Ny filazantsara araka an’i Lioka 9 :57-62 no hakantsika hafatra. Misaotra ny Tompo fa mazava be ny hafatra, ary misaotra ny Tompo fa mahitsy ny hafatra. Ary azo antoka fa hampieritreritra antsika fiangonana monontolo izany hafatra izany ry havana.
Raha fintinina ny hafatra amin’ity toriteny ity, izay efa manohy ny nataontsika hatrany amin’ny louange, 5mn ny Sekoly Alahady, dia hoe : MANAO AHOANA NY FANARAHANAO NY TOMPO ?
Misy 3 lahy manaraka ny Tompo eo, dia ny tantaran’izy 3 lahy no itarafantsika ky fanarahantsika ny Tompo. Ary efa nazava ne hatreto, nazava be tamin’ny toriteny rehetra hafa, fa hoe antsoin’ny Tompo isika hanaraka azy amin’ny fontsika rehetra. Antsoin’ny Tompo isika hanaraka Azy amin’ny fontsika manontolo. Ny fanontaniana ry havana dia izao, hoe : marina aminao ve izany ?
Efa lazainay matetika fa boky vakianay hanomananna toriteny dia misy an’ireny heviteny, toriteny nataon’ny misionera tamin’ny 1900, 1915 ireny ; tena mamy ilay izy satria teny mahitsy sy mivantana. Dia hoy ilay misionera izay, ary izay no indramintsika eto, hoe : SAO DIA IANAO ILAY KRISTIANA « ILA FO »? Izany hoe kristiana tsy manaraka an’i Jesoa amin’ny fony rehetra fa amin’ny ilan’ny fony ihany. SAO DIA KRISTIANA « ILA FO » IANAO ? SAO DIA MPANOMPON’ANDRIAMANITRA « ILA FO » IANAO ? Izy 3 lahy ry havana dia hoe olona, mpino « ila fo ». SAO DIA IANAO IZANY « ILA FO » IZANY, FA TSY TIA, TSY MANOMPO AMIN’NY FO REHETRA, AMIN’NY FO MANONTOLO ?
Lioka 9 : 57-58 : « Ary nony nandroso teny an-dàlana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesoa hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao. Fa hoy Jesoa taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany ».
Hoy ity lehilahy voalohany ity : « Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao ». Tena hoe fatratra ry havana ny tenin’ity lehilahy ity tamin’i Jesoa. Raha olombelona, dia tena hoe, eo am-pihainoana azy, teny tena fatratra izany fahazotoana izany ; tena fatratra izany hafanam-po izany. Asa moa raha misy firy amintsika no mba efa niteny tamin’i Jesoa hoe : « Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao ». Ary voambolana tian’i Jesoa manokana ry havana io hoe hanaraka io. Tsy ny mpino mantsy no manaraka, fa ny mpianatra, ny disciple no manaraka. Ary teny-,na mpianatra io ry havana o. Ary tena hoe tokony ho mamy teo an-tsofin’i Jesoa. Nefa ahoana ny tohin’ilay texte ? « Fa hoy Jesoa taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany ». Raha fatratra tsisy kianina amin’y maha-olombelona ny teny re teo, Jesoa mahafantatra ny toetrantsika ; Jesoa mahafantatra ny ao am-poko lalina ao, ary fantany ny tao am-pon’ity lehilahy ity raha niteny an’izany izy hoe : andeha hanaraka anao aho. Rehefa niteny an’izany anie ity lehilahy, tsy voatery hoe nihatsaravelatsihy, fa mety nahare an’i Jesoa nitory teny izy, naheno ny fahefany izy, nahita ny fahefany izy dia tsapany hoe ity Jesoa ity mitondra fiainana be dia be, fiainana mandrakizay, dia te hanaraka izy, kanefa mpino « ila fo » izy. Satria maninona ry havana ? Ny tena hoe hanomezan’i Jesoa tsiny azy aloa, dia hoe teny atao tsy am-piheverana ; teny atao anaty haitraitra ; io anie araka ny notenenina teo e : nafana fo izy e, tena nazoto izy e ; fa ahoana hoy Jesoa ? Jereo, milaza aminao aho : « Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany ». Tsy mora, lazaiko aminao fa tsy mora izany hoe anaraka Ahy izany, araka ilay teny tamin’ny louange teo hoe Jesoa tsy nanana na inona na inona, araka ilay tena teo hoe tranon’omby no nahaterahany, tranon’omby nindramina ; ny fasana nilevenany, fasana nindramina. Izany io Jesoa tsy nanana n’inon’inona io : « ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany ». Ny dikan’izany dia hoe tsy fantatr’ity lehilahy ity, na tsy voavinavinany tsara ny hoe fahoriana tsy maintsy iaretana amin’ny fanarahana an’i Jesoa. Ny Tompo ry havana o, izay nanendry anareo Diakona, nanendry anareo amin’ny sampana isan-karazany any, no ampaharitra anareo amin’ny 4 taona, tsy hisy latsaka an-dalana, tsy hisy