Sal 121.8 ; 24 Jona 2024

image_pdfPDF

Salamo 121,8

Fiarovana mamakivaky ny làlana (Mivoaka na miditra)

Ohatra: Zanak'Israely namakivaky ny Tany efitra 40 taona niaraka tami'nny andry afo sy ny andry rahona.

Ohatra miiba: Ny fomban'ny fakana fiarovana raha handeha lavitra...

Fiarovana mamakivaky ny fotoana (hatramin'izao ka ho mandrakizay)

Jehovah: tsy miova sy maharitra.
Ny zava-mitranga mety miova fa IZY tsy miova.
Ny famantaran'andro no miodina fa ny Tompo manatrika lalandava.
Ny olona no miteny mandra-pihaona fa Izy tsy manao veloma anao na iray minitra aza.

Fampiharana

Manomboka izao dia mariho ao amin'ny firaketanao ireo trangan-javatra nahatsapanao ny fahamarinan'izao Salamo 121,8 (Psa 121.8) izao.
Manomboka izao, omeo toky ny saro-tahotry ny zava-misy sy be fanahina ny amin'ny ho avy fa misy ny Psalmes 121,8 (Psa 121.8) ary tsy mamitaka ny Tompo. Ny matoky no anjarantsika.

Vavaka

Vavaka ho an'ireo marefo sy mandalo ady sarotra mba hatoky ny fiasan'ny Teny Fikasan'ny Salamo 121,8 (Psa 121.8).

  • Tontolon'ny asa
  • Tontolon'ny fianakaviana
  • Tontolon'ny zanaka
  • Tontolon'ny fanapahan-kevitra
  • Tontolon'ny firenena
  • Tontolon'ny mpandeha an'habakabaka sy an-tanety
  • Tontolon'ny fiangonana
  • Tontolon'ny ara-panahin'ny vahoakan'Andriamanitra
image_pdfPDF