Mofonaina 24 Jolay 2024 – Mika 4,1-7

Mika 4.5

Mi 4.1-7

Fitarihana

Mika dia iray amin'ireo mpaminany madinika 12 ary naminany tokony ho tamin'ny taonjato fahavalo talohan'i Jesoa Kristy tao Joda. Mifangaro ato ny hafatra milaza famaizana sy fanarenana. Ity toko fahefatra ity dia milaza ny asan'Andriamanitra manarina an'i Jerosalema hahatonga azy ho tena tanànan'ny fiadanana tokoa, ho ivon-toeran'ny fandriampahalemana sy ny rariny. Izay lazaina eto amin'ny andininy faha-5 dia ny fahasamihafan'ny jentilisa sy ny mpanompo an'Andriamanitra.

  • Jentilisa samy mandeha samy mitady.
  • Jentilisa samy mivavaka amin'ny ivavahany.
  • Jentilisa samy manana ny fahefana mitondra azy.

Fa isika kosa mifanohitra amin'izany.

Miaraha Mandeha Amin'ny Tompo Andriamanitrao

1. Tondro Zotra Iray no Andehanantsika

Jn 14:6: "Izaho no lalana... tsy misy mankany amin'ny Ray afa tsy amin'ny alalako."

PTQ: Ny fisian'ny karazan'andriamanitra tompoina no mampiady (firenena, ao amin'ny fiaraha-monina na any an-tokantrano). Vokany tsy mitovy fijery ary dia mifanipaka ohatry ny valala ao anaty harona.

ANTSO: Miraisa saina fa tondro zotra iray no andehanana.

2. Andriamanitra Tokana no Iarahantsika

PTQ: Noho ny hamaroan'ny fivavahana sy ny antokom-pivavahana dia miroaroa saina ny maro ka very an-dalana (1 Co 3:4: Apolosy sy Paoly...).

ANTSO: Matokia fa Andriamanitra tokana no miaraka amintsika.

3. Lalana Feno Fikasana no Ho Diavintsika

Isaky ny mandeha ianao dia manana ho lazaina aminao Andriamanitra. Mialoha anao amin'ny Teniny Izy (Mi 4.6-7 + Ps 119:105 + Jr 29:11).

PTQ: Mandeha an-jambany, tsy fantatra rahoviana no ho tapitra ny lalana dia ahoana ny fandehany, inona no hiafarana. Mijanona an-tenantenany.

ANTSO: Mahareta fa feno fikasana ny lalana iaraha-mandeha amin'Andriamanitra.