« Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalona; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa. » Matio 9 :16-17
Misy teny miverina in-droa eo ry havana, dia ny hoe : « triatra ». RESAKA TRIATRA
Ohatra roa no ampiasain’i Jesoa amin’ity resaka triatra ity. Ny voalohany dia resaka lamba, lamba na akanjo ; akanjo efa antitra, efa malemy ilay lamba, ohatran’ireny akanjontsika rapa ireny an, dia hakana lamba vaovao atampina azy. Dia hoy Jesoa : tsy mety izany e. Tsy mety ny maka lamba tonta dia atampina amin’ny lamba vaovao mbola tsy voalona, fa triatra io. Izay ilay ohatra anankiray. Ny ohatra faharoa indray, dia hoe amin’ilay siny fasian’ny jiosy divay, siny hoditra osa izy io, dia hoe, amin’ny maha-hoditra azy koa dia arakaraky ny fahanterany dia mihasimba ilay izy. Ary rehefa izy antitra iny no asiana divay vaovao, dia ny filazan’ny mpandinika hoe, ilay divay rehefa mihotrika ao, dia mihamahery, mandroatra, dia mandoaka an’ilay siny hoditra, dia vaky ilay siny, very ilay divay, triatra ilay siny hoditra.
Misy lamba eto izany, triatra ; misy siny eto izany, triatra. Na ilay lamba ry havana, na ilay siny, dia sarintsika mpino. SAO DIA MPINO TRIATRA IANAO ?
Raha ilay sarin’ilay lamba no resahina, ilay izy, ilay lamba aty ivelany : SAO DIA HOE MBA MITAFY AN’I KRISTY IHANY IANAO FA TRIATRA ILAY FITAFIANA, TRIATRA KRISTY EO AMINAO ? Sady tsy hanisy endrika ny fiainanao, ny fiainanao ara-panahy izany, no fijoroana vavolombelona ratsy, hoe triatra ivelany. Fa ilay divay indray, zavatra sotroina any anaty any, dia hoe, milaza hoe iny divay iny tokony hoe hitondra fifaliana mahery vaika ho anao. Izany ilay divay mahery, tokony hitondra fifaliana mahery vaika ho anao ; satria triatra ilay sinin’ny fiainanao, dia tsy mahita fifaliana izany ianao. RESAKA TRIATRA.
Tsy manontany anao ny Tompo amin’izao maraina izao, iza ianao : Pasitera ve ianao, mpiandry ve ianao, diakona ve ianao, mpandray ny fanasan’ny Tompo ve ianao ? Fa hoe, sanatria an’izany, sao dia triatra ianao ?
Andeha ary hojerentsika ilay ohatra voalohany. And. 16 : « Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalona; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra ». Inona ary ry havana no ao an-tsain’i Jesoa raha miresaka an’ity hoe lamba tonta ity Izy ? Dia avy eo jerentsika hoe inona ary ilay lamba vaovao. Ilay lamba tonta aloa tamin’ny andron’i Jesoa dia tena faran’izay mazava be : io ilay fampianaran’ny raby, fampianaran’ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ; ilay fampianarana jiosy efa lany andro ka tokony asolo ny fampianaran’ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra, hahasoa azy tanteraka. Tsy hoe tampitampenana kely, hoe tazomina ny an’ny jiosy ohatran’izao dia ampiana filazantsara kely, non ; iny, avalona, asolo ny fampianarana vaovao, lamba vaovaon’ny filazantsara. Mazava be izay tamin’ny andron’i Jesoa ry havana.
Fa ho antsika kristiana malagasy kosa aza, inona no mety hoe lamba tonta tian’i Jesoa hoe ho solointsika izany e? Ary hoe ho soloina ilay izy fa tsy hoe tampenana amin’ny lamba vaovaon’ny filazantsara.
