ALAHADY 16 DES 2018

image_pdfPDF

Matio 5 :3 : «Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra »

Tsy misy olombelona izay tsy maniry sy mikatsaka fahasambarana. Ary fantatry ny Tompp tsara izany. Ary izany no ato amin’ity toriteny voalohany nataony ity : ato no anambarany ny lalana ho amin’ny fahasambarana.

Ilay mpitoriteny anankiray izay, nanome titre an’ity toriteny tao an-tendrombohitra ity dia niteny hoe io, RESAKA TOHATRA, RESAKA ECHELLE. Dia hoy izy hoe io toko faha-5 io RESAKA ECHELLE DU BONHEUR, TOHATRY NY FAHASAMBARANA, Tohatra mankany amin’ny fahasambarana.

RESAKA TOHATRY NY FAHASAMBARANA

Amin’ny teny anglisy ilay hoe sambatra : Happy. Dia iray tarika amin’io Happy io : Happenings, ireo évènements, ny sehon-javatra eo amin’ny fiainantsika. Dia hoy ny mpandinika anankiray : ny fototenin’ny Happy sy happenings dia Hap. Ilay Hap dia chance no dikany. Izany hoe io teny anglisy io dia maneho alin’ny fomba mibaribary ny fomban’ny olombelona manao hoe ny fahasambarana dia miankina amin’ny évènement chanceux, amin’ny évènement heureux. Ary rehefa tsy eo ilay évènement chanceux, rehefa tsy eo ilay évènement heureux, tsy misy hasambarana. Ary izay no maha diso fitady ny olombelona mitady an’ilay happiness any amin’ny Hap, ka manao hoe : tsara vintana aho fa izao ; dia rehefa ratsy vintana ianao ( tsy misy ny ratsy vintana ao amin’ny Baiboly), dia malahelo. Atoron’ny Tompo antsika ny hany lalana mankany amin’ny fahasambarana dia ny tohatry ny fahasambarana. Ary raha ato amin’ny Matio 5 :1-12 ity, dia misy zana-tohatra 8 ahatongavana any amin’ny fahasambarana. Ary ny zana-tohatra voalohany no asain’ny Tompo jerentsika amin’izao maraina izao dia hoe : «Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra ».

Fenoina ilay filazana teo hoe « échelle du bonheur », tohatry ny fahasambarana : tsy hoe rehefa tafakatra ery ambony ery an-tampony ery ianao, eo amin’ny zana-tohatra faha-valo vao hoe sambatra, fa isaky ny miakatra ny zana-tohatra ianao dia efa anononan’ny Tompo fahasambarana. Tsy hoe : rahatrizay manambady aho izao dia ho sambatra ; tsy hoe rahatrizay diplomé aho dia ho sambatra ; tsy hoe rahatrizay manana milliard aho dia ho sambatra : vao manitsaka ny zana-tohatra voalohany ianao dia efa sambatra.

Dia hoy ny fampianaran’i Jesoa : «Sambatra ny malahelo am-panahy ». Ilay teny grika hoe malahelo, mahantra dia azo adika hoe : «  Sambatra ny bankiropitra ara-panahy ». Ilay bankiropitra na hoe banqueroute dia hoe olona tapitra fananana. Tsy misy olona ry havana eto amin’izao tontolo izao ka tapi-pananana, bankiropitra ka hoe sambatra. Fa ny Tompo no mampianatra antsika ny lakle-ny tena fahasambarana dia hoe «  sambatra ny bankiropitra ara-panahy ».

Raha fehezina izany ny toriteny amin’izao maraina izao, dia hoe RESAKA TOHATRY NY FAHASAMBARANA. Ary ny zana-tohatra voalohany dia hoe bankiropitra ara-panahy. Raha tsy mahatsiaro bankiropitra ara-panahy ianao, tsy ahita fahasambarana ianao ; ary raha tsy mandiha io zana-tohatra voalohany io ianao, aza manantena ho any amin’ny zana-tohatra faha-2 na faha-3, potraka eo ianao.

