Efesiana 1 :13 : « Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana ».
Manohy ny zavatra voalaza tamin’ny 5mn ho an’ny tanora teo, dia hoe : Ao aminy isika no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina. Ao amin’i Jesoa isika no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina. RESAKA TOMBO-KASE
Izany no hohazavaina amin’ity toriteny ity ry havana : RESAKA TOMBO-KASE. Fa raha izay ilay votoantin’ilay toriteny, resaka tombo-kase ; manararaotra ny zavatra iainantsika eto aho dia tiana omena izao titre izao ity toriteny ity hoe : ALEFA BAREA ! Ary sûr aho fa ny rehetra eto, na ny matory, na ny tsy matory hahatadidy hoe : oay, nisy toriteny izay tao Isotry Fitiavana, hoe : ALEFA BAREA !
Izay ilay izy ry havana. Izao manko ry havana : iaraha-nahita ny zavatra nitranga tao anatin’izay 10 andro mahery izay, ary indrindra tamin’ity herinandro ity, ary indrindra omaly. Iaraha-mahita ireo olona an’hetsiny maro, asa moa nisy firy izy ireny, na an-tapitrisany aza, possiblement, toa nanisy tombo-kase ny tarehiny, ny handriny, ny akanjo, ny lamba moa tsy resahina, fa resaka tombo-kase mantsy : Ety amin’ny tarehy ety saina malagasy, ety amin’ny handrina ety saina malagasy, hitantsika izany. Ny sasany moa eny amin’ny ordi, eny amin’ny kitapo sy ny karazany. Fa mazava be izany zavatra tantaraiko izany. Ary inona moa, raha maka saina kely isika, inona moa no dikan’ireny hoe saina malagasy nataonao eny amin’ny tarehinao, eny amin’ny handrinao ireny, ety amin’ny tananao ety? Inona moa izany ? Ilay hoe : Fier ianao, fier manokana ianao tao anatin’izay 10 andro izay amin’ny maha-malagasy. Ary araka ny tenenenina ombieny ombieny, nosoratana tetsy ombieny ombieny, tena hoe : nanandratra ny ambom-po maha-malagasy ny Barea. Izay ny zavatra niainantsika ry havana o.
Ary dia misy tombo-kase hafa eto tian’ny Tompo resahina amin’izao 14 izao, ny ampitson’ny 13 nodian’ny Barea, dia tsy tombo-kase-ny saina malagasy intsony fa tombo-kase ny Fanahy Masina.
Ataoko milamina ilay toriteny mba ho azon’ny rehetra ry havana. Mandinika izany ianao ilay zavatra nitranga, ilay sainam-pirenena nipetraka tety, dia mahatsiaro, ry havana, teny-na mpandinika maromaro, tsy mikasika antsika malagasy loatra, fa mikasika ny olombelona amin’izao tontolo izao, ary ao anatin’izany ny kristiana hoy izy. Tena maro, amin’izao 21è siècle izao, hoy izy, ny olona manana crise d’identité. Izany hoe manana crise izy ny amin’ny fiziany, hoe iza moa izy, iza moa ianao ; tsy amin’ny fisiany, misy izy ; fa iza moa ianao ? Inona moa ny identité anao ? Ary rehefa dinihina hoy izy ny fiaraha-monina, maro ny olo-tsotra, maro ny kristiana manana an’izay crise d’identité izay. Ny identité mantsy rehefa jerena dia hoe arakaraky ny olona, ary samihafa justement ilay identité. Ny sasany, ny hamaritany ilay identité-ny, ilay fiziany, dia hoe ny fianakaviana nipoirana sy nitaizana azy ; ny sasany indray, ny asany, no hamaritany azy ; ny sasany indray, ny namany, izay fifandraisana na hoe cercle d’amis-ny no hamaritany azy. Ny tanora sy ny vehivavy matetika, ny hamaritany azy matetika dia ilay lamaody farany ; izay ilay identité-ny. Ary faly ery mampiseho ny lamaody farany, mampiseho ny coupe-na volo farany ; izay ilay zavatra. Samy mampiseho izay identité-ny na fiziany izay. Ary azo lazaina ihany ry havana, fa mety ao anatin’izay crise d’identité izay isika malagasy, ka nisy an’iny zavatra nataon’ny Barea mahagaga iny, dia nisongadina tampoka hoe hay tokoa moa isika malagasy, ary fiers amin’ny maha-malagasy, ary tsara izany malagasy izany.
