1. NY BOKY
Toko 31 izay mitantara ny zavaniseho tamin'ny taona 1149-1055 BC nosoratana tamin'ny 1055 BC. Samoela = Ilay nohenoin’Andriamanitra. Ato no voalaza voalohany ny teny hoe MESIA (Ilay voahosotra) ao amin'ny 1 Sam 2:10. Vanim-potoanan’ny tetezamita hidirana amin’ny fananana mpanjaka ny vanim-potoana Samoela. Saoly no mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely (1 Sam 8:4-5) tamin'ny taona 1120 BC. Ny boky dia manomboka amin’ny nahaterahan’i Samoela ary mifarana amin’ny nahafatesan’i Saoly.
2. VAKITENY
(1 Sam 7:2-14)
Ity anjara vakiteny ity dia ialohavan’ny nangalan’ny filistina ny fiaran’ny fanekena (1 Sam 5 sy 1 Sam 6) sy ny loza nanjo azy ireo ary ny famerenana izany.
3. IREO TOKONY HO MARIHINA
31. Mpandray anjara:
- IHWH
- Samoela
- Ny israelita
- Filistina
311. Filistina:
Ireo tany amorontsiraka atsimon’ny tany Kanana. Ny mponina dia avy amin’izany atao hoe Kaftora (any Egypta) Jér 47:4, Am 9:7, Gen 10:14, Deu 2:23. Efa tamin’ny andron’i Samsona no nanafika ny Zanak'Israely ny Filistina. Ny sampiny dia ilay atao hoe Dagona (1 Sam 5:2-3).
312. Israelita:
Olon’ny firenena voafidy (Jiosy). Israelita: Hevitry ny fifidianana sy ny famonjena ary ny finoana sy ny fanantenana ny Mesia. Hebreo na Jiosy.
313. Samoela:
Zanaky ny fiaretana, zaza valim-bavaka. Natolotra ny Tompo raha vao nisara-nono ary nahazo ny fiantsoana maha-mpaminany tamin’ny andron’i Ely (1 Sam 3). Tonga mpitsara izy rehefa maty Ely (1 Sam 7).
314. IHWH:
Andriamanitra mamakivaky ny tantara sy mpamonjy ary mpanafaka, mpiady ho an’ny Zanak'Israely (Exo 3:14).
Fanamarihana :
MIZPA = Tilikambo fitazanana. Tanàna niorina teo amin’ny toerana avo ary mahatsinjo lavitra. Toerana fanaovana fivoriam-ben’ny vahoaka (Jug 20-21, 1 Sam 10:17-24 fifidianana mpanjaka). Hevi-panahy: Toerana fitadiavana ny Tompo amin’ny fotoanan’ny krizy. Fibebahana sy fanavaozana.
32. Ny trangan-javatra miavaka (07)
- 20 taona no tao Kiriata-Jearima ny Fiaran’ny fanekena (1 Sam 7:1).
- Samoela miantso fibebahana (1 Sam 7:2).
- Niaiky sy nanary ny sampiny ny israelita (1 Sam 7:4).
- Samoela nivavaka ho an’ny Israely (1 Sam 7:5-6).
- Nanafika ny filistina ary namely tamin'ny kotroka (1 Sam 7:7-11).
- Tafaverina ny tanin’Israely (1 Sam 7:13-14).
- Nanangana vato i Samoela « EBENEZERA » (1 Sam 7:12).
4. IREO TOKONY HALALININA
- Ny fibebahana (1 Sam 7:3-4).
- Ny maha-zava-dehibe ny fisian’ny mpitarika ara-panahy sy ny vavaka fangatahana (1 Sam 7:7-11).
- Nanao ahoana ny asan’Andriamanitra vokatry ny fibebahan’ny Israely sy ny vavaka nataon’i Samoela (1 Sam 7:7-11).
- Inona no nilana ny « EBENEZERA »?
5. FAMPIHARANA
- Hevero izay tokony hibebahanao.
- Inona ny tokony hangatahinao amin’Andriamanitra (Misy ady atrehinao ve?).
- Inona no efa nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ka nanangananao « EBENEZERA »?
6. FIARAHAMIDINIKA
- Misy andriamani-kafa ve tokony esorinao eo amin’ny fiainanao (sampy)?
- Ahoana no atao hivavahana ho an’ny Fiangonana sy ny firenena (Fantaro ny zava-misy)
- « EBENEZERA » toy inona no heverinao aorina ho fahatsiarovana ny asan’Andriamanitra?
7. FINTINA

Mibebaha dia mivavaha ary manantenà (2 Chron 7:14 sy Jacq 5:16).
8. VAVAKA
Vavaka mangina.