reraka an-dalana, tsy hisy hiverin-dalana anatin’izay 4 taona izay ; fa hiaritra fahoriana ianareo. Izy tsy nanana n’inon’inona, tsy nanana an’izay hoe azy, tsy nanana an’izay hoe any amiko, tsy nanana n’inon’inona ; ary maika koa hoe tsy niaina tao anaty luxe ry havana o. Tsy mety amintsika kristiana izany hoe miaina anaty luxe izany. Saino kely izany manomboka anio ry havana o. Fa ny tena hoe nanakianan’i Jesoa an’ity lehilahy ity ry havana, dia izao : Izy ilay mahafantatra ny fo ary ny itenenana hoe « ila fo », Matio milaza fa mpanora-dalàna ity, ary amin’ny maha mpanora-dalàna azy, dia fantany tsara ny lanjan’ny tenin’i Jesoa, fa izao : tamin’izany fotoana izany, ny mpanora-dalàna no olona nianatra ka nanam-pahaizana indrindra ; ary ilay fahalalany iny, lasa hananany position sociale, hananany voninahitra, ary izay no ananaran’i Jesosy azy eto hoe : sao dia miaraka Amiko ianao, ka hanantena hitombo voninahitra : tsy natao hitomboana voninahitra izany asan’Andriamanitra izany ry havana o. Kristiana « ila fo » izany hoe manompo, manompo, manompo, ahazoana voninahitra, hitomboana amin’ny fahefana. Sao dia kristiana « ila fo » ianao ry havana o, tsy mahazaka fahoriana ? Sao dia kristiana « ila fo » ianao, mbola tsy mahafoy ny luxe misy anao, maniry luxe ? Sao dia kristiana « ila fo » ianao ka mitady voninahitra amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra ? Izay izany ilay voalohany ry havana.
Lioka 9 :59-60 : « Ary hoy Izy tamin'ny anankiray koa: Manaraha Ahy.Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.Fa hoy Jesoa taminy:
Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra ».
Mbola lehilahy ila fo ihany ry havana o, ity lehilahy ity. Mahare ny tenin’i Jesoa izy, maheno izany teny-na privilège hoe ho mpianatra ; averina indray : ilay manaraka, tsy hoe minoa Ahy, fa hoe : avia, meteza ho mpianatro. Izany ilay antson’i Jesoa ry havana o : manaraha Ahy. Dia hoe antony faran’izay logique no avaly an’i Jesoa : eny e, fa aoka aho aloa handevina ny raiko. Teo amin’ny jiosy ry havana, ary ho antsika koa dia zava-dehibe izany mandevina ray aman-dreny izany ; tsy milaza mihitsy Jesoa hoe aza mandevina ray aman-dreny ; fa teo amin’ny jiosy, izany hoe fandevenana ray aman-dreny izany dia tena zava-dehibe, ary satria zava-dehibe izany hoe fandevenana ray aman-dreny izany, dia hoe ny adidy rehetra any am-piangonana, dia avela, ny adidy any amin’ny synagoga dia avela. Avela ny hoe fandehanana mianatra Soratra Masina, avela ny hoe fanompoana any amin’ny tempoly, azo tsy atao ary ilay hoe sorona, ilay fanatitra tokony atao amin’ny andron’ny Paska etc… Ampandeferina daholo izany zavatra rehetra izany satria zava-dehibe izany hoe mandevina ray aman-dreny izany. Eo anatrehan’izany dia manitsy antsika i Jesoa : raha hanaraka Azy isika, dia efa mampilaza izy hoe : raha hanaraka Ahy ianao, Izaho tsy mila disciple ila fo. Inona moa no dikan’izany ? Fantatro hoy Izy fa zava-dehibe izany hoe maty ray, maty reny izany, fa raha toa hoy izy ka mifanindry amin’ny fitoriana ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, raha mifanindry amin’ny adidy fitoriana ny fiainana mandrakizay, raha rmifanindry amin’ny adidy fitoriana fiainana be dia be, avelao any izany fandevenana ray izany. Raha hoe mifanontona amin’ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra izany hoe fandevenana ray izany, ampandefero. Fa ny mpino ila fo no antsoina hoe maty ara-panahy ry havana o : maty eo amin’ny fahotana, maty eo amin’ny fahadisoana ary tsy manana fahazavan-tsaina, tsy manana discernement spirituel mikasika ny sitrapon’i Jesoa amin’ny fanarahana Azy. Miantso anao, miantso anao ny Tompo ry havana o, miantso anao ny Tompo hoe : araho Izy ary asehoy fa raisinao marina ho Tomponao Izy ary ekena tsy misy fepetra Izy n’inon’inona sehon-javatra. Ary hoy ilay mpitoriteny iray izay hoe : ny olona mampandefitra ny fandevenana ny ray aman-dreniny noho ny fitoriana ny filazantsara, raha mifanontona ireo adidy roa ireo, dia mahafantatra hoe fitoriana fiainana manana priorité amin’ny fombafomba manodidina ny fahafatesana ; ny fitoriana ny fiainana ao amin’i Jesoa sy ny fanjakany, manana priorité amin’izay adidy eo amin’ny fiaraha-monina amin’ny fahafatesana. Mampandinin-tena anao ary ny Tompo ry havana o : sao dia kristiana ila fo ianao e ? Raha ianao ve, raha ianao no antsoina ho amina tafika masina, antsoina ho amina asa fitoriana filazantsara manombok’izao ka hoe maty ny rainao ; asa fitoriana filazantsara : hanaraka ny tenin’i Jesoa ve ianao ary hiteny amin’ny rahalahinao, hiteny amin’ny havanao hoe izaho ry ireto an, mba tsofy rano, fa misy tafika masina miandry ahy any, tsy afaka ny handevina aho. Izany, izany io, izany ny finoan’ny disciple takiana amintsika ; izany ny finoan’ny disciple mampiditra any an-danitra ; sy finoan’ny mpino, na ny disciple ila fo ry havana o.
Lioka 9 :61-62 : « Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko. Fa hoy Jesoa taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ».
« Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika» : ilay hoe miherika dia hoe mitodika any aoriana. Izany hoe mpino ila fo izany, dia mpino tsy mendrika izany ry havana : tsy mendrika an’i Jesoa ary tsy mendrika hiditra any an-danitra.
Ny fialan-tsinin’ity lehilahy anankiray ity koa, ohatran’ilay lehilahy faharoa teo, dia hoe faran’izay logique. Mandre an’ilay antso volamena izy hoe manaraha Ahy dia miteny hoe hanaraka anao aho ; fa manao valin-teny na mpino ila fo ry havana ilay manao hoe : « aoka aho aloa handeha hanao veloma ny ao an-tranoko ».
Ny an’ilay lehilahy voalohany, tsy fahatakarana an’ilay fahoriana sy filam-boninahitra ; izay no maha-kristiana ila fo azy. Ny an’ilay lehilahy faharoa, ilay hoe tsy fahafoizana ny adidy amin’ny ankohonana no maha-lehilahy ila fo azy. Ity indray, ilay tsy fahafoizana tsotra izao na hoe fampandeferana an’i Jesoa no maha-lehilahy ila fo azy. Fa maninonq Jesoa no milaza hoe an an an, rehefa hanaraka Ahy dia andao fa aza miherikerika izany, aza miverin-dalana izany ? Ilay hoe mandeha manao veloma ny ao an-tranonao dia hoe miherika miverin-dalana izany ; rehefa manao veloma ny ao an-tranonao fa hoe handeha ho any an-dafy, handeha hanao tafika masina, handeha hanao an’izao, dia hoe : miverin-dalana izany ? Eny ry havana, ny kristiana ila fo no manao ohatran’ity lehilahy ity, fa nahoana ? Hoe nanolo-tena izy, saingy ao am-pony ao, mbola misy fisalasalana miafina ; nanolo-tena izy, fa ao am-pony ao mbola misy fandavana tavela. Ka rehefa tontaliana ilay fisalasalana sy ilay fandavana, dia io no fisehony : hanaraka anao aho, fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko. Fa maninona izy no mampandefitra ? Jesoa efa dodona. Fa maninona izy no atao hoe mampandefitra ? Jesoa efa maika. Raha ohatra ianao hanao veloma any an-trano any, izaho efa miainga hoy Jesoa ; tsy hiara-dia isika, tsy hiara-dalana isika, ary mety tsy ho tratranao intsony aho raha mbola hoe hanao veloma any an-trano ianao. Fa ny tena hoe tian’i Jesoa ialana ry havana, amin’ilay hoe fanaovana veloma ao an-trano dia hoe : ny fon’olombelona fon’olombelona ihany ka sao dia hoe hihetsika be loatra eo ny fihetsem-ponao dia tsy ahafoy indray ny havanao ianao e. Izany no dikan’io hoe an an an, kristiana ila fo ianao raha miherika hoe mbola hanao veloma ry havana o. Mitaratra tsy fahavononana izany rehefa tena zohina. Ary hoe tsy tian’i Jesoa aho hoe eny am-pandehanana ity olona ity, ity mpianatra manaraka azy ity, satria hoe eo ilay asa, tanterahina ilay asa, fa ny saina sy ny fo malahelo ny any an-trano, ny saina sy ny fo malahelo ny havana nilaozana ry havana o. Ary hoy ilay mpitoriteny anankiray hoe tena hoe zava-doza koa hoy izy, amin’ilay hoe mandao ny ao an-trano, ary tena réalité izany, dia ilay hoe : rehefa mifandinika amin’ilay havanao io ianao, dia hoe : « inona marina moa no tena andehananao any e ? Sûr ve ianao fa voaantso e ? Azo atao ange ny manompo ny Tompo na tsy manaraka Azy ohatran’izany, na tsy disciple aza e ! Ianao ve tsy efa mino e ! ». Izay ilay tian’i Jesoa ialana ry havana o.
