Genesisy 32:25-31
Konteksta: Genesisy 32, 1ss
Jakoba mody ho any Kanana, mahatsapa ny fahadisoana nataony tamin’ny rahalahiny Esao ary miezaka amin’ny lalan’ny tenany handravona fihavanana. Nalefany hialoha azy avokoa ny manodidina azy rehetra. Rehefa mandinika izao anjara mofon’ainantsika izao isika dia mahita dingam-pihavaozana toy izao:
Mitarika anao hihavao ny olana
1. Manavao antsika ny fihaonana amin’Andriamanitra (Gen 32:25-26)
Manomboka eto ny dingana vaovao.
Ny Genesisy 3 no miverina eto.
FMPH: Mitady hevitra hafa hialana amin’ny olana (amin’ireny no milaza ny fialana amin’Andriamanitra).
Antso: Ny olana atrehinao dia antso ho amin’ny fihaonanao manokana amin’Andriamanitra. Te hanavao anao IZY.
2. Mampahafantatra antsika ny fahalementsika ny fihaonana amin’Andriamanitra ( Gen32:26)
Jakoba mitana ny heviny, mikiry amin’izay ao an-tsainy.
Nasehon’Andriamanitra fa eo am-pelatanan’Andriamanitra ny momba azy. Voafetra izy sady malemy.
FMPH: Mihirim-belona amin’izay tiana hatao fa tsy manaiky ny tian’Andriamanitra hatao.
Antso: Ny fihaonao amin’Andriamanitra dia fotoana ampibaribariany ny fahalemenao ary ahafantaranao ny heriny manavao anao.
3. Mampahiratra ny masom-panahintsika ny fihaonana amin’Andriamanitra ( Gen 32:27)
Teo amin’izay nahatsiarovan’i Jakoba ho malemy no nahatsapany ny herin’Andriamanitra ka nirosoany tamin’ny finoana marina.
Genesisy 32:5: Mbola Esao ilay natahorany no tompony. Eto kosa dia Andriamanitra ilay tafahaona taminy no ianteherany.
FMPH: Tsy mahay mipetraka eo ambany tana-maherin’ny Tompo isika na tafahaona taminy aza.
Antso: Ataovy tsapanao ny hetaheta hanam-piovana rehefa tafahaona amin’Andriamanitra ianao. Mangataha ho tefen’Andriamanitra ianao.
Fehiny
Ny olana no mitarika fihavaozana:
- Mitondra anao hihaona amin’Andriamanitra
- Mampahafantatra ny fahalemenao IZY
- Manàna hetaheta hihavao
Ho hitanao fa tena handre sy handray fiovana avy amin’Andriamanitra ianao (Gen 32:28: anarana vaovao) sy (Gen 33:3: fahatsiarovana ho tompon'andraikitra).