« Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana) ». Efesiana 5 :8-9
Mandehana ao amin’ny mazava, na araka ny maha-zanaky ny mazava anareo, fa izany fahazavana izany dia ny fahazavan’ny Tompontsika.
Raha atao dikanteny mivantana ny and.8 avy amin’ny teny fototra dia hoe : fa aizina ianareo fahiny, ténèbre ianareo fahiny ; tsy obscurité, fa ténèbre ianareo fahiny, fa efa fahazavana, lumière ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny.Noho izany dia lazainy hoe mifohaza avy amin’izany ténèbre izany, fa Kristy no tonga fahazavana ao aminao, hampamirapiratra anao ; koa noho izany, mandehana amin’izany fahazavana izany. Ny asan’ny mazava dia ny mandresy ny fahamaizinana. Hita amin’ny epistilin’ny Apostoly Paoly rehetra izany foto-kevitra izany. Resahin’i Paoly ny amin’i Kristy fahazavana, izay manazava izao tontolo izao amin’ny fahamaizinana misy azy, ary koa mampahazava ny mino mba hiainany amin’ny fahazavana mahagaga. Faharoa resahin’i Paoly koa ny amin’ny zanaky ny mazava sy ny fiainan’ireo zanaky ny mazava ireo eto amin’izao tontolo izao. Resahiny fahatelo amin’izany ny amin’ny fiadian’ny mazava izay entin’ny fiangonana mandresy ny asan’ny maizina eto amin’izao fiainana izao.
Singa iray amin’izay antsoin’i Paoly hoe fiadian’ny mazava no ho jerentsika dia ny mandeha amin’ny hatsaram-panahy, ny rariny sy ny hitsiny (justice), ary ny fahamarinana (la vérité), araka ny Efesiana 5 :8-9.
Foto-pampianarana lehibe ao amin’ny soratry ny Apostoly Paoly izany hoe fiadian’ny mazava izany, izay lazainy koa ao amin’ny Romana 13 :12b-13a :« koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro ». Tamin’ny fotoana maro, varimbariana ny fiangonana ka tsy nandinika an’izany,kanefa mazava be ny soratry ny Apostoly Paoly ny amin’izany hoe fiadian’ny mazava izany. Marihina tsara amin’ozany fa ny fiadiana resahin’ny Apostoly Paoly eto dia fiadiana entina mandeha. Entina miroso manafika, fa tsy fiadiana entina mifahatra, toa izay lazainy ao amin’ny Efesiana 6 :10-18. Fa ny fiadiana resahiny ao amin’ny Efesiana 6 dia fiadiana défensives, ka ilazany hoe : « Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra ». Fiadiana fiarovan-tena izany. Fa ny laaaina eto kosa dia fiadiana fanafihana, offensives. Ary hoy izy : Mandehana.
Mandehana hoy izy, fa zanaky ny mazava ianao, mitondrà ireto fiadian’ny mazava ireto amin’ny fiainanao andavan’andro, dia ny hatsaram-panahy (bonté) hiadianao amin’ny haratsiam-panahy izay manenika ny tany, dia fankahalana, fialonana, fitsiriritana, fandrafiana, fofo aina. Ireo dia toetra ratsy avy amin’ny ténèbres, mamotika ny fiainan’ny olona tsirairay sy ny fiaraja-monina manontolo. Ireo dia toetra ratsy tsymba ianarana fa hay ho azy satria efa nolovaina tamin’ny fahotana fototra, dia ny fikomiana amin’Andriamanitra izany.
Raha vakiana ny Matio 12, ny contexte niainana dia ny haratsiam-panahin’ny olona izay tsy mahazaka ny asan’ny zanak’Andriamanitra, ilay mazava, izay mitondra fanasitranana, manome fiainana ka fofoiny ho faty. Mahavariana fa ao anivon’ny synagoga, ao anivon’ny tempoly no misy an’izany ténèbre manao fofo aina izany. Ny mino, ny fiangonana manontolo dia ilazan’ny Apostoly Paoly hoe mandehana ; fa ny fiangonan’i Kristy izay nomeny ny mazava dia tsy fiangonana mitoby ka mitakoko, na mitangorona amin’ny toerana iray, miandry ny ihavian’ny tompony, fa fiangonana mandeha : c’est une église en marche. Mandeha erak’izao tontolo izao ka mitsena ny fiavian’ny mpanjakany amin-kery sy ny voninahitra. Mandehana. Mandeha ny fiangonana mitondra ny vokatry ny mazava araka ny lazain’i Jesoa ao amin’ny Lioka 10 :3 hoe :« Mandehana;indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia ». Ary Matio 10 :16 dia manao hoe : « Indro,
Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia*; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà** tahaka ny voromailala. Ny zava-dehibe mahaliana sy tsara ankalazana ny Tompo eto doa izao : mandresy ilay zanak’ondry. Asa raha mieritreritra an’izay ianao : mandresy ireo ambodia manodidina azy ilay zanak’ondry. Nahoana ? Satria tsy ny ahi-adin’ny ondry na ny ahi-adin’ny ambodia no entiny miady, fa ny fahendrena sy ny fahamoràna. Ireo no fiadian’ny mazava. Singa iray ihany izany. Tsy ireo ihany no fiadian’ny mazava.
