Ohabolana 8:34 – Hafatra Mofonaina Alatsinainy 08 Jolay 2024

HAFATRA

Ohabolana 8: Andriamanitra Manondro ny Tenany ho Fahendrena

Fahendrena (Andriamanitra) mijoro eo amin'ny fihaonan-dalana ka miantso ny olona hihaino azy (Prov 8:1-2).

Mofon'aina:

Ny fahendrena miantso ny olona hihaino sy hankeo amin'ny vavahadiny ary hiandry eo amin'ny tolam-baravarany.

Rehefa mandeha isika dia ireto no tsy maintsy ho ao an-tsaina:

  • Ilay vavahady manao ahoana no ho lalovako, varavaran'aiza no hidirako.
  • Eny an-dalana (eo am-piatrehana ny fiainana) ianao no miantso ny Fahendrena. Toerana roa manandanja voalaza tetsy ambony no voatsipika ato.
    • "Mihaino, miari-tory eo am-bavahadiko"
    • "Mihaino, miandry eo amin'ny tolam-baravarana"

VAVAHADY:

Ambohim-pihaonana: Tsena, Fitsarana, fivoriana ara-politika, Fampitam-baovao.

Ny teny fototra izay misy litera telo (SYR) ilazana ny hoe vavahady dia azo akana hevitra hoe: Tombana, fandrefesana, fisavana.

  • Sambatra izay miaritory mandrakariva eo am-bavahadiko. Tsy tafandry mandry raha tsy manao tombana ny fiainana eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra.
  • Tsy matory raha tsy avy mandrefy ny zava-bita; mitondra izany eo amin'Andriamanitra.
  • Manao ho zava-dehibe ny hoe milamina ve izaho ity raha eo anatrehan'ny Tompo.

PTQ: Tsy ahatongavana ao an-trano no ela

ANTSO:

  • Miarahamandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao
  • Mankanesa eo am-bavahadiny ho tsarainy.

Rehefa avy namakivaky tontolo andro ianao, mifidiana ny vavahadin'ny fahendrena. Mandiniha tena ary meteza ho tsarain'Andriamanitra.

"MIANDRY EO AMIN'NY TOLAM-BARAVARAKO"

TOLAM-BARAVARANA:

Ilay hazo mifamatotra ka mampiorina tsara ny varavarana ahafahany mivoha sy mihidy.

  • "Mihaino ary miandry eo amin'ny tolam-baravarana"
  • Aoka ho liana amin'izay tena foto-javatra.
  • Aoka hifantoka amin'izay mampiorina.

Ny Tolana no zava-dehibe fa tsy ny varavarana. Ilay tsy mihetsika, ilay tsy miontsona.

PTQ: Kristianina mivoaka sy miditra ny varavarana fa tsy miandry eo amin'ny tolana.

Kristianina misavilivily fa tsy miorina.

ANTSO:

  • Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao
  • Henoy ny antson'ny Fahendrena. Miandrasa eo amin'ny tolam-baravarana.
  • Aza mivilivily tadiavo izay iorenana, mifantoha amin'izay fototra dia Jesoa Kristy.

 

FEHINY:

Amin'ity anio ity.

Hiara-mandeha amin’ny Tompo ianao:

  1. Rehefa vita ny tontolo andro dia henoy ny Tompo, aza adinoina ny mandini-tena (Vavahady).
  2. Rehefa avy mandini-tena ianao dia henoy ny Tompo, tadiavo izay ampiorina bebe kokoa (Tolam-baravarana).