ALAHADY 17 FEB 2019

image_pdfPDF

1 Tantara 16:27a: « Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany ».

RESAKA FAMIRAPIRATANA
Izay no hafatra ho antsika anio maraina : RESAKA FAMIRAPIRATANA. Rehefa hitantara ianao ratoandro hoe inona ny toriteny tao Isotry Fitiavana dia lazao hoe RESAKA FAMIRAPIRATANA – RESAKA MPINO MAMIRAPIRATRA – RESAKA FIANGONANA MAMIRAPIRATRA – RESAKA FIRENENA MAMIRAPIRATRA. Izany no programan’Andriamanitra ho antsika ry havana o. Ary raha mety ianao, atorony anao ny lalana ho amin’izany, dia hamirapiratra ianao. Hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ianao, eny e ; fa hamirapiratra ary be voninahitra eo anatrehan’Andriamanitra Rainao ianao. RESAKA FAMIRAPIRATANA.

Fahamarinana 1 : NY OLONA TE HAMIRAPIRATRA, NY OLONA TE HO BE VONINAHITRA DIA MANKEO ANATREHAN’I JEHOVAH.
Fa nahoana ? Fa maninona Jehovah io ? Fa iza io Jehovah io ? Hoy ilay and. 25 hoe : « Fa lehibe Jehovah ». Inona moa no dikan’izany hoe lehibe izany Jehovah ry havana o ? Hahamora an’ilay fanazavana, ary hahatakarana an’ilay hoe lehibe Jehovah kanlehibe ny asany, raisintsika izany hoe lehibe izany Jehovah satria lehibe ny anarany. Izany ny fahalebiazan’i Jehovah : lehibe ny anarany.
Andeha ary isika hijery izany fahalebiazan’ny anaran’i Jehovah izany, satria izay manatona azy lehibe koa, ary be famirapiratana.
- Ny anarana singanina voalohany eto ry havana dia ao amin’ny Eksodosy 17:15 : « Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi ». Miresaka amina Fiangonana te hamirapiratra aho izao, dia ny zavatra ampatsiahivina antsika voalohany momba ny anaran’i Jehovah dia hoe : JEHOVAH NISI. Ery ambany ery dia hoe FANEVAKO. Fanevanao ve Jehovah ? Izany ve no ahafantarana anao ? Sa rehefa mifampijery isika ato am-piangonana ato dia hoe : ireny ny 13 e, ireny ny 25 e. An, an, an : Jehovah Nisi. Raha te hamiratra ianao, aza matoky ny 13, aza matoky ny 25, fa Jehovah Nisi : Jehovah no fanevako. Ary enga anie ka ho fanevan’ity firenena ity Jehovah Nisi ry havana, dia hamiratra ity firenena ity.
- Dia rehefa ataoko hoe Jehovah Nisi, Jehovah no fanevako, asandratro, inona ny zavatra ataony ry havana ? Jeremia 23:6 : « Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika ». JEHOVAH FAHAMARINANTSIKA. Izaho ry havana Pasitera, fantatry ny Tompo tsara ny tsy maha-marina ahy, fa ny ahazoako mijoro eto, satria Jehovah no fahamarinako. Ary izany no ilaintsika, olona marina ; tsy misy olona marina voajanahary fa hoe hamarinin’ny Tompo. Lehibe izany anarany izany. Afaka manamarina ny tsy marina indrindra Izy ry havana.