Namaky ny Salamo 66 :8-12 isika ary hita ao ny adin’ny olon’Andriamanitra eto amin’izal tontolo izao, misedra fizahan-toetra mahamay : fandrika, loza, kanefa hoy izy, tsy avelan’ny Tompo hangozohozo ny tongony fa nitondra azy nivoaka amin’ny fitahiana mahatretrika Izy. Fiadian’ny mazava izany : fiadiana miavaka ao in’ny Tompo. Ny vokatry ny mazava koa, izay ho entinao miatrika ny amboadia maro izay mifanehitra aminao eo amin’ny fiaraha-monina, eoamin’ny toeram-piasana, toeram-pianarana, any amin’ny sehatra samihafa na ara-politika na ara-toe-karena dia ny hatsaram-panahymiseho ampisianao ny rariny sy ny hitsiny (justice) eto amin’izao tontolo izao. Fa tsy misaraka ny bonté sy ny justice. Ny zanaky ny mazava dia mabdeha araka ny rariny sy ny hitsiny ; tsy hoe mitaky izany ihany, fa mampisy izany indrindra koa. Raha miresaka ny rariny sy ny hitsiny anatin’ny hatsaram-panahyny Apostoly Paoly sy ny Soratra Masina manontolo, dia manondro nny fanekem-pihavanana izay naorin’i Jehovah tamin’ny Isiraely olony araka ny fahasoavana. Ny hilazany izany dia hoe « Tsedaqah », justice na hoe rariny. Izany Tsedaqah izany dia iainan’ny olon’Andriamanitra ao amin’ny fanekem-pahasoavana sady fanekem-pihavanana, ka mahatonga ny olona ho marina, « Tsedeq » eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy araka ny hahelan’ny soratra anefa fa araka ny planin’Andriamanitra izay miasa ao aminy. Amin’izany, ny rariny sy ny hitsiny izay iainany dia kendrena fanatsaràna, fanasitranana ny fiainan’ny fiaraha-monina. Tsy fitakiana ny ho an’ny tena no zava-dehibe fanomezan fahafahana, fampaherezana, fitahiana ho an’ny ampahoriana sy ny verezin-jo.
Misy ohatra iray an’ity Tsedaqah, fiainan’ny olon’Andriamanitra ity izay voalaza ao amin’ny Deoteronomia 24 :10-13 :« Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.Mijanona eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka, fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana (Tsedaqah) ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao izany ».Aza miditra ao an-tranony hifidy izay ho ataonao ho antoka, fa izay entiny eo raisina. Raha lambany izany, aza hitafianao mandritra ny alina, fa rapitso maraina raisinao. Izay ny rariny sy ny hitsiny. Koa ho an’ny olon’ny fanekem-pihavanana, ny fandehanana amin’ny rariny sy ny hitsiny dia tsy ho fanindritsidriana ny ory sy ny malahelo eo amin’ny fiaraha-monina na inona na inona fahefana anananao, fa fiarovana ny fifanandratana. Moa tsy efa tazan’i Isaia, ao amin’ny Isaia 42 izay hampitain’i Matio 12 antsika ?Ny rariny sy ny hitsiny dia mihoatra noho izay takian’ny fanjakana na ny dinan’ny fiaraha-monina, fa fahamarinan’ny olona amin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay nifidy anaoho zanaky ny fanjakany mandrakizay,mandrakizay.
Ny fiadian’ny mazava izay mbola lazain’i Paoly amintsika dia ny marina, la vérité. Izany hoe zava-misy marina, ka ahariharin’ny mazava izany araka ny lazain’i Paoly Apostoly fa raha iantefan’ny mazava ny zavatra anankiray dia ho hita izy. Ny zanaky ny mazava dia mandeha amin’ny marina fa tsy amin’ny sandoka na fitaka na lainga. Ary izay rehetra ataony dia maneho izany marina izany avokoa. Noho izany dia ampifandraisin’ny Soratra Masina mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny, sy ny marina. Ary izany no antoka isian’ny fitsaràna marina, na ny lazain’ny Testamenta Taloha hoe « Mishpat ». Mbola fiainan’ny olon’ny fanekem-pihavanana koa izany. Ny mandeha araka ny zanaky ny mazava izany dia mitsara araka ny marina ; tsy ny mpitsara any amin’ny tribonaly ihany, fa isika rehetra, manao fitsaràna laro samihafa, dia mitsara araka ny marina, tsy manaiky hotarihin’ny hetsi-po, ny tahotra, ny filàna, ny avonavona na fireharehana ; fa tarihin’ny fanahin’Andriamanitra ka manana ny atao hoe intelligence emotionnelle na hakingan’ny hetsi-po. Ka amin’izany, tsy hotarihin’ireo hetsi-po diso lalana ireo ka hirona amin’ny fitsaràna mivilana, na fanamalehona tsy mari-pototra, ho voafandriky ny kolikoly, ny fahalovàna izay mampisy ny tsy maty manota.
Fa ny justice dia loharanom-pahasoavana izay hanamasinan’Andriamanitra antsika ao amin’i Kristy Jesoa. Ry havana, fanekena vaovao ao amin’ny fahazavan’i Kristy no efa naorin’Andriamanitra ho antsika amin’ny fahasoavana, araka ny efa nividianan’i Kristy antsika tamin’ny ràny mba ho zanaky ny mazava. Hoy ny Apostoly Paoly : « aizina ianareo fahiny fa efa fahazavana ao amin’i Kristy kosa ankehitriny ; mandehana araka ny maha-zanaky ny mazava ».