Ka eo indrindra ry havana no mampieritreritra, satria miresaka tombo-kase avy amin’ny Fanahy Masina isika, ary io tombo-kase io mantsy milaza hoe an’iza ianao, milaza ny identité-nao, milaza ny fizianao, milaza hoe propriété privée an’iza ianao : propriété privée an’Andriamanitra ianao, ao amin’i Jesosy. Dia mandinika ianao justement hoe, ao anatin’izany crise d’identité izany hoe faly nisy fotoana nanasongadinana an’izay identité maha-malagasy izay. Dia eo ianao mandinika, vohizina ny maha-malagasy, tsy misy maharatsy an’izany, vohizina ny maha-malagasy etsy sy eroa : malagasy isika e, tsisy intsony ny andevo sy ny andriana sy ny tsy andevo e ; tsisy intsony ny ambony sy ny ambany e, tsy misy intsony ny avy any anindran-tany sy avy eto afovoan-tany e, sy ny karazany e ; tsy hampisaraka antsika intsony ny firehana politika etc… Ny zava-dehibe dia ny maha-malagasy.
Fa ny nampietitreritra ahy dia izao : nivavaka ny malagasy, nivavaka ; maro ny nanamarina an’izany : ny tsirairay, antokon’olona, fikambanana, namporisika hivavaka. Dia eo aho izany mieritreritra hoe ilay malagasy sy ilay kristiana mivavaka moa rehefa jerena ny identité-ny, dia hoe : malagasy kristiana ve ireo sa kristiana malagasy ? Sûr aho fa malagasy kristiana aloa ireo amin’ny lafiny anankiray satria araka ilay voalaza teo, nahindrahindra ny maha-malagasy, tsisy maharatsy an’izany. Fa kristiana ireo satria nanisinisy vavaka teny an’anona teny, ary possible mety ho valim-bavaka io 1/8è de final io. Fa izao ry havana no tena nampieritreritra : nivavaka, nivavaka, nivavaka ; fa hatramin’izay naharesena, tsy maro ohatran’ilay tamin’ny mbola am-perin’asa, tao anatin’ilay championnat ny olona miantso ho amin’ny vavaka. Ary surtout, tsy nahita aho hoe andao isika malagsy, ao anatin’izany hoe fanahindrahindrana ny maha-malagasy sy ny hoe fampivondronana antsika tamin’ny alalan’ny Barea izany, andeha isika ho ery amin’ny Palais des Sports hanao fanompoam-pivavahana iombonam-pinoana, tsy hanavahana mpitondra fivavahana, tsy hanavahana anaram-piangonana, fa andao isika hisaotra an’Andriamanitra noho ny parcours-ny Barea ; tsy nahare an’izany aho ry havana. Ary izay no ilazako hoe, henoy tsara aho : sao dia hoe malagasy kristiana ireny hitantsika ireny fa tsy hoe kristiana malagasy ? Samy hafa ilay tsindrim-peo : rehefa hoe malagasy no eo anoloana, manaraka izany ny maha-kristiana, na be, na kely ; fa manaraka izany. Fa rehefa hoe kristiana malagasy, ny laharam-pahamehana, ny priorité dia ny maha-kristiana ry havana o. Ka na resy aho na maharesy, isaorako foana Andriamanitra fa izay ny sitrapony ; fa sanatria an’izany ilay vavaka natao tamin’ny mbola en compétition ny malagasy, dia vavaky ny secte, satria hoe vavaka mila zavatra, vavaka mila zavatra. Fa tsy hoe vavaka fitondrana am-bavaka an’ireto zandry, zoky, rahalahy ireto apteraka eo ambany fahasoavan’Andriamanitra ; tapitra ny lalana nofaritan’Andriamanitra, isaorana, isaorana eram-po, isaorana eram-panahy Andriamanitra.
Fa izao ry havana, fa maninona moa ny titre ilay toriteny no natao hoe : ALEFA BAREA ! Satria tena hoe misaotra an’Andriamanitra, nampiasain’Andriamanitra ny Barea hanasongadinana an’izay ambom-po maha-malagasy izay. Raha izaho manokana, raha fenoiko ity toriteny ity, dia ataoko hoe : ALEFA BAREA ! Tsy parfait ilay exemple fa ataoko hoe : ALEFA BAREA ! ALEFA FANAHY MASINA ! Ilay Fanahy Masina tian’ny Tompo hanandratra an’izany ambom-po maha-kristiana izany ry havana o. Ary rôviana isika kristiana no hilahatra, toutes dénominations confondues, eny an’anona, amin’ny firy alina, mijery baolina ery, tsy misy hoe : « ka izahay Pasitera zone rouge any aminay fa zao sy zao sy zao an » ; fa rehefa baolina dia eo daholo : « ary aiza ialahy leity no tsy hita fa aty ny programa an » ; izay ilay zavatra. ALEFA FANAHY MASINA ! Asandrato ny ambom-po hoe : « izahay dia Anao, izahay dia an’i Jesosy, izahay dia ho tia ny zavatra tianao manomboka izao : ALEFA FANAHY MASINA ! ». Rehefa avy niteny hoe : ALEFA BAREA ! ianao, sitraky ny Tompo raha mbola miteny ianao hoe : ALEFA FANAHY MASINA ! Tsy mampitovy hoy aho, sanatria an’izany, izany hoe Barea sy Fanahy Masina izany, tsy tezitra amin’izany ny Fanahy Masina, tsy choqué amin’izany ny Fanahy Masina. Ny maha-choqué Azy, dia ianao tia be ny Barea, manandratra ny ambom-po maha-malagasy, fa tsy raharahianao izany ambom-po maha-kristiana izany. RESAKA TOMBO-KASE ry havana o. Ary izany no programan’io Fanahy Masina izay nanisiana tombo-kase ahy sy ianao io ry havana o ; ny programan’ny Fanahy Masina dia ny hoe ahazoako, izaho Pasitera, izaho mpiandry, izaho diakona, izaho mpandray ny fanasan’ny Tompo, mety seho ivelany izany ; fa ny Fanahy Masina no miasa avy any anatiny, tena hananako fifandraisana manokana amin’Andriamanitra Ray sy amin’i Jesoa zanany : asany izany e. Ahatsiarovako tena hoe Azy aho e, fier aho hoe izaho ry reto dia an’i Jesosy an ! Izany ny asan’ny Fanahy Masina, izany ny tombo-kase ny Fanahy Masina. Ary ianao asiana tombo-kase io, ohatran’ny tombo-kase rehetra, tonga dia hita. Raha maka ohatra koa izany dia hoe misy olona izany, fantatra izy na manambady ny tsy manambady rehefa manao peratra. Dia hita koa moa izy rehefa lalaoviny iny peratra iny dia tsoahiny ; ohatrany mitsoaka amin’ilay fanekena anie izy e, n’inon’inona antony e. Tsoahinao ilay peratra satria hoe mafana ny andro, tsy mahatanty ; sendra mody alina ianao dia hoe nisy mpanendaka ; fa mampieritreritra ihany ilay olona tsy manao peratra mandavan-taona ireny ry havana an. Izay ilay izy. Ohatrany hoe mitsoaka an’ilay fanekena izy izany, tsy manana an’ilay fierté izy ry havana. Fa ny Fanahy Masina te hampahatsiaro anao hoe propriété privée an’Andriamanitra ianao ary tiany ianao ho fier amin’izany, tahaka ny maha-fier anao amin’ny maha-malagasy anao tamin’izay 10 andro lasa izay. Fa izao no problema : tena mbola lavitry ny afo ny kitay.
Fa misy ihany ato hanontany tena ry havana, na hanontany hoe : eny ary e, ka ahoana ary no ahazoana an’izany tombo-kase ny Fanahy Masina izany ? Ahoana no ahazoako izany tombo-kase ny Fanahy Masina izany fa mazava ilay hafatra e. Ary tena vizan’ny hoe miaina tsisy Fanahy Masina, miaina tahaka ny olona tsy manana tombo-kase ny Fanahy Masina : ahoana no ahazoako izany tombo-kase izany ?
Ry havana, tsy misy vavaka akory atao hoe ahazoana izany tombo-kase ny Fanahy Masina izany ; fa misy fepetra anankiroa eo amin’ny and.13, izay ampahatsiahivin’ny Tompo antsika. Andeha anie averintsika jerena ilay and.13 e , averintsika vakiana ilay tapany voalohany : « Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana ». Ny olona izay nasian’Andriamanitra tombokase ny Fanahy Masina, dia olona nandre ny tenin’ny fahamarinana. Izay ny condition voalohany : olona nandre ny tenin’ny fahamarinana. Izany hoe olona mamaky Baiboly, dia rehefa manokatra Baiboly izy, manomboka any amin’ny Genesisy 1 ka hatrany amin’ny Apokalypsy 22, dia milaza izy hoe marina tsisy kianina, tsisy toherina io tenin’ny fahamarinana io. Izany ry havana o, izany ny olona ho asian’Andriamanitra tombokase. Tsy hanisy tombo-kase olona tsy mamaky Baiboly Andriamanitra, ary tsy hanisy tombokase olona mpanakiana Baiboly Andriamanitra ry havana o. Fa rehefa mamaly ianao, mamaky Baiboly ianao satria raisinao hoe tenin’ny fahamarinana io Baiboly io ; dia hoe marina, « vérité absolue ». Milaza ny marina momba antsika olombelona, dia hoe : olona maty ara-panahy, matin’ny fahadisoana sy ny fahotana ; ny tenin’ny fahamarinana milaza ny marina amin’ny olombelona, milaza ny marina amin’ny fitiavan’Andriamanitra, hoe Andriamanitra tsy mahafoy anao any amin’ny helo, milaza ny marina momba ny programany ho aminao, dia hoe : Jesosy irery no anarana ahazoana famonjena, ary Jesosy irery no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Sao dia diso hecitra ianao hoe : an an an, fantatro ihany aloa fa tsy parfait izaho, fa analako kely ilay ohatran’izao an, dia asiasiako morale kely, dia heverinao fa izany no hamonjenao tena : Tsia ry havana o. Fa ilay tenin’ny fahamarinana dia hoe marina tanteraka, milaza ny marina momba anao, milaza ny fitiavan’Andriamanitra anao ary milaza ny programam-pamonjena ho anao, raha mandre ny Baiboly ianao tahaka ny tenin’ny fahamarinana ry havana. Raha mandre ny Baiboly ianao ho tenin’ny fahamarinana dia efa voahaja ny fepetra voalohany anisian’Andriamanitra tombokase anao.
Andao anie averintsika vakiana ny and.13 ahitana ilay fepetra faharoa farany : « Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino». Ilay voalohany hoe : rehefa nandre ny tenin’ny fahamarinana. Ilay faharoa indray dia hoe : rehefa nino. Ireo ry havana, io no olona izay asian’Andriamanitra tombokase. Tsy ampy ilay hoe : raisiko ho marina ny zavatra vakiako ato anaty Baiboly, fa hoe inoako marina io, ary ilay Jesoa ambarany ho marina, tsy fantatro ato an-tsaiko ato fotsiny e, tsy fahalalana ara-tsaina fotsiny no entin’ity Baiboly ity ho ahy fa hoe finoana miteraka fanovana ao amin’ny fiainako. Ce n’est pas la peine ianao manao Sefala, manao Setela, manao Fitela sy ny karazany, mamaky boky sy ny karazany, ce n’est pas la peine, raha ohatra ka hoe izay zavatra vakianao sy ianaranao tsy mitondra transformation ao amin’ny fiainanao ry havana o, lany andro fotsiny ianao. Fa izay ilay finoana takian’ny Soratra Masina, izay ilay fenitra ambaran’ny Soratra Masina, ary ny Apostoly Jakoba taty aoriana dia efa nilaza mazava hoe : ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. Raha ilay finoana mendrika fahalalana ao an-tsaina ry havana no ao aminao, finoana maty izany e. Fa izay izany no ampahatsiahivin’ny Tompo antsika amin’izao maraina izao hoe :
- Raiso ho tenin’ny fahamarinana ity Baiboly ity
- Ary minoa ianao ka meteza ovain’ny teny izay vakianao, dia hanisy tombokase anao Andriamanitra ry havana o amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ao amin’ny Fanahy Masina.
