ALAHADY 03 FEB 2019

image_pdfPDF

Asan'ny Apostoly 8:22 : « Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao ».

Teny nataon’ny Apostoly Petera tamin’i Simona mpanao ody : « Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao ». Votoantin’ny filazantsara izany antso ho amin’ny fibebahana izany ; ary isika rehetra ry havana, amin’izao maraina izao, dia samy manana izay haratsiana mahazatra, izay haratsiana heverin’ny fo tokony hibebahana : « mibebaha amin'izao haratsianao izao ».

Fahamarinana 1 : AOKA HO FANTATRAO FA NY ODY TSY MAHAVONJY

Eo ianao izay mbola mpandala an’izany, mpilalao an’izany, mpanketsy sy eroa ; misy ato ry havana o.

Ao ianao, mahita an’izany, teneno izy e : tsy mahavonjy io ody io e. Ary mibebaha amin’izany fahazaran-dratsy izany ianao. Izay ilay fahamarinana 1 ry havana o.

Eto, lehilahy anankiray, Simona, mpanao ody hoy ny and. 9, nahatalanjona ny rehetra tao Samaria tao. Ilay fahefana asehony amin’ny alalan’ilay ody tena miasa eto, hanehoany hery ka nahatalanjona ny rehetra ry havana. Hoy ny and. 9 hoe izy koa mahita an’ilay izy, manao an’ilay izy dia mandoka-tena ho zavatra. Ary ny olona koa talanjona amin’ny odiny dia manao azy, hoe amin’ny and.10 hoe : « Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe ». Tena fahadisoan-kevitra tanteraka ary fahadisoan-kevitra mampiditra any amin’ny helo izany e. Tsy hoe tsara izany, na ratsy izany ; fa tsy idirana any an-danitra izany. Misy hery ao an, tsy misy milaza mihitsy hoe tsy efficace ny ody, fa zareo tsara ny zavatra nitranga : talohan’ny nitantarana momba an’i Simona mpanao ody dia tantaraina fa hoe nentin’ny Fanahy Masina tany Samaria i Filipo ary dia nanao fahagagana maro izy. And.7 : « ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny ». Mba nanao fahagagana koa izy. Fa inona ny zavatra nitranga ? Samy nanao fahagagana izy roalahy, samy naneho hery izy roalahy, fa nanomboka niteny eo amin’ny and. 12-13a hoe : « Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. Ary Simona koa mba nino ». Samy naneho hery Filipo sy Simona ry havana. Fa Simona mijery an’i Filipo eto : talanjona Simona ; fa izy mahita hoe oay, ity Filipo ity dia tena manana hery, ary ity Filipo ity manana hery mahavonjy.

Ry havana o, ho anao izay mpandala an’ireny dadarabe sy mpitaiza ireny : io misy dadarabe io, talanjona amin’ny fahefan’i Jesosy, amin’ny herin’i Jesosy ; fantaro izany.

Variana aho hoe, misy namantsika dokotera nanao dinika tao tamin’ireo candidat ho diakona. Dia mitantara ny fiainan’ny mararin’ny cancer eo izy ; dia ilay izy hoy izy médicalement, tsy avotra ; fa dia eo ilay olona, na dia mpino aza, lasa any amin’ny mpitaiza any. Dia nanonona anarana teo izy hoe izao indray ny anarana lamaody amin’izao. Ry havana o, aoka izay izany e : mibebaha amin’izany faharatsianao izany ianao. Dia araka ny and. 8, ahita fifaliana lehibe ianao ao amin’ny fiainanao. Ary dia ho mpitondra teny fifaliana ianao. Ahoana moa no itondranao fifaliana raha ny finoanao aza tsy mahita fifaliana ? Mibebaha amin’izany fahazaran-dratsy izany. Aoka izay ity hoe rehefa handevina dia misy ora ohatran’izao ; rehefa miandry faty sy ny karazany dia mbola misy fomba ohatran’izao : misy an’izany ato, mbola manatrika an’izany aho. Mibebaha amib’izany faharatsiana izany. Fa tsy idiranao any an-danitra izany ry havana o.

Ary izay ny fahamarinana 1 : ilay lehilahy anankiray antsoina hoe Simona, izay nahatalanjona ny maro, talanjona tamin’i Jesosy. Oviana ianao no mba ho talanjona amin’i Jesosy la hiteny hoe : aoka izay ireo fahadalana rehetra ireo.

Ny ody tsy mahavonjy. Izay ny fahamarinana 1.

Fahamarinana 2 : NY FINOANA MIORINA AMIN’NY FAHAGAGANA DIA FINOANA TSY MAMPIDITRA ANY AN-DANITRA

Hita eto amin’ny tantaran’i Simona izany. Mba talanjona koa i Simona tamin’ny fahagagana nataon’i Filipo ; talanjona izy, nino izy, natao batisa izy. Fa Simona azo heverina fa ohatr’ireo olona nanana finoana, nefa mety tsy tafiditra any an-danitra. Satria ny finoana vokatry ny fahagagana, dia finoana miaro haitraitra, tsy finoana manova ; fa finoana miaro émotion fotsiny. Ary ny Soratra Masina anie dia miresaka an’io finoana tsy mahavonjy io e. Jerentsika ny Marka 3:11 : « Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. » Mety talanjona i Simona teo anatrehan’i Filipo, dia mety hoe niankohaka izy raha nino sy natao batisa ; fa izao : fanahy maloto, ny devoly koa mba mino tahak’izany. Sao dia mba finoan’ny devoly ny finoanao satria miorina amin’ny fahagagana, miorina amin’ny miracle?

Tsy azo ivalamparana moa ny fotoana fa andeha jerentsika ny Lioka, misy ilay mpanankarena ratsy fanahy ; ratsy fanahy satria ny harenany no andriamaniny, ny harenany no tompoiny. Ary tsy mba nanana an’izany hoe fiantrana ny malahelo izany izy. Tantaran’ilay lehilahy mpanankarena sy Lazarosy ity, ary enga anie ka tsy hisy mpanankarena ohatran’izany atobry havana : manan-karena fa mahihitra ; mahihitra ho an’ny hafa, mahihitra ho an’ny asan’Andriamanitra. Tonga amin’ilay fitenenana hoe : « Ce ne sont pas les riches qui sont avares, ce sont les avares qui sont riches ». Enga anie ka tsisy an’izany ato. Fa jereo ity lehilahy mpanankarena ity : nony lasa any amin’ny elo izy, manenina tongotra aman-tanana izy lasa any amin’ny elo, dia mahatsiaro ny rahalahiny izay mbola velona ety ambonin’ny tany, dia mangataka fiantrana izy hoe aleo mba hampilazana izy. Dia ahoana hoy ny tenin’ny Soratra Masina ? Lioka 16:31 : « Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza ». Na misy fahagagana tahaka inona, mety ho taitra kely izy, fa tsy hino amin’ny finoana mampiditra any an-danitra. Manao miracle anie Filipo eto e ; fa mitory ny tenin’Andriamanitra mazava izy ; manao antso ho amin’ny fibebahana izy ; izany no tena hoe antson’ny filazantsara ry havana. Fa raha ianao no fiangonana hoe tsy mitory teny tsy misy porofo, tsy miantso ho amin’ny fibebahana ianao : fahagagana avy amin’ny devoly izany ; ohatran’ny an’i Simona izany. Ary io Simona io no tenenina eto hoe : « Mibebaha ianao amin’izany faharatsianao izany».

Izay ny fahamarinana 2 ry havana : Ny finoana izay miorina amin’ny fahagagana dia tsy hampiditra any an-danitra, fa mety finoana miaro haitraitra sy émotion fotsiny.

Fahamarinana 3 : NY OLONA MANANA FINOANA MAMPIDITRA ANY AN-DANITRA DIA MANANA FIAINAM-BAVAKA, ZATRA MIVAVAKA

Ity Simona ity dia olona intelligent. Ary tsapany tsara ilay hery niasa tao amin’i Filipo ; ary noho ilay intelligence-ny, dia mino izy. Fa ilay problema dia izao : hay izy ity rehefa tarafina ny tohin’ny tantara, ny finoan’i Simona tsy miteraka fanovàna tao aminy tao. Fa inona no tohin’ny tantara, izay tsy ao amin’ny perikopantsika ?Hay ny hitan’i Simona tao amin’i Filipo dia ilay hery mety ahazoan’i Simona fahefana, ilay hery izay mety ahazoan’i Simona vola bebe kokoa raha mba hazony izany hery izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Hay tsy niova ity Simona ity fa dia mpanao ody vita batisa, hoy ny mpitoriteny iray izay. Sao dia mpanao ody vita batisa ianao ry havana o ? Mibebaha ianao amin’izany faharatsianao izany.

Fa ny olona tena manana finoana mampiditra any an-danitra, ary izay ny fiasan’ny Fanahy, arala ny Fihirana Fanampiny faha-6 : mankatoa ny teny ianao voalohany indrindra. Tsy maninona anie rahha hoe fahagagana no niatombohan’ny finoanao e ; fa raha fahagagana tsy mitarika anao hankatoa ny teny, satria ny toriteny no fototry ny finoana, loharanon’ny finoana, iorenan’ny finoana, tsy ny fahagagana : tsy misy an’izany ao amin’ny Soratra Masina. Fa raha hoe finoana miorina amin’ny fahagagana, fa tst mitarika anao hankatoa ny tenin’Andriamanitra : tsy finoana mahavonjy izany ry havana o.

Ary rehefa hoe mankatoa ny tenin’Andriamanitra ianao, tsy misaraka amin’ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra ny vavaka sy ny fahazotoana hivavaka. Diso hevitra isika mieritreritra fa rehefa mivavaka izany dia misy teny tsy maintsy tononina, tsy maintsy misy teny alahatra tahak’izao : diso hevitra tanteraka ianao. Rehefa mitory fitiavana amin’ny vadinao, na ny olona tianao ianao, samy manana ny fomba fiteniny ny olona. Rehefa mitory fitiavana amin’ny zanakao ianao, na ny zanakao mitory fitiavana aminao, amin’ny rainy na ny reniny, samy manana an’izany fanehoana fitiavana izany. Samy manana ny fomba hivavahany. Ny essentiel dia hoe finoana mahatonga fiainam-bavaka ve ny finoanao ? Mieritrereta : fa raha tsy finoana ahitana fiainam-bavaka, tsy finoana hampiditra anao any an-danitra izany, fa finoana ato an-tsaina fa tsy finoana ato am-po. Ary tsy hampiditra anao any an-danitra izany.

Azo atao tsara ny manao ohatran’i Simona mitent amin’i Petera hoe : mangataha ho ahy, mivavaka ho ahy. Azo atao tsara ny mitent amin’ny olona hoe : mivavaha ho ahy. Fa ianao, raha tena raisinao sérieux, zava-dehibe izany vavaka izany, ary raha tena hoe tenin’ny olona manana finoana mampiditra any an-danitra, dia olona efa mivavaka no miteny hoe : « mivavaha ho ahy ».

Misaotra ny Tompo isika ry havana ny amin’ny hafany mahitsy sy mazava, fototry ny filazantsara, nasehony teo anatrehantsika ankehitriny : «Mibebaha amin’ny faharatsianao ianao ». Tenenonny mpilalao ody hoe ajanony amin’izay ; teneno ny mpilalao ody hoe niaraka teo tsika taloha fa izaho efa tsy amin’izany intsony fa efa te hibebaka amin’ny faharatsiako aho. Diniho ny finoanao, raha finoana miorina amin’ny fahagagana : finoana tsy ampiditra anao any an-danitra izany ; fa finoan’ny demony ihany koa izany : mety.matahotra an’Andriamanitra fa tsy mitondra fiovam-po, fiovam-piainana ; ary diniho ny finoanao raha miteraka fankatoavana ny tenin’Andriamanitra – Diniho ny finoanao raha miteraka fiainam-bavaka.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

image_pdfPDF