- Voalohany dia voalohany indrindra ry havana, satria kristiana malagasy isika, dia ilay hoe lamba tontan’ny fahendrena nentin-drazana, ilay lamba tontan’ny fanaon-drazana izay pentin’ny fanompoan-tsampy sy ny fahotana. Ary iny matetika, ary mbola maro, gaga ianao, mbola maro ry havana no mitana an’ilay kolontsaina malagasy miaro fanompoan-tsampy, fa iny no hoe ampiany an’ilay fampianaran’ny filazantsara. Lamba tonta atampina amin’ny lamba vaovaon’ny filazantsara. Gaga ianao ry havana, rehefa mba mandeha amin’ireny hoe sakafo mariazy sy ny karazany, mifanerasera amin’ny olona, mihaino ny resaky ny olona eo amin’ny latabatra manodidina anao eo, tena mbola maro e, ny kristiana mandala an’ilay hoe kolontsaina efa hita izao fa misy fanompoan-tsampy an, dia ampiana filazantsara kely. Eo koa ilay olona indray, mbola tena mpandala an’ilay hoe fampianarana moralin’izao tontolo izao, ny famaritana an’izao tontolo izao dia hoe izao tontolo izao tsy manome toerana an’Andriamanitra. Izany no mahatongaan’io homosexualité sns io, adoption pour tous sy ny karazany, mariage pour tous io ry havana. Izay ilay moralin’izao tontolo izao, etc…
- Fa ilay lamba tonta anankiray ary tena faran’izay matevina ry havana, dia ilay lamba tontan’ny opinion personnelle-tsika tsirairay. Ny atao hoe opinion personnelle : « ny hevitro », « ny fahitako azy », « ny ahy indray izao », « izao no mety amiko » ; lamba tonta izany, lamba tonta hoy Jesoa izany, tokony esorina.
Ka ilay problema dia izao : ilay tsy mety ange hoy Jesoa dia ianao manana an’izany lamba tonta izany, ireo moa izany no tena hoe tsiahivina amin’izao fotoana izao ; fa dia hoe asianao, tampenanao ilay lamba vao mbola tsy milona. Inona ilay lamba vao tsy milona ? an an an, asianao Jesoa kely ilay fiainanao. Mampatsiahy an’ireny rehefa misakafo any an’anona any, rehefa hoe hanomboka an’ilay fety-na mariazy dia hoe : « asio vavaka kely eo Pasitera aloa an, asio vavaka kely ». Ohatran’izany koa ilay olona, hoe manampina amin’ny lamba vao mbola tsy milona, ilay hoe : « an an an, izaho indray Pasitera, izaho tsy dia pratiquant aloa, izaho tsy dia mba hitanao any am-piangonana, fa izaho indray, izany Alahady fandraisana voalohan’ny volana izany, tsy mi-rate mihitsy aho ». Izay ilay lamba tonta ry havana o, atampina lamba vaovao. « Eny e, izahay indray tsy dia hita any am-piangonana aloa, fa ireo zanako ananky telo kely ireo, efa vita batisa daholo ireo », « marina aloa fa izahay mivady tsy afaka mitondra azy e, any am-piangonana rehefa Alahady maraina dia mbola tsy tanteraka ilay hoe manao izay hahantonga azy ho mpianatra Sekoly Alahady » ; izany ry havana ilay fisainan’ny olona manana lamba tonta atampina amin’ny lamba vao. Etc… « Izaho Pasitera tsy dia miangona an, fa faly kosa aho rehefa mba mandeha mariazy, faly kosa aho rehefa mandeha fandevenana, mahare tenin’Andriamanitra dia mampieritreritra sy mampahery » : lamba tonta atampina lamba vaovao. Hoy Pasitera Rakotonirainy Jhonson, nanoratra hevi-teny volamena momba an’ity filazantsara ity : izao hoy izy : raha izaho ianao, rehefa hoe jentilisa fiainana sy jentilisa fisainana, mijanona ho jentilisa. Fa aza aroaroana filazantsara ny fiainanao. Eny e, raha jentilisa ianao mitafy an’ilay lamba tonta ilay maha-jentilisa, ho simba, ho simba, ho simba anie no iafaran’iny. Fa ny problema hoy Pasitera dia hoe raha atambatrao amin’ilay lamba vaon’ny filazantsara iny, vetivety iny dia ho triatra ary hitatra ny triatra, hitatra malaky ilay triatra, ka aleo tsy manakambana azy ireo. Fa nahoana ? Fa nahoana no hoe malaky triatra ? Manao ahoana ilay hoe hitatra ilay triatra ? Satria ianao, ny fiainanao hifandrohitan’ny devoly sy ny anjely, fiainanao hifandrohitan’ny devoly sy ny Fanahy Masina, dia ho triatra ary hitatra izany hoe triatra izany. Ry havana o, miteny aminao ny Tompo : mandiniha tena ianao sao dia ianao io hoe triatra fitafy io. Sao dia ianao io triatra fitafy io : mba manana an’i Jesoa ihany fa tsy manana an’i Jesoa manontolo, fa manana sombintsombina Jesoa, toa ny lamba vaovao mbola tsy voalona atampinao an’ilay lamba tontan’ny fiainanao ? Triatra ianao ary hitatra izany triatra izany. Ary ny fisehon’ilay hoe hitatra ilay triatra, hanalavitra, hanalavitra, hanalavitra an’Andriamanitra ianao ry havana o. Hiha-misaraka amin’Andriamanitra.
Misaotra an’Andriamanitra ny amin’ny ohatra tsara be omen’ny Soratra Masina antsika omaly, ny amin’izany lehilahy efa tena nanala izany akanjo tonta izany, dia tsy iza izany fa i Zakaiosy ry havana. Zakaiosy io, lehilahy hoe nataon’i Jesoa ho anton-diany nankany Jeriko. Hanavotra an’iza ? Hanavotra olona iray, nakany Jeriko i Jesoa ry havana o. Ary Zakaiosy rehefa nifanena tamin’i Jesoa ry havana, dia niteny hoe « ny antsasaky ny fananako dia omeko ny malahelo, ary raha misy zavatra nalaiko tamin’ny fisolokiana, na tamin’ny fanambakana, dia avotako avo efatra heny ». Ary tena nisoloky, nanambaka Zakaiosy ry havana o ; ary nanam-bola izy an. Ny mpamory hetra rehetra nanam-bola, fa rehefa mijery ny Lioka 19 ianareo, dia jereo fa tsy mpamory hetra izy fa chef-ny mpamory hetra. Ary tena nanam-bola tsy toko tsy foroana ; fa ny olona eo amin’izao tontolo izao ry havana, ary ny kristiana sasany, arakaraky ny hananana vola tsy toko tsy foroana, vao maika izy mahihitra, vao maika izy mahihitra ho an’ny asan’Andriamanitra. Izay ilay olona hoe manana lamba tontan’ny fitiavam-bola, asiana lamba vaovao mbola tsy nilona, ary dia tsy mahasoa izany.
Izay ny fahamarinana voalohany : Diniho ny fitafianao, sao dia triatra izany fitafianao izany : mitafy an’i Jesoa sy ny hamarinany, mitafy an’i Jesoa sy ny hatsarany, nefa triatra, tsy mahasoa anao izany.
Faharoa izany, eo amin’ny and. 17 ry havana. Hoy ny Tompo hoe : « Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa ».
Ilay lamba izany an, any ivelany ; ity divay ity indray izany an, miditra ao amin’ilay mpino. Divay no ampiasain’i Jesoa anaovana fanoharana. Ao amin’ny Baiboly, ary ao amin’ny boky maro, ao amin’ny toko maro ao amin’ny Baiboly, ny divay dia manambara ny fahatezeran’Andriamanitra. Fa eto ry havana, ny divay indray dia hoe manambara fifaliana mahery vaika, manambara fifaliana lalina. Ary dia izay no lazain’i Jesoa : misy olona hoy Izy, mba hoe misy an’ily divay vaovao, ilay divay mahery vaika io, nefa siny hoditra efa tonta no andraisany azy, dia vaky ilay siny, triatra ilay siny, simba ilay siny ary fanampin’izany, hoe very fotsiny ilay divay mahery izany. Ilay fanontaniana ry havana, dia hoe : inona indray ary ity hoe siny hoditra fitehirizana divay ity ? Tsotra ry havana io hoe siny hoditra resahin’i Jesoa io. Tsy inona io ry havana o, tsy inona io fa ny foko, ny fonao olombelonao, ny fonao efa simban’ny fahotana, efa simban’ny divay elan’ny fahotana, fo efa zatra fahotana ka azo lazaina hoe maty : maty fo, maty eritreritra. Izany io siny hoditra ho vaky io, raha asiana ilay divay vaovaon’ny fanjakan’ny lanitra ry havana.
Rehefa nojerena ny tantaran’ny jiosy, ny tantaran’i Isiraely eto ry havana, dia tena hoe tonga tokoa Jesoa nitondra an’io divay vaovao io, io divay mahery io. Mahery ilay izy satria arakaraky ny hihotrehany dia mihamahery hono, mihamahery ilay izy satria arakaraky ny hihotrehany dia mandroatra dia mihinana an’ilay hoditra izany. Mitondra an’io divay mahery io Izy, dia mbola Pasitera Rakotonirainy ihany no mitantara hoe : ireto jiosy ireto niaraka tamin’ilay sinin’ny fony feno fahotana, dia lasa mamo, mamon’izany divay vaovao izany, hany ka nanao zava-doza izy. Inona no noteneniny izy mamo sy nanao zava-doza ? Niteny hoe : homboy, homboy, homboy ! Sanatria an’izany, misy mpandray ny fanasan’ny Tompo ve eto ry havana, mpandray ny fanasan’ny Tompo anarana nefa ny fony mbola ilay siny tonta feno fahotana, ka mankalaza an’Andriamanitra, manompo an’Andriamanitra aza, nefa ny toe-po , ny toe-tsaina, ny toe-panahy dia toe-pon’ny olona mamo tahaka ny an’ireto jiosy ireto ka manao anakampo hoe : homboy, homboy, homboy ?
