Mofonaina 24 Septambra 2024 – Efesiana 1:7-14

image_pdfPDF

Eph 1:7-14

1-NY BOKY 

11-Fandraisan’anjaran’ny tsirairay : (Toko 6 ,Taona 60-62 tany Roma tao am-pifatorana.

Milaza andininy tadidinao)

12-Fanampiny

Naorin’i Paoly ny Fiangonana tao Efesosy Ac 18.18 ss ary naharitra tao 3 taona izy Ac:20.31. Antsoina hoe Epistilin’ny fihavanana ity epistily ity (fifaliana/Filipianina; Famindram-po/Filemona; Kolosianina/Fampihavanana)

13-Drafitry ny boky

1-(1-3) : Ny Fikasan’Andriamanitra momba ny famonjena

2- (4-6) : Ny firaisana sy fiombonan’ny olom-boavonjy (Amin’i Kristy, amin’ny fiainany an-davanandro ary ao amin’ny isan-tokantrano

3-(Eph 6:10-20) :Fampitaovana ho an’ny miaramilan’i Kristy ,Mifarana amin’ny fanononana anarana mpiara-miasa sy fanaovam-beloma.

2-FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA

21-Araka izany dia ao anatin’ny fizarana voalohany milaza ny  faonjena  efa voaomana mialohaity teksta ity. Azo vakina  manomboka  eo amin’ny and faha-3 moa izany.

22-RAKIBOLANA

221-Notendreny(11) : « Prooristhentes » < « Pro-orizo » :  Voafaritra mialoha , vita borna, Voalahatra mialoha.

222-Fanavotana (7) : « Apolutrosis » :Fividianana  Fanafahana  (He 9:12 sy He 9:15), Fanalana trosa.

3-IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY @ TEKSTA

31-Fahasoavana irery ihany no namonjena antsika :Tsy vidin-kasasarana na  avy amin’ny asa tsara fa fanomezana maimaim-poana sady fanapahan-kevitr’Andriamanitra samirery. (Eph 1:7 -9)

32-Fanendrena mialoha : Voatendrin’Andriamanitra araka ny safidiny sy ny fikasany ny famonjena antsika (Eph 1:9-12)

33- Kristy irery ihany no mpanjaka ,miivo ao aminy ny famonjena sy ny fampihavanana ny lanitra sy ny tany( Eph 1:10)

34- Finoana irery ihany no ahazoana ny mariky ny maha -olom-boavonjy (Tombo-kase) dia ny Fanahy Masina ( Eph 1:13-14)

35- Voninahitr’Andriamanitra irery ihany no kendreny amin’izay namonjena antsika (Eph 1:12-14)

 

4-FAMPIHARANA  : AOKA

41-Aoka  hilentika tsara ao amin’ny fo amam-panahintsika fa tsy tokony hisy antony hamonjena anao akory fa tena FAHASOAVANA izany. Fenoy fankasitrahana an’Andriamanitra ny fonao.

42-Aoka hatoky hatrany isika fa efa voaoman’Andriamanitra mialoha ny fiainantsika manontolo na dia tsy mazava amin’ny fotoana rehetra aza ny lalana sy ny zava-mitranga.Mitondra antsika amin’ny fitomboana ara-panahy ny zavatra rehetra.

43-Aoka  hapetratsika amin’ny toerany hatrany i Jesoa Kristy : Izy irery ihany no lalam-pamonjena sady fototry ny fampihavanana

44-Aoka  Hanamafy hatrany ny finoantsikaamin’ny Soratra Masina sy ny vavaka  isika mba hiorina tsara ao anatintsika koa ny Fanahy Masina ary ho tafatoetra amin’ny famonjena isika.

45-Aoka  hikendry ny voninahitr’Andriamanitra mandrakariva isika fa izany no tanjona tokana tao amin’Andriamanitra raha namonjy antsika Izy.

image_pdfPDF