- Manarak’izay, rehefa hoe manamarina Izy, dia ao amin’ny Levitikosy 20:8 : « Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasina anareo ». JEHOVAH MANAMASINA. Izany ilay fahalebiazan’Andriamanitra, ary raha tsy mankeo Aminy ianao, tsy hohamarininy izany ianao ry havana o. Raha tsy manao Azy ho Nisi ianao, an an an, eo ianao. Ianao, araka ilay louange teo, nandray an’i Jesoa ao am-ponao, izay nge ny dingana voalohany e, fa eo Izy dia manomboka an’ilay asa tokony ataony, ilay asa nahatongavany : manamasina, manamasina, manamasina, manamasina, manamasina anao hatramin’ny fara-fofon’ainao. Dia rehefa tonga ny fara-fofon’aina ka tanteraka ilay fanamasinana, mandova an’ilay tanànà masina ianao. Fa raha tsy mankeo Aminy ianao e, raha tsy mankeo anatrehany ianao, tsy hamiratra ianao, ary tsy hohamasinina ianao ry havana o. Tapaho ny hevitra : aza mihaino toriteny fotsiny, miovà ianao.
- Ka rehefa hoe Jehovah Nisi, Jehovah no fahamarinako ; rehefa hoe Jehovah no manasina ahy, tsy tapitra eo ny fahalebiazan’ny anarany, tsy tapitra eo ny fahalebiazan’ny asany ry havana o : Genesisy 22:14 : « Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire ».JEHOVAH JIRE. Hoy ilay naoty kely hoe : Jehovah-jire : Jehovah no hahita. Rehefa manatona azy aho ry havana o, dia fantatro ny fahalebiazan’ny anarany hoe : Jehovah Jire. Hitany ny momba ahy. Tsy mijery intsony ny tsy fahamarinako sy ny faharatsiako Izy, hitany izay banga ao amin’ny fiainako, hitany izay tsy ampy ao amin’ny fiainako dia miseho Izy ho Jehovah Jire ry havana o. Mahafinaritra ilay teny frantsay hoe : « Dieu pourvoit, Dieu pourvoira ». Mino an’izany ve ianao ry Fiangonana o ? Mino an’izany ve ianao ry diakona am-perin’asa o ? Mino an’izany ve ianao ry futur diakona ? Izany ilay izy hoe Jehovah Jire.
- Eksodosy 15:26 : « Ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao ». Io ilay hoe JEHOVAH RAPHA : Andriamanitra manasitrana. Manasitrana anao amin’ny aretina Izy ry havana o. Izany io fahalebiazan’Andriamanitra io, ny fahalebiazan’ny anarany izay maro karazany kanefa mitory an’izany fahalebiazany izany. N’inon’inona aretina mahazo anao amin’izao maraina izao, n’inon’inona aretina efa mitaiza anao, mankanesa ianao eo anatrehany ; aza miova Fiangonana, mankanesa ianao eo anatrehany ary tapaho ny hevitra hoe « hidera Anao aho Andriamanitra o, izany no ataoko voalohany ; tsy hangataka aho ho an’io aretiko io akory, fa hidera Anao aho, hankalaza Anao aho noho ny fahalebiazanao, noho ny famirapiratana eo Aminao, noho ny voninahitrao ; ho eo Aminao aho ary dia hanomboka hamirapiratra ny fiainako satria afak’ota aho, avy eo afaka aretina, afaka problème.
RESAKA FAMIRAPIRATANA. Ny fahamarinana 1 dia hoe : NY OLONA TE HAMIRAPIRATRA DIA MANKEO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA

 

Marka 5:18-19 : « Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao ».
Fahamarinana 2 : NY OLONA TE HAMIRATRA DIA MANIRY HANARAKA AN’I JESOA
Tsy hoe mankeo anatrehany fotsiny : iray izay ; fa maniry hanaraka Azy. Mahavariana ny tantaran’ity lehilahy demoniaka ity ry havana. Nisy mpitoriteny anankiray, ny filazany an’ity tantaran’ny demoniaka ity : milaza izy hoe : manana fiainana « en ruine ». Raha lazaina amin’ny teny gasy izany dia hoe rava ; fa amin’ny teny frantsay, hafa ny fanenon’ilay hoe « en ruine ». Kanefa izany fiainana « en ruine » izany ry havana o, no ataon’Andriamanitra fiainana mamiratra. Izany fiainana « en ruine » izany no tian’Andriamanitra atao hoe fiainana mamiratra. Ary ity firenena « en ruine » ity no tian’Andriamanitra atao mamiratra raha entintsika eo anoloany, ary raha manana mpitondra manaraka Azy isika, fa tsy varimbariana amin’izany laïcité de l’Etat izany.
Raha jerena ny tantara eto amin’ity Marka 5 ity ry havana dia hoe fiainana « en ruine » noho ny fanahy maloto. Tsy mandreraka ahy ry havana ny mamerina fa raha ato amin’ny filazantsara an’i Marka, ary any amin’ny hafa koa, dia ny fanasitranana mahagaga voalohany nataon’i Jesoa, tsy fanasitranana tamin’ny rofy, fa fanasitranana, fanafahana tamin’ny fanahy maloto. Fiangonana mino ny fisian’ny fanahy maloto ve isika ato ry havana o ? Io, « en ruine » ny fiainanao satria tsy fantatrao angamba fa hoe misy fanahy maloto mihazona sy mi-attaque anao. Lehilahy azom-panahy maloto, dia hoe, and.3 : olona mpitoetra eny amin’ny fasana. Ilay hoe mitoetra eny amin’ny fasana, tsy hoe mitoetra eny an-tokotanim-pasana fotsiny, tsy ilay hoe matory eny ambony fasana fotsiny, fa possible mihitsy hoe matory any anaty fasana. Mahita fasana mivoha, matory any anaty fasana. Ary inona ny vokatr’ilay afitsoky ny fanahy maloto ry havana ? Nanana hery tena mahatanjaka izy ; ary ireny demoniaka ireny moa araka ny ahafantarantsika azy, na rehefa mamangy any amin’ny toby ireny, dia hoe fatorana amin’ny chaîne vy ilay izy, mba tsy hitsoaka izy. Fa ity, na fatorana aza, fatorana ny tanany, fatorana ny tongony, noho ilay hery, dia tena tsy tana mihitsy ; dia mankeny am-pasana izy, mankeny an-tendrombohitra izy, dia maka vato izy dia tetitetehany, rasarasainy ny vatany : izay ilay hoe fiainana « en ruine » ry havana o. Ary alaivo sary an-tsaina : io lehilahy rehefa mankany an-tokantranony, mankany an-tranony, nasain’i Jesosy niverina any an-tranony io lehilahy io ; fa tsy lehilahy célibataire akory io ry havana ; alaivo sary an-tsaina ny dégâts ataon’izany lehilahy izany ao an-tranony. Anisan’ny telefaonina mampivaraontsana indrindra ny hoe : «allo Pasitera, ra-anona ity ; manao ny ataony indray ny vadiko :vakiany daholo ato, darofany daholo izahay mianakavy, inona