Marka 4:35-41 ; 19 Jona 2024

image_pdfPDF

Marka 4:35-41

1. Fampandinihan-tena: (and. 40)

Efa manana finoana ve ianao ka tsy saro-tahotra? Vakio sy diniho ny Hebreo 11 (Ny toko-n'ny finoana).

Izay hamantarana fa manana finoana ianao dia:

  1. Ianao feno fankatoavana (Abrahama, Genesisy 12 sy 22)
  2. Ianao Feno fahatokiana (Davida sy Goliata, I Samoela 17)
  3. Ianao feno vavaka (Daniela 6: Daniela sy lavaky ny liona)
  4. Ianao feno fanoloran-tena (Jakoba: Finoana sy ny asa)
  5. Ianao feno fiovana (I Korintiana 5:17)

PTQ: Refeso ny tenanao. ANTSO: Efa manana finoana ve ianao?

2. Fampaherezana: (and. 41)

Atanjaho ny finoana mba ho tonga Tahotra ny tahotra (mivoraka).

Vokatra telon'ity fampitoniana ity dia ny Tahotra, ny fahagagana, ny fahalalana (fiaikena). Ny tahotry ny ho faty lasa Tahotra tsy hay hazavaina. Mahita sy miaiky an'i Jesoa. Tsy Jesoa Matory fa Jesoa mampitony: Miasa ka mandresy ny tabataba sy ny korontana.

PTQ: Andriamanitra o! (tahotra) ANDRIAMANITRA O! (Tahotra)

ANTSO: Atanjaho ny finoana (Soratra Masina sy vavaka) mba ho tonga Tahotra miharo fahagagana sy fitomboana amin'ny fahalalana ny herin'i Jesoa ny fiainanao.

Fehiny:

  1. Refeso ny tenanao: Efa manana finoana ve ianao?
  2. Herezo mba ho finoana hampahita anao ny herin'i JESOA KRISTY ny finoanao.
image_pdfPDF