« Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra ». Matio 5 :16
« Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay ». 1 Tesaloniana 2 :4
Mijoro vavolombelona ny Apostoly Paoly ; raha ny aminy : mila sitraka amin’Andriamanitra izy. Izay no fombany. Raha lazaina amin’ny teny hafa izany : Paoly Apostoly dia azo kilasiana hoe mpila sitraka amin’Andriamanitra.
RESAKA MPILA SITRAKA
Amintsika izany hoe mpila sitraka izany, raha kilasiana hoe : « iny mpila sitraka », somary ratsiratsy, hafahafa izany, hoe : « iny mpaka 19 amin’i Pasitera e », hafahafa izany. Fa METEZA IANAO HO MPILA SITRAKA AMIN’ANDRIAMANITRA. Na iza na iza ianao, meteza, meteza ry havana o, ho mpila sitraka amin’Andriamanitra. Izany no hafatra ho antsika fiangonana amin’izao maraina izao : Fiangonana, mpino mpila sitraka amin’Andriamanitra.
Andao hiverina any amin’i Matio. Ny Matio 5 hatramin’ny Matio 7 dia efa fantatsika hoe ilay toriteny nanombohan’i Jesoa ny asa nanirahan’Andriamanitra Azy tety an-tany. Ary dia, isika moa rehefa manana filoham-pirenena vaovao, hatraiza hatraiza, dia rehefa apetraka izy amin’ny maha-filoha azy, dia manao kabary voalohany izy ; ity no kabary voalohany nataon’i Jesoa ry havana ô. Ary rehefa jerena ilay and.3, ny teniny voalohany amin’izany kabary izany dia hoe : « Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra » : tonga Aho ety an-tany hiresaka aminareo momba ny fanjakan’ny lanitra, izany no nanirahana Ahy. Misy fanjakana iray any, izay tsy eto an-tany, fa any an-danitra ; any amin’ny toerana anankiray antsoina hoe lanitra. Ary ao amin’ilay perikopantsika, eo amin’ny and. 16, ilay ligne farany indrindra hoe : « ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra ». Misy Mpanjaka any amin’io fanjakana io, ary io Mpanjaka any amin’ny fanjakan’ny lanitra io, manaiky antsoiko, manaiky antsoinao hoe Dada, Ray. Ka izao ry havana, ny olona mpila sitraka amin’io Andriamanitra io, dia satria efa natsangana ho zanaka ary isaina ho mpandova an’izany fanjakana any an-danitra izany, ka ny antom-pisiany, ny zavatra ataony ety an-tany, dia mpila sitraka amin’ny Rainy, ho setrin’izany fitiavana izany. Tsy ho empila sitraka amin’ny Raiko aho satria te hiditra any, non ; efa voasoratra any ny anarako, dia midera Azy aho, mankalaza Azy aho ; n’inon’inona eritreritro, n’inon’inona kasaiko, n’inon’inona tanterahiko ao amin’ny vie privée-ko, ao amin’ny vie am-piangonana, eo amin’ny fiaraha-monina, dia tena hoe ilako sitraka amin’izany Raiko any an-danitra. Ary maninona aho no mila sitraka Aminy ? Efa nosoratany ao amin’ny bokin’ny fiainana any an-danitra ny anarako, ary manantena aho fa sy ho kosehiny mandrakizay izany anarako izany, ka te ho mpila sitraka aho. Meteza ry havana o, meteza, meteza ho mpila sitraka amin’Andriamanitra. Tsy manontany anao ny Tompo amin’izao maraina izao hoe inona no andraikitrao ato amin’ity Isotry Fitiavana ity ? Tsy manontany anao ny Tompo ho avy aiza ny Fiangonanao, inona ny andraikitrao any sy ny karazany ? Manontany anao ny Tompo amin’izao maraina izao hoe: mpila sitraka amin’Andriamanitra ve ianao sa tsia?
