Mofonaina 31 Jolay 2024 – Ezek 20, 18-22

image_pdfPDF

1. Mandehana mahitsy fa mazava ny toromarika: Aza manary tena (Ezek 20:18-21)

Hatramin'ny niandohan'izao tontolo izao dia nitarika antsika zanak'olombelona Andriamanitra. Nitady izay hahatsara sy hiainantsika amin'ny fiadanana IZY. Napetrany ny toromarika mazava mba tsy hahasimba ny fiainantsika. Tsy nandeha arak'izany isika olombelona ka very sy voa mafy mandraka ankehitriny. Arakaraky ny tsy nandehanantsika tamin'ny fahitsiana, izany hoe nandikana ny didy sy ny fitsipika nomen'Andriamanitra dia mihasarotra ny làlana (ny fiainantsika).

PTQ:

  • Maro ny milaza fa tapidalan-kaleha.
  • Betsaka no nametraka tanjona fa tsy tonga.
  • Misy todisoa amin'izay naleha fa diso fanantenana.

ANTSO:
Mbola tsy miova ny toromarik'Andriamanitra mitondra ho amin'ny fiadanana. Ampifanaraho amin'ireny ny fiainana dia hahita fitsaharana (Sabata) amin'ny androntsika rehetra isika. Vakio ny Soratra Masina; Iaino ny Soratra Masina. Hazava ny làlanao, ho tena fiainana ny fiainanao.

2. Miverena raha diso lalana fa mamindra fo Andriamanitra (Ezek 20:22)

Voalaza eto amin'izao andinin-Soratra Masina izao ny toetran'Andriamanitra: Mamindra fo Izy ho fiarovana ny voninahiny.

Fantatra koa eto fa isika dia jeren'izao tontolo izao ka mampahamenatra an'Andriamanitra raha mikoroso tsy araka izay iheveran'Andriamanitra antsika.

Araka izany, ity Soratra Masina ity dia miantso anao hitodika amin'Andriamanitra indray ka hiverina fa diso làlana: vonona handray anao Andriamanitra mba ho fiarovana ny anarany.

PTQ:

  1. Mikiry amin'ny lalan-diso ny olona, fa tsy mety ahitsy dia Andriamanitra no menatra.
  2. Mitady lalan-kafa ny olona fa tsy mety mandeha araka izay atoron'ny Tompo. Afa-baraka Andriamanitra.
  3. Manao lalam-be tsy misy fepetra ny betsaka hany ka mifandona sy mifanimba dia samy voa eny am-pandehanana. Tenenina ratsy ny anaran'Andriamanitra.

ANTSO:
Raha tsy nandeha araka ny toromarik'Andriamanitra ianao. Tsaroanao hoe sahirana sy very ianao; miverena fa handray anao Izy, hamindra fo aminao Izy ka hitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinana noho ny anarany.

FEHINY:

Ny tsy fandehanantsika araka ny sitrapon'Andriamanitra no mahavery antsika.

  1. Mandehana Mahitsy fa mazava ny toromarik'Andriamanitra. Vakio sy iaino ny Soratra Masina.
  2. Miverena raha diso lalana fa mbola miandry anao Ilay Andriamanitra miaro ny voninahiny. Mibebaha: Ekeo ny fahadisoanao ary mangataha famelana mba hanamarinany anao.

Nandritra ny volana Jolay no niantsoana antsika hiara-mandeha amin'ny Tompo Andriamanitsika.
Hoy ny Soratra Masina: "Indro efa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, Koa mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao ..."
Hetseho ny tongotrao fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao.

Amena.

image_pdfPDF