Miresaka ny Ecole des Disciples, misaotra ny Tompo ny amin’ny fisian’io, hifonana ny tsy fahatanterahana, fa herintaona tao anatin’ny fikarohana izahay telo lahy, izao vao tena hita hita hoe izao no hitondrana azy. Ary isaorana ny Tompo ry havana izany, sekoly volamena io. Fa misy olona ry havana, misy vehivavy vitsivitsy ni-abandonne. Satria naninona ? Vehivavy, tsy iray, tsy roa an, vehivavy vitsivitsy ni-abandonne satria tsy avelan’ilay lehilahy vadiny, tsy avelan’ilay vadiny mankao. Satria tsy zakanay lehilahy izany hoe vehivavy vadinay izany ka zokinay ara-panahy e ; tsy mety aminay izany, tsy zakan’ny ambom-ponay izany. Ary dia izay ity hoe manao veloma ny ao an-trano. Hoy Jesoa hoe : sao dia sakanan’ny ao an-tranonao ianao, sao dia io no ibahana ao am-ponao ka tena hoe mpianatra mpanaraka Ahy, fa mpanaraka ahy ila fo ianao ?
Ry havana o, isika rehetra, ary izaho ny efa nandinin-tena voalohany tamin’izao teny izao : sao dia Fiangonana ila fo isika mianakavy ? Tia antsika ny Tompo ary manao teny mahitsy ohatran’izany , teny mivantana ry havana o. Ary sambatra isika raha voadona, sambatra isika raha voatsindrona tam-po ; fa ny tian’ny Tompo amin’izao andron’ny karemy izao, dia handinin-tena isika ny amin’ny fanarahantsika Azy. Ny 40 andron’ny karemy ry havana, dia hoe andro, fotoana handinihantsika tena, handinihantsika aloa ny amin’izay hoe niaretan’i Jesoa ho antsika ry havana o.Izany io karemy io ary hanampy amin’ilay fandinihan-tena dia misy Fiangonana, tsy hita izay maharatsy an’izany, ary tokony atao izany, ny hoe mampiaraka an’izany amin’ny fotoam-bavaka sy fifadian-kanina.
Izao no hafatra ho antsika Fiangonana ry havana, ary nahafinaritra ilay hira « Tel que je suis » teo ; hoy ilay hira « Tel que je suis » teo : « Ton cœur est prêt à prendre mon cœur tel qu’il est ». Io Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana io, ny fon’io Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana io dia efa natolony manontolo ho anao izay antsoiny hanaraka Azy. Ary hitany aho, hitany ianao ila fo e : Il est prêt à prendre ton cœur tel qu’il est. Fa ianao no mamita-tena, ianao no mandainga amin’ny Tompo raha miteny hoe tsy izaho izany ila fo izany fa izaho izao, izaho izao, izaho izao. Mamita-tena ianao ry havana o, ary tsy idiranao any an-danitra izany. Fa te handray ny fonao Izy , te handinika sy hizaha ny fonao Izy ary te hanongotra ao izay hoe firaiketam-po tsy tokony iraketan’ny fonao mba ho tena hoe ambony indrindra, manana ny toerana voalohany ary tsy ampandeferanao intsony Jesoa.
Ho aminareo ny fahasoavany. Amena