no ataonay e ? ». Izany ilay fiainana « en ruine », izany ilay tokantrano « en ruine » ry havana o. Kanefa izany no tian’ny Tompo hamindrana fo ary ataony mamiratra ry havana o. Jereo anie ilay Salamo famakintsika : toetran’Andriamanitra anankiray izay tena mamenoban’ireny hoe Jehovah Nisi, Jehovah manamarina, Jehovah manamasina Jehovah mahita, Jehovah manasitrana, Salamo 103:8 : « Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po ». Mamindra fo Izy ary be fahari-po amiko Izy : izany no anehoany zava-dehibe ao amin’ny fiainako, ka na fiainana « en ruine » aza, mamindra fo ary be fahari-po Izy, hanao zava-mahagaga ry havana o. Hanao miracle Izy ary lasa mamiratra ny fiainan’ity lehilahy ity, dia hoy Jesoa : non, non, non, Izaho tsy mila anao hiaraka amiko, fa ny toerana anirahako anao dia ao amin’ny tokantranonao. Mandehana asehoy fa efa mamiratra ny fiainanao ankehitriny. Aza tantaraina hoe izao izany Jesosy izany, aza toriana hoe izao izany Jesosy izany, fa asehoy eo amin’ny fiainanao fa efa niova ianao ; asehoy eo amin’ny fiainanao amin’ny toetra tsara, amin’ny toetra milamina, amin’ny teny malefaka, asehoy, asehoy rejefa mody ianao ratoandro, asehoy fa mamiratra ianao. Aza mitantara toriteny hoe famirapiratana ; asehoy fa efa manomboka mitsimoka ao amin’ny fiainanao ilay famirapiratana.
Ary tsy manao soa tapany i Jesoa ka hoe ny an’ilay lehilahy io fotsiny no hoe nataony mamirapiratra ohatran’io : avy any amin’ny aizin’ny fahafatesana, avy amin’ny fanjakan’i satana ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ho ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra ry havana o ; tsy ny an’ity lehilahy ity fotsiny, no hoe nanaovany soa tahak’izany ; tsy manao soa tapany Izy ; fa ilay famindram-pon’Andriamanitra tamin’ity lehilahy demoniaka ity, dia tian’Andriamanitra mba hifindra ao amin’ny ankohonana izay misy azy ihany koa. Ny ahafantarana fa namindrana fo ianao ? Ny ahafantarana fa mamiratra ianao ? Te hijanona eo akaikin’i Jesoa ianao, te hanaraka Azy ianao, te ho mpianany ianao, te hankatoa Azy ianao. Raha izany ry havana ianao, miarahaba anao fa efa mamiratra ianao. Fa raha mbola ianao no misalasala eo anatrehan’ny tenin’Andriamanitra : « ka izao ange Pasitera e, ka izao, ka izao… », désolé miteny aminao, mbola tsy mamiratra ny fiainanao.
Izay ny fahamarinana 2 ry havana, hoe : Na dia fiainana « en ruine » aza, ianao mivatravatra lava amin’ny ray aman-dreninao, ianao mivatravatra lava amin’ny vadinao, ataonao ohatran’ny fako io vadinao io, io vadinao ferena sy ratraina io : mieritrereta ry havana o ; io tokantrano « en ruine » io no tian’ny Tompo ho tokantrano mamiratra. Anio Izy no te hanao an’izany. Dia izao : Ny olona izay hoe manana fiainana mamiratra dia te hanaraka an’i Jesoa.

 

Asan'ny Apostoly 13:36 : « Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lò ».
Fahamarinana 3 : NY OLONA MAMIRATRA, REHEFA MIALA ETY, DIA MANKANY AMIN’ANDRIAMANITRA
Tsy misy olona tsy mamiratra hiditra any. Miaraka amin’izay fahamarinana izay ry havana, tantaran’i Davida, eo amin’ny and.36 lokoina amin’ny teny anankiray : Davida rehefa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Ry havana o, ny olona mamiratra : zavatra tokana no tanjony ao amin’ny fiainany : mitady ny sitrapon’Andriamanitra dia manatanteraka izany sitrapon’Andriamanitra izany. Izany ny olona mamiratra izany : manana obéissance absolue amin’izany hoe sitrapon’Andriamanitra izany. Ny olona mamiratra, ny constitution-ny fiainany : ny sitrapon’Andriamanitra. Ny zavatra mibaiko ny fiainany : ny sitrapon’Andriamanitra. Ary miaraka amin’izay, tsy manao na inona na inona izy eo amin’ny fiainany ka hoe tsy sitrapon’Andriamanitra, ary tsy hankalazana an’Andriamanitra. Misy olona anie manao zavatra tsara e, fa fankalazana ny tenany, iantsoana télé, ankalazana ny tena hitomboan’ny voninahitra sy ny karazany e. Fa izy, tsy ny ankalazana ny tenany no nataon’i Davida, fa ankalazana an’Andriamanitra. Ary mahafinaritra ny mahare mpanompon’Andriamanitra mivavaka ho amin’ny asa, ho amin’ny asa fanompoana, ary ilay manao vavaka karazan’izao hoe : « Jesoa a, aza avela hanao na inona na inona izahay ka tsy hankalazana ny anaranao e, tsy hankalazana ny vononahitrao e. Na zavatra heverinay, rehefa tsy ankalazana ny voninahitrao, aza avela ». Aty moa tsy dia misy an’izay, fa rehefa mijery an’ireny hoe cimetière any an-dafy ireny isika ry havana, dia misy an’ireny fasana mitokana ireny, dia indraindray eo misy an’ilay antsoin-dry zareo hoe « épitaphe » : teny, asa nofidian’ny fianakaviana na nofidian’ilay maty fony fahavelony, lazaina fa mandoko ilay fiainany. Inona raha ianao, inona no mba « épitaphe » inona no mba tianao ho sorotana eo amin’ilay vaton’ny fasanao ; ary raha zavatra tsy tianao ary ny miresaka fahafatesana, inona no tianao mba hahatsiarovana anao ? Ohatran’i Davida ve, hoe : nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ?
Ry havana, isika rehetra mpanao ny sitrapon’Andriamanitra rehefa Alahady tonga eto. Fa manao ny sitrapon’Andriamanitra ve ianao, Alatsinainy ka hatramin’ny Asabotsy, any amin’izay toerana anirahany anao ? Izany ny olona mamiratra e.
Rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra, raha ny eto amin’ny and. 36 eto, dia hoe : manasoa ny olona miara-belona. Tsotra be izany. Ny havanao ratoandro, rehefa hody ianao, ho faly ve izy mahita anao hiditra ny trano, izy ilay tsy niangona io ? Faly izy, sa ho kivy : iny indray ilay mpitabataba, iny indray ilay mpampioriory, iny indray ilay mpibedibedy, iny indray ilay mpikikiaka ? Sa faly izy hoe : iny ilay mpanisy soa, iny ilay mpanasoa ; ary ny fiainako, tsy ohatran’izao raha tsy nirahin’Andriamanitra teo akaikiko iny olona iny. Te hanova anao ny Tompo, te hanao anao ho mpino, ho zanaka mamirapiratra Izy. Aoka ho fehezin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fiainanao ary mitomboa manomboka anio amin’ny fanasoavana ny olona miara-belona aminao. Asio soa izay olona miara-belona aminao anio. Aza mieritreritra hoe, ie, raha izaho no tamin’ny andron’i Davida, Davida lazaina fa mpanisy soa ny mpiara-belona taminy ; dia hoe mba vitako koa ny nanisy soa ohatran’izao, mba vitako koa hoe niady tamin’ny liona ohatran’ny nataon’i Davida e. Eny e, izaho koa angamba mety nanisy soa ny miaramila namako satria hoe izaho mihitsy no nanolo tena hiady amin’i Goliata. Aza manofinofy ohatran’izany : asio soa ny olona miara-belona aminao amin’ity 2019 ity. Aza mieritreritra koa hoe : raha izaho izao no any Etats-Unis dia hanisy soa ny amerikana : asio soa ny gasy mpiara-belona aminao ; aza mieritreritra hoe raha izaho izao no Président de la République, dia asiako soa ny malagasy : asio soa ny mpiara-belona aminao eto amin’ity fitandremana ity déjà, dia hamiratra ianao. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra iray : asio soa izay olona rehetra tratran’ny tananao ary raha misy olona tianao asiana soa ka tsy tratran’ny tananao, dia ento am-bavaka hoe ampanakekezo ahy io Tompo o, na ampanakekezo azy aho fa ho asiako soa ; ka na tsy ho tratranao izy rehefa mivavaka ianao, olon-kafa asianao soa. Izay ny hafatra ho antsika : tanteraho bebe kokoa noho ny tamin’izay lasa izay ny sitrapon’Andriamanitra ary asio soa bebe kokoa noho ny tamin’izay lasa izay ny mpiara-belona aminao. Fa miandry mpino ary miandrandra Fiangonana mamiratra ny Andriamanitra Rainao, ho fahasambarantsika. Fa izany, zavatra madinika, fa ho voninahitry ny Andriamanitra lehibe. Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

image_pdfPDF