Andeha ary jerentsika ny toetran’izany olona ho empila sitraka amin’Andriamanitra izany. « Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo »
Fahamarinana 1 : NY OLONA MPILA SITRAKA AMIN’ANDRIAMANITRA DIA OLONA MAZAVA : MAZAVA TOE-PO, MAZAVA TOE-PANAHY
Izany olona mpila sitraka amin’Andriamanitra izany, voalohany dia voalohany indrindra, olona mazava. Raha amin’ny fifampiresahantsika amin’ny fiainana andavan’andro, raha hoe sendra miresaka olona, dia indraindray tonga ao am-bavantsika ilay fitenenana hoe : « ohatrany tsy mazava ihany ra-anona iny an ! », izay ilay izy : « ohatrany tsy mazava ihany ilay resaka nentiny teo an ». Ny olona mpila sitraka amin’Andriamanitra ry havana o, dia mazava. Izay no fahamarinana voalohany.
Olona mazava ; izao anefa : tsy misy olona mazava ho azy, tsy misy olona mazava amin’ny tenany ; fa ny fahazavana raisiko dia ny fahazavan’i Jesoa Kristy ry havana o. Izany ilay hoe zandrikelin’i Jesoa, satria araka ilay hira teo, hoe hazavainy izao tontolo izao. Rehefa mba mamaky boky ireny dia mandinika hoe hay moa io volana io, dia lazain’ny mpahay azy hoe, io, tsy mazava amin’ny tenany ; tsy misy fahazavana ilay volana. Fa iza no manazava azy ? Ny masoandro. Tahaka ny volana isika amin’izay lafiny izay : rehefa tsy tarafin’i Jesoa, Ilay masoandron’ny fahamarinana : anaty aizina ianao. Raha tarafin’i Bouddah ianao, raha tarafin’i Mahomet ianao, raha tarafin’i Allah ianao : anatin’ny aizina ianao ry havana ô ; désolé miteny an’izany. Ny zandrikelin’i Jesoa, ny mpila sitraka amin’Andriamanitra dia olona mazava, satria tarafin’Ilay mazava. Iza moai o fahazavana io ? Jesoa io fahazavana io, nohiraintsika teo izany. Izao anefa ry havana : misy olona,mpivavaka izy ; misy olona, mpiangona izy ; misy olona, diakona firy mandat izy nefa tsy azavain’i Jesoa. Tsy mampino izany : tsy azavain’i Jesoa. Satria maninona ? Satria tsy nandray marina an’i Jesoa izy tao amin’ny fiainany dia tsy nandray ny fahazavana. Omena ohatra isika mianakavy : hitantsika daholo ny ataon’ireny hoe avion ireny ; indraindray isika ety dia mahatazana hoe iny misy avion, iny izao avion mankany an’anona. Rehefa mba manatitra olona eny Ivato isika dia mahita hoe oay iry avion an’ny Air Mad, iry avion-ny Ethiopian Airlines sy ny karazany. Hitantsika ilay avion dia fantatsika fa ireo avion ireo misy mankany Chine, misy mankany Canada, any France sy ny karazany. Fantatsika tsara izany ary fantatsika tsara fa ireo avion ireo, ny sasany tsy direct fa ny sasany mbola manao escale ary sy ny karazany. Fantatsika izany ; fantatsika koa hoe ny anona lafo kokoa, ny anona azo antoka kokoa ; fa izao ry havana o : raha tsy miditra ao anaty avion ianao, jamais ianao ho tonga any Canada, na any Chine, na any Afrique du Sud. Ary maro ny olona mino an’i Jesoa, fa tsy nandray an’i Jesoa ao amin’ny fiainany e ! Manana place réservée izy aty am-piangonana, ato sy any an-kafa, fa tsy nandray an’i Jesoa izy. Hany dia ao anatin’ny aizina izy ry havana o, anatin’ny aizina. Manontany anao ny Tompo ankehitriny : EFA NANDRAY MARINA AN’I JESOA VE IANAO ? KA NANDRAY NY FAHAZAVANA E ? Sa mahafantatra Azy fotsiny ianao, hainao ny tantarany, hainao ny zavatra natao tao amin’ny fiainany, fa ato an-tsainao fotsiny izany, katekisma ato an-tsainao fotsiny izany, fa mbola tsy nanolotra Azy ny fiainanao, mbola tsy nanolotra Azy ny fonao io : « inty ary Jesoa ny fiainako, atolotro Anao, hanjakao, fehezo ary controlé-o, ka na inona na inona tendrenao ho ahy, na aiza na aiza lalana hitarihinao ahy, dia ekeko satria ianao Mpanjakan’ny mpanjaka, Ianao Tompon’ny tompo » ? Rehefa izay dia mazava aho ry havana o, mandray an’i Jesoa aho, mandray ny famirapiratany aho, ilay fitiavana mamirapiratra teo Aminy, manjary mamirapiratra amiko, ilay fahadiovam-po tao Aminy sy ilay fahadiovam-piainana tao Aminy, namirapiratra tao Aminy, mamirapiratra ato amiko. Ilay toe-po sy toe-tsaina tena manompo amin’ny fitiavana, izay namirapiratra tao Aminy, manjary mamirapiratra eo amin’ny fiainako. Ary dia mandeha aho, ary tsy tena fotsiny izany, mandeha tahaka ny zanaky ny mazava aho. Ary tena faly aho satria amin’izay fotoana izay, ankasitrahan’ilay Raiko any an-danitra ny fiainako. Meteza e, ho mpila sitraka amin’Andriamanitra, meteza e, ho zanaky ny mazava.
Raha hiverenana ny and.16, dia hoy ny Tompo hoe : « Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo », hitantsika izay. Faharoa, « mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra ». « Ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra ». Ny fahamarinana voalohany dia hoe, mazava aho amin’ny alalan’ny toetrako.
Fahamarinana 2 : NY OLONA MPILA SITRAKA AMIN’ANDRIAMANITRA DIA MPANAO ASA SOA
Ary tsy misy zandrikelin’i Jesoa, ka tsy manao asa soa ; ary tsy misy zandrikelin’i Jesoa, manao asa soa, ka manao an’izany ho ambin’-javatra. Inona no anton’ilay asa soa ry havana o ? Ery amin’ilay tapany farany amin’ilay and. 16 ; hoe : « mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra ». Tsy ilay teny fotsiny, fa ilay asa ataoko, mampiseho hoe mazava aho ; ary ny asa ataoko no ankalazan’ny olona mahita ahy ny Raiko izay any an-danitra ry havana o. Ny asa soa ataoko, ny teny soa ataoko, ary ilain’ izao tontolo izao ny mihaino ahy, ilain’izao tontolo izao ny mandinika ahy, ahitany hoe : velona Andriamanitra, fitiavana Andriamanitra, miahy antsika avy any an-danitra Andriamanitra, mitsinjo fahamarinana eto amin’ity firenena ity Andriamanitra, miahy ny mahantra anaty fahasahiranana Andriamanitra, rehefa mahita ny asa soa ataoko. Aza mamihina soa intsony ry havana o ; manomboka anio : aza mamihina soa azonao atao intsony manomboka anio.
Samy manao asa soa isika ry havana, fa ahoana moa no ahafantarako hoe tena asa soa ankalazana an’Andriamanitra izany ataoko izany ? Ahoana no ahafantarana marina fa hoe asa soa ankalazana an’Andriamanitra izany ataoko izany ?
- Voalohany indrindra ry havana, asa ataon’ny olona manam-pinoana, araka ilay notenenina teo hoe mino izy fa misy izany lanitra izany, ary efa miandry azy any ny Rainy, efa dodona ny Rainy miandry ny fiverenany ; izay ilay finoana. Ny olona manana an’izany finoana izany, rehefa manao asa izy, raha manolotra ranom mangatsiaka amin’ny mahantra aza izy, nanao asa lehibe ankasitrahana any an-danitra ry havana o, satria asa nateraky ny finoana.
- Ny asa soa koa, kilasiana hoe soa eo anatrahen’Andriamanitra, satria toy ny asa atao ho an’Andriamanitra ary anehoana ny fitiavana Azy. Raha atolotro ho dorana aza ny tenako, raha omeko ny mahantra aza ny fananako rehetra, nefa tsy tia an’Andriamanitra aho, zava-poana izany. Ahazo voninahitra ianao ; indrindra ianao ilay mila télé ianao vao manolotra gonim-bary kely iny, faly ianao, faly ianao hahazo voninahitra eo amin’ny fiaraha-monina, fa tsy ankasitrahana any an-danitra izany., tsy ankasitrahana any an-danitra, tsy fomban’ny mpila sitraka amin’Andriamanitra izany. Raha ohatra ianao manam-pinoana, ka hitanao ilay rahalahy, ilay anabavy eo anoloanao hoe ity nampifanenan’Andriamanitra tamiko fa solon-tenany anaty fahoriana mila ahy, manome aho. Na ohatrinona na ohatrinona foiko ho azy, dia asa soa izay, asa soa manana valeur éternelle, ary tsarovana izay any an-danitra.
- Ary farany, ny ahafantarana hoe asa soa, dia araka ilay teny teo, hoe : ho fankalazana an’Andriamanitra, ho voninahitr’Andriamanitra. Izay ilay antsika protestante hoe Soli Deo Gloria : ho voninahitr’Andriamanitra irery. Anisan’ny ahafantaranao hoe voninahitr’Andriamanitra no anaovanao io asa io, ny ahafantarana azy ry havana, rehefa tonga ny Président, rehefa tonga ny Pasitera misaotra ny olona rehetra nandray anjara, misaotra ny olona rehetra nanohana ny asa ara-bola, ka sendra latsaka ny anaranao, manao ahoana ny réaction-nao ? Ianao ve ilay tafintohina ? Iana ove ilay tezitra ? Iana ove ilay hiova Fiangonana ? Tsy izany ny fomban’ny olona hoe manao zavatra ho voninahitr’Andriamanitra. N’inon’inona eritreritry ny olona, n’inon’inona fahatsiarovan’ny olona, n’inon’inona fahatsapan’ny olona izay nataoko teo, tsy rototra aho, tsy tezitra aho, tsy miontsona aho satria fantatro ny nataoko, ary fantatro mazava hoe ho an’Andriamanitra ry havana o.
Izay izany : ataon’ny olona manam-pinoana, ataon’ny olona tia an’Andriamanitra, ary ho voninahitr’Andriamanitra.
Ity ry havana misy hevitra tokony amafisina kely, hoe : ho hitan’ny olona ny asa soa izay ataonareo. Izany hoe ilay asa izany, misy fotoana tokony ho hita. Dia avadio anie ny Baibolinareo e, ato amin’ity toriteny eny an-tendrombohitra ity, haintsika tsara ilay izy, Matio 6 :3 : « Fa hianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon’ ny tananao ankavanana ». Izay ilay izy. Dia ahoana ary e, mifanipaka ve ny tenin’Andriamanitra, inona koa izany logique-n’i Jesoa izany e ? Eto izy miteny hoe mba ho hitan’ny olona ny asa soa ataonao ; etsy indray Izy miteny hoe rehefa manao fiantrana ianao, aoka izay ataon’ny tananao ankavanana tsy ho fantatry ny tananao ankavia. Ahoana ihany izy ity e ? Ry havana, rehefa ataonao amin’ny finoana io, rehefa ataonao amin’ny fitiavana io, rehefa ataonao ho voninahitr’Andriamanitra io, fantatrao ny fotoana izay tokony hitenenana sy ampahafantarina an’izay nataonao, ary fantatrao ny fotoana izay ahatsapanao hoe ahy sy Andriamanitra izany. Miala tsiny milaza tena ry havana. 2010 tamin’izany, dia niantso anay Pasteur Emilien dia hoy izy hoe Solofo an, any amin’ny Toby Kristy voahombo, misy tovolahy kely roalahy nandray an’i Jesoa tamin’ny fotoanan’ny Tafika Masina, noroahin’ny ray aman-dreniny tao an-trano izy ary nantsoiny teo anatrehan’ny fivoriam-pokontany izy, nasainy nisafidy teo imason’ny fokontany hoe raha mbola mijanona miaraka amin’i Jesosy ianareo, dia roahinay eto amin’ity tanànà ety, tsy ao an-trano ihany, fa eto an-tanànà mihitsy ; raha mandà an’i Jesoa ianareo, dia mijanona ho zanakay ary dia mbola mitoetra ao an-tranonay. Noroahin’ireo ray aman-dreny, fa nijoro hatramin’ny farany, roalahy izy. Dia hoy Pasteur Emilien tamin’izany hoe sao dia misy zavatra azon’ise atao ? Dia nifandinika izahay mivady an, dia hoe no entohinay hatramin’ny Baccalauréat izy mirahalahy. Tsy nisy nahafantatra, olom-bitsy nonahafantatra an’izany tato Isotry Fitiavana, fa asa soa na adidinay teo anatrehan’ny Tompo, fa notazominay karazana secret miaraka amin’olom-bitsy izany. Maintenant, ato Isotry Fitiavana isika, manao fahafolon-karena : important ho anay izay mampianatra fahafolon-karena, Pasteur Ammi no niteny hoe fantatry ny olona fa manao fahafolon-karena izahay ; tsy fantatry ny olona izay montant, fa fantatry ny olona fa manao izahay. Izay ry havana o, ilay lazain’ny Tompo hoe misy fotoana ianao ianao no mahafantatra azy hoe tarihin’ny Fanahy Masina ianao, fantatrao hoe eto tokony ampahafantarina, eto zavatra tsiambaratelo miaraka amin’ny Tompo izany ; fa ny essentiel dia hoe : ny olona mazava, tsy mazava toetra ihany, mazava ara-panahy ihany, fa mazava koa amin’ny alalan’ny fanaovana asa soa.
Miverina any amin’ny 1 Tesaloniana 2 isika. Hoy ilay and.4 : « Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay ».
Ny fahamarinana voalohany hitantsika teo, dia hoe : Ny olona mpila sitraka amin’Andriamanitra dia mazava ara-toetra : toe-po, toe-panahy. Faharoa, ny olona mpila sitraka amin’Andriamanitra dia mpanao asa soa. Ary eo ianao afaka manontany tena, afaka mandinika : jereo kely io talon-na chéquier-nao io, dia jereo hoe firy marina moa izany ny asa soa nataoko ho an’Andriamanitra ary firy marina ny vola laniko ho an’ny fahafinaretako, sy ho an’ny tenako ? Fahatelo, 1 Tes2 :4 : Aza mila sitraka amin’ny olona
Fahamarinana 3 : AZA MILA SITRAKA AMIN’NY OLONA
Ohatrany normal be izany, dia nefa manafatra antsika ihany ny Tompo satria hoe ohatrany toetrantsika naturel ny hoe mila sitraka amin’ny olona ry havana. Mahafinaritra ny fitenin’ilay mpitoriteny anankiray izay : « aza mila sitraka amin’ny olona ianao e ; de toute façon, tsy possible izany, tsy possible ny hahazo sitraka amin’ny olona rehetra. Exemple tsara indrindra i Jesoa Kristy. Aza mila sitraka ny amin’olona anankiray akory ary, tsy possible izany ; anio 2019 izy tena ankasitraka anao, faran’ny taon aizy mety hanangana anao ho fahavalo ; dia amin’ny roa taona, ianao indray no ataony andrianiny sy ohatran’izany ». Izay ilay zavatra : impossible ny mila sitraka amin’ny olona ry havana o, impossible. Ary izany no itenenan’ny Soratra Masina hoe aza mila sitraka amin’ny olona fa aleo mila sitraka amin’Andriamanitra ; fa mora kokoa ny mila sitraka amin’Andriamanitra.