Maro amintsika ato, maro amintsika ato ry havana no efa nasian’Andriamanitra tombokase : deraina Izy, ankalazaina Andriamanitra noho ny fahasoavany amin’ireo olona ireo.
Misy olona ato ry havana tian’Andriamanitra asiana tombokase amin’ny Fanahy Masina amin’izao maraina izao, dia andao isika hiara-hivavaka. Ianao misaora an’Andriamanitra raha efa nasian’Andriamanitra tombokase ; ianao mbola tsy nasian’Andriamanitra tombokase, ho anao izao vavaka izao, ary dia hoe araho moramora eo am-pitoerana eo. Rehefa miteny Pasitera, hivavaka aho izany an, hivavaka isika, dia rehefa avy mivavaka Pasitera, vavaka fanoloran-tena izy ity, vavaka fanoloran-tena ho an’Andriamanitra izy ity. Tsy misy ny vavaka hoe fangatahana tombokase, tsy mi-existe izany ; fa vavaka, vavaka fanoloran-tena dia avy eo Andriamanitra manisy tombokase. Hanao vavaka isika ry havana, aza manao pli vava ianao, fa izay resy lahatra, manaraka, mamerina ny vavaka rehefa mihato Pasitera. Hiara-hivavaka isika ry havana : « Ray Malala ô, Rainay noho ny amin’i Jesoa Kristy, miaiky aho ankehitriny fa mpanota ; ary tsy misy azoko atao hamonjena ahy amin’ny fahotako ; mifona aminao aho noho ny fahotako ; afaho amin’ny rasy fanaoko aho Tompo o, ampio aho hiova Ray Malala ô ; Misaotra noho ny fitiavana nasehonao ahy, raha maty teo amin’ny hazo fijaliana Jesosy Kristy. Ankehitriny dia raisiko ho Tompoko sy Mpamonjiko Izy, mahatoky aho, fa avelany ny heloko ; Azy aho, Azy mandrakizay aho. Amin’ny anaran’i Jesoa, amena ».
Maro amintsika ry havana ankehitriny no nasian’Andriamanitra izany tombokase izany tamin’io minitra izay nivavahantsika io, ka hananantsika rehetra izany tombokase izany hoe : ankehitriny dia voasoratra marina ao amin’ny bokim-piankohonan’Andriamanitra ny anarantsika hananantsika toky marina, voasoratra amin’ny bokin’ny fiainana any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny anarantsika ry havana o. Azo antoka izany. Propriété privée-ny isika ary tia antsika Izy araka ny tenin’i Zakaria teo, amin’ny fitiavana faran’izay saro-piaro, ary miaro antsika Izy e, tahaka ny anakandriamaso, ary dia miaro antsika Izy ry havana, miaro antsika Izy amin’ny devoly izay andrianan’izo tontolo izao mbola andalovantsika. Ary dia izao ry havana o : rahatrizay hiala ety isika dia azo antoka fa hisitraka ny mandrakizay miaraka Aminy.
Misaotra ny Tompo raha afaka niteny ianao hoe : ALEFA BAREA ! ka nisy saina malagasy tety ; tsy omen’ny Tompo tsiny ianao. Fa ankehitriny e, mianara miteny hoe : ALEFA FANAHY MASINA O ! HAMASINO AHO , TANTERAHO AHO, ANAO TANTERAKA AHO.
Amena