoe : an an an, tsisy tenin’Andriamanitra haniry ao amin’ny fiainanao fa hangeja ny tenin’Andriamanitra izay afafy ao aminao izany, hangeja ny tenin’Andriamanitr afafy eo amin’ny fiainanao izany, ary hamono ny fanahinao izany ry havana o, hamono ny fanahinao izany. Mieritrereta e mieritrereta : hamono ny fanahinao izany ; ary automatiquement, rehefa maty ny fanahinao, normal be ianao mankahala an’Andriamanitra e. Ny vatabe anao no mpanompon’Andriamanitra sy ny karazany, fa hoe maty ny fanahinao e. Ary ny tena mampalahelo rehefa mahita olona ry havana hoe velona ohatran’izao, tsy tonga saina izy, ary tsy tonga saina izy hoe izany ve no mba ohatra omeny ny zanany, izany ve no fanao ho lovain’ny zanany : fanahin’olona izay hoe andevon’i mamôna nefa ianao mba ohatran’izao sy ohatran’izao ihany ny fiainanao ry havana, eo amin’ny Fiangonana.
Izay ny fahamarinana faharoa, hoe ny olona andevon’Andriamanitra dia manaiky hitombo amin’ny fahafoizana ; hitombo, hitombo, hitombo hatramin’ny fara-fofon’aina.
Fahamarinana 3 : NY OLONA ANDEVON’ANDRIAMANITRA DIA MANAIKY, MI- S’ENGAGER FA HITOMBO AMIN’NY FIVAVAHANA
Diso hevitra ianao ry havana o, diso hevitra ianao, rehefa mijery ny fiainanao ianao, raha heverinao fa ny vola no ala-olana amin’ny problemanao , amin’izay hoe tsy fisiana sy fahabangana. Rehefa réglé io vola io, dia hipoitra ny problema hafa. Tsy nampianatra mihitsy Jesoa hoe ny vola no solution amin’ny problema, fa ny vavaka ry havana o. « Aza manahy na inona na inona; hoy Paoly Apostoly, fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra ». Izay ilay izy ry havana o. Aza manahy na inona na inona, fa dia hoe mitomboa amin’ny fivavahana, mitomboa amin’ny fihainoana ny teny, mitomboa amin’ny fanokanana fotoana ho Azy e, mitomboa amin’ny fanokanana fotoana ho Azy ry havana o. Ny zavatra misy mantsy dia izao : izay anokananao fotoana, iny no lasa manapaka ny fiainanao. Misy olona ry havana dia hoe, isaky ny minitra, isan’ora, dia tsisy afa-tsy revy, azafady amin’ilay fitenenana, tsisy afa-tsy divertissement, tsisy afa-tsy lalao no ao an-tsainy ao. Andevon’ny lalao izy e. Tsisy mystère izany e, izay ilay izy. Fa raha te hanaeho ianao, ary hitombo amin’ny maha andevon’Andriamanitra anao, mitomboa amin’ny fotoana izay atokanao ho Azy, hivavahana, hiainoana ny teniny ry havana o. Ary tano amin’ny teniny Izy. Fantatrao moa ry havana, fa araka ny tenin’ny mpandinika, misy 215 ny isan’ny andinin-tsoratra Masina milaza manokana momba ny finoana, 215 ; misy 218 ny andinin-tsoratra Masina miresaka momba ny salut na ny famonjena ; fa misy 2.084, 10 fois plus, ny andinin-tsoratra Masina miresaka ny vola sy ny finances. Fantatrao ve izany ? Ianao miteny lava io hoe tsisy afa-tsy resa-bola ato amin’ity Fiangonana ity, Jesosy nanomboka an’io resa-bola io ; ary miresaka vola mihoatra lavitra noho ny helo sy ny lanitra Izy ry havana o. Satria io resa-bola io no ametrahantsika ny finoantsiaka ; ary rehefa io no ipetrahan’ny finoantsika, lasa any amin’ny helo isika fa tsy lasa any an-danitra.
Ry havana o, mitomboa amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra ary mitomboa amin’ny fivavahana. Henoy Izy miteny aminao hoe aza manahy ianareo. Aza miteny hoe inona no hohaniko, inona no hosotroiko, inona no hotafiako, fa ny jentilisa no manao an’izany. Mivavaha ianao e : afaho amiko Jesosy an, izany mentalité-ny jentilisa, sahirana amin’ny zavatra hohaniko sy hotafiako ; afaho amin’izany aho. Henoy Izy miteny aminao isan’andro hoe « Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy ». Tano amin’ny teniny io Rainao any an-danitra io hoe, « izao, henoko ny teninao, fa mihoatra, mihoatra, mihoatra lavitra noho ny voro-manidina aho. Ary Ianao ilay niteny hoe tsy hahafoy, tsy handao, fa miteny hoe aoka ianao hianatra hianina alin’izay anananao, ampio aho Jesosy an, hianina amin’izay ananako. Ampio amin’izany aho, ampio. Ampio aho ahafoy ho an’ny fanjakanao, tsyaraky ny fampianaran-dison’ny théologie de la prospérité ho valianao avo zato heny izany ; raha hamaly an’iny fanomezako avo zato heny iny, aza izaho no valiana avo zato heny, fa ny fanjakanao, ho an’ny fanjakanao no valio avo zato heny ny fanomezako ho an’ny fanjakanao ». Tano amin’ny teniny Izy ry havana o, tano amin’ny teniny Izy. Ary dia enga anie, enga anie ry havana o, ho maro no hitombo amin’izany hoe fanokanan-tena ho an’ny Tompony izany, dia ilay Ray tena tia azy any an-danitra. Ary Izy hitahy an’izao teny izao ka hamindra ny maro amintsika avy any amin’izany hoe fanandevozan’ny devoly izany, ho in’izany fanandevozan’Andriamanitra, ny fanjakany izany.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena