HAFATRA MOFONAINA 17 JOLAY 2024 – Lioka 6,17-26

image_pdfPDF

HAFATRA MOFONAINA 17 JOLAY 2024

Lc 6.17-26

Jesoa Kristy mampianatra eo anatrehan'ny sokajin'olona samihafa

  • Mpianatra sy vahoaka maro.
  • Nanopy ny masony tamin'ny mpianatra: mpanara-dia sy mihaino ary miara-miaina.
  • Niteny.

Ao amin'ny Mt 5-7: "Nanatona azy ny mpianany." Teny nifantoka manokana tamin'izay niaraka taminy hatraiza hatraiza ity teny ity.

Miaraha mandeha amin'ny Tompo Andriamanitrao.

1. Mialà amin'ny lala-masaka

Mifanohitra amin'ny mahazatra ny fampianaran'ny Tompo. Izany no hitantsika ao amin'ny Soratra Masina. Miharihary eto izany. Ny Soratra Masina dia mampianatra fa rehefa manatona ny Tompo tokoa isika dia miova ny fijery. Tsy ny fisainanao taloha intsony ny fisainanao... sns. Ny Hazo Fijalian'i Jesoa Kristy no tena manova ho toy izany.

PTQ: Mandeha amin'ny efa faleha. Miaina amin'ny efa fanao.

ANTSO: Aoka tsy ho zatra ny lalan-dririnina isika ka hanao hitsindalana fahavaratra raha miara mandeha amin'ny Tompo. Miteny aminao manokana Izy. Henoy tsara. Diniho mihitsy, fakafakao lalina fa tsy ny hevitra mahazatra fa ny mifanohitra amin'izany ny fampianaran'ny Tompo. Mpianatry ny Tompo ianao. Manatona azy bebekokoa hatrany. Henoy ary araho ny fampianarany. Mialà amin'ny lala-masaka. Miaraha-mandeha Aminy.

2. Mizora amin'ny faharetana

Lc 9.23 + Rm 8.17

Ireo Soratra Masina ireo dia manambara fa ny miara-mandeha amin'ny Tompo dia vonona hiharitra sy haharitra ary ho tonga amin'ny voninahiny.

PTQ: Toy ny vahoaka maro nanaraka eto: mitady fanasitranana no betsaka. Misy izany amin'ny olona tonga aty amin'ny fiangonana... sns.

ANTSO: Misikina raha andeha, aoka ho vonona hiaritra sy hahalia lalana. Mazava ny itondran'ny Tompo: Fanjakan'Andriamanitra.

Fehiny

Manopy ny masony aminao ny Tompo.

  1. Ovay ny fijery: Mialà amin'ny lala-masaka.
  2. Misikina: Mizora amin'ny faharetana.

Dia ho tonga soa ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianao.

image_pdfPDF