Misy karazany 3 ny olona bankiropitra ara-panahy :

  1. Ny olona mahantra ara-panahy, saingy ny niveau spirituel-ny, ny toe-panahiny tsy ahafantarany ny fisian’izany hoe harena na alahelo ara-panahy izany ; ry satria tsy fantany izany dia tsy rototra amin’izany izy. Tsy mahafantatra izy dia mitoetra amin’izany fahantrana izany.
  2. Ny olona malahelo ara-panahy kanefa diso hevitra izy ny amin’ny toe-panahiny. Diso hevitra izy hoe manan-karena ara-panahy. Hoy ny Apokalypsy 3 :17 « fa hoy ianao: 
    Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka
    ». Io ilay karazana olona mahantra ara-panahy faharoa. Mieritreritra izy angamba hoe satria izy Pasitera izy, biraom-piangonana izy, manana andraikitra sy ny karazany izy, dia tena hoe manan-karena ara-panahy ; mieritreritra izy hoe izaho manan-karena, izaho efa nihary fananana be, izaho tsy manan-java mahory : tsia hoy Jesoa, tsy fantatrao fa ianao no ory sy mahantra sy malahelo ary jamba ary mitanjaka ara-panahy. Izay ilay faharoa, ary sûr fa misy an’izay ato matoa tonga ity teny ity.
  3. Ilay olona mahatsiaro hoe bankiropitra ara-panahy. Izay no anononan’ny Tompo fahasambarana.

Ny fanontaniana manaraka ary dia izao : ahoana marina moa no ahatongavako amin’izany fahatsiarovan-tena hoe malahelo ara-panahy izany ? Ahoana no mba hiainako an’izany hoe bankiropitra ara-panahy izany ?

  1. Mahazo roa ny valin-teny : voalohany indrindra, raha te hahatsiaro bankiropitra ara-panahy ianao, ovay ny famakianao Baiboly. Tsy miresaka amin’ny olona tsy mamaky Baiboly, fa miresaka amin’ny olona mamaky Baiboly : OVAY NY FAMAKIANAO BAIBOLY.

Ahoana moa izany hoe manova famaky Baiboly izany ? Aza vakiana ohatrany boky intsony io, aza vakiana ohatrany hoe hanovozana fahalalana momba an’Andriamanitra fotsiny io e, doa avy eo ianao hoe hanao Sefala, hanao Setela. Tsy misy maharatsy ny Sefala, tsy misy maharatsy ny Setela, fa ny lesona eto dia hoe : ovay ny famakianao ny Baiboly. Ny dikan’ny hoe ovay ny famakianao ny Baiboly : tadiavo Andriamanitra rehefa mamaky Baiboly ianao. Tadiavo ny tavany, tahaka ny hanao tête à tête amin’Andriamanitra. Firy amintsika no manao an’izany isa-maraina isaky ny mamaky mofon’aina sy mana sy la bonne semence ? Firy amintsika no miteny hoe te hanao tête à tête aminao aho Andriamanitra ? Ary tiako ho hita ao isa-maraina ny fomba nitadiavanao ahy, tiako ho hita ao isa-maraina ny zavatra nataonao ho ahy, ny zavatra mbola ho ataonao ho ahy. Izany ny manova ny fomba famaky Baiboly.

Ary izao no tena ahafantarana hoe tena nanova fomba famaky Baiboly ianao : ny olona nanokatra Baiboly ka tafahoana tamin’Andriamanitra dia tsotra : tafahoana amin’Andriamanitra izy, tafahoana amin’ny fahamasinana izy, dia manao ohatran’i Isaia mpaminany hoe : « Lozako fa lehilahy maloto molotra aho ary monina eo amin’ny firenena maloto molotra ». Ovay ny famakianao Baiboly. Ary angataho amin’ny Tompo ny hanana izany toe-po sy toe-panahy an’i Isaia izany. Rehefa hanokatra Baiboly ianao, ho tena tafahoana Aminy.

Ohatra anankiray malaza, rehefa tafahoana amin’Andriamanitra : Lioka 5 : 8 : « Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesoa izy ka nanao hoe: 
Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho ».
Ny olona tafahoana amin’i Jesoa dia tsotra : na ao amin’ny Testamenta Taloha na ao amin’ny Testamenta Vaovao, na mandrak’androany, mahatsiaro an’izany fahamelohana izany, mahatsiaro an’izany tsy fahamendrehana izany, izany no vokatra azo voalohany rehefa tena mamaky Baiboly ianao ka hoe te hihaona amin’Andriamanitra, olona mahatsiaro tsinontsinona. Raha izany ianao, ho avy ny fifidianana : miteny anao amin’ny anaran’ny Tompo aho : mihazakazaha hiaindraikitra sampana ; mihazakazaha hiandraikitra diakona ; fa izany no tsy ampy amin’ity fitandremana ity sy ao amin’ny Fjkm : olona mamaky Baiboly ary olona mamaky Baiboly tahak’izany.

Io ny zana-tohatra voalohany, fa io no tsy maintsy lalovana ary arakaraky ny hiakaranao eo amin’ny zana-tohatra no hitomboanao amin’ny fahasambarana sy ny fahamatorana ara-panahy. Fa tsy maintsy mandiha io zana-tohatra voalohany io ianao. Ahoana no ahatonga ahy mba hanana an’izany hoe toetra  bankiropitra ara-panahy izany ? Ovay ny famakianao Baiboly.

  1. Faharoa, OVAY NY FOMBA FIVAVAKAO

Inona ilay hoe fivavaka ankasitrahan’Andriamanitra ? Lioka 18 :13 : « Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra o, mamindrà fo amiko mpanota ». Ovay ny fomba fivavakao. Satria ianao namaky Baiboly, fa ny famakiana Baiboly dia mitarika mivavaka hoe : « Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. Izany no tonom-bavaka mamy eo an-tsofin’Andriamanitra Raintsika sy ao an-tsofin’i Jesoa Tompo : vavaka mipololotra avy ao am-pon’ny olona bankiropitra ara-panahy.

Mamy ny version segond amin’io Lioka 18 :13 io : « ô Dieu, sois apaisé envers moi pêcheur ». Izany ny lakle-ny fahasambarana ry havana, fahatsiarovantena hoe izay ataoko, na ny fisiko fotsiny aza dia efa mahatezitra an’Andriamanitra. Ny olona matory ara-panahy tsy miraharaha an’izany. Ny olona mamita-tena ara-panahy tsy miraharaha an’izany. Fa ny olona bankiropitra ara-panahy, fantany fotsiny fa ny fijerin’Andriamanitra azy any an-danitra dia efa mahatezitra an’Andriamanitra. Ary izany no vavaka ataony, hoe : ô Dieu, sois apaisé envers moi pêcheur ». « Andriamanitra ô, Ray malala ô, tonio ny fahatezeranao, tsindrio io fahatezeranao io ary mamindra fo amiko mpanota, mamelà ny heloko, mamelà ny tsy fahatanterahako.

Ary rehefa ovainao ny famakianao Baiboly ry havana, rehefa ovainao ny fomba fivavakao dia tonga amin’izany toetra ara-panahy hoe bankiropitra izany ianao ary dia hamarin’ny Tompo aminao ilay teny fikasana nomeny hoe : «Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra ».

Faranana ry havana izao teny izao : sarotra amintsika satria izany ny kolon-tsaina nitezana antsika hatrany an-dakilasy, dia ny fiheveran-tena ho zavatra, fahatokiana tena, fahatokiana fahaizana, fahatokiana ny fahendrena. Sarotra amintsika izany.

image_pdfPDF