ALAHADY 04 JOL 2021

image_pdfPDF

Ny tenin’Andriamanitra izay ho toriana amintsika dia ny filazantsara araka ny Lioka 5 :27-32, dia ibanjinantsika lohahevitra vaovao, araka izay voalazan’ny mpitarika teo : Miorena amin’ny antson’ny Tompo.

Ny ankamaroan’ny kristiana maneran-tany ry havana dia mahay tsianjery hoe iza avy ny filazantsara 4 voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Iza avy ireo izy ? Matio – Marka – Lioka – Jaona. Izany izany, tsy kristiana ianao raha izany avy dia tsy hainao an. Izany izany izao ny fitsapana tamin’ny andron’ny Kgb. Nisy fotoana nenjehina ny fivavahana kristiana tany Urss, dia nisy fotoana koa tany Corée avaratra. Dia milaza ry zareo hoe tamin’izany izany, mpitsikilom-panjakana mody manao mpitondra fivavahana ; dia anontaniana ilay mpitondra fivavahana hoe : inona kay ny filazantsara 4 voalohany ? Dia miahanahana. Dia fantatrao hoe mpitsikilo itony fa tsy mpitondra fivavahana. Matio – Marka – Lioka – Jaona. Fa ny fahadisoan-kevitry ny ankamaroan’ny olona, dia mieritreritra ny olona hoe Matio, Marka, Lioka, Jaona dia Apostoly daholo. Fa tsy Apostoly daholo izany ireo. I Lioka, izay nanoratra an’ity filazantsara ity ohatra, dia tsy Apostoly. Tsy Apostoly izy izany, izany hoe tsy ilay olona nanaraka an’i Jesoa nivantana tanatin’ny 12 lahy. Tsy vitan’ny hoe tsy Apostoly izy an, fa izy koa tsy jiosy : Syriana izy, jentilisa izy. Ary satria izy tsy jiosy an dia hafa koa ny fomba fijeriny. Fahatelo manaraka izay : Lioka koa tsy mpanarato ; fa Lioka dia dokotera. Izany olona avara-pianarana tamin’ny androny. Ary satria izy Syriana, jentilisa fa tsy jiosy ; satria izy avara-pianarana fa tsy mpanarato ohatran-dry Petera, dia hafa kokoa ny fomba fijery sy teolojia an’i Lioka raha oharina amin’ny teolojian’ny hafa. Ao anatin’izay ohatra izao an, dia i Lioka mijery kokoa ireo antsoin’ny fiaraha-monina hoe anjorom-bala.

Amin’ny fiaraha-monina jiosy izany, sy ny fiaraha-monina rehetra rehetra dia misy ny olona antsoina hoe anjorom-bala, marginal. Dia ireo an, anatin’izany ny vehivavy ohatra. Ny vehivavy izany izao, rehefa manisa ny olona dia hoe : « ary ny isan’ny olona nisakafo tao dia tsy omby olona 5000 lahy » ; fa ny vehivavy tsy misy manisa izany. Dia gaga be aho izao nijery tato anztin’ny Baiboly an : rehefa misy hoe vehivavy ho sitranina amin’ny aretina amin’ny ankapobe : tsy hitanao ao mihitsy ny anarany. Tsy hita mihitsy ny anaran’ilay vehivavy, ankoatra an’ilay hoe namoahana demonia sns… Fa rhaa vao lehilahy, dia apetaka ny anarany, hoe : « Ary Bartimeo jamba » ; fa ny vehivavy izany ahiliky ny fiaraha-monina. Ahiliky ny fiaraha-monina ihany koa ireny ilay olona mafy ady, misy aretina, boka. Ireny izany efa hoe : « boka e, boka e » : avy hatrany dia miala. Fa ahiliky ny fiaraha-monina ihany koa izay tsy mitovy hevitra politika aminy. Ny hevitry ny fiaraha-monina manontolo dia ity, ity, ity. Ny fiaraha-monina dia manao hoe : mila tia tanindrazana isika ; ny fiaraha-monina dia manao hoe : mijoro isika amin’ny maha-jiosy antsika ; dia izay heverina ho mpiara-miasa amin’ny mpanjanan-tany : voahilika any. Ary izany fomba fijery diso marobe manodidina ny fiaraha-monina jiosy izany ry havana no tian’i Lioka ahitsy amin’ny alalan’izao filazantsarany izao. Fa miorenà amin’ny antson’ny Tompo. Satria ny antson’ny Tompo dia ho an’ny olona rehetra. NY ANTSON’NY TOMPO DIA HO AN’NY OLONA REHETRA. Hitantsika izany ry havana eo amin’ny and.27-28. Izao indrindra mantsy no voalazan’ny Soratra Masina : « Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy (Matio), nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy ». Ny fanjakana romana no nitondra tamin’izany. Romana izany : any Italie an. Ary Europe ary lavitra be ary. Dia ny jiosy an : zanatany. Dia rehefa zanatany ny jiosy an, dia nozarazarain’ny Romana faritra : faritra anankiray an Galilia, faritra anankiray Samaria, faritra anankiray Jodia, faritra anankiray taty Egypte, faritra anankiray tany Frantsa, ohatra izany. Dia rehefa nozarain’ny mpanjanan-tany faritra be dia be an, ny tao anatin’ny empire romana, dia apetrany isaky ny faritra hoe : ianareo ato an : ity hetra alainareo, ohatran’io manao ny teti-bolam-panjakana amin’izao fotoana io ihany izany ; ity ny hetra alainareo amin’ity taona ity. Dia ohatra izany izao hoe ny fatra napetraka ho hetra alaina ho amin’ity taona ity dia 1tapitrisa denaria, ao amin’ny faritra iray ao Galilia ; dia miantso ny antsoina hoe mpamory hetra ry zareo an, dia ireo olona mpamory hetra ireo no manome toky, na karazana garant izany milaza hoe tsy maintsy tratranay ireo hetra ireo. Dia ny fanjakana romana tsy te hahafantatra, fa mila mandray 1tapitrisa isa-taona izy. Dia ireny indray no mizara ny hetra isan’olona, hoe ianao izany an, izao no aloanao ; ianao izany an, izao no aloanao ; ianao izany an, izao no aloanao. Dia satria ry zareo no mametraka an’ilay isa, dia tokona 1tapitrisa no alainy, dia taingenany 2tapitrisa. Izany izany ny fanaon’ny mpamory hetra tamin’izany an. Raha amin’izao fotoana izany, tsy hoe ratsy akory an, fa inspecteur des impôts ny asan’i Matio. Izany izany raha tena izy. Dia tsy ilay 1tapitrisa tokony alainy no alain’iretsy, fa 2tapitrisa. Ianao izay tsy mandoa hetra rahateo moa tonga dia azon’ny fanjakana gadraina. Dia sady efa halan’ny olona izany ry Matio, satria mpiara-miasa amin’ny mpanjanan-tany, ohatran’ny ny fitiavan’ny olona ny frantsay niara-niasa tamin’ny allemand tamin’ny ady lehibe faharoa, collaborateurs no filaza azy ; tahaka ny nakahalan’ny malagasy ny malagasy mpamadika tanindrazana tamin’ny frantsay nanafika antsika. Dia halan’ny olona ry Matio satria mpiara-miasa amin’ny mpanjanan-tany. Fa tsy vitan’ny hoe miara-miasa amin’ny mpanjanan-tany izy, fa mbola mambotry vahoaka, mangarona ny any am-paosin’ny olona ary maka izay tsy tokony alaina. Izay rahateo ry havana no nahitantsika an’ilay hoe rehefa nanatona an’i Jaona mpanao batisa ny mpamory hetra hoe : « inona no tokony ataonay ? », dia izy tsy miteny hoe : « mialà amin’ny asanareo, aza manao inspecteur des impôts intsony ». Tsy nanao an’izany izy, fa izao, hoe : « aza maka mihoatra noho izay tokony ho alainareo ».

Ary dia hitantsika araka izany tenin’Andriamanitra izany ry havana fa ireo olona izay noheverina ho nalohan’ny fiaraha-monina, olona izay noheverina ho anjorom-bala aza, dia ao anatin’ny olona antsoin’ny Tompo. MIANTSO NY OLONA REHETRA NY TOMPO : NA IZA IZY NA IZA DIA MANDRAY ANTSO. Ary izay ange ry havana no mahavariana e, amin’ny Abrahama ao amin’ny Genesisy 12 e : efa lehilahy lehiba 75taona ianao, efa mipetrapetraka tsara tany Harana ; Harana izany moa izany amin’ny faritra Iraka sns iny amin’izao fotoana ; dia olona efa mipetrapetraka ny fiainana, efa tsy nanantena intsony izy mivady hoe hiteraka, dia efa nanangan-jaza, efa nanangana an’i Lota zana-drahalahiny, nentin-dry zareo niaraka taminy ; efa mipetraka tsara ny fiainanao any amin’ny faha-75 taona no tonga ny antson’Andriamanitra hoe : « mandehana ianao, mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao ». Dia tonga tany amin’ny tany Kanana izy.

Ry havako malala ao amin’ny Tompo an, NY ANTSON’I JESOA KRISTY TOMPO DIA HO AN’NY OLONA REHETRA. Ho an’ny olona rehetra io. Araka izay voalaza teo moa, androany Alahady ho anareo sampana, sampan’asa, asa, fikambanana. Misy antso nataon’ny Tompo miantefa isan’olona isan’olona, dia ekeo izay antso niantsoan’ny Tompo anao. Tsy misy an’izany hoe : « izaho tsy nantsoin’ny Tompo ». Fa misy antson’ny Tompo ho anao : fa na ianao no mafy fo sy mafy loha, na ilay izy diso : diso fandray ianao fa tsy ny Tompo no diso fiantso. Raha nantsoina ho dorkasy ianao dia ataovy ny maha-dorkasy anao. Nantsoina ho fifohazana ianao : ataovy tsara ny maha-fifohazana anao. Raha nantsoina hoe Stk zandriny ianao an : mipetraha tsara amin’ny maha-Stk zandriny anao. Raha nantsoina ho diakona ianao an : ataovy tsara ny maha-diakona anao. Fa izay. Ary io raha vao ampifamadihanao dia miteraka loza an. Teo izao, mandeha ny hira : raha ireo feo voalohany no asaina manao feo faharoa, dia efa mamalana ; na ny basse no asaina manao feo fahatelo dia efa manahirana io. Fa napetrak’Andriamanitra amin’ny toerany avy ny tsirairay. Ary raha ho an’ilay demoniaka manokana ny amin’ny filazantsara araka an’i Marka 9, rehefa nositranin’i Jesoa izy dia nafana fo ; satria iny ilay namoahana devoly 6000 an, izay ny legiona mantsy : 6000 ; ny légion romaine 6000 ny isany. 6000 ny devoly navoaka taminy dia nanolo-tena izy. Raha amin’izao fotoana izao izany tonga dia hoe « midirà mpiandry, ianao ary efa sitrana ». Fa injay nanaraka ny Tompo dia hoy ny Tompo hoe : an an an, mandeha ianao mody fa tsy manaraka ahy. « Izaho Tompoko hanao Apostoly » - « Mandehana ianao mody, lasa ianao mitory teny any an-tanananao mankany Dekapolisy dia mitoriteny hoe izaho nositranin’i Jesoa ». Ary dia nisy antso.

Ary tsy aty am-piangonana ihany io an, fa any amin’ny asanao : misy nantsoin’ny Tompo ho mpitsara, misy nantsoin’ny Tompo ho dokotera, misy nantsoin’ny Tompo ho mpamafa lalana, misy nantsoin’ny Tompo ho mpampianatra eny amin’ny Oniversite… Misy ny nantsoin’ny Tompo… Any amin’izay sehatra misy anao no hamalio ny antson’ny Tompo.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, Pasitera mivady : efa natsoina ho amin’ny fisotroan-dronono ianao ; izay indray izany izao ny antson’ny Tompo ho anao. Teo ianao nantsoina ho mpitandrina, dia afaka 5 volana ianao izao dia antsoina ho mpitandrina misotro ronono. Dia tahaka an’i Mosesy, notenenin’ny Tompo hoe : Mosesy an, Mosesy an, mijanona amin’izay izy ity e ; asaivo miakatra i Josoa, dia miakatra indray Josoa. Tahaka an’i Elia : Elia an, Elia an, tapitra izy ity e : asaivo miakatra i Elisa, dia niakatra indray Elisa. Ifandimbiasana ny toerana. Ary dia antson’ny Tompo, antso masina izany.

Eto ry havana dia hisarika kely ny saintsika aho. Misy fahadisoan-kevitra be dia ben y antsoina ho « ny antson’Andriamanitra ». Ny antson’Andriamanitra dia heverin’ny olona hoe ao anaty fahoriana foana ; fa misy fotoana ny antson’Andriamanitra dia ao anatin’ny fahasoavana. Misy fotoana moa izahay tafaresaka amin’ireny mpitondra fivavahana hafa ireny, manana namana Pasteur sy Mompera sy Masera be dia be ; marihiko tsara fa isika Fjkm manana Masera ihany koa an. Dia ny ankamaroan’ny olona hoe Masera sy Mompera an, na ny Pasteur hafa, raha vao anontaniana, dia izao : fa naninona kay ianao ity no nanao Masera ? Angaha voadona tany amin’ny resaka fitiavana ? Izany daholo ny olona. Fa maninona kay no nanao Mompera ? Angaha nataon’ny vehivavy narary fo ? Tena izany. Fa maninona kay no nanao Pasitera ? Angaha lany session teny Ankatso ? Tsia. Raha ny tantaran’io Pasitera io : fantatrareo ? Cadre ambony be tany Frantsa io. Nandray firy francs français izy tamin’izany : fantatro. Mbola tsy Euro ny vola tamin’izany. Fa nafoiny izany, tahaka an’ity Matio ity, rehefa tonga ny antson’ny Tompo. Izaho moa fantatrareo fa nisy fotoana nandalo kely teto : fantatro tsara ny tetibolan’Isotry Fitiavana : fa raha ny karama noraisiny tamin’izany sy ny karama raisiny amin’izao an : mbola ambany. Mbola ambany no omenareo azy izao noho ny noraisiny tamin’izany. Fa izay ilay antson’ny Tompo miantso anao. Ao anatin’ny fara-tampon’ny heriny, insspecteur des impôts ao anatin’ny heriny manontolo i Matio no nantsoin’Andriamanitra ary dia novaliany ny antson’ny Tompo. Nahafahany niorina ny antson’ny Tompo.

Fa ny antson’ny Tompo ry havana, izay anorenana antsika mpino, tsy vitan’ny hoe ho an’ny olona rehetra ihany ; fa ny antson’ny Tompo ihany koa dia anaovana fety.                                       

image_pdfPDF

Hafa tany aloha ...