Nampisotroana ry havana ireto jiosy ireto ary fampieritreretana ho antsika izany ; nampisotroana ireto jiosy ireto, izany hoe divain’ny filazantsaran’i Jesoa izany, nampisotroana an’izany ho divay hitondra fifalian’ny lanitra izany. Kanefa izao : satria ratsy ny fony, tsy nety nandray izy, fa nihanjonanjona, niavonavona, dia inona ny zavatra nitranga ? Nanjary hoe lotika ny fony, lotika ny fon’ireto jiosy ireto ry havana o. Ka ilay divay io, ilay divay io izay hoe niseho tamin’ny alalan’ny famantarana isan-karazany, tamin’ny alalan’ny fampianarana feno fahendrena sy feno fahefana ; io divay vaovao io izay niseho tamin’ny alalan’ny fanasitranana mahagaga, io divay vaovao io izay niseho tamin’ny fandroahana demonia sy ny fanafahana olona maro avy tamin’ny fanahy maloto, io divay vaovao io lasa nivadika ho famonoana teo amin’ny hazo fijaliana. Inona no vokatr’izany ary fampieritreretana antsika e, izay mbola hoe mianjona, miavona, mihifikifi-doha eo anatrehan’ny Tompo ? Fampieritreretana ho antsika ry havana : vaky ny sinin’ny jiosy, vaky, araka ny tenin’i Jesoa, ilay sinin’ny jiosy ; levona niaraka tamin’izay ny firenena jiosy ary rava ny tempoly. Ny olona mihifikifi-doha tsy mety mandray an’ilay siny vaovao atolotr’i Jesoa ry havana, fa miavona, mihevi-tena ho efa tanteraka, sarotra anarina, sarotra tenenina, dia izany no miandry azy : fahavakian’ny siny, fahalevonan’ny fiainana ary faharavan’ny fiainana.
Mampieritreritra antsika ry havana o, mampieritreritra antsika ny Tompo amin’izao maraina izao : tia antsika Izy ary tsy tiany isika ho izany hoe siny manana fo vaky ary very divay izany. Ilay divay angaha moa very, very ho anao ilay izy, fa angaha moa very ; fa ianao no maty antoka manana an’izany siny tonta mora vaky izany. Handray ny fanasan’ny Tompo isika rehefa avy eo ry havana o, handray ny fanasan’ny Tompo isika, dia hoy ny Tompo aminao mpandray ny fanasan’ny Tompo amin’izao maraina izao : aoka izay, aoka izay io divay elan’ny fahotana mahazatra anao io, aoka izay io divay elan’ny fahotana mahatonga anao hiodina amin’Andriamanitra sy hanohitra ny teniny io. Aoka izay io hoy Izy e ! Aoka izy io amin’izao maraina izao, fa hoe, ny Tompo ry havana, amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, omban’ny Fanahy Masina, te hanome anao an’izany divay mahery vaika izany, dia ilay fifaliana mahery vaika avy any an-danitra, hampifaly ny fanahinao, hampitoetra anao ao anatin’ilay fiadanana izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra e. Misy ve ato, olona mety ny fiainany, satria manana position sociale ohatran’izao, manana vola sy harena ohatran’izao nefa rehefa jerena, diny hoditra tonta, tontan’ny fahotana efa mahazatra hatramin’ny ela ?
Manome anao fotoana, manome antsika fotoana handinihina tena ny Tompo amin’izao maraina izao dia hoy Izy hoe : raha mbola tsy nanapa-kevitra ianao, araka ny teniko tamin’i Zakaiosy omaly, anio, manapaha hevitra : raiso i Jesoa ho Tomponao sy Mpamonjinao dia ho tonga zanak’Andriamanitra ianao ary dia ho fenoiny ny fonao sy ny fanahinao, ho fenoiny izay divay maherin’ny fanjakan’ny lanitra izany. Ary ny ivelany, dia ampitafiany an’i Jesoa ianao, ary tena hanana fitafiana mamiratra ianao, ary ao amin’ny ankohonanao, ianao lehilahy, mba ho tena lehilahy araka ny fon’i Kristy ianao, satria mitafy ny fahamarinana, mitantana ny ankohonanao ho amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana ; ary ianao vehivavy, sitrana ianao amin’izay maha-triatra ny fanahinao ary ho tena hoe vady mpamonjy ny vadinao, ho tena reny mpitaiza ny zanakao ho amin’ny fonao. Izany ve ianao ry havana o ? Sanatria an’izany, sao dia hijanona amin’izao fahatriatranao izao ianao rehefa handiha ny varavaran’ny fiangonana hody any an-tokantranonao ?
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena