Lioka 10 :33-35 : « Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin'ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin'ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin'ny tranom-bahiny, dia notsaboiny. Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe:
Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho ».
Indro manatona an’i Jesoa Kristy Tompo, mpahay lalàna iray ary nametraka fanontaniana tamin’i Jesoa hoe : «Mpampianatra o, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? ». Mazava tsara ny valin-teny : tiavo Andriamanitra ary tiavo ny namanao, na ny mpiara-belona taminao. Dia hoy ny Soratra Masina hoe satria te hanamari-tena teo anatrehan’ny Tompo izany mpahay lalàna izany, dia mbola nametraka fanontaniana fanindroany : « iza ary no namako ry Jesoa Kristy Tompo ?». Ho valin’izany fanontaniana izany dia nanomboka nanao fanoharana Jesoa Kristy. Fa indro nisy lehilahy iray azon’ny jiolahy dia nendahiny, nakapohiny, ary rehefa nadiva ho faty, ho afaka ny ainy, izay vao nilaozany. Nandalo teto amin’ity lehilahy voa mafy ity ny mpisorona, ny levita, izay olona voatokana manokana ho amin’ny asan’Andriamanitra, ary mandrakariva dia nanamasina ao amin’ny tempoly sahaniny rehefa nandalo, izany sokajin’olona izany. Fa hoe Jesoa hoe nolalovany fotsiny izany vatan-delihaly ambavahoan’ny fahafatesana izany, izany olona voa mafy izany. Misy mpandinika moa milaza hoe angamba izy ireo maika hamonjy ny asa any amin’ny tempoliny dia tsy nampaninona azy na dia nandalovany fotsiny aza ny voa mafy manoloana azy. Fa rehefa nandalo kosa hoy Jesoa, ity lehilahy anankiray samaritana, samaritana jentilisa, ary azo lazaina hoe fahavalon’ny jiosy, rehefa nahita ity jiosy, dia nandray an-tanana avy hatrany ny fikarakarana rehetra tokony atao, ary teo anatrehan’izany fihetsika mahate ho tia izany indrindra no nahatonga an’i Jesoa nankasitraka ity samaritana ity, ary nankasitraka ihany koa ny asa nataony.
Mba hahafahantsika miaina ny lohahevitra hoe : « Mandehana amin’ny rariny sy ny hitsiny ao amin’ny Tompo » dia atao toriteny ilay fihetsika nankasitrahan’i Jesoa, tazany teo amin’ity lehilahy samaritana ity.
- Eo amin’ny and. 33 sy 34 dia hitantsika fa niasa tamin’ny fitiavana ho fiheverana ny hafa ilay Samaritana.
Rehefa nahita ity jiosy norobain’ny jiolahy, niosin-drà, dia onena tanteraka ny fon’ilay Samaritana, hany ka nanatona azy ary nandray andraikitra avy hatrany. Samaritana tahaka ny olona rehetra ihany, mba manana ny programany, manana ny fandaharam-potoanany, manana ny anton-diany ; fa saingy rehefa nahita ity olona mila famonjena ity, dia nataony laharam-pahamehana aloa ny mamonjy ny aina mihazakazaka mankany amin’ny fahafatesana. Nataony ho zava-dehibe ny famonjeny ny ain’ny olombelona tahaka azy, izay vao ny fandaharam-potoanany manokana, izay mba mety ho maika sy laharam-pahamehana koa, fa saingy nampandeferiny izany.
Mampieritreritra ity fanoharana nataon’ny Tompo ity, fa ny mpisorona sy ny levita, ny raharaha mahazatra azy ary aloa no nahamaika azy, na dia efa ambavahoan’ny fahafatesana aza ny manodidina azy. Fa ity samaritana ity kosa dia tena hafa ny fisainany. Tsy nosaininy velively ny hamantatra mialoha hoe fa iza moa ity olona voa mafy ity, Dia miainga amin’ny fahafantarana an’izay, vao maka fanapahan-kevitra hoe manampy aho na tsy manampy. Fa raha ny toe-tsain’ny olombelona amin’ny andavan’andro, raha ny fahavalony no voa tahaka izany, vao maika maneso izy, vao maika mety ho faly ary izy fa tratra ihany ; fa ity samaritana ity, tsy izany no tao an-tsainy. Tsy nosaininy velively ny ahafantatra hoe iza ity olona voa mafy ity izay vao hanolo tena ny hanampy na tsy hanampy, fa avy hatrany dia nikarakara izy. Izany hoe samaritana, adinony tanteraka ny tenany, fa ny hafa aloa no nahamaika azy. Adinony tanteraka ny tenany ka tsy nieritreritra hoe sao ho tratran’ny fahavalo sy ho matin’ky fahavalo eto aho ka andeha andositra. Izany mantsy ny fiainantsika amin’izao fotoana izao. Fa tsy izany ity samaritana ity. Samaritana tsy misaina hoe ny olona rehetra aza mandalo avokoa ka izaho ve hijanona eto ? Tsy izany no nataony. Fa nandray andraikitra tamin’ny fitiavana izy ho fiheverana ny hafa.
Inona no nataony ? Mazava tsara ny fampianarana nataon’i Jesoa : nikarakara sy nitsabo izy, nofeheziny ny fery, dia nasiany diloilo sy divay, nampiasainy ny fananana sy fitaovana teo an-tanany, nampitaingeniny zana-boriky ilay marary, izany hoe izy miala amin’ny confort izay hoe mety aminy, fa ny marary no napetrany teo amin’ny toerana izay tokony hisy azy, fa izy mandray ny toeran’ny mpanompo. Nomeny lanja manokana ary nataony ho zava-dehibe ny fiheverana ny hafa.
Raha te hijoro amin’ny maha-fanasina sy fahazavana ihany koa ianao ry Fiangonana, ka tsy manao ho zava-dehibe ny fiheverana ny hafa, tsy ho fanasina na oviana na oviana ianao. Na hamirapiratra tahaka inona aza ny ao anatin’ny fiangonanao, na ari-fomba avokoa ny fitaovana ao, raha mbola tsy ao anatinao ny toe-tsain’ilay samaritana, manao ho zava-dehibe ny fiheverana ny hafa mihoatra noho ny tena, tsy ho tonga fanasina sy fahazavana na oviana na oviana ianao.
Samaritana fahavalo, samaritana jentilisa, nataon’i Jesoa fampianarana ho an’ny levita sy ny mpisorona.na hoe ho an’ny mpivavaka, eto amin’ity perikopa ity. Nomeny ny fotoanany, nomeny ny heriny, nomeny ny fahaizany, nomeny ny fananany, nomeny ny volany ; izany hoe tena nisahirana ho famonjena ny ain’ny hafa, feno fitiavana sy famindram-po : na dia fahavalo aza dia noraisiny an-tanana ny fikarakarana rehetra tokony atao. Ka raha nametraka fanontaniana tamin’i Jesoa izany ilay mpahay lalàna tery aloa, mpanora-dalana,mpikarakara raharaha masina, fampianarana mba hahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra, fanontaniana hoe : « iza no namako ? », Jesoa te hisarika ny sainy sy ny fony ary ny fanahiny ka hamadika ny fanontaniana ho an’ny tenany. Ka ametraka fanontaniana ho an’ny tenanao kosa ianao : « iza no olona tokony hasoaviko mba ho namako? ». Ity fanoharana ity dia ampianaran’i Jesoa antsika fa ny olona rehetra tsy ankanavaka no namanao, indrindra indrindra ny tra-pahavoazana sy ny mila famonjena. Tadiavo izany, vonjeo izany, ampio izany, fa izay no namanao.
Toa mampahatsiaro ilay tenin’ny Soratra Masina hoe : « aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy ny marina ».
Tsy ny fitondrana anarana hoe mpisorona, levita, mpitandrina, birao foibe, mpiandry, filohan’ny komity, diakona, tsy izany no zava-dehibe eo anattrehan’Andriamanitra, fa ny fananana toe-panahy marina ao anaty, sitrak’Andriamanitra.
Tsy ny fombafomba na ny endrika ivelany izay mampkhazakazaka antsika mianakavy no mahamaika an’Andriamanitra, fa ny famonjena ny mila vonjy eo akaikinao, manodidina anao. Tsy mety ho antsika intsony ny manamafy fo manoloana ny fangirifirian’ny mpiara-belona, fa aoka isika fiangonana tsy ho amin’ny fitserana fotsiny, ho amin’ny fangorahana fotsiny, fa mba ho olona isan’ny mpirotsaka an-tsehatra ho famonjena ny hafa. Fa efa maro loatra ny olona voa mafy eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena ; ary miandry antsika ny Tompo amin’ny fanampiana azy ireny. Aza manantena mihitsy ianao fa ny olona jentilisa, ny olona tia tena, no hanavotra ny firenena, fa ny Fiangonana izay manana mpino, manana fitiavana, manao ho zava-dehibe ny hafa noho ny tenany ; izany no afaka hitondra fahazavana eo anivon’ny firenena. Noho izany, ampy izay ny fitiavan-tena, ny fandehanana amin’ny fombafomba sy endrika ivelany, satria ny olona rehetra tsy ankanavaka mihitsy no anirahana antsika, anomezana andraikitra antsika. Tsarovy mantsy fa tsy afaka misaraka ny finoana mahavonjy sy ny asa fanaovan-tsoa. Ary ny fiantsoana antsika ho tia an’Andriamanitra dia efa fiantsoana antsika ihany koa ho tia ny hafa manodidina antsika.
- Rehefa naneho izay fanehoam-pitiavana izay ity samaritana ity, dia voalaza kosa eo amin’ny and. 25 fa fitiavana tsy voafetra no natolony ho fiheverana ny hafa.
Mahavariana tokoa, da rehefa tonga tao amin’ny trano fandraisam-bahiny ilay tra-doza, dia tsy niteny tamin’ilay tompon-trano, izay azo inoana fa jiosy ihany koa, ity samaritana ity hoe : « olona jiosy mpiray firenena aminao ity, ka raiso an-tanana satria vita ny anjarako, fa anao ny adidy sisa ». Tsy izany no nataony, tsy izany no hita taratra tamin’ny fanoharana nataon’ny Tompo ; fa ny fanoharana dia mampisongadina fa mbola nijanona nitsabo azy tao amin’izany tranom-bahiny izany ity samaritana ity, ary rehefa tonga ny ampitso, izay vao niteny tamin’ny tompon-trano izy ka nanao hoe : »tsaboy izy, ka na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto, dia honerako ». Voadingan’ilay samaritana tanteraka ilay fefy mampitsitokotoko, mampisaraka ny jiosy sy ny samaritana, noho ilay fitiavana marina tao anatiny. Ary tena nahavita be izy, mihoatra noho ny tokony ho izy aza, fa hoy ny teny nambarany : « ka na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto, dia honerako ».Ankoatra ny fikarakarana efa nataony, ankoatra ny vola efa nomeny, dia mbola vonona ny handoa ny ambonin’izany rehetra izany ity samaritana tsara fanahy ity. Fanehoam-pitiavana tsy voafetra, tsy misy kajikajy ho an’ny tena manokana. Noho izany dia tsy niankina tamin’ny sandan’ny asa efa vitany teo aloa, na ny vola efa lany teo aloa ity samaritana ity, fa ny hamonjena ny ain’ilay olona ambavahoan’ny fahafatesana no nibaiko ny fisainany sy ny ataony ary ny fandaharam-potoanany. Izany hoe ambony noho ny vola ny famonjena ny hafa, hoy ny fanoharana nataon’i Jesoa : nataony tamin’ny fo madio, tsy niandrasany tambiny na tombontsoa manokana ho an’ny tenany ilay asa famonjena izay nataony ; fa nataony tamin’ny fitiavana tsy misy fetrany. Taminy, dia ilay lehilahy voavonjy no zava-dehibe fa tsy ny vola sy ny herim-po mety ho lany akory.
Izany toe-panahy an’ity samaritana ity izany, izany no toe-panahin’i Jesoa Kristy : ity fanoharana ity anie dia fanoharana nilazan’i Jesoa ny amin’ny tenany e, dia ilay Andriamanitra manana fitiavana Agape, fitiavana manao ho zava-dehibe ny famonjena ny hafa ka ahafoizanao izay rehetra heverinao fa tsara indrindra eo aminao, ka ampandeferinao ny momba anao rehetra kosa. Fitiavana Agape, namafisin’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fitenenany fa : « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy mba hamonjy ny sakaizany ».
Mba manao ahoana tokoa ny endriky ny fitiavanao, na ny toe-panahinao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, na amin’ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny Fiangonana sy ny firenena ? Moa ve ny fitiavanao, fitiavana refesinao ? Moa ve ny fitiavanao feranao avokoa izay vao mandray fanapahan-kevitra ianao rehefa manolo-tena hanompo an’Andriamanitra? Sa manao tahaka ity samaritana ity ianao, tsy azo refesina na ny fotoanany, na ny heriny, na ny volany rehefa hanara-dia ny Tompo izy ?
Tsarovy fa izay manam-pitiavana be ihany no mahavita be ary hahazo sitraka amin’Andriamanitra tahaka an’ity samaritana ity. Ary izay no nahatonga an’i Jesoa Tompo, rehefa namintina ny fanoharana izy, hiteny hoe : « Mandehana ianao dia mba manaova toy izany ». Raha te handova ny fiainana mandrakizay ianao, ny fitiavana an’Andriamanitra efa hiainanao, fa ny fitiavana ny mpiara-belona, manao ahoana ? Rehefa miteny ny Tompo hoe : « Mandehana ianao dia mba manaova toy izany », dia hoe ataovy laharam-pahamehana ny famonjena ny olombelona tahaka anao.
Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara : mitsangana ianao, manehoa fitiavana amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsara. Tsy hoe mpampianatra ihany i Jesoa eto amin’ity fanoharana ity, fa Izy mihitsy no ilay samaritana tsara fanahy nanolotra ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana ho famonjena ahy sy ianao amin’ny fahafatesana. Raiso ary izany famonjena izany, ary hazony hatramin’ny farany.
Pasteur RADIMISAON Jonah
SG FJKM
Fivoriambe SPAA 10 - Antanikatsaka - 14/10/18