Misy misionera anankiray izay, misionera katolika ilay izy, nalefan »ilay congrégation-ny tany Chine tany ; dia tany Chine tany ingaha rainy an, aman-taonany, tsisy vokatra, tsisy vokatra, tsisy vokatra. Mandeha ny taona, tsisy vokatra ; évangélisation io nataony io izany an ; dia nanalan’ilay sinoa izy : izaho hoy ity sinoa ity, vao avy tany Afrika, ary any Afrika any, misy olona an-tapitrisany mbola hoe mandohalika sy miankohoka eo anatrehan’ny sampy hazo sy vato ; tsy aleonao ve mankany Afrika dia mahazo vokatra be dia be ianao e, inona no ataonao aty ? Dia hoy ilay misionera ry havana : ny nankanesako aty Chine, tsy hoe hi-convertir sinoa hoy izy aloa, ny nankanesako aty Chine, dia hoe ankalazana ny Tompoko aloa, izay naniraka ahy tamin’ny alalan’ny congrégation-ko hoe ianao, ianao mankany Chine. Izany ry havana o, ny hoe olona mila sitraka amin’Andriamanitra, fa tsy mila sitraka amin’ny olona mpiara-miasa, mpiara-belona aminy ; tsy mila sitraka amin’ny tenany koa, hoe an an an, marina ihany izany analyse izany an, andeha hody aho dia andeha ho any Afrika indray. Mianara ry havana o, mianara mila sitraka ; ary io moa fakam-panahy be ho anay Pasitera, satria ianareo no mameno ny vilaninay amin’ny faran’ny volana dia miezaka mila sitraka aminareo izahay : erreur fondamentale. Izay ilay zavatra. Fa hoe : andao hiara-hianatra hila sitraka amin’Andriamanitra.
Ary fa maninona no hoe andao hianatra hila sitraka amin’Andriamanitra ? Satria sady possible ny mila sitraka amin’Andriamanitra, no azo atao ny mila sitraka amin’Andriamanitra, satria atorony antsika ny lalana amin’izany hoe fahazoana sitraka amin’Andriamanitra izany. Efa natoro antsika teo, tamin’ny toriteny androany, ohatra. Izay no hoe maha mora ilay filana sitraka amin’Andriamanitra : atorony antsika ny lalana, fa ny problema fotsiny : resy lahatra, resy lahatra amin’izany ve ianao ry havana o ? Resy lahatra amin’izany ve ianao ? Ka rehefa hoe mikasa zavatra ianao, rehefa hoe hanao zavatra ianao, dia ao an-tsainao, efa lasin-tsaina mihitsy, efa reflexe ao hoe izany projet-ko izany ve nahazo approbation avy amin’Andriamanitra e ? Izay ilay izy ry havana : nahazo approbation avy amin’Andriamanitra ve ? Mety tsara eo imasonao, mety tsara eo imason’ny ekipanao : nahazo appropation avy amin’Andriamanitra ve io e ? Izany ny olona mila sitraka avy amin’Andriamanitra. Efa noresahina teo ilay izy : hamoaka vola ianao, eo amin’ny vie privée anao, eo amin’ny vie familiale-nao : io dépense i ove ry havana o, efa no approuvé-n’Andriamanitra ? Efa no approuvé-n’Andriamanitra ve io ? Sa ianao ilay olona miteny hoe tsy misy idiran’Andriamanitra ny poketrako Pasitera an ! Tsy tenin’ny mpila sitraka amin’Andriamanitra izany.
