27 MEY 2018 – FETIN’NY RENY

image_pdfPDF

Niarahaba ny renim-pianakaviana rehetra tonga nanatrika ny fanompoam-pivavahana i Tatie Landy noho ny fetin'ny reny.

Harona misy soratra manao hoe: "VEHIVAVY MIHAVAO" no fanomezana natolotry ny Fiangonana ny reny rehetra.

Ary satria Tatie Landy no renin'ny rehetra ao am-piangonana dia niarahaba azy ary nanolotra fanomezana ho azy ny solontenan'ny Fiangonana, tamin'ny alalan'ny biraom-piangonana, ny filohan'ny sampana, sampan'asa, fikambanana, vaomiera eto amin'ny Fitandremana.

Narabaina ihany koa i Pasteur Lanto, izay Mpitandrina mizaha-draharaha eto amin'ny Fitandremana.

Nisolo-tena azy mianaka i Tatie Landy, nitondra ny teny fisaorana ho an'ny Fiangonana tamin'ny fiarahabana sy ny firarian-tsoa ho azy sy ho an'i Pasteur Lanto.

image_pdfPDF

Hafa tany aloha ...