Mofonaina 22 Aogositra 2024 – Matio 5.13-16

Mt 5:13-16

Fanondroana sy fanendrena no ataon'i Jesoa amin'izao ampahan'ny Toriteniny izao.
Manamasina ny tenany ny mpino

  1. Voatondron'i Jesoa ho fahazavana ny mpino
    "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao" (Mt 5.14a).

    • Ireo mpianatra nanatona akaiky Azy no tondroin'ny Tompo eto (Mt 5. 1).
    • Ny fanatonana akaiky ny Tompo no antom-pahamasinana.
    • Hitan'ny Tompo ny finiavanao hanatona sy hihaino Azy ary dia tondroiny ianao ka lazainy hoe "Fahazavan'izao tontolo izao."
  2. Voatendrin'i Jesoa ho fahazavana ny mpino
    "Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo hahitany ny asa soa ataonareo..." (Mt 5.16a).

    • Tsy mihiboka ao amin'ny fahamasinany ny mpino fa tendrena haneho izany fahamasinany izany eny amin'izao tontolo izao.
    • Fandraisana ny fahamasinana enti-miaina ny fanatonana ny Tompo.
    • Ny olona manamasina ny tenany dia tendrena hanamasina ny fiaraha-monina indrindra koa amin'ny asa ataony.

FEHINY

Ianao no tondroin'ny Tompo ho fahazavana: Mihazavà
Ianao no tendren'ny Tompo ho fahazavana: Miasà

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra 
Amena.
Manonona ny Fahasoavan'ny Tompo. (MFT)