Fa ity, araraotiko ilay perikopa, alohan’ny hamaranana ry havana, ary mahatsiaro amin’ilay 5minitra teo aho : misy an’ilay hoe filana sitraka amin’ny hafa dia mahatonga an’ilay efa notenenina teto hoe : « solidarité négative ». Inona ity ? Raha ohatra izao misy olona hoe henontsika na hitantsika hoe endahina mpanendaka, dia ahoana ny réaction antsika ? Hiteny ve isika hoe rariny izany ? Tsy rariny izany. Raha manana fahasahiana isika, raha eo ambanin’ny masontsika ilay fanendahana no mitranga, mety hiezaka hanampy an’ilay olona endahina isika, na hanampy azy hiaro tena amin’ilay mpanendaka, raha manana fahasahiana. Normal be izany. Ary izay ilay solidarité izay. Fa inona ilay « solidarité négative » ry havana ? Indray mandeha tetsy Ambatonakanga tetsy, mpampianatra tao no nitantara an’izany, nisy vazaha anankiray, touriste ireny, nendahina mpanendaka, mpanendaka gasy évidemment. Dia inona ny zavatra nitranga ? Somary lehibe be ilay vazaha, dia nanomboka niaro tena izy, dia non seulement tsy azon’ilay mpanendaka ilay kitapo keliny, fa nony hoe tsy voaendaka izy, dia hoe nodarohiny amin’izay ilay mpanendaka. Dia inona no nataon’ireo olona nanodidina teo ? Nanomboka niaro an’ilay mpanendaka izy. Fa maninona izy no niaro an’ilay mpanendaka ? Satria gasy ohatr’azy. Tsy niaro ny fahamarinana izy, fa niaro ny maha-malagasy. Izay ilay « solidarité négative ». Ary tsy fomban’ny olona mpila sitraka amin’Andriamanitra izany ry havana o. Ary eo isika mandinin-tena : any amin’ny fikambanana misy antsika, amin’ny sampana misy antsika, any amin’izay ankolafy misy antsika, tena ho empila sitraka amin’Andriamanitra ve isika, ka isika manomboka anio tsy ho tratran’izany hoe « solidarité négative » izany intsony satria tsy mankalaza ny voninahitry ny Raintsika any an-danitra izany ?
Faranana izao teny izao ry havana o : METEZA E, HO MPILA SITRAKA AMIN’ANDRIAMANITRA - METEZA HO MPILA SITRAKA AMIN’ANDRIAMANITRA DIA HAZAVA IANAO, hazava amin’ny fahazavan’ny Rainao ianao ry havana o. ary rehefa hiteny zavatra ianao, hanao zavatra ianao, ho talanjona ny manodidina anao, tsy talanjona aminao, fa talanjona amin’ny teninao : « O, izany ny tenin’ny mpila sitraka amin’Andriamanitra ». Hanao zavatra tsara ianao, tsy talanjona aminao izy, tsy ianao no omeny voninahitra, fa ilay asa soa ankalazana ny Rainao izy any an-danitra. Ary ahita izy hoe ao amin’ity ranamana ity tokoa ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao aminy, ka tonga amin’ny tenin’ny Apostoly Paoly hoe : ny fahasoavan’Andriamanitra no nahantoy izao azy, mampiteny azy tahak’izao, mampanao azy zavatra tahak’izao. Enga anie ka ho izany ianao ry havana o, ho fanehoana an’ilay fahazavana, ho fanehoana an’i Jesoa, ho fanehoana ny Rainao, ary ianao, ianao manokana dia ho takona ; ary io fahazavana io, raha dinihina tsara ny Matio 5 dia hoe fahazavana manomboka ao amin’ny ankohonana, fahazavana manomboka ao amin’ny ankohonana. Ry dada o, ry neny o, aoka ianao hazava eo anatrehan’ny zanakao ; aza variana amin’ny zavatra hafa, variana hazava any ivelany nefa sanatria an’izany, aizina ho an’ny zanakao. Aoka ianao hazava ao amin’ny ankohonanao, ary araka ilay fitenintsika ato Isotry Fitiavana, hoe : Parents, soyez des parents transmetteurs de la foi, mpampita finoana ; tsy mpampita anarana fotsiny, sy mpampita harena fotsiny, mpampita finoana e, tahaka ny mpila sitraka amin’Andriamanitra. Ary tezao io zanakareo ireo, ary ataovy masaka ao an-tsaina, hoe isika dia zanak’ilay Raintsika any an-danitra, ary ny anarantsika ireto, voasoratra amin’ny bokim-piankohonana iray ety an-tany, dia efa voasoratra koa any amin’ny bokim-piankohonan’ny Raintsika izay any an-danitra.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena