Salamo 68:7-14 – Mofonaina Alarobia 10 Jolay 2024

HAFATRA

Intro:

  • Salamo 68: Fiantsoana ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra amin'ny ady (and. 1-2) ary fiantsoana ny fanjakana rehetra hanaiky ny Herin'Andriamanitra (and. 32-35).

Salamo 68:7-14:

  • Manoritra ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely avy any Egypta sy ny nitondran'Andriamanitra azy tamin'ny heriny.
  • Andininy faha-9: Miara mandeha amin'ny Tompo Andriamanitrao.

1. Ranonoram-pitahiana

Hafatra:

  • Mahafantatra ny ilainao eny am-pandehanana ny Tompo Andriamanitrao.
  • Malala-tanana Andriamanitra, tsy mahihitra fitahiana Izy. (Zanak'Isiraely tany an'efitra: mana sy papelika, ny vatolampy sy ny rano... Fitafiana sy kapa tsy rovitra).

PTQ:

  • Hanin-kohanina.
  • Rano ho sotroina.
  • Fitafiana eny an-koditra...

ANTSO:

  • Tsarovy fa tsy mahihitra fitahiana ny Andriamanitra miara-mandeha aminao.

2. Lovan'Andriamanitra

Hafatra:

  • Mikajy anao eny am-pandehanana ny Tompo Andriamanitrao.
  • Zavatra mahasarotiny ny lova.
  • Mamakivaky ny tantara ny lova, mitahiry ny fihavanana ny lova.

PTQ:

  • Hadinon'Andriamanitra aho, tsy hitany ny lalako kanefa izy mihitsy no natory niala tamin'ny lalan'Andriamanitra ka tra-doza.

ANTSO:

  • Tsarovy fa mihevitra anao toy ny lovany ny Tompo Andriamanitrao: Mitsinjo sy mikajy anao Izy. Lovan'Andriamanitra ianao.

3. Novelombelomin'Andriamanitra

Hafatra:

  • Manavao anao eny am-pandehanana ny Tompo Andriamanitrao.
  • Mety ho reraka (Kotra) na maty isika fa mamelona Izy (Salamo 23).

PTQ:

  • Manenina ny amin'ny fisiany.
  • Milaza fa diso fanapahan-kevitra dia vizaka tanteraka.
  • Maro no mandeha toy ny voninkazo nafindra dia malazo. Mila famelomana.
  • Betsaka ny kotra. Mila fampaherezana.

ANTSO:

  • Tsarovy fa te hamelona sy hampisy tsimoka vaovao eo aminao indray ny Tompo.